FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/8 p. 3-6
  • Mba ho vanona ny fanabeazanao anaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mba ho vanona ny fanabeazanao anaka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe fanabeazana vanona?
  • Ny votoatin’ny olana
  • Drafitra mahavanona
  • Ento ny tsirairay avy ho toy ny olona manana ny maha-izy azy
  • Manabeaza azy “hatry ny fony vao zaza”
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Olana Maro Atrehin’ny Ray na Reny Tokan-tena
    Mifohaza!—2002
  • Manomeza fanabeazana ireo zanakao hatramin’ny vao fahakelezany indrindra
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Ny ankizy — “lova avy amin’i Jehovah”
    Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/8 p. 3-6

Mba ho vanona ny fanabeazanao anaka

“ETSY ANGE, hilazako ny fomba hahavanona ny fanabeazana anaka ianareo”, hoy Raymond, rain-jaza dimy: “Izany dia mitaky kiry sy ra sy dinitra ary tomany!”

Manaiky izany tsy misy hambahamba ramatoa vadin-dRaymond. Kanefa mbola ampiany hoe: “Tsy mora ny mitaiza zaza amin’izao androntsika izao, nefa rehefa hitanao izy lasa olon-dehibe mahatsiaro adidy, dia tsapanao fa tsy very maina ny herim-ponao.”

Tsy nisy na oviana na oviana naha-raharaha nisosa ho azy ny fitaizan-jaza. Nefa toa mihamaro ankehitriny ny ray aman-dreny mahatsapa ny andraikiny ho mazana tokoa. “Ataoko fa sarotra kokoa ankehitriny ny mitaiza zaza noho ny tamin’ny andron’ny ray aman-dreniko, noho ny fiainana be kojakojany kokoa”, hoy Helena, vehivavy 40 taona izay efa tovolahy ny zanany izao. “Tsy fantatrao foana ny hoe rahoviana no tokony ho hentitra ary rahoviana no tokony handefitra.”

Inona no atao hoe fanabeazana vanona?

Atao hoe fanabeazana vanona ny manome an’ilay zaza izay rehetra hahatonga azy ho lasa olon-dehibe mahatsiaro adidy izay hanompo tsy tapaka an’Andriamanitra amin-jotom-po sady ho tia namana (Matio 22:37-39). Indrisy anefa fa tsy ny zanaka rehetra no lasa olon-dehibe mahatsiaro adidy. Nahoana àry? Moa ve tsy maintsy ho noho ny fahadisoan’ny ray aman-dreniny?

‘Ndeha hasiantsika fanoharana. Ataontsika hoe, misy mpanorina manana eo am-pelatanany ny drafitra tsara indrindra sy ny akoram-panorenana tsara indrindra. Inona anefa no miseho raha tsy mety manaraka an’ireo drafitra ireo izy ka manovaova azy tsy amim-piheverana na hoe soloany hafa izay tsizarizary ireo akoram-panorenana? Rehefa vitany ilay trano, moa tsy ho diso rafitra na mety hampidi-doza mihitsy aza? Ataontsika kosa izao hoe, nanaraka an-tsakany sy an-davany ny drafitra ilay mpanorina sady nampiasa an’ireo akoram-panorenana ary fomba. Tsy tokony hoheverin’ny tompon’ilay trano voavoatra kosa ve izao izay hahatomombana azy hatrany? Ary moa koa ireo akoram-panorenana ary fomba tsy tokony hohajainy haharitra eo amin’izay toerana misy azy fa tsy hosolosoloany hafa tsizarizary?

Azo lazaina amim-panoharana ho tahaka ny mpanorina ireo ray aman-dreny. Faniriany ny hanorina toetra kanto ao amin-janany, ary amin’izany lafiny izany dia ahitany ny drafitra tsara indrindra azo tadiavina ny Baiboly. Ireo akoram-panorenana ary fomba, izay oharin’ny Soratra Masina amin’ny “volamena, na volafotsy, na vatosoa”, dia azontsika lazaina ho toetra tsara toy ny finoana tsara orina sy fahendrena avy amin’Andriamanitra ary ny fahiratan-tsaina ara-panahy sy ny fahatokiana mbamin’ny fitiavana an’Andriamanitra Tsitoha sy fitiavana ny lalàny. — 1 Korintiana 3:10-13, Kat.; jereo Salamo 19:7-11; Ohabolana 2:1-6; 1 Petera 1:6, 7.

Etsy an-daniny kosa, arakaraka ny hitomboany, dia ilay zaza no tokony hanolokolo toetra kanto. Tsy maintsy ekeny ny mifanaraka amin’ny drafitra narahin’ireo ray aman-dreniny, dia ny Tenin’Andriamanitra sady manohy mampiasa an’ireo akora ary fomba. Raha tsy mety manao toy izany ilay ankizy mandroso ho tonga taona, ka mandrava an’ilay rafitra ary fomba, dia izy tenany ihany no hivesatra ny voka-dratsin’ny fironany. — Deoteronomia 32:5.

Ny votoatin’ny olana

Anona (Anton-javatra) roa loha fara fahakeliny no manembatsembana ny hahavanona ny fanabeazana anaka. Ny voalohany dia satria samy tsy tanteraka na ray aman-dreny na zanaka, hany ka samy manao fahadisoana. Eny, matetika no misosoka ilay fironana nolovana antsoin’ny Baiboly hoe ota. — Romana 5:12.

Manaraka izany, dia tsy ny fitaoman’ny ray aman-dreniny irery fotsiny akory no mihatra eo amin-jaza mitombo. Misy koa famolavolan’ny fiaraha-monina iray manontolo ny fomba fanombany zavatra sy ny heviny mikasika ny fiainana. Koa tsara hoheverin’ny ray aman-dreny àry ity faminanian’i Paoly manaraka ity, mikasika ny androntsika: “Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny [mpanohi-dray aman-dreny (Kat.]), tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.” (Izahay eto no manamafy.) — 2 Timoty 3:1-5.

Raha heverintsika fa ireo toetra tsy faniry ireo rafitra ijoroan’ity fiaraha-monina ankehitriny ity, dia tokony hahagaga ve raha misy ray aman-dreny kivy ambony ihany milavo lefona ka mila tsy hahavatra hanabe anaka? ‘Ndeha aloha hiverina hitodika amin’ny 1914 isika. Tamin’io taona voamarika io ny fiaraha-monina no niharana fiovana lalina nitondra voka-dratsy. Ireo ady naneran-tany roa nipoaka hatramin’izay akory tsy hoe nampanjavona ny fiadanana fotsiny. Very tsy ho hita koa eo amin’izao fiaraha-monina ankehitriny izao ny fahatsiarovan-tsaina ara-pitondrantena nanampy an’ireo ankizy ho lasa olon-dehibe nahatsiaro adidy. Amin’ny tena izy, ireo ray aman-dreny tia ny rariny dia toherina fiaraha-monina manodidina izay mifanipaka amin’ireo fahatsaram-pitondrantena iriny hitaizana ny zanany.

Kely kokoa àry ny fiaraha-miasa hitan’ireo ray aman-dreny ankehitriny noho ny tamin’ny lasa. Tsy mba nisalasalan-drizareo fahiny fa hanampy azy tokoa ny sekoly mba handatsaka ao am-pon-janany an’ireo fahalalam-pomba fototra nomeny ny loha laharana tao an-tokantranony. Lasana anefa izany fotoana izany.

“Hafa ankehitriny ireo fitaomana samihafa ampiharina amin’ny tanora, hoy Shirley, izay nahatapitra ny sekoly ambaratonga faharoa tamin’ny 1960. Tsy mba fahita tao amin’ny lise tamin’izany fotoana izany ny zavatra mahadomelina sy ny fitia tsy voafehy. 30 taona lasa izay, dia natao fa ratsy izany hoe miafinafina mifoka sigara izany. Rehefa nankany amin’ny lise ny zanako vavimatoa tamin’ny 1977 ka hatramin’ny 1981, dia niely tokoa ny fidorohana zava-mahankona. Ankehitriny izao dia tafiditra hatrany amin’ny kilasy ambany kokoa azaio. Nandritra ny taona roa farany izao, dia nisesy no nisy nanolotra ho an’ny faravaviko izay 13 taona.”

Taloha koa ireo ray aman-dreny dia mba afaka nanantena an’ireo raibe aman-drenibe sy ny havana amam-piray monina mba hanara-maso izay ataon’ilay “kilonga”. Kanefa izao dia niova koa na io toe-javatra io aza. Alahelovana koa ankehitriny ny mahita mitombo isa hatrany an’ireo tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny tokan-tena ivesaran’ny fanabeazan-janaka.

Drafitra mahavanona

Na dia sarotra kokoa aza ankehitriny ny manabe anaka, dia mahavanona ny asa fanabeazany ihany ny ray aman-dreny miankina amin’ny fanampiana azony ianteherana sady efa nahatohi-pisedrana, dia ny Baiboly. Azonao ampiasaina ny Tenin’Andriamanitra ho drafi-panorenana na soritr’asa ho an’ny fanabeazana an-janakao. Mova tsy mpanorina havanana izay tsy mitsaha-manaraka ny drafiny mandrapahatontosan’ny asany, dia azonao atao ny mandray sori-dalana avy amin’ny Baiboly ho enti-manampy ny zanakao ho lasa olon-dehibe mahatsiaro adidy. Na dia tsy fitambaran-torohevitra eo amin’ny lafim-panabeazana tsotra izao aza ny Baiboly, dia misy ahitana ao anatiny tokoa torohevitra mivantana ho an’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Maro tokoa ireo aingan-kevitra sarobidy raketiny izay hanampy anao, mba hanatontosa ny andraikitra amin’ny maha-ray na reny anao, raha ampiharinao. — Deoteronomia 6:4-9.

Hevero fotsiny Diane. Rehefa 14 taona Eric zanany lahy hoy izy, dia “zazalahy mpiasabe tsy mba be teny”. Tamin’izay no nahitany fa tena mampiseho fahendrena tokoa ity ohabolana ao amin’ny Baiboly ity: “Rano lalina ny hevitra [fikasana na ny fiheverana] ao am-pon’ny olona; fa izay manan-tsaina dia mahay manovo izany.” (Ohabolana 20:5). Misy zaza manotrika am-po ny heviny sy ny fihetseham-pony — izany hoe ny tena fiheverany — izay azo oharina amin’ny rano mifaribodim-bovo. Anisan’izany Eric. Tsy maintsy miezaka mafy ny ray aman-dreny mba hanakatra an’izany karazana fiheverana izany. “Tsy dia fanaony loatra, rehefa nody avy nianatra, ny hidedadeda hitantara taminay izay rehetra niseho, hoy Diane raha mitadidy. Koa dia naka fotoana àry aho mba hiezaka hahafantatra izay fiainana hitany tany am-pianarana. Indraindray aho tsy maintsy niresaka taminy adiny maro vao naborany tamiko izay tena heviny tokoa tao am-pony tao.”

Mora hazavaina ny hoe nahoana ny Baiboly no mpanoro lalana sarobidy tokoa: Jehovah Andriamanitra no niaviany, dia ny Mpamorona antsika (Apokalypsy 4:11). Jehovah mahalala ny tena fomban’ny olombelona ary maniry ‘hampianatra antsika hahita soa sady hitarika antsika amin’ny lalana tokony halehantsika’, na ray isika na reny na zanaka (Isaia 48:17; Salamo 103:14). Na dia misy aza tsy maintsy ezaka kokoa noho ny hafa mba ho tonga ray aman-dreny tsaratsara kokoa, dia afaka mihatsara daholo ny rehetra amin’izany lafiny izany, rehefa manaraka ny sori-dalan’ny Soratra Masina.

Ento ny tsirairay avy ho toy ny olona manana ny maha-izy azy

Tsy mety ny mamolavola zaza ho tsara amin’ny fampiharana fitambaram-pitsipika nataon’olombelona izay mitovy fandaitra amin’ny rehetra. Tsy misy koa olon-dehibe voalahatry ny vintana ho ray aman-dreny “filamatra”. Samy manana ny maha-izy azy avy ny zaza tsirairay; tsy maintsy entina toy ny olona manana ny maha-izy azy àry izy. Milaza izany koa ny Baiboly. Inty misy torohevitry ny Baiboly ahitana aingam-pitsipika izay hanampy an’ireo ray aman-dreny mba tsy hampitaha ny zanany amin’ny hafa: “Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ny olon-kafa.” — Galatiana 5:26; 6:4.

Heverin’i Jaona, izay nitera-droa, fa ahafahany manampy an-janany io torohevitry ny Soratra Masina io mba tsy hitsara vilana ny zoky na zandriny na ireo fianakaviana sasany. “Amporisihiko ny zanako mba tsy hiraharaha izay ananan’ny fianakaviana sasany na izay ataony, hoy Jaona. Hany ataonay masaka am-po ireo zavatra sarobidy ho anay mianakavy.”

Manabeaza azy “hatry ny fony vao zaza”

Rahoviana no tokony hasosoka anaty fanabeazana mahavanona ny fivavahana? “Tsy misy fotoana azo lazaina ho diso aloha loatra”, hoy Gérard izay vao nampiditra tany amin’ny akanin-jaza an-janany lahy. Heverin’i Gérard fa tokony ho efa manana tena sakaizany ao anatin’ny kongregasiona ny ankizy, alohan’ny hanombohany mianatra akory aza. Izany koa no nahatonga an’i Gérard mivady hitondra an’i Yvan kely hamonjy fivoriana kristiana raha vao teraka na saika toy izany. Amin’izany Gérard dia nanahaka izay nataon’i Eonika ho an’i Timoty zanany. Io reny io, izay derain’ny Baiboly tokoa, dia nitandro tokoa izay hianaran-janany “hatry ny fony vao zaza” ny b.a.-ba an’ireo fampianaran’ny Baiboly. — 2 Timoty 1:5; 3:15.

Ny renin’i Timoty, ary angamba koa Loisa renibeny, dia nitandrina tsara mba tsy ho ny hevitr’izy mianaka manokana no hamolavola an-drazazalahy hatry ny fony vao menavava; fantatr’izy ireo tokoa mantsy fa tsy hisy hampahendry azy ho amin’ny famonjena afa-tsy ny fampianarana avy amin’i Jehovah. Inty misy teny notsoahina avy amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty: “Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” — 2 Timoty 3:14, 15.

Nampianarin-dry Loisa sy Eonika i Timoty mba hanao fanjohian-kevitra sy hiorim-pinoana amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tamin’izay ny finoany dia tsy hiorina manontolo tamin’ireo havany fa hiorina kokoa tamin’ny fahendren’Andriamanitra noraketin’ny Tenin’i Jehovah. Raha nanaiky ireo fahamarinana kristiana Timoty, dia tsy satria fotsiny ny reniny sy ny renibeny nanompo an’i Jehovah fa satria ny tenany no efa nahazo antoka rahateo fa ny fahamarinana no nampianarin’izy mianaka ireo azy.

Tsy maintsy ho fantatr’i Timoty koa hoe karazana olona nanao ahoana ny reniny sy ny renibeny, dia vehivavy ara-panahy tokoa izay tsy ho namitaka azy na oviana na oviana na ho nanolana ny marina mba hanampatra ny fitiavan-tenany. Tsy mpihatsaravelatsihy koa ireo. Noho izany dia tsy nisy antony mihitsy tokony hisalasalany ny amin’izay nianarany. Tsy maintsy ho lalina tokoa ny hafalian-dreniny nahatoky raha nahita azy niaina tamin’ny naha-kristiana mafana fo, rehefa lehibe.

Eny, mitaky ezaka be tokoa ny mba hahavanona ny fanabeazana anaka, nefa toy ny tenin’ilay reny noresahina tetsy am-boalohany, dia “tsy herim-po very maina” tsy akory izany. Ary tena mrina indrindra izany rehefa misy azon’ny ray aman-dreny itenenana mikasika an-janany izay nolazain’ny apostoly Jaona tamin’ireo zanany ara-panahy: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” — 3 Jaona 4.

[Efajoro, pejy 6]

Laminasa fanabeazana fanarak’ireo ray aman-dreny teo amin’ny Isiraely fahiny

Andraikitry ny ray aman-dreny, teo amin’ny Isiraely fahiny, ny nitaiza sy nanabe ny zanany. Sady mpanabe ireo no mpanoro lalana. Azon’ny ray aman-dreny ankehitriny angalana hevitra ihany koa ny laminasa fanabeazana narahina teo amin’ny Isiraely, izay azo fintinina toy izao:

1. Nianatra hatahotra an’i Jehovah ilay zaza. — Salamo 34:11

2. Namporisihina izy hanaja ny rainy sy ny reniny. — Eksodosy 20:12.

3. Nampahafantarina azy ny Lalàna sy ny asa nataon’i Jehovah tamin’ny lasa. — Deoteronomia 6:7-21.

4. Nantitranterina ny tokony hanajana an’ireo zokiolona. Levitikosy 19:32.

5. Naseho azy ny ilàna hanoa. — Ohabolana 23:22-25.

6. Nampianarina asa izy, hivelomany rehefa lehibe. — Marka 6:3.

7. Nampianarina izy hamaky teny sy hanoratra. — Jaona 7:15.

[Sary, pejy 5]

Ny Tenin’Andriamanitra no drafi-panorenana na soritr’asa ho an’ny ray aman-dreny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara