Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
‘Tsapa ny herin’ny’ ny fahamarinan’ny Baiboly
FOTOANA amam-bola be no lanin’izao tontolo izao hitadiavana izay fomba hanakanana ny faharatsiana. Lalàna maro no avoaka handrarana ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny halatra mbamin’ny vono olona; ireny anefa tsy mahatonga ny olona ho tsara fanahy kokoa. Etsy an-daniny kosa, ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra, dia manan-kery hampiova olombelona; ireo izay mampihatra ny lalàny sy ny aingam-pitsipiny dia lasa olo-marina izay sady mahitsy no malemy paika. — Romana 12:2.
◻ Nisy izao tany Aostralia Vavolombelona roa tojo tovolahy maromaro izay tsy nanana anton’asa. Rehefa niverina nitsidika izy dia nampandrosoana anaty efitrano maizimaizina sy feno setroka. Nikorontana ambony latabatra izao fitaovana rehetra fifohana rongony izao ary ny rindrina dia nilalotra peta-drindrina naneho olo-malazan’ny rock. Ilany manontolo tamin’ilay efitrano no feno fampitomboampena gitara mandeha amin’ny aratra. Efitrano fanazarana tarika rock no nampandrosoana ireo Vavolombelona. Nanaiky hianatra ny Baiboly taminy ny telo tamin’ireo tovolahy nonina tao. Mpirahalahy izy ireo ary ny reniny dia efa nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, taona vitsivitsy talohan’izay. Nampiasainy tamin’izay ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany mba hanehoana tamin’izy ireo ny fampanantenan’Andriamanitra paradisa ho avy. Kanjo nifindra izy mianakavy dia tapaka teo ilay fianarana. Namelona indray tao amin’ireo tanora ireo ny fitiavana ny fahamarinana ny famangian’ireo Vavolombelona; tsy ela dia nirotsaka tao amin’ny fianarany koa ny roa tamin’ireo sakaizany.
Rehefa lasa ny telo volana dia nanomboka nanao fanambarana ny iray tamin’izy mirahalahy avy, ary dia nanao toy izany koa izy roa lahy sisa tamin’ny volana nanaraka. Nilaozany ilay tarika; lasa mpitory daholo izy telo lahy tao anatin’ny efa-bolana. Tamin’izay koa no nanomboka nianatra ny Baiboly ny reniny sy ny zandriny lahy ary ny zokiny vavimatoa izay efa nanambady. Dia nisy namany hafa koa nangataka hianatra ny Baiboly. Endrey ny hafaliana nahita ny dimy tamin-drizareo natao batisa indray fivoriamben’ny fizaran-tany. Roa hafa amin-drizareo no eo am-piomanana ho amin’ny batisa; raha ny reniny sy ny anabaviny kosa, dia mandroso tsara izy ireo. Tsy lavina tokoa fa tena tsapa ny herin’ny Tenin’Andriamanitra.
◻ Tany Argentina dia nisy lehilahy nampiasa olona fatsora sy kamo velona, izay tsy hita tampoka ny nanjavonany raha sendra nananany vola be. Lasa ny taona. Kanjo indray andro, raha nivoaka ny tranony ralehilahy, dia indro nipoitra ilay mpiasany taloha. Niarahaba azy ilehio ary dia nivaky hoe: “Hankao aminao indrindra aho izao. Nikasa hamerina ny volanao aho mantsy. Indro, raiso. Misaotra indrindra, ary aza fady fa tsy taloha kokoa no nanonitra azy.” Zendana ralehilahy ka nanontany azy ny anton’izao fihetsiny izao. Hoy ny navalin’ilay mpiasa: “Mianatra ny Baiboly aho izao ary Vavolombelon’i Jehovah. Lazain’ny Baiboly fa tsy azo avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza afa-tsy ny fifankatiavana ihany. Koa izay no amerenako ny fanananao.” Koa ny fiantraikan’izany tamin-dralehilahy àry dia ny nanontaniany hoe: “Fa hery inona loatra no ananan’ny Baiboly ka mahaova olona toy izao?” Nanomboka nianatra ny Baiboly àry izy ka dia ianarany koa amin’izao fotoana izao ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly; ka izany rehetra izany no vokatry ny fiovana nentin’ny fahamarinana tao amin’ilay mpiasany taloha.
Maro koa any Argentine ireo olona mahitsy fo mandray ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izay manova ka miaina amin’ny fomba hafa izy izao. Maneho tsara izany izao fisehoan-javatra manaraka izao:
◻ Vavolombelona iray no mitantara: “Teo am-pitoriana izahay indray andro raha nisy varavarana iray nandondònanay izay nandrenesana kiakiaka avy tao an-trano tao. Lehilahy nisafoaka izaitsizy no tonga namoha. Raha nanomboka nanazava ny an-tondianay izahay, dia nolazainy fa horoahiny. Nanohy niteny ihany anefa izahay, ka nampiasa feo tsy taitra sady tony. Dia nihatony tsikelikely izy. Narosonay àry ny fanazavanay ny fikasana mampitolagaga voahevitr’i Jehovah ho an’ny taranak’olombelona. Voakitika ilay rangahy ka nanao izao teny mahazendana izao: ‘Andriamanitra no naniraka anareo.’ Dia nampandrosoiny izahay. Hitanay taoan-trano ny ‘vehivaviny’ sy ireo zanany nitampify an-joron-trano sady nigogogogo. Niaiky ilay rangahy hoe: ‘Ianareo tonga iny aho no nikasa hamono ho faty ny vady aman-janako ary ny tenako koa avy eo. Efa very hevitra aho. Very ny asako ary voaroakan’ny trano izahay sady miavosa ny trosako.’ ”
Tsara fiafara io tantara io. Nisy vehivavy kristiana hafa nahita asa ho an-dralehilahy ary nisy trano hafa azony nipetrahana. Nanomboka nianatra ny Baiboly izy sy ny “vehivaviny” ary dia nisora-panambadiana; efa 15 taona izy roa no nanao tokantranomaso.
Manome porofo mazava ireo fitantarana ireo: tsapa ny herin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly eo amin’ny mpandefitra am-po rehetra mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra azy.
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Velona ny tenin’Andriamanitra ary mahatonga ny heriny ho tsapa.” — HEBREO 4:12.