Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Mitahy ny mpihazona tsy fivadihana any Chypre Jehovah
NANAMBARA tamin’ny mpianany Jesosy hoe: “Raha nanenjika ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20). Tetsy an-daniny koa Jehovah dia nampilaza tamin’Isaia mpaminany izao: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hambinina.” (Isaia 54:17). Ireo fanambarana roa ireo dia niharihary ho marina tany Chypre, izay itorian’ireo Vavolombelon’i Jehovah, mpihazona tsy fivadihana, ny vaovao tsara amim-paharisihana.
◻ “Ny Eglizy ortodoksa grika dia miezaka manohitra ny asantsika, hoy ny fanamarihan’ny tatitra iray avy amin’io tany io. Ireo pretra dia mizara zavatra vita pirinty izay mirakitra izao karazana fiampangana rehetra izao sady mangataka ny olona mba hanalavitra ny fifanakalozan-kevitra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitsidika ny olona miara-mianatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aza izy ireny mba hanandramana hitaona azy tsy hanao izany. Tany Paphos, ny pretra iray mpampianatra teolojia dia nanao izay handresena lahatra olona telo samy hafa mba hitsahatra tsy hianatra ny Baiboly miaraka amin’ireo Vavolombelona. Ny tsirairay avy amin’ireo olona telo ireo dia nangataka ny rahalahy iray mba hifanakalo hevitra amin’io teolojiana io. Faly izahay mahafantatra fa ankehitriny izy telo ireo dia marisika eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah.” Nahatezitra an’io pretra io izany, ka nanambara izy hoe: “Tsy hiresaka intsony amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho.” Ny pretra sasany aza dia tonga hatramin’ny fikapohana rahalahy teo am-pitoriana. Nefa mazàna dia mifotitra aminy ny fiezahan’ny klerjy, àry olona mitombo isa hatrany no miandany amin’i Jehovah.
◻ Ny tantara manaraka izay nitranga tany Chypre, dia mampiseho fa mahazo fitahiana ny tena rehefa mitoetra ho tsy mivadika na dia eo aza ny fanoherana. Ny vehivavy anankiray dia voatery nitaiza irery ny zanany vavy kely taorian’ny nahafatesan’ny vadiny nandritra ny ady tamin’ny 1974. Tato aoriana dia nanambady indray izy. Satria diso fanantenana tamin’ny fihatsarambelatsihin’ny klerjy izy sady nanana fanahiana ny amin’ny ho avy, dia nanaiky hianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nandroso haingana izy ka nanomboka niresaka tamin’ny havany ny amin’ireo zavatra tsara nianarany. Tsy ela dia tojo fanoherana izy. Ny fisedrana lehibe indrindra taminy, dia ny fandrenesana ny zanakavaviny 15 taona nilaza taminy hoe: “Namoy ny raiko aho ary raha toa tsy mitsahatra mianatra miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia tsy hoheveriko intsony ho toy ny reniko. Ho kamboty tanteraka aho.” Kanefa dia nanohy nianatra ihany io vehivavy io.
Indray andro dia lasa nitsidika olona iray fantany tany amin’ny hopitaly io tovovavy io. Ny Vavolombelona iray dia tonga nitsidika ny mpianakaviny izay teo amin’ny fandriana nifanila teo, ka tamin’izay dia niditra ny pretra anankiray hamangy an’io marary io koa. Tamin’izay dia velona ny resaka teo amin’ilay Vavolombelona sy ilay pretra. Ilay Vavolombelona dia nampiasa ny Baiboly mba hanazavana ny heviny sady nampiseho fahatoniana sy feno fahaiza-mandanjalanja. Ilay pretra kosa dia nila ady. Nitabataba izy nefa tsy nanokatra ny Baiboly na dia indray mandeha monja aza. Nanaitra ilay zatovovavy, izay nandinika ny niseho, ny hatsaram-panahin’ilay Vavolombelona sy ny nampiasany ny Baiboly. Ny harivainy ihany, rehefa tonga tany an-tranony ilay Vavolombelona niara-nianatra tamin-dreniny sy ny vadiny dia nohazavainy taminy izay niseho tany amin’ny hopitaly, nony avy eo dia nanontaniany izy ireo hoe: “Mba afaka mianatra miaraka aminareo koa ve aho?” Amin’izao fotoana izao dia mianatra Baiboly indroa isan-kerinandro io tovovavy io. Natao batisa ny reniny ary mianatra koa ny vadiny.
Tsy isalasalana fa mitahy ny mpanompony tsy mivadika any Chypre Jehovah!
[Sary, pejy 7]
Nahita fanoherana ihany koa ny apostoly Paoly tao Paphos.