Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Miely any Shypra ny vaovao tsara na dia eo aza ny fanoherana
NITORY ny vaovao tsaran’ny Fanjakana tany Kyprosy na Shypra ny apostoly Paoly (Asa. 13:4-12). Tamin’ny taona 47-48 izany. Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah 1 154 no manambara ny vaovao tsara ao amin’io nosy kanto io izay ahitana olona tso-po maro matahotra an’Andriamanitra, araka ny porofoin’ny isan’ny mpanatrika 2 570 voamarika tamin’ny aprily 1988, tamin’ny Fahatsiarovana farany. Na dia olona maro aza no mandray tsara ny hafatra momba ny fiadanana ao amin’ny Baiboly torin’ny Vavolombelona, ny klerjy ortodoksa kosa dia manohitra an’io asa io, araka ny ataon’ny klerjy jiosy tamin’ny andron’i Jesosy (Jaona 15:20). Izao no nosoratan’ny sampana: “Mampiseho tsy misy toy izany ny fikasany hanakantsakana ny fitorianay ny Fiangonana ortodoksa grika.” Manazava ilay tatitra fa mamely matetika ny Vavolombelona izay mitory isan-trano ireo anisan’ny klerjy, noho ny fanantenana ny hamorona fifandirana amin’izany. Tsy mamaly ny fihaikana anefa ireny kristiana ireny izay ampangaina rehefa avy eo ho manakorontana ny filaminam-bahoaka, fa lasa mandeha.
Raha ny marina, dia matetika no mifotitra aminy ny firehetan’ny klerjy, araka ny asehon’izao zava-nitranga manaraka izao: “Volana vitsivitsy lasa izay, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vehivavy iray. Nanomboka nianatra vao haingana koa ny vadiny. Tonga nitsidika azy ireo tamin’izay ny teolojiana iray mba hanandrana hampiaiky azy tsy hianatra ny Soratra Masina intsony. Nanandrana nanazava tamin’izy ireo ny fampianarana ny amin’ny Trinite izy. Rehefa avy nihaino azy kelikely ilay lehilahy dia nanapaka ny teniny tamin’ny filazana hoe: ‘Tsy azoko ny hoe ahoana no ahafahan’i Jesosy sady ho any an-danitra ao amin’ny tena ara-batana araka ny lazainareo no hiaraka amin’Andriamanitra izay fisiana ara-panahy.’ Izao no navalin’ilay teolojiana azy: ‘Tsy ilaina ny hahazoanao ny zavatra rehetra.’ ‘Ny azoko, hoy ilay lehilahy namaly azy, dia hoe Zanak’Andriamanitra Jesosy fa tsy Andriamanitra mihitsy. Tsy tiako ny handre zavatra mihoatra noho izany momba ny Trinite.’ Tamin’izay dia nitsangana ilay teolojiana ka niteny tamim-pahatezerana hoe: ‘Lasa lavitra loatra ianao amin’ny fianaranao ny Baiboly. Tsy afaka miova intsony ianao.’ ”
Manatrika ny fivoriana rehetra izao ny vadin’io lehilahy io. Natao batisa izy tamin’ny fivoriambe “Matokia an’i Jehovah”. Mbola mianatra ihany ary manatrika ny fivoriana sasany ny vadiny.
“Araka izany, dia tsy nisy vokany mihitsy ny fiezahan’ny klerjy, hoy ny tohin’ny tatitra nataon’ny sampana any Shypra. Vao mainka aza mitombo tsy toy ny teo aloha ny isan’ny mpanatrika ireo fivoriana. Ambonin’izany, ireo rahalahy dia mbola tapa-kevitra tsy misy toy izany ihany hampahafantatra ny vaovao tsara amin’ny olona tso-po.” Manohana ireo izay tsy mivadika aminy Jehovah, araka ny nampanantenainy ao amin’ny Jeremia 1:19 izay amakiantsika toy izao: “Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.”