FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/6 p. 5-6
  • Ny Bokin’ny Natiora sy ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Bokin’ny Natiora sy ny Baiboly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay ampianarin’ny famantaranandro antsika ny amin’ny Mpanao famantaranandro
  • Izay tsy lazain’ny famantaranandro amintsika
  • Fanazavana izay ao amin’ny Baiboly ihany no ahitana azy
  • Afaka Mampisy Heviny Kokoa ny Fiainanao ny Mpamorona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Inona no Antony Namoronana Antsika?
    Mifohaza!—2009
  • “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”
    “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra!”
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavaboary?
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/6 p. 5-6

Ny Bokin’ny Natiora sy ny Baiboly

“Izao rehetra izao dia mahasanganehana ahy, ka tsy azoko heverina Fa ity famantaranandro lehibe ity dia teo kanefa tsy nisy mpanamboatra azy.” — Voltaire, filozofa frantsay tamin’ny taonjato faha-18.

NY famantaranandro hentitra iray dia taratry ny fahaizana sy ny talentan’ilay nanamboatra azy. Fa inona no azo lazaina ny amin’izao rehetra izao manodidina antsika? Moa ve izy io, amin’ny fetra sasany fara faharatsiny, afaka mampiharihary ny maha-izy an’ilay Mpamorona azy?

Efa ho 2 000 taona izay, ny apostoly Paoly, anankiray amin’ireo mpanoratra ny Baiboly, dia namaly an’io fanontaniana io tamin’ireto teny ireto: “Fa ny fombany tsy hita [ny an’Andriamanitra], dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony.” (Romana 1:20). Fa inona àry no azontsika fantarina amin’ny fianarana an’io Bokin’ny Natiora io?

Izay ampianarin’ny famantaranandro antsika ny amin’ny Mpanao famantaranandro

Ny hatsaran’ny riana mianjera, ny tafio-drivotra eny an-dranomasina, ny lanitra mazava feno kintana an’arivony maro: izany dia anisan’ny zavatra maro mampahatsiahy ao amintsika ny herin’ny Mpamorona. Ny lalana hentitra izoran’ny planeta dia mampahatsiahy antsika koa, toa an’i Voltaire, fa ny Mpamorona dia tena Mpandamina lehibe, Mpanao famantaranandro Lehibe. — Salamo 104:1.

Ny karazan’ny vokatry ny tany, indrindra fa ny fahabetsahan’ny voankazo sy ny legioma dia maneho koa ny fahalalan-tanan’Andriamanitra. Izany no nohamarinin’i Paoly, izay nanambara hoe: “Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona izy; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana.” — Asa. 14:17.

Izay tsy lazain’ny famantaranandro amintsika

Ny fandinihana lalindalina kokoa ny Bokin’ny Natiora dia mbola hampiharihary amintsika toetran’Andriamanitra hafa. Kanefa, raha toa miantehitra fotsiny amin’izay ampianarin’ny zavatra noforonina antsika isika, dia hijanona ho voafetra foana ny fahalalantsika an’Andriamanitra. Izany no nohazavain’i Robert Lenoble ao amin’ny bokiny hoe Esquisse d’une histoire de l’idée de Nature: “Hanandratra foana ny masony amin’ny Natiora izy [ny olombelona] mba hanala sarona ny zava-miafina ao aminy, mba hahalalana ny tsiambaratelony, ary io tsiambaratelo io dia tsy afaka hivoaka avy ao amin’ny laboratoara.” Araka ny fanadihadiana nataon’ny La Croix, gazety katolika mivoaka isan’andro, ny antsasaky ny Frantsay nanontaniana, mpino sy tsy mino ny fisian’Andriamanitra miaraka, dia mitovy hevitra amin’izany sady manaiky fa “ny siansa dia tsy ho afaka hanome fanazavana ampy mihitsy ny amin’izao rehetra izao, satria ny zavatra sasany dia raharahan’ny filozofia na ny fivavahana.”

Izany koa no fanatsoahan-kevitra nataon’i Joba, lehilahy nahatoky, efa ho 3 500 taona izay. Nametraka izao fanontaniana izao izy: “Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena, ary aiza no fitoeran’ny fahalalana?” Mety ho hita ao amin’ny Bokin’ny famoronana ve izany fahendrena izany? “Hoy ny lalina: ‘Tsy ato anatiko izy!’ Ary, ‘tsy ato amiko izy’, hoy ny ranomasina!’ Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izany, ary takona amin’ny voro-manidina.” — Joba 28:12, 14, 21.

Fa aiza àry izany no tokony hitodihantsika mba hahitana io fahendrena io? Mamaly toy izao io boky io ihany: “Andriamanitra ihany no mahalala ny làlana ho any aminy, ary izy no mahafantatra ny itoerany.” (Joba 28:23). Andriamanitra dia mampahafantatra ny fahendreny amin’ny olombelona amin’ny alalan’ity fomba mahatalanjona ity, dia ny Teniny, ny Baiboly.

Fanazavana izay ao amin’ny Baiboly ihany no ahitana azy

Ny Baiboly no hany manome antsika fahitana fohy ny amin’ny fiandohan’ny olombelona. Ampahafantariny antsika ny fomba nanomanan’Andriamanitra ny tany mba hametrahana ao ny mpivady olombelona voalohany. Ireo ray aman-drenintsika voalohany dia tokony ho afaka niaina mandrakizay tao anatin’ny toe-piainana tanteraka. Nefa nikomy izy ireo ka tamin’ny fahotany dia nandentika ny olombelona tao anatin’izao karazam-pahoriana rehetra izao izy ireo, indrindra fa tao anatin’ny fahotana sy ny fahafatesana. — Genesisy, toko 1 ka hatramin’ny 3; Romana 5:12-21.

Ny Baiboly koa dia manazava amintsika amin’ny antsipiriany ireo fepetra noraisin’Andriamanitra mba hitondrana fanafodin’izany tarehin-javatra izany. An’arivony taona maromaro tatỳ aorian’i Adama sy Eva, Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra mihitsy dia tonga teto an-tany, mba hanolotra ho an’ny olombelona ny fahafahana hihavana indray amin’Andriamanitra. Tamin’izany no nanoloran’i Kristy ho an’ny olona izay mino azy sy manaiky ny vidin’ny sorona nataony, ny fanantenana ho velona mandrakizay eto ambonin’ny tany ho tonga paradisa. — Lioka 23:43; Jaona 3:16.

Izany fanantenana izany dia atolotra ny tsirairay avy amintsika. Mba hahatonga izany ho zavatra tena izy amintsika, dia ilaintsika ny ‘mahafantatra an’Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy izay nirahiny’ ary miaina mifanaraka amin’izany fanantenana izany. Noho ny Baiboly no ahazoana mianatra hahafantatra momba an’Andriamanitra. — Jaona 17:3; Jakoba 2:24-26.

Ho tianao ve ny hahafantatra amin’ny fomba hentitra ny valin’ny fanontaniana toy ireto: Ahoana no niandohan’ny olombelona? Inona no miseho aorian’ny fahafatesana? Inona no mahatonga ny fahoriana mahazo ny olombelona? Ho voalamina ve izy ireny indray andro any? Rahoviana Andriamanitra no hanolotra toe-piainana tanteraka ho an’ny olona, ary amin’ny fomba ahoana? Amin’izany, dia mamporisika anao izahay mba handinika ny Baiboly. Io boky io ihany no hanome anao valiny avy amin’ilay Andriamanitr’izao rehetra izao; io irery no misy “ny fanantenana ny fiainana mandrakizay”. Ireo boky avoakan’ny Fikambanana Watch Tower dia hanampy anao hahita ny valin’ireo fanontaniana rehetra ireo ao amin’ny Baibolinao manokana. — Titosy 1:1, 2.

[Sary, pejy 5]

Izao rehetra izao dia mampahafantatra sasantsasany amin’ireo endriky ny maha-izy an’Andriamanitra.

[Sary, pejy 6]

Ny Baiboly ihany no afaka manome antsika fanazavana ny amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny olona sy ny tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara