FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/6 p. 8-9
  • Famporisihana mba hamela heloka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famporisihana mba hamela heloka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Fianarana momba ny famelan-keloka
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ilaina ny Mamela Heloka
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nahoana Isika no Tokony Hamela Heloka?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Ilay Mpanompo Tsy Namela Heloka
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/6 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Famporisihana mba hamela heloka

TOA mbola tao an-trano iray tany Kapernaomy niaraka tamin’ny mpianany foana Jesosy. Vao avy nanazava tamin’izy ireo ny fomba fandaminana tsy fifanarahana mitranga eo amin’ny samy mpirahalahy izy. Hoy Petera nanontany azy tamin’izay: “Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy?” Koa satria ny mpitondra fivavahana nanoro hevitra mba hamela heloka hatramin’ny intelo, Petera dia nihevitra fa niseho ho tena namindra fo angamba tamin’ny nanipazany hevitra hoe: “Hatramin’ny impito va?”

Kanefa na dia ny hevitra ny amin’ny fanaovana karazam-panisana toy izany aza dia ratsy. Nananatra an’i Petera tamin’izao teny izao Jesosy: “Tsy lazaiko aminao hoe: hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.” Nasehony tamin’i Petera tamin’izany fa tsy tokony hamela ny rahalahiny amin’ny isa voafetra izy.

Nampiasa fanoharana iray i Jesosy mba hahatakaran’ny mpianany fa tokony hamela heloka izy ireo. Izany dia mampiseho an-tsehatra mpanjaka iray izay te-hidinika amin’ny mpanompony ny amin’ny volany. Nentina teo aminy ny mpanompo anankiray izay nananany vola be, denaria 60 tapitrisa (efa ho 3 lavitrisa ariary). Tsy nanan-kaloa anefa izy. Ny tompony dia nandidy mba hamidy izy sy ny vady aman-janany ary izay nananany rehetra, mba ho voaloa izany.

Raha nandre izany ilay mpanompo, dia niankohoka teo an-tongotry ny tompony ka nitalaho taminy tamin’ny filazana hoe: “Omeo andro aho, fa haloako ny anao rehetra.”

Onena azy ny tompon’ilay mpanompo ka namindra fo taminy ary namoy ny trosa be nananany taminy. Nefa vao vitany izany, hoy Jesosy, ka nivoaka avy teo ilay mpanompo dia nifanena tamin’ny anankiray tamin’ireo mpanompo namany izay nitrosa denaria zato taminy fotsiny (5 000 ariary eo ho eo). Noraisin’ilay lehilahy teo amin’ny tendany ny namany ka nanakenda azy izy sady nilaza taminy hoe: “Aloavy izay trosako aminao.”

Kanefa tsy nanana an’io vola io ilay mpanompo namany. Nianjera teo an-tongotr’ilay mpanompo tompon-trosa izy ka nifona taminy toy izao: “Omeo andro aho, fa haloako ny anao.” Nifanohitra tamin’ny tompony anefa, izy io dia tsy niseho ho namindra fo ka nampanao ny namany tany an-tranomaizina.

Rehefa hitan’ireo mpanompo hafa izay nitranga, hoy Jesosy, dia lasa nambarany tamin’ny tompony izany. Tezitra io ka nampiantso an’ilay mpanompo. “Ry mpanompo ratsy fanahy, hoy izy taminy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao; moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao?” Koa satria tezitra taminy ny tompony dia nanolotra ilay mpanompo tsy nifaditrovana tamin’ny mpiambina tranomaizina mandra-pandoany ny trosany rehetra.

Namarana tamin’ireto teny ireto Jesosy tamin’izay: “Tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy hianareo.”

Famporisihana tsara ho amin’ny famelan-keloka tokoa izany! Rehefa heverina ny hoe nafoin’Andriamanitra ny trosa be ananany amintsika, dia ny ota izany, izay fahadisoana rehetra ataon’ny anankiray amin’ireo rahalahintsika amintsika dia tena kely tokoa raha ny marina. Ambonin’izany, Jehovah Andriamanitra dia namela antsika inarivony maro. Matetika tokoa aza dia tsy tsapantsika akory ny fahadisoana ataontsika aminy. Noho izany, tsy azontsika atao ve ny mamela ny rahalahintsika tsy imbetsaka akory na dia manana antony ara-dalàna itarainana ny aminy aza isika? Tadidio izay nampianarin’i Jesosy tamin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, dia ny hoe Andriamanitra dia ‘hamela ny helotsika tahaka ny ho namelantsika izay meloka tamintsika’. Matio 18:21-35; 6:12; Kolosiana 3:13.

◆ Inona no nahatonga an’i Petera hanontany hoe impiry no tokony hamelany ny rahalahiny, ary nahoana no ney ho nihevitra izy fa ny fanipazan-kevitra nataony hamela heloka hatramin’ny impito dia nampiseho famindrampo?

◆ Inona no fahasamihafana nisy teo amin’ny fihetsik’ilay mpanjaka tamin’ny fangatahan’ny mpanompony sy ny fihetsik’io mpanompo io ihany koa nanoloana ny fangatahan’ny namany?

◆ Fianarana inona no azontsika amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara