Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra?
NY voromailala dia mahita ny lalany noho ireo antontan-kristaly misy “magnétite” hita ao an-dohany sy ao an-tendany. Mamoaka aratra (électricité) ny trondro sasany. Karazam-borona maromaro no manala ny sira tafahoatra ao amin’ny ranomasina izay manafa-ketaheta azy. Ny akorandriaka sasany dia misy efitrefitra izay rehefa feno rano na gaza, dia mahatonga ilay biby ho afaka hisitrika na hiakatra indray eny ambonin’ny rano.
Na tsapany izany na tsia, izay mampiasa tondroavaratra [boussole] iray sy mamoaka aratra, ary mamorona sambo mpisitrika na manala ny siran-dranomasina dia tsy manao afa-tsy ny maka tahaka ireo zavatra efa noforonin’Andriamanitra, raha ny marina.
Ny zavaboarin’Andriamanitra tokoa dia ahitana fianarana maro ho an’ny olombelona, hany ka antsoina matetika izy io hoe “ny Bokin’ny Natiora”. Ny sampana iray amin’ny siansa, ny bionika, dia manokan-tena mihitsy amin’ny fandinihana ireo fandehan-javatra misy eo amin’ny famoronana mba hangalana avy amin’izany fianarana azo ampiharina. Aoka hotononontsika ohatra, ny elatry ny fiaramanidina manana toetoetra mitovy amin’ny elatr’ireo voromanidina, ny sambo mpisitrika maka endrika “dauphins” ary ny firafitry ny “béton” izay manahaka ireo taolan’olombelona. Nefa moa ve “ny Bokin’ny Natiora” tsy manana afa-tsy fahalalana ara-teknika hatolotra ho antsika?
Tsia, indraindray dia manome antsika fampianarana ara-pitondrantena koa izy. Momba ny vitsika sy ny fahazotoany miasa avy hatrany, ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly dia mandefa izao famporisihana izao: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay malaina; diniho ny fanaony, ka mba hendre. Tsy manana komandy ireny, na mpifehy, na mpanapaka, nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy; ary manangona ny fihinany amin’ny fararano.” — Ohabolana 6:6-8.
Ny etolojia, siansa izay milaza ho maka fianarana avy amin’ny fihetsiky ny biby dia manana ny fetrany anefa. Tsy azo atao tokoa ny mampifanaraka ny fihetsiky ny olona amin’ny an’ny biby. Tokony hoheverina ireo fahasamihafana mahagaga mampisaraka azy, toy ny fitenenana sy ny fahaizana misaina hita miharihary fa ambony kokoa. Araka ny filazan’ny mpahay siansa iray dia “tsy rajako mahay kokoa fotsiny isika”. Noho ny fananantsika saina dia “tsy mitovy amin’ny endri-piainana hafa rehetra isika amin’ny hatsarana”.
Ambonin’izany, dia misy fanontaniana izay, na dia ny fandinihana lalina ny famoronana aza dia tsy hahavaly izany mihitsy. Anisan’ireny fanontaniana ireny dia aoka hotononontsika ireto: Misy zava-kendrena ve ny fiainana? Misy ve Andriamanitra ary miahy antsika ve izy? Aoka hojerentsika izao raha azo atao ny mahita ny valin’ireo fanontaniana ireo.
[Efajoro/Sary, pejy 3]
Efa nisy teo amin’ny famoronana: Ny “sonar”
Ny ramanavy dia manana fitaovana azo ampitahaina amin’ny “sonar” izay ahafahany mamantatra ny toerana sy manaraka ny fihetsehan’ny rembiny, amin’ny famoahana feo izay dinihiny ny akony. Nefa ny karazan-dolo sasany mivoaka amin’ny alina (amin’ny fianakavian’ny ‘arctiidés’), dia mandefa famantarana mampikorontana amin’ny endriky ny onjam-peo re izay mifanahatahaka amin’ny an’ny mpihaza azy. Rehefa maharay an’io famantarana io ny ramanavy dia tsy manam-potoana hamantarana na zava-manakana iray izany na tsia, ka mihataka amin’ny rembiny izy.
Ny profesora James Fullard ao amin’ny oniversiten’i Toronto, any Kanada, dia nanambara tamin’izao teny izao ny fahatalanjonany noho io fisehoan-javatra io: “Ny tena mahatalanjona indrindra dia samy mivaofy fitambarana filazalazana be dia be ny ramanavy sy ny lolo sady manome valiny ara-kozatra be kojakojany amin’ny tsy fampiasana afa-tsy selan-kozatra vitsy dia vitsy. Mahatratra fitsitsiana sy fandavorariana, izay hitsiriritan’ireo manam-pahaizana amin’ny ady ana habakabaka azy izy ireny.”
[Efajoro/Sary, pejy 4]
Teo amin’ny famoronana sahady: Ny lakolosy ahazoana misitrika anaty rano
Nolazaina fa i Léonard de Vinci no namorona ny fitaovana enti-misitrika anaty rano teo am-piandohan’ny taonjato faha-16. Nefa ny karazana hala iray, ny ‘argyronète’, dia efa nanamboatra fitaovana ahafahany miaina any ambany rano. Araka ny fanazavan’i Andrée Tétry ao amin’ny bokiny hoe Les outils chez les êtres vivants, io hala io dia “manorina ny tranony eny amin’ny sakeli-drano tsy dia mahery loatra, eo anivon’ny zavamaniry sasany milentika any anaty rano; makarakara iray marindrano sady manify dia manify no voatenona eo anelanelan’izy ireo sy voahazona amin’ny toerany amin’ny fomba migoragora ihany amin’ny alalan’ny kofehy maro. Mahazo ny ambonin’ny rano ilay Hala ary (...) amin’ny fihetsehana tampoka dia misambotra poa-drivotra iray, izay hazonin’ireo volovolo eo amin’ny kibony tsy mandon’ny rano (...). Misitrika ilay Hala ary mamoaka ho ao ambanin’ilay makarakaran-dasoàny ilay poa-drivotra izay misondrotra ka mampivohitra kely an’ilay makarakara.” Aorian’ny dia maromaro dia nahangona rivotra ampy mba hijanonana indray andro maninjitra ao ambany lakolosiny ilay hala. Ao izy no hihinana ireo rembiny azo nandritra ny alina. Manampy teny toy izao Andrée Tétry: “Ireo fitaovana nataon’olombelona enti-misitrika anaty rano àry, dia mifanitsy amin’ny ohatra arifomba indrindra hita eo amin’ny Natiora.”