FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/3 p. 26-29
  • Manorina trano Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manorina trano Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Vato nisakana tsy maintsy noresena
  • Toerana manodidina kanto ho an’ny trano mijoalajoala iray
  • Ny fitokanana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/3 p. 26-29

Manorina trano Jehovah

ASABOTSY 21 Martsa 1987. Andro iray tsy madiva ho hadinon’ny mpiasa ao amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower atsy Afrika Atsimo. Ny fisehoan-javatra nanamarika izany dia ny fitokanana ny Betela vaovao tany Roodekrans, fiafaran’ny enin-taona niasana mafy. An’i Jehovah anefa ny voninahitra noho izany zava-bita izany, araka ny nambaran’i Solomona azy tamin’izao teny izao: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” — Salamo 127:1.

Aoka hosoritantsika fohy ny fandrosoan’ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Afrika Atsimo. Tamin’ny 1902 no voalohany nanombohan’ny Afrikana tatsimo roa nianatra ireo bokin’ny Fikambanana sy nitory nanodidina azy ireo. Tamin’ny 1910 i Will Johnston dia notendren’ny rahalahy Russell hanokatra sampana tany Durban. Izy irery no hikarakara izany. Tamin’ny taona nanaraka dia noforonina tsy lavitra teo, tany Ndwedwe, ny anankiray tamin’ireo kongregasiona afrikana voalohany. Nandritra ny taona 1914 fanapahan-javatra, ny fivoriambe voalohany natao dia nahavory mpanatrika 50 tao Durban. Nafindra tany Cap ny sampana tamin’ny 1923 ka tany, herintaona tatỳ aoriana, dia nampiasaina ny milina fanontam-pirinty tsotra iray. Natao tao amin’ny trano lehibe kokoa ny sampana tamin’ny 1933, nefa mbola tsy nisy Betela foana.

Nahitana fifindran-toerana lehibe indray anefa ny taona 1952, tamin’io indray mandeha io dia mba ho any Elandsfontein, tany amin’ny 1 500 kilaometatra any avaratr’i Cap ary tany amin’ny 20 kilaometatra any atsinanan’i Johannesburg. Tany Afrika Atsimo, dia io no trano voalohany nataon’ny Fikambanana tanteraka; izy io àry dia nisy toerana lehibe ho an’ny fanontam-pirinty, ary koa Betela, izany hoe fonenana. Teo anelanelan’izany, ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana dia nalamina tao amin’ny tany maromaro mifandray amin’ny sampana any Afrika Atsimo. Nitariny àry ny toerany tamin’ny 1959, tamin’ny 1971, ary tamin’ny 1978. Tsy azo natao intsony tamin’izay ny nanitatra.

Efa lasa lavitra ny tany am-piandohana ny any Afrika Atsimo: ny isan’ny mpitory izay roa tamin’ny voalohany, dia tafakatra ho 28 000. Tonga ny fotoana hitadiavana tany vaovao. Rehefa ela no nanaovana fikarohana, dia hita ny toeram-pambolena tsara tarehy iray 87 hektara tany Roodekrans, tokony ho 60 kilaometatra avy any Elandsfontein. Niharihary fa nitari-dalana sy nanohana ny fikarohana sy fividianana an’io toerana kanto io Jehovah.

Vato nisakana tsy maintsy noresena

Nisy vato nisakana anefa. Toa efa tsy toko tsy forohana ny fandaniana tamin’ny voalohany; nanaraka izany, dia nilaina ny fahazoan-dalana manokana mba hanorenana fanontam-pirinty, birao sy fonenana tao amin’ny faritry ny tanàna iray ihany. Fahasahiranana hafa iray koa: nirinay ny hamponina tao amin’ny Betela, rahalahy mainty hoditra izay mpandika teny. Ny fomba nampiravona ireny vato nisakana ireny dia hitanay ho fahagagana: nanana porofo izahay fa Jehovah no nanorina ilay trano. Tojo tsy fahampian’ny mpiasa za-draharaha koa izahay. Nianatra avy hatrany ireo asa samy hafa anefa ny mpiasa an-tsitrapo. Tsy latsaka noho izany ny vehivavy. Izao no nolazain’ny filohan’ny asa fanorenana iray: “Nisy zazavavy niraratra toa tsy tokony ho eo amin’ny toeram-panorenana, tonga mpanafo trano nahay. Tsy mbola nahita toy izany mihitsy aho.”

Niadana ny fandrosoan’ny asa tamin’ny voalohany. Avy eo dia nirohotra nankao Roodekrans ny mpiasa an-tsitrapo: Mainty hoditra, Fotsy hoditra, metisy ary Indiana. Nisy aza Vavolombelona avy any amin’ny tany hafa, indrindra fa avy any Nouvelle-Zélande sy Etazonia. Tena mahalana anefa no ahitana fifangaroana toy izany any Afrika Atsimo. Nihiaka toy izao ny mpiasa an-tsitrapo iray: “Mahafinaritra ny mahita miara-miasa, rahalahy sy anabavy samy hafa firenena, firazanana sy fiaviana ara-tsosialy.” Betsaka no namela asa mahaliana, naka fialan-tsasatra maharitra mba handraisana anjara amin’ny fanorenana trano tany Roodekrans. Anisan’ny hita tamin’izany ny mpanamboatra milina za-draharaha, ny mpanao mari-trano iray, ny injeniera iray, ny mpanao sary ho anton-draharaha sy ny filohan’ny fanorenana. Milina maro sarobidy tokoa no nisy nanome na nampindrana.

Raha ny amin’ny fandaniana be natao, ny nenti-nisahana izany dia fampisamboram-bola neken’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary noho ny fahalalahan-tanan’ireo Vavolombelona teo an-toerana samy hafa firazanana sy taona. Nanoratra toy izao ny zazavavy kely iray enin-taona: “Nitsitsy ity vola ity aho mba hividianana saribakoly, nefa dia alefako ho anareo izany. Manantena aho fa ho afaka hahavita an’i Roodekrans amin’ity vola ity ianareo. Rehefa lehibe aho, dia tiako ny hiasa koa ao Roodekrans.” Ny zazalahy kely Indiana dimy taona dia nanome ny vola fanao am-paosy rehetra azony hatramin’ny enim-bolana.

Tamin’ny faran’ny herinandro, dia Vavolombelona an-jatony maro no tonga teo amin’ny toeram-panorenana. Nisy mpiasa an-tsitrapo hafa niasa isan’andro, matetika tamin’ny fanaovana tena sorona sy fiezahana lehibe. Nampitolagaga ireo mpitsidika tsy Vavolombelona ny fiaraha-miasa lehibe sy tamin-kafanam-po toy izany. Nanaitra mafy ny sain’ny teny amin’ny manodidina maro izany. Fa raha ny amin’ireo mpivaro-javatra teo an-toerana, dia nifaninana izy ireny namatsy an’i Roodekrans, ary tsy nety tapitra ny fiderany ny fiadanana sy firaisan-tsaina nanjaka teo amin’ny toeram-panorenana.

Toerana manodidina kanto ho an’ny trano mijoalajoala iray

Teo atsimo, ireo havoana be vato dia nanerinerina teo amin’ny lohasaha tsara tarehy iray nikorianan’ny renirano. Na dia tsy lavitra ny tanàna mahafinaritra iray aza ny tany nisy ny Betela, dia ahitana biby toy ny akanga na ny bitro dia. Misodisody any matetika koa ny voromahery mainty sy ny amboahaolo. Mitomandavana manaraka ny havoana eo amin’ny 360 metatra ny trano fonenana. Mahafinaritra ny zavatra tazana avy eny amin’io trano misy rihana roa io. Ny trano fiasana, eo afovoany, dia mahafaoka ny efitrano fihinanana, ny lakozia, ny fanasan-damba sy ny toerana ho an’ny marary. Eo anilany ireo birao sy ny fanontam-pirinty; midadasika izy io, sahalahala amin’ny an’ny sambo fiaran’i Noa ny habeny. Ao no ihodinan’ny milina fanontam-pirinty offset TKS goavana manome loko efatra.

Mivelatra eo andrefan’ny trano fonenana ny toeram-piompiana sy fambolena sy ny sompitra midadasika iray izay nampiasaina ho efitrano fihinanana sy lakozia nandritra ny fotoana nanorenana. Avy amin’ny ahitra sy ny “luzerne” ny vilona ho an’ny ombivavy fitery. Feno hazo madinika misy tsilo ireo havoana ao ambadika. Ankoatra ny kininina lehibe efa nisy, dia nambolena ny karazan-kazo maro hafa ary namboarina ny saham-boninkazo sy ny tany malalaka feno ahitra.

Ny fitokanana

Araka izany, ny asabotsy tolakandro 21 martsa 1987, dia olona teo amin’ny 4 000 no nasaina tamin’ny fitokanana. Teo akaikin’ny trano fonenana, dia naorina nanatrika ireo havoana ny lampihazo vonjimaika iray, ka nahaforona karazan-tsehatra. Namaky hafatra mampahery avy any amin’ny tany 17 samy hafa ny prezidà, ny rahalahy R. Stow. Ny nampihetsi-po indrindra dia ny an’i Maud Johnston, izay ny vadiny no mpiandraikitra ny sampana voalohany tao Durban. 92 taona izy io izao ary mbola miasa any amin’ny Betela any Aostralia foana.

Ny mpandahateny voalohany dia P. Wentzel, mpiandraikitra ny birao. Nataony ny famintinana ny tantaran’ny fitoriana tany Afrika Atsimo ary nampitaha isa izy: mpanatrika 50 tamin’ny fivoriambe voalohany tamin’ny 1914 ary 99 000 tamin’ireo fivoriambe tamin’ny 1986. Nanarakaraka azy, J. Kikot, mpiandraikitra ny fanontam-pirinty, dia nanazava ny fomba fanaovana fanontana boky amin’ny fiteny maromaro sy ny asan’ireo mpandika teny 50 mahery. Nasehony koa fa tamin’ny 1979 ny fanontam-pirinty lehibe TKS, fanomezan’ny sampana any Japon, dia natsangana, kanefa tsy nanonta pirinty afa-tsy tamin’ny loko anankiroa monja. Vao haingana, dia nomen’i Japon koa ny silany roa fanontam-pirinty izay, miampy ny milina fanontana, dia nahatonga ho afaka hampifaly ny rehetra tamin’ny fanaovana miloko tanteraka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1987.

C. Muller, mpampifandrindra ao amin’ny Komitin’ny sampana, dia nampiseho hoe tamin’ny fomba ahoana, noho Jehovah, no nahafahantsika nahazo ny tany, ny vola, ary nahita manam-pahaizana manokana sy mpiasa za-draharaha. Ny fanahin’Andriamanitra dia nanohana koa ny fifanarahana tsara izay nampiray ireo firazanana samy hafa. Raha nisy fotoana niheverana ho toa tsy azo atao ny fanorenana fanontam-pirinty iray tao amin’ny faritra be fonenana tsara sy ny famponenana Mainty hoditra tao, dia hitan’i Jehovah ny lalana ivoahana ka nasehony fa raha ny marina dia ny tenany no Mpanorina filoha.

Avy eo, Carey Barber, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanao lahateny tsara dia tsara nifototra tamin’ny Isaia 65:17-19 (MN ), faminaniana ilazana fa ny olon’i Jehovah ‘hientana sy ho ravoravo mandrakizay’. Ny dikan’ny hoe ‘mientana’, hoy ny fanazavan’ny mpandahateny, dia hoe “mibitaka”, ary io no fanehoana lehibe indrindra ny fahasambarana. Azo antoka fa andro iray nahafaly tokoa io andro io ho an’ny mpanatrika rehetra. Avy eo, dia Milton Henschel, ao amin’ny Kolejy foibe koa, no nanao ny lahateny fitokanana. Nanao vavaka manokana tamin’i Jehovah izy, nisaorana azy noho ny nanomezany an’io trano io izay natokana ho azy hatramin’izao.

Ny ampitso, dia Vavolombelona sy sakaiza 28 250 no tafavory tao amin’ny kianja Rand any Johannesburg mba hihaino famintinana ny fandaharana tany Roodekrans. Tao amin’ny lahateny iray nadika tamin’ny teny zoloa, dia nasehon’ny rahalahy Henschel fa ny Vavolombelon’i Jehovah, tarihin’i Jehovah sy Jesosy, dia mandresy hatraiza hatraiza ary mampiely “hanitr’i Kristy” sy fahalalana araka ny Baiboly (2 Korintiana 2:14-17). Namarana izany tamin’ny fitantarana mampahery be dia be izay nahafaly ny mpanatrika maro izy.

Tao anatin’ireo andro vitsivitsy nanaraka, dia nisy fihaonambe sahala amin’izany nitranga tany Durban sy tany Cap, fisehoan-javatra tsy hohadinoin’ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Afrika Atsimo mihitsy. Azo antoka fa tsy voakosoka ao an-tsain’ny fianakavian’ny Betela any Roodekrans mihitsy ny andro nitokanana ny tranony vaovao. Fony nanomboka ny fanorenana tany Roodekrans, dia 28 000 ny Vavolombelona tany Afrika Atsimo. 40 000 mahery izy ireny ankehitriny: mifanaraka amin’ny tena ilàna azy tokoa àry ny ‘trano naorin’i Jehovah’.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara