Nahita ny fahamarinana izy rehefa ela ny ela
TSY afa-po firy tamin’ny naha-mpitory lahika tao amin’ny Fiangonana presbyteriana ny lehilahy iray ka nanomboka nitady ny tena Fiangonan’Andriamanitra. Nataony ny lisitry ny fepetra folo izay araka ny heviny dia tokony hofenoin’ny fivavahana marina. Efa takany marina sahady fa ireo fampianarana ny amin’ny afobe mirehitra, ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny maro hafa koa, dia tsy nisy fototra avy amin’ny Baiboly. Naharitra 30 taona ny fikarohana nataony. Rehefa tafahaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray izy, dia nanototra azy fanontaniana toy ny hoe: “Inona no atao hoe ondry vitsy? Iza moa ny 144 000 sy ny ondry hafa?” Rehefa nahazo valiny nahafa-po izy, dia nanaiky fampianarana Baiboly. Rehefa afaka telo volana, dia izao no nambarany tamin’ilay Vavolombelona: “Ny tena Fiangonan’Andriamanitra, ry rahalahy, dia ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Amin’izao fotoana izao, io lehilahy 71 taona io dia faly nahita ny fivavahana marina rehefa 30 taona no nanaovany fikarohana!