Tadidinao ve?
Nankamaminao ve ny hasarobidin’ireo nomerao vao haingana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana eo amin’ny fampiharana? Jereo raha tadidinao ny sasany amin’ireto hevitra ambara ireto:
◻ Nahoana moa i Timoty no namela ohatra tsara dia tsara ho an’ny tanora?
Namoy fiainana lazaina fa ara-dalàna tao an-tranony izy mba ho tonga namana mahatoky ho an’i Paoly. Nifikitra taminy hatrany izy tao anatin’ny fitsapana rehetra, tamin’ny fanohanana azy teo amin’ny fitoriana sy tamin’ny fahavononana hanompo na taiza na taiza (Filipiana 2:19, 20). — 15/11/87.
◻ Inona avy moa ireo fepetra takina amin’ny batisa?
Tokony ho fantatry ny mpilatsaka ny hevitry ny batisa rehetra ka haniry amim-pahatsorana izy ny hanompo an’i Jehovah satria tia azy. Mampiseho izany izy amin’ny fanarahana akaiky ireo fepetra ara-pitondrantena takin’Andriamanitra sy amin’ny fampahafantarana ny finoany amin’ny hafa. Afa-tsy izany koa, dia tokony hanolo-tena manokana ho an’i Jehovah amin’ny vavaka izy. — 15/11/87.
◻ Nahoana moa no ratsy ny fanarahana ny spiritisma?
Ny fanarahana ny spiritisma dia fitiavana izay halan’i Jehovah Andriamanitra (Ohabolana 6:16-19). Raha ny marina, izany dia fandavana an’i Jehovah mba hiandaniana amin’ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra sy ireo olona ampiasainy. — 1/12/87.
◻ Inona moa ny ‘boky fahatsiarovana’ resahin’i Malakia 3:16?
Nanomboka tamin’ny andron’i Abela, dia tadidian’Andriamanitra, toy ny hoe soratany eo amin’ny boky iray, ny olona azo avotana izay mendrika ny hotsarovany mba homeny ny fiainana mandrakizay. Io ‘boky fahatsiarovana’ io ihany no atao koa hoe “bokin’ny fiainana”. (Apokalypsy 3:5; 17:8; Matio 23:35.) — 1/12/87.
◻ Inona no maha-sarobidy tokoa ny tena sakaiza?
Azo antsoina foana izy rehefa mila fanampiana sy torohevitra ary fampaherezana sy fiarahana mafana ny tena. — 15/12/87.
◻ Inona moa ny “rivotra mahafatin’izao tontolo izao?
Izany dia ny toe-tsaina na fihetsika mahery hita taratra mandrakariva eo amin’ny olombelona lavitra an’Andriamanitra ka miavaka amin’ny fitiavan-tena sy ny tsy fankatoavana (Efesiana 2:2; 1 Korintiana 2:12). — 15/12/87.
◻ Tokony hanao ahoana ny fivavahana iray mba hisy vidiny eo amin’ny fampiharana?
Tokony hamoa voa tsara izy. Tokony ‘hamokatra’ olona tsaratsara kokoa izy. Tokony ho hainy ny hanazava hoe nahoana ny zavatra no toy ny ankehitriny eto an-tany. Ary tokony hampipoitra ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olona, fanantenana mafy orina izy (Matio 7:17-20). — 1/1/88.
◻ Inona no tsy vitan’ny Fanitsiana?
Ny sasany tamin’ireo mpanao fanitsiana voalohany dia nanonofinofy fiverenana amin’ireo fitsipika araka ny Baiboly, amin’ny kristianisma madio. Tsy tanteraka mihitsy izany nofinofy izany. Rehefa nandeha ny fotoana, ireo foto-pampianarana tao amin’ny Fiangonana protestanta, an’ny firenena na tsia, dia nanaraka be dia be ny an’ny fivavahana katolika. — 1/1/88.
◻ Inona no nitarika an’Andriamanitra hanonona didim-pitsarana ho fanamelohana an’i Mosesy sy Arona taorian’ny fisehoan-javatra tany Kadesy-Barnea?
Mitondra fanazavana ny amin’io fisehoan-javatra io ny Salamo 106:32, 33, ka nampiseho fa nampahasosotra ny fanahin’i Mosesy ny vahoaka ka “nihoa-bava” izy. Tao anatin’ny fahatezerany, dia nanintona ny sain’ny vahoaka ho amin’ny tenany sy ho amin’i Arona izy fa tsy ho amin’i Jehovah, ilay nanome ny rano tamin’ny fomba nahagaga, raha ny marina. Tamin’izany fomba izany no ‘tsy nanamasinan’i Mosesy an’Andriamanitra teo imason’ny vahoaka’. (Nomery 27:12-14.) — 15/1/88.
◻ Inona moa no zava-kendrena mendri-kaja tamin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ho an’ny Isiraely?
Nomena ny Isiraely ny Lalàna mba hiarovana ny vahoaka ho madio teo amin’ny lafiny ara-batana, ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-pitondrantena. — 1/2/88.
◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo fomba hanampy mpitovo iray hitoetra ho madio?
Hivavaka tsy tapaka amin’Andriamanitra izy mba hanome azy ny fanahiny sy hanampy azy hamoa ny vokatr’izany. Hisaintsaina sy hampihatra ireo torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy. Handositra ny fijerena sary maloto sy ny fialam-boly tsy madio izy. Hitandrina ny fifaneraserany izy. Hanary ny teny sy ny vazivazy ratsy izy. — 15/2/88.
◻ Inona indrindra no tsy itovian’ny fanasitranana voalaza ao amin’ny fitantaran’ny Baiboly sy ny an’ireo mpanasitrana amin’izao androntsika izao?
Tsy nitady karama mihitsy Jesosy sy ireo mpianany tamin’ny fanasitranana nataon’izy ireo. Tamin’ny andron’ny Baiboly dia tsapa avy hatrany na tsy ela ny fahasitranana. — 1/3/88.
◻ Inona avy no soa entin’ny hira amin’ny feo avo ao anatin’ny faritry ny fanompoam-pivavahana marina?
Miditra bebe kokoa ao anatin’ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso ny tena. Fanambarana tsara ho an’ny vaovao ny hira. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mampakatra fiderana kanto kokoa ho any amin’i Jehovah isika. — 1/3/88.