Ny fivavahana: hery manosika ho amin’ny tsara ve?
OLONA an-tapitrisany maro no miray hevitra amin’i George Bernard Shaw, izay nanoratra hoe: “Hery matanjaka ny fivavahana — ny hany tena hery mampihetsika eo amin’izao tontolo izao.” Mifanohitra amin’izany, raha nanao lahateny momba ny fototry ny fahitsiana i John Ruskin, mpanoratra anglisy tamin’ny taonjato faha-19, dia nanoratra izao teny fanarabiana izao: “Ny fivavahan’ny karin’olona iray dia ny ratsy indrindra amin’ny faharatsiany foana.” Iza amin’ireo fanambarana roa ireo no hitanao ho manakaiky indrindra ny fahamarinana?
Mba hanaporofoana fa hery mampihetsika ho amin’ny tsara ny fivavahana, dia hisy angamba hanonona izay hita amin’ny olona iray “niova tanteraka” rehefa ‘nanokana ny fiainany ho an’i Jesosy Kristy’. Ny revio iraisam-pirenena iray dia nampiasa ireo fitenenana ireo momba ny “fiovan’i” Charles Colson, izay tafiditra tao amin’ny fahatafitohinan’i Watergate. Ny hafa koa dia hiresaka ny amin’ireo izay manizingizina fa nafahan’ny fivavahany tamin’ny fivarotan-tena na fitiavana fisotro mahamamo. Nisy fizarana Baiboly an-tapitrisany maro tany amin’ireo tany tsy kristiana, ary tsy azo iadian-kevitra fa izany dia nanampy olona maro hanana fiainana madio kokoa. Toa nanan-kery ara-pitondrantena tsara teo amin’ireny olona ireny ny fivavahana.
Ny lafy ratsiny
Etsy an-daniny koa, ny fivavahan’i Hitler dia tsy nahasakana azy tsy hanao heloka lehibe. Manontany tena àry ny olona tso-po ny amin’ny antony tsy namalian’ny papa Pie faha-12 mihitsy ny fitarainana nalefa mba handidiana azy hanongana an’i Hitler. Ny amin’izany, eo ambanin’ny lohateny hoe “Nilaza ny telegrama iray nalefa ho an’ny papa fa nahazo fanabeazana katolika Hitler, nefa nanda ny finoana”, dia izao no azo novakina tao amin’ny Catholic Telegraph-Register any Cincinnati (Etazonia); “Nalefa ho an’i Pie faha-12 ny antso hitakiana fanonganana ny filoha Adolph Hitler.” Raha natao io fandaharana io, iza no mahalala raha ho nisy heriny teo amin’ny fandehan’ny ady izany ka ho nitsimbina fanaintainana be ho an’ny olombelona? Mampalahelo anefa fa tsy nataon’ny papa izany.
Fahita tokoa ny fanaovana tokantranomaso any amin’ny tany katolika sasany any Amerika latina. Ary tany Amerika Avaratra, ny pretra iray dia nanambara toy izao tao amin’ny sasin-tenin’ny gazety iray: “Fiheverana ho ara-dalàna ny fivarotan-tena: ny fanafodiny masina.” (Philadelphia Daily News). Aoka hotopazantsika maso koa ny toe-piainana manjaka any amin’ny tany protestanta sasany ahitana mandrakariva fifanakalozam-bady mbamin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana. Ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Moana hatrany ireo pastora raha ny amin’ny raharaha momba ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana”, dia manazava izany toe-javatra izany amin’izao teny izao: “Ao amin’ireo toriteniny, ireo pastora any Amerika dia tsy miteny na inona na inona mampiseho fahamelohana raha ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana (...). Matahotra ny hamoy ny sasany amin’ireo mpiangona ao aminy izy ireny.” (Telegraph any North Platte, Nebraska). Amin’izany, azo atao ve ny milaza fa ny fivavahana amin’ny ankapobeny dia hery manosika ho amin’ny tsara?
Amin’ny fotoan’ny ady ny fahosana ara-pitondrantenan’ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana no miseho amin’ny fomba mahavaky vava. Hevero izao fanambarana tsara izao, nataon’i Walter Van Kirk tamin’ny 1934, fony izy mpitantsoratra tao amin’ny sampan-draharaha iray amin’ny Filan-kevitra federalin’ireo Fiangonan’i Kristy any Amerika: “Nanohana ampahibemaso ny fanoherana ny ady ireo mpitory teny sy ireo lahika (...). Izany ady fanohanana ny fandriampahalemana eo amin’ireo Fiangonana izany dia avy amin’ny fiaikena fa ny ady dia mifanohitra tanteraka amin’ireo fampianarana sy ohatra nomen’i Jesosy.” (Miala amin’ny ady ny fivavahana, anglisy). Rehefa avy niresaka ny amin’ny Fiangonana sy mpitondra fivavahana maromaro ilay boky voatonona eo aloha, dia namarana ny teniny toy izao: “Ireo Fiangonana, amin’ny ankamaroany, dia nanambara mazava fa tsy tiany intsony ny hoheverina ho mpiray dina amin’ireo izay manaiky hamono sy hanao izay hahakilemaina olona. Ireo mpitory teny (...) dia manasa tanana raha ny amin’ny ran’ny mpiara-belona aminy, manala amin’ny tenany ny marik’i Kaisara izy.”
Mampalahelo anefa fa tsy voamarina izany filazana zavatra hihatsara izany. Rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo fivavahana lehibe indrindra ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana ‘niala tamin’ny ady’ tamin’ny fomba hentitra. Nanao izany ve ny Fiangonana ao amin’ny faritra misy anao?
Ny firodanan’ireo fefy ara-pitondrantena
Rehefa avy nijery tamin’ny fomba tsy miangatra ireo zava-nitranga vitsivitsy ireo ianao, moa ve tsy heverinao fa tao anatin’ny toe-javatra maro loatra, ireo fivavahana lehibe dia tsy hery manosika ho amin’ny tsara? Nanao izao fanamarihana izao ny revio Look: “Tsy mpitari-dalana teo amin’ny lafiny ara-pitondrantena ireo fiangonana (...), ary vao mainka lehibe ny fatiantoka mahazo azy ireo arakaraka ny halehiben’ny andraikitr’izy ireo.” Ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin’ny Courier-Mail any Brisbane (Aostralia) dia nanamafy tamin’izao teny izao fa tsy mahaforona manda fiarovana amin’ny fahalotoam-pitondrantena ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana: “Rehefa misy eveka sy pretra (...) manantitrantitra fa ny firaisana ivelan’ny fanambadiana dia angamba asa fiantrana ‘manambara ny voninahitr’Andriamanitra’, (...) fa tsy ratsy ao aminy fotsiny akory ny fijangajangana ary tsy hoe tsy maintsy ho fahotana ny fanitsakitsaham-bady, ireo vehivavy sy lehilahy antonontonony, indrindra fa ireo zatovo, dia tsy mahay manavaka intsony ny tsara sy ny ratsy. Nandrodana ireo fefy ara-pitondrantena izany fampielezan-kevitra rehetra ho fanohanana ‘fitsipi-pitondrantena vaovao’ izany.”
Tsia, amin’ny ankapobeny, ireo fivavahana dia tsy tena hery manosika ho amin’ny tsara. Mifanohitra amin’izany, izy ireny dia manana anjara andraikitra amin’ny fikororosian’ny toe-pitondrantena atrehintsika amin’izao andro izao. Kanefa, noho ny fivavahana heverina ho manome fahafahana “hanompo sy hivavaka amin’Andriamanitra na ny mahery noho ny olombelona”, moa ve izany tsy tokony ho hery manosika ho amin’ny tsara any amin’ny tany rehetra anjakany? Inona àry no tsy ampy aminy? Ahoana no mety hananan’ny fivavahanao hery toy izany amin’izao andro izao?