FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/1 p. 32
  • Manana famandrihana ve ny zanakao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manana famandrihana ve ny zanakao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/1 p. 32

Manana famandrihana ve ny zanakao?

IREO olona malina izay maniry hamboly fitiavana mianatra ao amin’ireo zanany dia mametraka eo am-pelatanan’izy ireo zavatra vita an-tsoratra tsara dia tsara. Maro amin’ireny olona ireny, ohatra, no miahy mba hananan’ireo zanany ny famandrihany manokana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, revio izay iorenan’ny fiaraha-midinika ny Baiboly alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro ao amin’ireo efitrano fivoriany. Nefa mipetraka ny fanontaniana hoe: Firy taona ny ankizy iray no afaka manana famandrihana?

Jereo ny taratasy nalefan’ny renim-pianakaviana iray teo am-panombohan’ny taona: “Ity famandrihana ity dia natokana ho an’ny zanakay lahy roa taona. Mandritra ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, dia iriny ny hanana izany ho azy manokana. Rehefa tsy manana iray ho azy izahay, dia manandrana manome ho azy nomerao hafa aho, kanefa voamariny fa tsy mifanaraka amin’ny sary eo amin’ny anay ny azy ary ilay ampiasainay no tadiaviny. Azoko antoka fa ireo sary mahafinaritra dia manintona ny saina na dia ny an’ny zaza aza ary manampy azy hanandrana izany sakafo ara-panahy izany izay mbola tsy takany.”

Nahoana no tsy omena famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny tsirairay avy amin’ireo zanakao? Mba hahazoana famandrihana herintaona, dia fenoy ary alefaso ny tapakila manaraka, miaraka amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 10 400 FMG (fiaramanidina).

Aza fady mba andefaso Ny Tilikambo Fiambenana aho. Ampiarahiko amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 10 400 FMG (fiaramanidina).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara