Ny fitiavana an’Andriamanitra: hery manosika ho amin’ny tsara
NY olona manan-tsaina dia manaiky an-tsitrapo fa ilaina ny hamefena ny fitosahan’ny faharatsiam-pitondrantena. Araka ny nolazain’ny minisitra iray ao amin’ny Fiangonana tafatambatra any Kanada, “rehefa misy olona na fikambanana tsy miraharaha ireo fitsipika ara-pitondrantena, dia mahatsiravina ny vokany: ady, fihenan’ny sandam-bola, Watergate, sy fanjakan’Ibaroa”. Araka ny voalazan’ny lahatsoratra eo aloha, ireo fivavahana lehibe dia tsy niharihary ho hery lehibe manosika ho amin’ny tsara. Koa raha tiantsika kosa ny hanana fiainana mahitsy, dia tokony hotadiavintsika any an-toeran-kafa ny fahefana izay manome izany hery izany ka hiseho ho vonona ny hanaja izany isika.
Ny herin’ny fahefana ambony resahina dia niharihary tao amin’ny fisehoan-javatra iray teo amin’ny fiainan’i Josefa, Hebreo mpiandraikitra ny fananan’ny mpanao raharaha iray tao an-dapan’ny mpanjakan’i Egypta. Rehefa nitady hanangoly azy ny vadin’ny tompony mba hananana firaisan’ny lahy sy ny vavy aminy, dia nanohitra azy izy ary nihiaka hoe: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Genesisy 39:7-9). Nanana herin-tsaina i Josefa nanda ny fanangolen’io vehivavy io satria naniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra izy ary nanaiky ny fahefany.
Roanjato taona taty aoriana, ny firenen’Isiraely, voaforon’ireo taranak’i Jakoba rain’i Josefa, dia nandray ny Didy Folo izay anisan’ny Lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy. Ny tsy fanarahana an’io Lalàna io dia hitarika fahatezeran’Andriamanitra ho an’ny Isiraelita, fa ny fankatoavana kosa dia hitondra ho azy ireo ny fitahian’Andriamanitra. Nahaforona mpitari-dalana ara-pitondrantena ho azy ireo àry ireny didy ireny.
Ny Didy Folo: hery nanosika ho amin’ny tsara
Hery lehibe ve ny Didy Folo? Mbola tsapa ihany ny heriny amin’izao andro izao, amin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao. Tamin’ny 1962, dia nanambara toy izao ny governora jeneralin’i Nouvelle-Zélande: “Tsapako fa eo imason’ny sasany ny Didy Folo dia lany andro. Tsy hoe tsy misy antony anefa ny hanamarihana fa raha mitandrina izany an-tsakany sy an-davany isika rehetra amin’izao andro izao, dia tsy dia hilaina loatra ireo lalàna fahita ao amin’ny tany.”
Kanefa, tamin’ny resaka iray nifanaovana tamin’ny filoha jiosy tanora iray, dia nasehon’i Jesosy Kristy fa tsy ampy ny mitandrina ny Didy Folo. Nanontany azy toy izao ilay zazalahy: “Inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?” Rehefa namaly azy i Jesosy mba ‘hitandrina ny didy’ hatrany, ary nanonona taminy vitsivitsy tamin’izany, dia namaly toy izao io filoha io: “Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” Dia nanambara taminy toy izao i Jesosy: “Mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.” Kanefa, araka ny tohin’ny fitantarana, “nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo izy, satria nanana fananana be”. — Matio 19:16-22.
Ny fampitahana izany andinin-teny izany amin’ny fitantarana mifanitsy aminy voatantara ao amin’ny Lioka 10:25-28 dia manampy antsika hamantatra ny zava-manahirana tena lehibe hitan’io filoha tanora io. Izao no vakintsika: “Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Nanampy azy hanjohy hevitra i Jesosy, hany ka io lehilahy io ihany no nahita ny valin’ny fanontaniany. Izao no nolazainy amin’ny ambangovangony: ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra ary ny namanao tahaka ny tenanao.’ Dia namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Ataovy izany, dia ho velona hianao.”
Fantatrao ve izao hoe inona no zava-nanahirana ilay filoha tanora resahina? Voatsindrin’ny fitiavany ny fananana ara-nofo ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny namany. Fahavoazana re izany! Noho izany, na dia tao aza ny fiezahana nataony mba hitandremana ny Didy Folo, dia nety tsy hahazo ny fiainana mandrakizay izy.
Milaza inona ny fitiavana an’Andriamanitra?
Ankehitriny isika dia miaina amin’ny fotoana anindrian’ny fitiavan-tena sy fananana ara-nofo, ary ny amin’ny lahy sy ny vavy ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Be dia be aza no niala tamin’ny finoana Andriamanitra mpamorona iray mba hinoana ny tsangan-kevitra tsy marim-pototra ny amin’ny evaolisiona. Inona no naterak’izany?
Hatramin’ny taonjato maro, ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nampiasa ny fampianarana tsy araka ny Baiboly momba ny afobe mirehitra ho manda fiarovana amin’ny fahalotoam-pitondrantena. Ny amin’izany, dia izao no azo vakina ao amin’ny Encyclopédie iraisam-pirenena (anglisy): “Tamin’ny Andro Antenatenany, ny hery lehibe indrindra nanosika ny sarambabem-bahoaka ho amin’ny tsara dia tsy isalasalana mihitsy fa ny tahotra ny afobe. Io tahotra io aza dia nahatonga ireo mpanjaka sy ireo emperora ho eo ambany fifehezan’ny Eglizy ary azo inoana fa izany no hany fisakanana ny fahamaimaizan’izy ireny tsy voafehy.” Io fampianarana ny amin’ny fijaliana mandrakizay io dia nahatonga hieritreritra fa masiaka sy tsy mety mandefitra ary mpamaly faty Andriamanitra. Marina fa nety ho nahatana olona sasany tsy hanao zavatra mihoa-pampana izany, kanefa nampiala maro be hafa tamin’Andriamanitra, ka nanao azy ireny ho remby mora azon’ny fampianarana sy ny tsangan-kevitra tsy araka ny Baiboly toy ny evaolisiona.
Ny Baiboly anefa dia tsy mampianatra hoe mampijaly ireo fanahy ao amin’ny afobe mirehitra Andriamanitra. Milaza amintsika toy izao kosa aza ny apostoly Jaona: “Andriamanitra dia fitiavana.” “Mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika.” Tetsy an-daniny koa, dia izao no nosoratan’i Mosesy: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.” (1 Jaona 4:8; Eksodosy 34:6). Ary vitsivitsy monja amin’ireo toetra mahatalanjon’Andriamanitra manintona antsika ho aminy ireo. Ireo toetra ireo, indrindra fa ny fitiavany, dia manosika antsika ho tia azy. “Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” (1 Jaona 4:19). Eny, ny fitiavana an’Andriamanitra no lehibe indrindra amin’ireo hery manosika ho amin’ny tsara. Mety hitondra ho antsika ny fiainana mandrakizay koa izany! Tsy toetra voavaka an-tsaina fotsiny akory ny tena fitiavana an’Andriamanitra. Manosika hanao zavatra ho tombotsoan’ny hafa koa izany. Notanisain’ny apostoly Paoly ireo lafiny madinika maro amin’izany fitiavana izany. Ireto ny sasantsasany aminy: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra.” (1 Korintiana 13:4, 5). Mampiseho fitiavana toy izany isika satria maniry hanahaka ny Raintsika any an-danitra. Izao tokoa no nambaran’i Jesosy: “Izay rehetra ampianarin’ny Lalàna sy ny Mpaminany dia voafintina amin’ireo didy roa ireo [fitiavana an’Andriamanitra sy fitiavana ny naman’ny tena].” (Matio 22:40, La Bible, fandikan-tsoratra ho an’ny androntsika, A. Kuen). Raha lazaina amin’ny teny hafa, raha mampiseho izany fitiavana izany isika, dia tsy hangalatra amin’ny namantsika, tsy hamono azy, tsy hijangajanga amin’ny vadiny. Manamarina izany hevitra izany tokoa ny apostoly Jaona amin’ny filazana hoe: “Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.” — 1 Jaona 5:3
Ny fitiavana an’Andriamanitra: hery manosika ho amin’ny tsara
Tamin’ny taonjato II, dia nanao fanambarana ny amin’ny herin’ny fitiavana an’Andriamanitra teo amin’ireo kristiana voalohany i Tertulien. Nihaika an’ireo fahavalony mpanompo sampy izy mba hitady eo amin’ireo lisitry ny mpanao heloka bevava, ny anaran’ny kristiana iray monja. Koa satria izy ireo tsy afaka nahita izany, dia izao no nambarany tamin’izy ireo: “Izahay irery ihany àry no tsy manan-tsiny.” Manamafy izany hevitra izany amin’izao teny izao ilay boky hoe Izao tontolo izao romana fahiny (anglisy): “Be dia be ny porofo ny amin’ny fiainan’izy ireo faka tahaka, ny toe-pitondrantenany tsy azo tsinina.” Milaza izao fanambarana nataon’ilay mpanoratra tantara atao hoe Roland Bainton izao ny revio Christianity Today: “Nanomboka teo amin’ny faran’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao ka hatreo amin’ny folo taonan’ny 170-180, dia tsy misy porofo na dia kely akory aza fa hoe niasa tao amin’ny tafika ny kristiana.” Ny fitiavana an’Andriamanitra dia nanosika azy ireny hankatò azy tamin’ny fananana fiainana mahitsy. Manontany tena angamba anefa ianao raha azo atao foana ny mahatsapa ireo vokatra mahasoan’izany hery ara-pitondrantena izany amin’izao andro izao.
Azo atao izany! Indray andro, ilay mpanao gazety atao hoe Mike McManus dia nanoratra tao amin’ny gazety Herald & Review fa tsy mbola nahare mihitsy toriteny manameloka ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana izy. Rehefa afaka iray volana, dia nanamarika izy fa tao amin’ny taratasin’ny mpamaky ny gazetiny dia nahita taratasy iray avy amin’ny zazavavy iray 14 taona, Vavolombelon’i Jehovah, izy, ka toy izao no nolazainy ankoatra ny zavatra hafa: “Ny fieritreretana fotsiny fa mety ho voan’ny aretina toy izany ny tena dia tokony ho ampy hisakana ny ankamaroan’olona [tsy hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana]. Nefa matoa mifady izany ny Vavolombelona, dia satria mandidy antsika handositra ny fijangajangana Jehovah.” (Izahay no manipika). Rehefa avy nanonona an’io taratasy io i Mike McManus dia nametraka izao fanontaniana izao: “Ao amin’ny Fiangonanao, firy ny tanora 14 taona ho afaka hanonona mazava toy izany ny tenin’ny masindahy Paoly (1 Kor. 6:18)?”
Ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany hafa dia mampiseho fanajana ireo didin’i Jehovah sahala amin’ilay zazavavy vao avy noresahintsika teo. Toy izao, amin’ny teny vitsivitsy ny sasany amin’ireo didin’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Soratra Masina: ‘Aoka ianao hanao ny marina amin’ny zavatra rehetra’, “Arovy ny tenanareo amin’ny sampy”, ‘Fadio ny ra sy ny fijangajangana’, ‘Milazà ny marina’, ‘Tezao ao amin’ny lalan’Andriamanitra ireo zanakareo’. (Hebreo 13:18, MN; 1 Jaona 5:21; Asa. 15:29; Efesiana 4:25; 6:4.) Eo amin’ny manodidina anao na any amin’ny toeram-piasanao, voamarikao ve fa miezaka hanaja ireo baiko ireo ny Vavolombelon’i Jehovah? Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana no manao toy izany izy ireo, nahoana no mandà ny fampidiran-dra izy ireo, nahoana no tsy tiany ny miady, nahoana no tonga mitsidika anao any an-tranonao izy ireny, raha fintinina, nahoana no hafa izy ireny? Ny fitiavany an’Andriamanitra no manosika azy ireny hanao izany rehetra izany.
Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay
Noho ny faniriany hahazo sitraka amin’Andriamanitra, dia mandray am-po izao fananarana izao ny Vavolombelon’i Jehovah: “Miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.” (Romana 12:2). Rehefa fantany ny hoe inona no “sitrapon’Andriamanitra” ny amin’izy ireo, dia iriny ny hanatanteraka izany. Ny fitiavany an’Andriamanitra no hery manosika azy hanana izany faniriana izany. Heverinao ve fa faniriana mampiseho haitraitra sy tsy mihevitra ny zavatra tena misy izany amin’izao androntsika izao? Hevero kely ireto fitantarana zavatra tena nisy ireto:
José, izay monina any São Paulo, any Brésil, dia nanao tokantranomaso tamin’i Eugênia, izay efa nanambady, tamin’ny 1963. Roa volana taty aoriana, dia samy nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Tamin’ny fianarany, dia fantatr’izy ireo fa tokony “hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana”. (Hebreo 13:4.) Takatr’izy ireo fa tokony hivady izy, nefa tsy afaka hanambady an’i José i Eugênia, ary tsy nanomezan-dalana ny fisaraham-panambadiana tany Brésil. Tamin’ny 1977 anefa, rehefa nanjary nanan-kery ny lalàna iray manome lalana hisara-panambadiana, dia nanao ireo fikarakarana nilaina izy, ary tamin’ny 1980, dia afaka nivady izy ireo, ka nahafeno tamin’izany ireo fepetra takin’Andriamanitra. Novalian-tsoa tamin’ny farany ny fitiavany an’Andriamanitra.
Inire, izay monina any New York, dia nanandrana izao karazan-javatra mahadomelina rehetra izao ary niara-nonina tamin’i Ann, sakaiza keliny. Indray andro, rehefa tsy nanam-bola izy, dia nangataka azy mba handefa sariny any amin’ny bokikely iray ho an’ny lehilahy be mpahalala. Notolorana vola be tamin’izay i Ann mba halaina sary mitanjaka. Teo anelanelan’izany anefa, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Inire, ary niaraka taminy i Ann taty aoriana kely. Nitsahatra tsy nampiasa zavatra mahadomelina i Inire ary, rehefa afaka telo herinandro, dia niara-nanao fanapahan-kevitra ny hivady izy ireo. Avy eo, rehefa fantany fa araka ny Baiboly, ny kristiana iray dia tokony hitafy amim-pahamaotinana, tao amin’ny fieritreretany dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra i Ann fa tsy afaka nanaiky ny halaina sary ho an’ilay bokikely resahina izy, na ohatrinona na ohatrinona vola natolotra azy (1 Timoty 2:9). Araka ny hevitrao, inona no nanosika an’i Inire sy Ann hanao fiovana toy izany teo amin’ny fiainan’izy ireo? Nohazavain’i Ann fa rehefa fantany fa ny fahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah dia tsy nilaza fotsiny fiarahana amin’ny fivavahana iray fa fanolorana ny fiainan’ny tena ho an’Andriamanitra, dia takany fa tokony hanova haingana ny toetrany izy. Tsy azo lavina fa hery lehibe manosika ho amin’ny tsara ny fitiavana an’Andriamanitra.
Hihevitra angamba ny sasany fa toe-javatra maningana izany. Tsy izany velively anefa no izy. Zava-nitranga tsy tambo isaina sahala amin’izany no niseho tany amin’izay nanatanterahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny asany. Nahoana no tsy dinihinao lalindalina kokoa io raharaha io? Raha manao izany ianao, dia ny tenanao mihitsy no hahatsapa fa ny fitiavana an’Andriamanitra, araka ny isehoany eo anivon’ny fivavahana marina, dia mbola hery manosika ho amin’ny tsara foana.
[Teny notsongaina, pejy 6]
Ilay boky hoe “Izao tontolo izao romana fahiny” dia manambara toy izao ny amin’ireo kristiana voalohany: “Be dia be ny porofo ny amn’ny fiainan’izy ireo faka tahaka, ny toe-pitondrantena tsy azo tsinina.” Inona no hery nanosika azy ireo hanana ‘toe-pitondrantena tsy azo tsinina’?
[Sary, pejy 7]
Mety hanampy anao hahatohitra ireo fakam-panahy ny fitiavana an’Andriamanitra