FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/11 p. 4-6
  • Inona no fiheverana kristiana momba ny alkaola?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no fiheverana kristiana momba ny alkaola?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Tsy hendry”: eo imason’iza?
  • Divay sa ranom-boaloboka?
  • Tena ilaina ny fahaiza-manavaka
  • Ratsy ve ny Misotro Toaka?
    Mifohaza!—2006
  • Tena Ratsy ve ny Miboboka Toaka?
    Mifohaza!—2004
  • Toaka
    Mifohaza!—2013
  • Divay sy Toaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/11 p. 4-6

Inona no fiheverana kristiana momba ny alkaola?

“AN’IZA ny Indrisy? An’iza ny Endrey? An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’iza ny maso mivoara-mena? An’izay mikikitra amin’ny divay.” (Ohabolana 23:29, 30). Eny, miaiky ny Baiboly fa mety hisy vokany manimba ny fisotro misy alkaola: fahitana zavatra tsy misy, fitondrantena mahamenatra, fikorontanan-tsaina, zava-manorisory ara-pahasalamana, fahasahiranana ara-pianakaviana sy fahantrana mihitsy aza.

Mariho fa ny andininy ao amin’ny Baiboly voatonona eo ambony dia miresaka ny amin’ireo “izay mikikitra amin’ny [mijanona ela eo akaikin’ny, MN ] divay”, izany hoe mpimamo za-dratsy. Ho azy ireny, ny alkaola dia toy ny poizina ary misy voka-dratsy eo amin’ny vatana sy ny saina. (Ohabolana 23:32-35). Mety hanary ny fifehezan-tenany ireo mpisotro ka hanao zavatra hahamenatra azy amin’ny fotoana hafa. Mandefa izao fampitandremana izao àry ny Baiboly: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena; fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; ary ny fitiavan-torimaso mampitafy vorodamba.” (Ohabolana 23:20, 21). Ny fimamoana koa dia anisan’ny “asan’ny nofo” izay mety hisakana olona iray tsy ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Galatiana 5:19, 21; I Korintiana 6:10.

“Tsy hendry”: eo imason’iza?

Milaza ve izany fa tsy manana zo hisotro zavatra misy alkaola mihitsy ny kristiana? Moa ve ilay mpitondra fivavahana voatonona ao amin’ny lahatsoratra eo aloha tsy nanantitrantitra toy izao: “Mifady ny fisotroana divay ny hendry”, tamin’ny filazana ho nifototra tamin’ny andinin-teny ao amin’ny Ohabolana 20:1. Ny fandikan-teny Segond dia mandika toy izao an’io andininy io: “Manaraby ny divay, mitabataba ny fisotro mahery; na iza na iza diso lalana amin’izany dia tsy ho tonga hendry.” Eo indray koa, ny Baiboly dia tsy manameloka ireo izay misotro divay, fa ireo izay diso lalana amin’izany. “Izay mijanona ela eo akaikin’ny divay” sy ny “mpimamo” — ireo no ‘tsy hendry’.

Hevero koa izay lazain’ny Isaia 5:11, 22: “Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay! Lozan’izay fatratra — nefa amin’ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto — nefa amin’ny fampiharoharoana toaka ihany.” Inona no tsy nankasitrahan’i Isaia? Moa ve ny fanombohana misotro “maraina koa” ka tsy mijanona “mandra-paharivan’ny andro” tsy mifanitsy amin’ny fisotroana alkaola be loatra?

Tantarain’ny Baiboly fa misy mpanompo mahatokin’Andriamanitra — toa an’i Abrahama, Isaka sy Jesosy — nisotro divay, nefa tamim-pahalalana onony (Genesisy 14:18; 27:25; Lioka 7:34). Tononiny ho anisan’ny fitahiana omen’i Jehovah koa ny divay (Genesisy 27:37; Deoteronomia 11:14; Isaia 25:6-8). Asehon’ny Tenin’Andriamanitra aza fa mety hisy vokany mahasoa ny fisotroana divay kely. “Mampifaly ny olona” ny divay, hoy ny nosoratan’ny mpanao salamo (Salamo 104:15). Nanoro hevitra an’i Timoty toy izao ny apostoly Paoly: “Aza misotro rano [tsy azo sotroina] intsony, fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.” — I Timoty 5:23.

Divay sa ranom-boaloboka?

Misy milaza fa ny “divay” resahina ao amin’ny andinin-tenin’ny Baiboly toy izany dia ranom-boaloboka fotsiny. Ny Encyclopédie (anglisy) nataon’i McClintock sy Strong dia mampahatsiahy fa “ny Baiboly dia tsy manisy fanavahana mihitsy amin’ny divay mamorivory (fermentés) sy ny ranom-boaloboka tsy mamorivory”. Noho izany, ny teny hoe “divay” ampiasaina ao amin’ny Baiboly dia manondro fisotro misy alkaola; ampiarahina amin’ny “toaka” tokoa izy io. — Genesisy 9:21; Lioka 1:15; Deoteronomia 14:26; Ohabolana 31:4, 6.

Aoka homarihintsika fa ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy dia fanovana ny rano ho tonga divay. Manambara toy izao ny fitantarana ao amin’ny Baiboly: “Ary raha nanandrana ny (...) divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (...), dia niantso ny mpampakatra izy ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa hianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.” (Jaona 2:9, 10). Eny ny “divay tsara” nataon’i Jesosy dia tena divay.

Raha ny marina, ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny taonjato I izay nanamarin-tena, dia nanakiana an’i Jesosy noho izy nisotro divay indraindray. Hoy Jesosy: “Fa tonga Jaona Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy hianareo: Manana demonia izy. Tonga ny Zanak’olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy hianareo: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay.” (Lioka 7:33, 34). Inona no ho tsy fitoviana amin’i Jesosy, izay nisotro divay, sy Jaona, izay tsy nisotro tamin’izany, raha toa ka ranom-boaloboka tsy namorivory fotsiny no nosotroin’i Jesosy? Tadidio izay nambara ny amin’i Jaona: ‘Tsy hisotro divay na toaka izy.’ — Lioka 1:15.

Miharihary tokoa fa tsy nomelohin’i Jesosy akory ny fisotroana zavatra misy alkaola amim-pahalalana onony. Tamin’ny androny, dia nisy fisotroana divay tamin’ny fankalazana ny Paskaa. Mbola nisy ihany ny divay tamin’ny Sakafon’ny Tompo, solon’ny Paska.

Tena ilaina ny fahaiza-manavaka

Tsy raran’ny Baiboly àry ny fisotroana zavatra misy alkaola. Amin’ny fitsipika ankapobeny, dia anjaran’ny tsirairay avy ny manapa-kevitra na hisotro toaka izy na tsia. Melohin’ny Baiboly mafy anefa ny fimamoana, sahala amin’ny fihinanana tafahoatra. Izao no ambarany: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena; fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena.” (Ohabolana 23:20, 21). Noho izany, dia ilaina ny hanehoana fahalalana onony sy fifehezan-tena. “Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy.” Tadidio fa anankiray amin’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fahononam-po na fifehezan-tena. — Efesiana 5:18; Galatiana 5:19-23.

Mazava ho azy fa tsy misy mihitsy mila ny ho mamo vao hahita ireo fahasahiranana ateraky ny alkaola. Ny bokikely iray natontan’ny Fikambanana amerikana miady amin’ny fampiasana zavatra mahadomelina dia manazava toy izao: “Ny alkaola sotroina dia miala ao amin’ny lalan-tsakafo mba ho any amin’ny ra ary tonga haingana any amin’ny atidoha. Izany dia mampiadana ny fiasan’ny faritra amin’ny atidoha mifehy ny fisainana sy ny fihetseham-po. Mahatsiaro ho matoky tena kokoa, afaka kokoa, ny tena.” Mety hampidi-doza ny toky toy izany eo amin’ny lafiny fitondran-tena.

Misy loza hafa iray koa mitranga rehefa mandefa fiarakodia ny olona iray eo ambanin’ny herin’ny alkaola. Araka ny fanombanana sasany, any Etazonia fotsiny, dia olona 25 000 isan-taona no mamoy aina ao amin’ny voina ateraky ny mpamily fiarakodia mamo. Toa tsy heverina matetika fa mampihena aoka izany ny fihetsehana tsy nahy ny alkaola. Heverin’ny kristiana ho fanomezan’i Jehovah anefa ny aina (Salamo 36:9). Ho fahendrena àry ve ny hanaovana vy very ny ain’ny tena sy ny an’ny hafa, amin’ny familiana fiarakodia nefa ny fihetsehan’ny tena tsy nahy mihena noho ny alkaola? Noho izany antony izany, dia kristiana maro no tapa-kevitra ny hifady alkaola rehefa tsy maintsy mandray familiana izy ireny.

Ny kristiana iray dia miahy koa ny amin’ny ho vokatry ny fisotroany alkaola eo amin’ny hafa. Tsy isalasalana mihitsy fa noho izany antony izany no amporisihana ireo mpiandraikitra kristiana, ireo mpikarakara momba ny asa sy ireo vehivavy be taona mba tsy ho “tia divay be”. (I Timoty 3:2, 3, 8; Titosy 2:2, 3.) Izay toa mahazaka tsara alkaola betsaka dia hitandrina mba hisotro amim-pahalalana onony mba tsy hitarihana na iza na iza ao amin’ny lalan-dratsy iray; tsy hanandrana hanery olona hisotro zavatra misy alkaola koa izy. Afa-tsy izany koa, dia manambara toy izao ny Baiboly: “Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.” — Romana 14:21.

Amin’ny toe-javatra sasany aza dia mety hilaina ny hifadiana alkaola. Izany no hita amin’ny vehivavy bevohoka. Nanambara ny International Herald Tribune (natonta tany Paris) nifototra tamin’ny fandinihana natao tao amin’ny oniversite any Caroline Avaratra (Etazonia), fa “raha misotro alkaola be ny vehivavy iray na dia indray mandeha monja aza eo am-piandohan’ny fananany anaka, izany dia mety hiteraka kilema ara-batana sy ara-tsaina lehibe eo amin’ny zaza ao an-kibony”. Ny vehivavy dia tokony hieritreritra tsara ireo loza mety hitranga raha misotro alkaola izy ireny mandritra ny fotoana maha-bevohoka azy.

Ireo izay fatra-pitia fisotro misy alkaola teo aloha na nirona tsy hahalala onony dia angamba ho tia kokoa ny hiala tanteraka amin’ny alkaolab. Aleo koa mifady ny fisotroana eo anoloan’ny mpitia zavatra misy alkaola iray na olona izay ny fieritreretany dia mandrara azy tsy hisotro alkaola. Tsy hety ny hisotroana zavatra misy alkaola alohan’ireo fivoriana kristiana na mandritra ny asa fitoriana. Fahizay ireo Levita dia nanorina ohatra harahina tamin’ny fifadiana alkaola rehefa nanao ny andraikiny tao amin’ny tempoly. — Levitikosy 10:8-10.

Farany, dia tokony hohajaina ireo lalàn’ny tanin’ny tena. Ao amin’ny toerana sasany, dia andrarana tanteraka ny alkaola, fa any an-toeran-kafa kosa izany dia voatokana ho an’ny olon-dehibe. Ny kristiana iray dia manaraka fitsipika toy izany naorin’ny “fahefana lehibe”. — Romana 13:1.

Mazava ho azy fa anjaran’ny tsirairay avy ny manapa-kevitra na hisotro zavatra misy alkaola izy na tsia ary toy inona ny habetsahany. Omem-boninahitra Andriamanitra rehefa misy fanehoana fahaiza-manavaka ary raha fidina an-tsitrapo ny lalan’ny fahalalana onony. Araho àry izao torohevitra mampiseho fahendrena izao: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” — I Korintiana 10:31.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tany Palestina, ny fanotazam-boaloboka dia natao tamin’ny faran’ny fahavaratra. Ny Paska jiosy sy ny Sakafon’ny Tompo kosa anefa dia natao tamin’ny lohataona — izany hoe enimbolana atỳ aoriana. Rehefa tsy misy fitehirizana azy mihitsy, dia namorivory avy hatrany ny ranom-boaloboka.

b Misy mpitsabo manoro hevitra ny marary rehetra fantatra ho mpitia alkaola mba hiala tanteraka amin’ny alkaola. Jereo Réveillez-vous! tamin’ny 8 oktobra 1982.

[Sary, pejy 6]

Mety hanapa-kevitra ny hifady fisotro misy alkaola ny kristiana iray ho fiheverana ny fieritreretan’ny hafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara