FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/11 p. 7
  • Manana talenta tsy manam-paharoa ny ankizy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manana talenta tsy manam-paharoa ny ankizy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • “Avy Amin’ny Vavan’ny Zazakely”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ankizy Midera An’Andriamanitra
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Ry Tanora, Miderà An’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Manatsara ny Fiainany ny Tanora Midera An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/11 p. 7

Manana talenta tsy manam-paharoa ny ankizy

MATETIKA no mampieritreritra ny olon-dehibe ireo fanamarihana ataon’ny ankizy avy hatrany. Indray andro, taorian’ny nahitana an’i Jesosy nanao fahagagana iray, dia nisy zazalahy nanomboka niantsoantso hoe: “Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!” nihantsy ny fahatezeran’ireo filoha ara-pivavahana. Jamban’ny fialonana ireny filoha ara-pivavahana ireny ka tsy nahay nanavaka fa Jesosy no Mesia, taranak’i Davida mpanjaka. Izao anefa no navalin’i Jesosy azy ireo: “Tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny minono no nanamboaranao fiderana’?” (Matio 21:15, 16). Amin’izao androntsika izao Andriamanitra dia mbola mampiasa ihany “ny vavan’ny ankizy madinika” mba hanampiana ireo izay manana saina jamban’ny fampianaran-diso. — II Korintiana 4:4.

◻ Mpianatra tsara i Daleen, roa ambin’ny folo taona. Indray andro, ny mpampianatra azy dia nangataka azy mba hikarakara ny iray kilasy raha mbola manao asa hafa ny tenany. Inona no hataon’i Daleen? “Nifidy ny hanazava tamin’ireo namako aho fa hiaina mandrakizay eto an-tany ny marina ary tsy ho any an-danitra daholo akory isika rehetra”, hoy ny fitantaran’i Daleen. Rehefa nahazo lalana tamin’ilay mpampianatra izy, dia nanao ny fanazavany tao amin’ilay kilasy tamin’ny endriky ny resaka nifanaovana tamin’ny anankiray tamin’ireo namany nanaiky hanao izany an-tsitrapo. Namaky andinin-teny maro ao amin’ny Baiboly izy, anisan’izany ny Salamo 37:29 manao hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Inona no fihetsika naterak’izany? “Nitraka avy eo amin’ny asany ilay mpampianatra ary nihaino tamim-pitandremana tahaka ireo mpianatra koa, hoy i Daleen nanohy ny teniny. Rehefa avy eo, dia nisaotra ahy izy, ary nametraka fanontaniana tamiko ny namana vitsivitsy.”

◻ Tany Afrika Atsimo, Lillian, dimy taona, dia nonina niaraka tamin’ireo ray aman-dreniny tany amin’ny roapolo kilaometatra avy eo amin’ny tanàna kely iray falehany matetika mba hanatrika fivoriana na hitory isan-trano. Indray alahady, dia tapa-kevitra ireo ray aman-dreniny fa hijanona tao an-trano satria simba ny fiarakodia. “Nahoana no tsy mandeha mitory isika?” hoy ny fanahian’ilay ankizy. Tsy afa-po loatra noho ny antony nolazaina izy ka nilaza hoe: “Tsy izany no hahasakana ahy.” Fotoana fohy taorian’izay dia tsikaritry ny reniny fa tsy teo i Lillian sy ny kitapony fitondra mitory. Lasa nandondòna tany amin’ireo trano teny akaiky ilay zazavavikely, nizara tamim-pahalalahan-tanana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly — sy ny Baiboly manokan-dreniny koa aza! Voatohina aoka izany noho ny fanazavan’ilay zaza ny amin’ny Paradisa ho avy ny vehivavy be taona iray ka nanaiky hianatra Baiboly tatỳ aoriana noho ny fanoloran-kevitry ny renin’i Lillian. Tonga Vavolombelon’i Jehovah izy tatỳ aoriana.

Tsy azo lavina fa mampiasa “ny vavan’ny ankizy madinika” Andriamanitra mba hanomezana fiderana. Mety hahatohina lalina ny fon’ny olon-dehibe ny fahatsoran’izy ireny. Rariny àry ny andraisan’ny ankizy toy ny olon-dehibe izao fanasana mitatra izao: “Miderà an’i Jehovah etỳ an-tany, (...) na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, na ny antitra, na ny tanora, — samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra.” — Salamo 148:7, 12, 13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara