Fanontaniana vitsivitsy momba ny alkaola
“MIFADY ny fisotroana divay ny hendry”, hoy ny nambaran’ny mpitondra fivavahana nizeriana iray. Tsy ela loatra izay, dia noheverina fa mafy loatra ny teny toy izany. Amin’izao andro izao anefa, dia mitatra any amin’ny tany sasany ny fiadiana amin’ny fitiavana fisotro misy alkaola.
Ohatra, ny famotopotorana vao haingana navoakan’ny revio Reader’s Digest dia nampiharihary fa “nanomboka mampihena ny fisotroany ny Amerikana”. Mitantara koa ny Time fa ny fisotroana zavatra misy alkaola dia “mihena aoka izany any Amerika hatramin’ny fandrarana tamin’ny 1920”. Etsy an-daniny koa, i Frantsa dia manamarika fihenan’ny fisotroana divay.
Inona no anton’izany fironana hahalala onony izany? Ny sasany niampanga ny fandripahana lehibe ateraky ny mpamily fiarakodia mamo eny an-dalana. Manantitrantitra ny Reader’s Digest fa “ny famoizana asa, ny fihenan’ny fahazoam-bokatra, ny fikarakarana ara-pitsaboana, ny fatiantoka ara-pananana sy ny fanaovana heloka bevava mifandray amin’ny alkaola dia nandaniana 89,5 lavitrisa dôlara [tany Etazonia] tamin’ny 1983; niteraka fahavoazana tsy nisy toy izany ho an’ireo fianakaviana voakasika koa ny alkaola”. Tsy misy mahagaga àry raha toa ny Fandaminana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana izay miankina amin’ny O.N.U. ka nanoro hevitra vao haingana ireo fitondram-panjakana mba ‘hametra ny fivarotana fisotro misy alkaola ho fanatsarana ny fahasalamana sy ny fiadanan’ny mponina ao amin’ny tanin’izy ireo’. — New Nigerian, 16 martsa 1983.
Ny olona sasany aza manambara ny heviny ny amin’ny fifadiana. Nanambara toy izao ilay mpitondra fivavahana nizeriana voatonona ery ambony: “Milaza mazava ny andinin-teny ao amin’ny Ohabolana 20:1 fa tsy hendry ireo misotro divay.” Manamarina koa ny pastora hafa iray fa “ao amin’ny bokin’Isaia, ny Soratra Masina dia manameloka ny alkaola” tamin’ny fanasiana fitenenana ny amin’ny Isaia 5:11, 12 sy 22.
Aorian’ny fanantitranterana toy izany, dia mety hisy hanontany tena hoe: Inona no hevitr’ireo andininy ao amin’ny Baiboly ireo? Moa ve ny Soratra Masina mandrara amin’ny fomba hentitra toy izany ny fisotroana zavatra misy alkaola? Moa ve ny tenan’i Jesosy tsy nisotro divay, sa ranom-boaloboka tsy misy alkaola izany? Rehefa heverina ny loza miharihary entin’ny fisotroana zavatra misy alkaola, ho tsaratsara kokoa ve raha mifady izany ny kristiana? Azo atao ny mahita valin’ireo fanontaniana ireo amin’ny fizahana mivantana ao amin’ny Baiboly.