Feno fifaliana i Panama amin’ny asa fanorenany
TSY VAO miandoha akory ny asan’i Panama raha ny amin’ny fanorenana. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20 iainantsika, dia nanomboka ny asa fanamboarana lakandrano goavana mamakivaky tanteraka ny ao anatin’ilay andilan-tany, mampitohy ny Oseana Pasifika amin’i Atlantika. Io zava-bita lehibe dia lehibe io dia nahatonga an’i Panama, tany bitika, hahazo ny anaram-bosotra hoe “fihaonan-dalan’izao tontolo izao”.
Tamin’ny 18 janoary 1986 dia vita tao amin’io tany io koa ny fanorenana iray karazany hafa. Tamin’io andro io, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitokana trano iray vaovao tanteraka, ny an’ny sampany. Olona 211 monja no afaka nanatrika ny fisehoan-javatra teo an-toerana, fa an’arivony maro hafa kosa no nanaraka izany tamin’ny fampitana an-tariby. Ireo trano vaovao dia nahitana fonenan’ireo anisan’ny sampana sy ho an’ireo misionera, ary fanontam-pirinty.
Izany asa izany anefa dia lafiny iray monja amin’ny fandaharam-panorenana ara-panahy mitohy any Panama nanomboka tamin’ny faran’ny taonjato faha-19, fotoana namafazana tany ireo voan’ny fahamarinana voalohany. Tamin’ny 1957, dia arivo teo ho eo ny isan’ny mpitory ny “vaovao tsara” tany Panama. (Matio 24:14, MN.) Ilay trano kely naorina tamin’izay fotoana izay dia nanome toerana ampy ho an’ny biraon’ny sampana sy ny fonenan’ireo misionera. Nitombo avo telo heny anefa ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao anatin’ny roapolo taona! Noho izany antony izany, tamin’ny septambra 1982, ny kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanaiky ny hanaovana fanorenana hafa iray.
Ny tany nofidina dia tokony ho tany amin’ny roapolo kilaometatra avy eo amin’ny tanànan’i Panama, tao amin’ny faritra mahafinaritra iray, mandondona ny farihy iray.
Nalatsaka ny vato voalohany rehefa ela ny ela
Iza no hanao ny planin’ilay trano? Ahoana no fomba hanorenana azy ary iza no hanao izany? Nahatsiaro ny andinin-teny ao amin’ny Salamo 127:1 ireo rahalahy ka nikely aina tamin’ny asa, natoky fa homen’i Jehovah azy ireo ny fomba handresena izany vato misakana toa tsy ho azo ihoarana izany.
Nataon’izy ireo ny ambangovangon-tsary nampiseho hoe velaran-toerana manao ahoana no hilaina ho an’ny birao iray, ny fitehirizam-boky iray, sampan-draharaha momba ny fandefasana entana, fanontam-pirinty kely iray sy fonenana ho an’ny mpiasa. Nahafaoka Efitrano Fanjakana lehibe iray koa ireo planina. Tamin’ireo zavatra fantatra ireo, ny antokon’ny mpanao mari-trano ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower tany Brooklyn (Etazonia) dia nanao izay hahatomombana ny planin’ny trano iray nahafeno ireo fepetra voalaza.
Avy eo, dia natao ny dingana nanaraka, tsy ny kely indrindra akory: trano iray havoaka avy amin’ny tany. Vavolombelon’i Jehovah an-jatony maro tao amin’ilay faritra no tonga mba hanao tana-maro. Nisy rahalahy avy any Etazonia tonga nanolotra ny talentany sy ny sandriny. Tao anatin’ny enina herinandro monja, dia 230 ny tontalin’ny mpilatsaka an-tsitrapo nankeny an-toerana, ny sasany avy any amin’ny tany hafa any Amerika afovoany.
Tamim-pifaliana no namohan’ireo rahalahy teo an-toerana ny tranony ho an’ireo mpiasa. Ny fianakaviana iray aza dia nanorim-ponenana vetivety tao amin’ny lay mba hampilasiana tao an-tranony, mpiasa an-tsitrapo iraika ambin’ny folo. Ireo nanana fiara kely fitaterana mpianatra dia nanome fomba fifindran-toerana. Ny hafa koa nandray anjara tamin’ny fanamboarana sakafo 30 000 naroso teo amin’ny toeram-panorenana mihitsy. Mba hanalana hetaheta ireo izay niasa mafy teo amin’ny hainandro tropikaly, dia nozaraina matetika ny fisotro mangatsiatsiaka natao tamin’ny mananasy, laoranjy, papay sy manga, mbamin’ny ranom-boaniho.
Tsy mitovy velively amin’ny tilikambon’i Babela
Nandroso haingana ny asa. Tao anatin’ny tapa-bolana dia voatsangana hatreo amin’ny rihana voalohany ny rindrina rehetra, voapetaka ny andry vy sasany ary natao ny vato manify hanamboarana gorodona ao amin’ny Efitrano Fanjakana, rihana voalohany. Ny asa momba ny fanamboarana fantsona sy herimbaratra dia niara-natao tamin’ny fametahana rindrina, platira sy ny fanaovana varavarankely sy varavarambe. Tsy ampy iray volana taorian’ny nanombohana, dia voapetaka ny tafo, tamin’ny fotoana nety indrindra mba hialofana tamin’ny ranonorana nivatravatra tsy fahita tamin’ny vanin-taona.
Tao koa ny zava-nanahirana. Indraindray dia nisy mpilatsaka an-tsitrapo hatramin’ny 800 teo amin’ny toeram-panorenana, ka nilaina ny fandaminana tsara mba hanomezana raharaha ho an’ny rehetra. Afa-tsy izany koa, ny ankamaroan’ny rahalahy avy any amin’ny toeran-kafa tsy nahay niteny espaniola. Mifanohitra amin’ny nataon’ireo mpanorina ny tilikambon’i Babela ratsy, ireo rahalahintsika dia tsy namela izany vato misakana izany hampiadana ny asa; naneho ny vokatry ny fanahy kosa izy ireo — ka nitady fanampian’ny mpandika teny. — Galatiana 5:22, 23.
Tamin’ny fotoana rehetra naharetan’ny asa fanorenana, dia nisy fiahiana tamim-pitandremana ny amin’ny zavatra ara-panahy. Nisy fivoriana natao tsy tapaka teny an-toerana mihitsy, ary ny rehetra dia afaka nanokana fotoana mba handraisana anjara tamin’ny fitoriana. Nisy fotoam-pialam-boly koa, fitsangantsanganana sy fivoriana nataon’ny mpinamana. Tsy nohadinoin’ireo rahalahy anefa fa teo indrindra izy ireo mba hiasa, ka tsy ela dia vita ny zavatra rehetra.
Tamin’ny lahateniny fitokanana, John Booth, anisan’ny Kolejy foibe, dia nanao ny teny farany tamin’ny filazana hoe: “Inona no hitranga amin’ity trano naorintsika ity? Tsy inona fa manorina ho an’ny ho avy mandrakizay isika. Tsy hoe satria hijoro mandrakizay ny rafi-bato, fa ny fampiasana azy, miaraka amin’ny asan’ireo rahalahy amin’ny ambaratongam-pirenena sy iraisam-pirenena, dia hiteraka mpianatra izay hiaina mandrakizay.” Tsy ilaina ny manontany tena hoe nahoana no entanin-kafaliana ireo Vavolombelona any Panama satria mitatra hatrany foana ny asa fanorenany!
[Sarintany, pejy 22]
(Jereo ny gazety)
Panama
Panama