FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/9 p. 21
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza moa ireo mpanohitra ny finoana?
  • “Toerana voaro mafy”
  • Fisehoan-javatra tsy nampoizina!
  • Telo Izay Iray ve Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Moa ve mazava fa fampianarana avy ao amin’ny Baiboly izy io?
    Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
  • Ny “Trinite Masina”: fampianarana araka ny Baiboly ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Andriamanitra tokana misy persona telo ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/9 p. 21

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Iza moa ireo mpanohitra ny finoana?

“Vakintsika ao amin’ny Baiboly fa Trinite Andriamanitra”, hoy ny nosoratan’i Johan Heynes, filoha ara-panahin’ny Fiangonana nohavaozina holanday any Afrika Atsimo tao amin’ilay gazety mivoaka isan’andro afrikana atsimo atao hoe Naweek-Volksblad tamin’ny 15 novambra 1986. Ny amin’ireo izay mihevitra fa tsy mety hisy Andriamanitra iray misy persona telo, dia hoy ny nanampiny: “Nilaza ny Fiangonana kristiana fa mitory fampianaran-diso ireny olona ireny ka noho izany dia nambarany fa manohitra ny finoana izy ireny”.

Aiza anefa no ahitana ny teny hoe Trinite ao amin’ny Baiboly? Tsy milaza mazava ny amin’izany Johan Heynes. Tsy misy mahagaga mihitsy amin’izany, satria, araka ny anazavan’ny Nouvelle Encyclopédie britannique azy, “ny teny hoe Trinite dia tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsy voambara mazava ao mihitsy ny fampianarana tondroiny. Tsy isalasalana fa Jesosy sy ireo mpianany dia tsy nitady izay handavana ny Shema [ny fanekem-pinoana jiosy] ao amin’ny Testamenta Taloha, manao hoe: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.’ ” (Deoteronomia 6:4). Raha tsy nanome ny fampianarana ny amin’ny Trinite na Jesosy na ireo apostoliny ary raha tsy voambara mazava ao amin’ny Baiboly izany, tamin’ny fomba ahoana no nielezany? Na dia nilaza aza izy fa nahita izany nitsiry tao amin’ny “Testamenta Vaovao”, ilay “encyclopédie” vao avy notononintsika teo dia miaiky fa “niforona miandalana io fampianarana io, tao anatin’ny taonjato maromaro sy ny fiadian-kevitra be dia be”, ary tamin’ny faran’ny taonjato faha-4, “ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia nahazo indrindra ny endrika notanany foana hatramin’izay”.

Raha mpanohitra ny finoana ny olona izay tsy mety mino Andriamanitra telo izay iray, inona no holazaina ny amin’i Jesosy? Izao tokoa no ambarany ao amin’ny Marka 12:29, araka ny Baibolin’i Jerosalema: “Ny Tompo Andriamanitsika dia Tompo tokana”, ka raisiny amin’izany ny teny ao amin’ny Deoteronomia 6:4. Izao koa no nolazain’i Jesosy: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.” (Jaona 14:28). Noho izany, iza moa ireo mpanohitra ny finoana? Ireo izay tsy mivadika amin’ny fampianaran’i Jesosy sa ireo izay mifikitra amin’ny fampianarana iray niforona taonjato maro tatỳ aorian’ny nahafatesany? — Ampitahao I Korintiana 4:6 sy II Jaona 9.

“Toerana voaro mafy”

Tanàna tafihina i Sydney amin’izao andro izao.” Tamin’ireo teny ireo no nanombohan’ny fitarihan-teny tao amin’ny Sun-Herald, gazety iray mivoaka isan’andro any Sydney. “Ny manodidina azy tsara tarehy, toerana voaro mafy misy fefy sy hidiny mafy, dia misy fiambenana elektronika. Ireo fiarandalambiny mandeha alina, foana mahatahotra sy feno soratsoratra sy sarisary eny amin’ny rindrina, dia toerana isehoan’ny fandravaravan-javatra tsy amin’ny antony. Rehefa latsaka ny alina, dia manjary miha-tsy azo antoka ireo arabeny.”

Na dia azo ampiharina amin’ny tanàn-dehibe maro aza izany filazalazana mampahory izany, dia miteraka fanahiana mafy eo amin’ireo Aostraliana. Ireo izay mianatra ny Baiboly kosa anefa dia tsy gaga mahita fielezan’ny tsy firaharahana lalàna. Fa nahoana? Satria izy ireny mahatsiaro ireo teny ara-paminanian’i Jesosy momba ny toe-piainana tsy maintsy hanjaka amin’ny androntsika. Izao tokoa no nambarany: “Noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:12). Milaza ny alahelony ny fitarihan-tenin’ny Sun-Herald noho ny fahatsiarovana tahotra manenika an’io tanàna io izay antsoina hoe ‘ny tsara vintana indrindra ao amin’ilay tanin’ny vintana’; na dia ao aza io anarana io, ny “vintana” akory tsy hamarana ny faharatsiana manjaka ao. Jehovah irery ihany, amin’ny alalan’ny fitondram-panjakany any an-danitra, no hanao izany. Ny Salamo 5:4 dia manome antoka antsika fa Jehovah dia “tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy”, ary ‘tsy hitoetra aminy ny ratsy’.

Fisehoan-javatra tsy nampoizina!

Mandidy ny kristiana ny Baiboly mba ‘hifady ny ra’. (Asan’ny apostoly 15:29.) Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa izany fandidiana izany dia mihatra amin’ny fandraisan-dra amin’ny sakafo sy ny fampidiran-dra. Ny SIDA, aretina mahafaty izay mamely ny fiarovan’ny vatana tena voajanahary amin’ny otrikaretina, dia mety ho azo amin’ny alalan’ny fampidiran-dra. Fisehoan-javatra tsy nampoizina fa ny zazakely iray voan’ny “dysgénésie réticulaire”, aretina mahafaty tsy fahita firy miteraka tsy metimety amin’ny fiarovan’ny vatana tena voajanahary amin’ny otrikaretina, dia namindrana tsokan-taolana teo amin’ny fahenim-bolany. Nampidiran-dra izy tamin’ny fandidiana ka toa nahomby izany fandidiana izany, mandra-pahitan’ireo mpitsabo fa izany fampidiran-dra izany dia nitondra aretina mahafaty hafa iray ho an’ilay zaza. “Rehefa feno roa taona sy tapany ilay marary dia salama tsara, afa-tsy tamin’ny zavatra iray, hoy ny nambaran’ny revio Physician’s Weekly. Taorian’ny fandidiana, dia nahazo ra mandry fisaka kely ilay zaza — tamin’izany fotoana izany, dia tsy mbola nanerena ny famantarana ny (otrikaretina amin’ny SIDA) — ary dia voan’ny SIDA izy io izao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara