Hatraiza no tokony hikarakarana ny fianakavian’ny tena?
“NY FAHAZARANA afrikana dia mampianatra ahy fa mpiambina ny rahalahiko aho”, hoy ny nosoratan’ilay mpanoratra nizeriana atao hoe S. Jegede. “Ny fahazarana afrikana dia mitaky ny hanajana ireo ray aman-drenin’ny tena sy ny hikarakarana azy.” Eny, any Afrika toy ny any amin’ny toerana hafa eo amin’izao tontolo izao, ny fanampiana ny mpianakavin’ny tena dia anisan’ny fomba fiaina.
Ho an’ny Afrikana maro anefa, ny “fianakaviana” dia mahafaoka ny nenitoa, ny dadatoa, ny zanak’olo-mpiraitampo, ny zanaky ny iraitampo ..., sy olona iray tanàna fotsiny aza. Koa satria mandao ny any ambanivohitra ireo fianakaviana afrikana mba hiasana any amin’ireo tanàn-dehibe, izany mpianakavy mitatra izany dia manjary mety ho loharanom-pahasahiranana. Ireo fianakaviana mifindra toerana dia mandrakariva no tototry ny havana mitaky vola na fonenana amin’izy ireny. Noho ny faneriterena mampiavaka ny fiainana an-tanàn-dehibe anefa, dia matetika no sarotra, raha tsy azo atao mihitsy aza, ny mamonjy havana lavitra na olona mpiray tanàna amin’ny tena.
Manambara ny Baiboly hoe: “Fa raha misy tsy mamelona [mikarakara, MN ] ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (I Timoty 5:8). Hatraiza anefa no tokony hanarahana ny fotopoto-pitsipika izay mamporisika antsika mba hikarakara ny fianakaviantsika? Moa ve ny kristiana iray voatery hanome, amin’ny toe-javatra miseho rehetra, izay ilain’ireo havany? Sa kosa rariny ny nanantitranteran’ilay mpanoratra nizeriana voatonona eo ambony hoe: “Tsy manan-toerana na ao amin’ny fanao afrikana na ao amin’ny Baiboly ny fanararaotana loatra ny fandaharam-pianakaviana mitatra”?
Ray aman-dreny sy zanaka
Nisy tamin’ny andron’ny Baiboly ny fandaharam-pianakaviana mitatra. Rehefa mandidy ny kristiana mba ‘hikarakara ny azy’ anefa ny Baiboly dia tsy milaza mazava na aiza na aiza fa izany dia mahafaoka ny havana sy ny anisan’ny fianakaviana mitatra hafa.
Ny Baiboly dia manantitrantitra indrindra ny amin’ireo adidy mampifamatotra ny ray aman-dreny amin’ny zanany. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ny amin’ny fanampiana nety ho azony avy tamin’ireo kongregasiona: “Fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ny zanany.” (II Korintiana 12:14). Nanao izao fanamarihana izao ny mpahay lalàna malaza iray, H. Clark: “Ny ray iray dia manana adidy araka ny natiora sy ara-pitondrantena hanome izay ilain’ny zanany.” Koa satria Andriamanitra nanendry azy ho filohan’ny faritry ny fianakaviana, dia andraikitry ny ray voalohany indrindra ny mamelona ny ankohonany. Matetika ny vadiny no manampy azy amin’ny fikarakarana tsara ny tokantrano, amin’ny fahaizana mitsitsy, sy amin’ny fiasana any ivelan’ny tokantrano aza rehefa mitaky izany ny toe-javatra miseho. — Jereo Ohabolana 31:10-31.
Mariho anefa fa ny ray aman-dreny dia amporisihina mba tsy hianina amin’ny fanaovana izay hahazoam-bola. Amporisihina izy ireny mba “hitahiry” ny tapany amin’ny vola miditra aminy ho an’ireo zanany. Ny ray aman-dreny manaraka an’io torohevitra feno fahendrena io dia matetika no afaka manohy manampy ireo zanany rehefa lehibe izy ireny ka niala tao an-tokantrano. Mety indrindra izany fanampiana izany rehefa miasa manontolo andro amin’ny fanompoana kristiana ny zanaka ka mila fanohanana ara-bola indraindray mba hijanonana amin’io asa io. Tsy voalaza na aiza na aiza fa hoe tokony “hitahiry” ho an’ny mpianakavy mitatra tsy tambo isaina ny ray aman-dreny.
‘Ny famalian-tsoa’
Mendrika ny hovalian-tsoa ny fikarakarana feno fitiavana asehon’ny ray aman-dreny be dia be toy izany. Nilaza toy izao ny apostoly Paoly ao amin’ny I Timoty 5:4: “Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra.” Tsy azo lavina fa izay hanampy toy izany ray na reny be taona, raibe na renibe, dia hanao zavatra hifanaraka amin’ny didy ao amin’ny Baiboly momba ny fanajana ny ray aman-drenin’ny tena. — Efesiana 6:2; Eksodosy 20:12.
Diniho fa eo koa i Paoly dia tsy hita ho nibaiko havana lavitra mba hanana adidy hikarakara mpitondratena manana zanaka na zafy. Tamin’ny taonjato I, raha toa ny mpitondratena kristiana iray izay nanompo tamim-pahatokiana ka tsy nanana havana akaiky hikarakara azy, dia tokony handray azy ho andraikitra ny kongregasiona. — I Timoty 5:3, 9, 10.
Voaporofo àry fa “ny azy” ananan’ny kristiana adidy hokarakaraina dia ny vadiny, ny zanany, ny ray aman-dreniny sy ny raibeny aman-drenibeny. Tokony hiantsoroka ny andraikiny ny kristiana na dia tsy mpino na kilemaina aza ireny mpianakavy ireny. Tompon’andraikitra amin’izy ireny izy raha mbola velona koa izy ireo. Ary raha manambady izy, dia manana adidy koa aza, raha ilaina izany, hanampy ny vadiny hanaja ny rainy na ny reniny. Nisy mpivady nandia fahasahiranana lehibe indraindray satria natao tsirambina io fotopoto-pitsipika io.
Mikarakara azy: amin’ny fomba ahoana? amin’ny fotoana toy inona?
Tsy tokony hanatsoaka hevitra avy amin’izany anefa ny ray aman-dreny fa azony atao ny mandanilany foana ny fananany amin’ny filazana fa zony ny hitaky, amin’ny fotoana rehetra, fanohanana ara-nofo avy amin’ireo zanany. Tsy milaza koa akory izany fa tokony hitaky fiheverana mihoa-pampana avy amin’ireo zanany izay matetika manana ny ankohonan’ny tenany ananany andraikitra voalohany indrindra izy ireny. Izany fiheverana izany dia mifanaraka amin’ny tenin’i Paoly manao hoe: “Tsy ny zanaka no tokony hihary [hitahiry, MN ] ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary [hitahiry, MN ] ho an’ny zanany.” — II Korintiana 12:14.
Mandrakariva, ny ray aman-dreny dia mety ho afaka hahazo trano, fananana sy loharanom-pidiram-bola (volan’ny efa misotro ronono, ohatra), izay mahatonga azy ireny ho afaka ny hiaina ao anatin’ny fahanterany. Koa satria “fialokalofana ny vola”, amin’ny ‘fitehirizana amim-pahendrena, dia azon’ny ray aman-dreny atao amin’ny ankapobeny ny misoroka ny fanomezana andraikitra mavesatra ara-bola sy ara-tsaina an’ireo zanany any aoriana. — Mpitoriteny 7:12.
Ny tenin’i Solomona voarakitra ao amin’ny Mpitoriteny 9:11 anefa dia mampahatsiahy antsika fa ny drafitra, na dia voamboatra tsara aza, dia mety hiharan’ny “fotoana sy ny sampona [fisehoan-javatra tsy nampoizina, MN ]”. Inona àry no hitranga raha toa, na dia tao aza ny drafitra voaomana tsara, ka mamoy ny loharanom-pidiram-bolany ny mpivady iray na mila ny hampiana? Ny zanaka matahotra an’Andriamanitra dia voatosika avy hatrany hanampy ireo ray aman-dreniny amin’ny fomba anoroan’ny fahaiza-mitsara zavatra azy. Angamba izany fanohanana azy ireo ara-bola, fanasana azy ireny honina ao an-tranony na eo akaikiny, na raha ilaina koa izany, fametrahana azy ireny any amin’ny trano fitokanana. Mazava ho azy fa ny ray aman-dreny na ny raibe aman-drenibe dia hiseho hahalala ny mety hatao: tsy hanantena ny hanana fiainana feno rendrarendra hiankina aman’ireo zanany izy, satria manome izao torohevitra izao ny Baiboly: “Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.” — I Timoty 6:8.
Amin’ny toe-javatra maro, ny antoka ara-tsosialy, ny vola fandrain’ny efa misotro ronono, ny fanampiana noho ny fahanterana sy ny tahiry manokan’ny ray aman-dreny be taona na ny raibe aman-drenibe dia manome azy ireo fanampiana ampy, na dia kely aza. Fahendrena ny hangatahana fanazavana momba ireo tombontsoa mety ho azon’izay mahafeno ireo fepetra takina. — Romana 13:6.
Ario ny fiheveran’ny Fariseo
Notenenin’i Jesosy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo satria nilaza tamin’ireo ray aman-dreniny nahantra hoe: “Efa fanatitra ho an’Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko.” (Matio 15:5). Tamin’ny andron’i Jesosy, ireo Jiosy mpivavaka dia nanana fahafahana hanokana vola na fananana hatao fanomezana ao amin’ny tempoly indray andro any. Nanamarina ireo Fariseo fa ireny fananana ireny, rehefa natokana ho an’Andriamanitra, dia tsy tokony hampiasaina mihitsy amin’ny antony hafa, na dia mba hikarakarana ray aman-dreny be taona aza.
Nomelohin’i Kristy izany hevitry ny Fariseo izany satria tsy nifanaraka tamin’ny voalazan’ny lalàn’Andriamanitra. Taminy, ny haja tokony homena ny ray aman-dreny dia lehibe noho ny fitsipika naorin’ny olona. Toy izany koa amin’izao androntsika izao, ny kristiana sasany dia nanokana ny fiainany tamin’ny fanompoana tamin’ny fahatongavana ho misionera, mpitory maharitra, mpiandraikitra mpitety faritany, ets. Rehefa reny fa sahirana ireo ray aman-dreniny, dia nisahirana fatratra izy mba hikarakara ny ankohonany sady nanohy ny asany. Kanefa rehefa tsy azo natao tanteraka ny nampifandray ireo zavatra roa ireo, dia tsy nihevitra izy ireny fa hoe lehibe kokoa noho ny fanajana tokony homena ny ray aman-dreniny ny tombontsoan’izy ireny teo amin’ny fanompoana. Azo antoka fa mendri-piderana ireny kristiana ireny noho ny nanovany ny fiainany, matetika tamin’ny fanaovana sorona manokana lehibe, mba hiantsorohana ireo adidiny ara-pianakaviana.
Aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra
Na dia mandidy ny kristiana hikarakara ireo ray aman-dreniny akaiky sahirana aza ny Baiboly, dia tsy rarany akory, amim-pahaiza-mandanjalanja hatrany, ny fanehoana ny fitiavany ireo mpianakaviny lavitra. Indraindray dia misy nenitoa, zanak’olo-mpiraitampo na zanaky ny iraitampo tiantsika toy ny havana akaiky. Mamporisika antsika ny Baiboly mba “hanao soa amin’ny olona rehetra”. (Galatiana 6:10.) Raha afaka mamonjy havana lavitra iray ny kristiana iray, dia ‘tsy hanidy ny varavaran’ny fangoraham-pony feno fitiavana’ aminy izy. Mifanohitra amin’izany, dia mety hahatsiaro ara-pitondrantena ho manana adidy ny hitondra ny fanampiany ho azy izy. — I Jaona 3:17, MN.
Na dia izany aza, ny adidin’ny kristiana iray dia mihatra voalohany indrindra amin’ireo mpianakaviny akaiky, dia: ny vadiny, ny zanany, ny ray aman-dreniny sy ny raibeny aman-drenibeny. Hieritreritra tsara àry izy alohan’ny hanekena andraikitra mety hitondra fahavoazana ho azy ireny, na eo amin’ny lafiny ara-bola, ara-toe-tsaina na ara-panahy.
Araka izany, ny torohevitra ao amin’ny Baiboly manasa mba hikarakara ny ankohonan’ny tena dia tsara sy mety. Izany dia mety hitsimbina ny kristiana mampihatra azy amin’ny fanahiana maro tsy amin’ny antony sy hanampy azy hametra ny zavatra tokony homena ny toerana voalohany. Izany rehetra izany dia manome voninahitra an’i Jehovah “Ray, Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana”. — Efesiana 3:14, 15.
[Sary, pejy 25]
Tompon’andraikitra amin’ireo zanany voalohany indrindra ny ray aman-dreny.
[Sary, pejy 26]
Ny adidin’ny kristiana dia azo ampiharina amin’ireo ray aman-dreny be taona toy ny atao amin’ireo zanaka.