Andriamanitra tokana misy persona telo ve?
NY TRINITE... Tsy isalasalana fa efa nandre firesahana ny amin’izany ianao, satria ampianarina manerana ny fivavahana lazaina fa kristiana io fampianarana io. Fa manao ahoana raha ny marina ny fiheveran’ireo Fiangonana ny vidin’izany? Fanontaniana mbola lehibe kokoa ihany, moa ve ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, mizarazara koa ny Fisiana tampony ho persona telo?
“Ny teny hoe trinite dia manondro ny fampianarana fototra ao amin’ny fivavahana kristiana, ny fahamarinana ilazana fa ao amin’ny maha-iray an’Andriamanitra dia avahana ny Persona telo (...). Araka izany, raha raisina ny fanekem-pinoan’i Athanase ‘Andriamanitra dia Ray; Andriamanitra Zanaka, Andriamanitra Fanahy Masina: ary tsy misy Andriamanitra telo, fa Andriamanitra iray ihany’. (...) Toy izany, araka ny Eglizy, ny fanambarana ny toe-tenan’Andriamanitra nentin’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao. Izany fanambarana izany no atolotry ny Eglizy ho an’ny olona ho fototry ny hevitra inoany rehetra.” — The Catholic Encyclopedia.
Ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia tsy mahaforona fotsiny “fototry” ny ‘hevitra inoana’ katolika rehetra. Ny fanekena azy koa dia anankiray amin’ireo fepetra takina lehibe indrindra amin’ireo finoana maniry ho anisan’ny Fanakambanam-pinoana eo amin’ireo Fiangonana. Tsy azo lavina àry fa ny Trinite dia mendrika ny hoheverina ho ny “fampianarana fototra” ao amin’ireo fivavahan’ny finoana lazaina fa kristiana: Manaraka izany ny Eglizy katolika, ortodoksa sy protestanta. Nefa moa ve na dia izany aza dia “fahamarinana” izy io araka ny anantitranteran’ilay “encyclopédie” voatonona eo ambony azy?
Fampianarana araka ny teolojia fa tsy araka ny Baiboly
Ao amin’ny lahatsoratra hoe “Trinite”, dia nanao izao fanamarihana izao ny boky protestanta iray (The illustrated Bible Dictionary): Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe Trinite (...). Tsy nampidirina tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny voambolana ara-teolojian’ny Eglizy izy io raha tsy tamin’ny taonjato faha-4 (...). Na dia tsy manome antsika mihitsy filazalazana ny amin’io fampianarana io aza ny Soratra masina, dia raketiny ihany ny foto-javatra rehetra nampiasain’ny teolojia mba hanorenana azy.”
Iza moa ireo teolojiana nampiasa voalohany ny teny hoe “trinite” tamin’ny asa ‘fanorenana’ ara-pampianarana nataony? Mamaly toy izao ny The Catholic Encyclopedia: “Hatramin’izao ao amin’ny Soratra masina dia tsy nahitana teny manokana mihitsy mahafaoka Persona telo amin’Andriamanitra. Ny teny hoe trias (izay trinitas no dikany amin’ny teny latina) dia hita voalohany teo amin’i Théophile avy any Antiokia tany amin’ny 180 aorian’i J.K. (...) Fotoana fohy taty aoriana, dia niseho tamin’ny endriny latina hoe trinitas izy io tao amin’ny teny nosoratan’i Tertullien.” Ny fitambaran-telo nolazain’i Theophile anefa dia voaforon’ireto: ‘Andriamanitra, ny Teniny sy ny Fahendreny’. Lavitra fotsiny àry ny fifandraisany amin’ny an’ny fivavahana lazaina fa kristiana! Fa raha ny amin’i Tertullien, io ‘encyclopédie’ io koa dia manazava fa “tsy mifandray ny fampianarany ny amin’ny trinite”, ankoatra ny zavatra hafa dia satria araka ny filazany “dia nisy fotoana tsy nisian’ny Zanaka”. Noho izany, ny kely indrindra azo lazaina dia hoe, mifanohitra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ireo lehilahy ireo dia tsy nihevitra an’Andriamanitra ho Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina samy nisy hatrizay hatrizay.
Tafajanona anefa ny teny hoe “trinite” na telo izay iray. Taty aoriana ireo teolojiana dia ‘nanorina’ tsikelikely ny fampianarana tondroiny amin’ izao fotoana izao. Nefa moa ve izy ireo nanorina izany teo amin’ny fanorenan’ny Baiboly sa teo amin’ny an’ny teolojia ara-pilozofia? Mirona ho amin’ity fanombantombanana faharoa ny Encyclopédie britannique. Izao no vakina ao: “Ny teolojia kristiana dia nifidy ny metafizika [na filozofia] platonisiana vaovao ny amin’ny fototra sy ny persona miavaka [maha-izy na toe-tena] ho fiaingana mba hilazana ny hevitry ny fifandraisana misy eo amin’ny ‘Ray sy ny Zanaka’.” Ny zava-nanahirana lehibe indrindra hitan’ireo teolojiana dia ny fampisehoana an’ilay “Andriamanitra Ray”, “Andriamanitra Zanaka” sy “Andriamanitra Fanahy Masina” tsy ho Andriamanitra telo, fa ho iray monja. Nandritra ny taona maro izy ireo dia niady hevitra ny amin’ny hoe moa ve ireo persona amin’ny trinite mitovitovy fototra [homoïousia amin’ny teny grika] sa fototra iray ihany [homoousia]. Izany fiadian-kevitra izany dia notapahina tamin’ny fanekena ny homoousia tany amin’ny konsilin’i Nicée, tamin’ny 325, avy eo dia tamin’ny an’i Constantinople tamin’ny 381.
Manohy toy izao ny Encyclopédie britannique: “Raha vao teo am-piandohana ireo andaniny roa nifanatrika [tany Nicée) dia nandray ho fiasana fiadiana ny hevitra platonisiana Vaovao ny amin’ny fototra izay tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsy mahagaga àry raha toa ny tapany sisa amin’ny fiadian-kevitr’izy ireo, mbola niorina tamin’ny metafizika momba ny fototra ihany, ka nitarika ho amin’ny famoronana hevitra tsy niankina velively tamin’ny Testamenta vaovao.” Noho izany, ny hevitra mihitsy ny amin’ny Andriamanitra iray misy persona telo mitovy fototra dia vokatry ny teolojia ara-pilozofia fotsiny. Tsy niandoha avy ao amin’ny Soratra Masina izany.
Mila porofo ny amin’izany ve ianao? Aoka hojerentsika amin’izany ireo fizarana roa lehibe amin’ny Baiboly antsoin’ny maro hoe Testamenta Taloha sy Vaovao.
Ny Trinite sy ny “Testamenta Taloha”
Ny Dictionnaire de théologie catholique, boky fakàn-teny iray misy fizarana 15, dia miaiky toy izao: “Toa tsy azo lavina fa ny fanambarana ny misitery ny amin’ny Trinite dia tsy natao tamin’ny Jiosy.” Milaza mihoatra noho izany amin’izao teny izao ny The illustrated Bible Dictionary: “Zava-dehibe ny hahatsiarovana fa ny T[estamenta] T[aloha] dia nosoratana talohan’ny nanambarana mazava ny Trinite.” Nefa, tena azo atao ve ny mieritreritra fa talohan’ny nanombohan’ny kristianisma, ireo mpivavaka marina dia tao anatin’ny tsy fahalalana ka tsy nivavaka afa-tsy tamin’ny ampahatelon’ilay Andriamanitra marina? Tsy isalasalana fa hanaiky ianao fa toa hadalana izany. Fantatr’izy ireo tsara tokoa ny hoe iza no nanolorany fanompoam-pivavahana. — Salamo 95:6, 7.
Na dia ao aza izany rehetra izany, dia misy mpanohana ny trinite izay nanandrana nanankina ny fiheverany ny amin’Andriamanitra tamin’ny Soratra hebreo (Ny “Testamenta Taloha”). Ohatra, misy mampahatsiahy fa ny teny hebreo nadika hoe “Andriamanitra” dia hita matetika amin’ny teny milaza maro (’Elôhim). Toa hadinon’izy ireo anefa fa ampiasaina toy izany koa io teny io rehefa mifandray amin’ny andriamanitra sampy toa an’i Dagona (I Samoela 5:7) na Mardoka (Daniela 1:2) izay tsy fitambaran-telo anefa. Ny amin’izany, dia milaza mazava toy izao i R. Girdlestone, profesora ao amin’ny oniversite any Oxford ao amin’ny bokiny hoe Synonyms of the Old Testament: “Mpanao fanakianana maro izay tsy mampiahiahy mihitsy ny fanarahany ny hevitra inoan’ny maro [ny amin’ny trinite] no mihevitra ihany fa fahendrena ny hifikirana amin’ny toerana noheverin’ny teolojiana toa an’i Cajetan ao amin’ny Eglizin’i Roma sy Calvin eo amin’ny protestanta fa tsara harahina, amin’ny fiheverana an’io endriny io ho milaza maro (pluriel) mampiseho fahalehibeazana.” Ireo teolojiana mpanohana ny trinite ireo tokoa dia azo antoka fa nahatakatra fa raha noraisiny ho “pluriel” milaza isa (tokony hadika hoe “andriamanitra maro”) ny teny hoe ’Elohim dia hanao ny tenan’izy ireo amin’izany ho mpivavaka amin’ny andriamanitra maro izy ireo!
Ny mpifikitra sasany amin’ny Trinite koa dia naka avy ao amin’ny Soratra hebreo ireto fanaporofoan-kevitra roa manaraka ireto: 1) Antsoina ara-paminaniana hoe Imanoela Kristy ao amin’ny Isaia 7:14. 2) Ny Isaia (9:5) dia manome azy ny anaram-boninahitra hoe “Andriamanitra Mahery”.
Ny hevitry ny teny hoe Imanoela dia “amintsika Andriamanitra”. Izany anefa tsy milaza velively fa Andriamanitra Kristy. Tsy Andriamanitra velively Eliho, nefa ny dikan’ny anarany dia hoe “Andriamanitra, dia izy”. (Joba 32:1, 2.) Raha ny amin’ny fanaporofoan-kevitra faharoa, raha mampihatra ny anaram-boninahitra hoe “andriamanitra” amin’ny mpitsara olombelona tsinontsinona ny Soratra masina (Salamo 82:1-7), moa ve tsy ara-dalàna raha antsoina hoe “Andriamanitra Mahery” (El Gibbôr amin’ny teny hebreo) ny Zanak’Andriamanitra mihitsy? Mariho anefa fa tsy mitondra mihitsy ny anaram-boninahitra hoe “Andriamanitra Tsitoha” (’El Shadday) izy, satria io tsy manondro afa-tsy Jehovah. Ny amin’ireo fanaporofoan-kevitra roa ireo, dia manaiky toy izao ny The Catholic Encyclopedia: “Na dia tao aza ny fahambonian’ireo anaram-boninahitra ireo, dia tsy nanatsoaka hevitra avy tamin’izany ny Jiosy fa hoe ho ny tenan’Andriamanitra mihitsy ilay Mpamonjy ho avy.” Fa raha ny amintsika, dia tsy mahazo lalana mihoatra noho izy ireny isika mba hanao fanatsoahan-kevitra toy izany. Raha namintina izay lazaina fa ‘porofon’ny’ Trinite nalaina avy ao amin’ny Testameta Taloha ny Cyclopœdia nosoratan’i M’Clintock sy Strong, boky protestanta, dia namarana ny teniny toy izao: “Miharihary fa tsy misy na dia iray aza amin’ireo andinin-teny ao amin’ny Test[amenta] Taloha noraisina hanohanana ny Trinite ka manamarina (...). Tsy manome antsika fanambarana mazava na voamarika ny amin’io raharaha io ny Test[amenta] Taloha.”
Ary ny “Testamenta Vaovao”?
Efa hitantsika fa ireo teolojiana dia tsy maintsy ho nindrana hevitra avy amin’ny filozofia grika ‘hanorenana’ ny fampianarana izay milazalaza amintsika ny amin’ny Andriamanitra iray misy persona telo mitovy fototra. Ny boky soisa iray mitondra ny anarana hoe Voambolana araka ny Baiboly dia tonga hatramin’ny fanambarana hoe: “Tsy misy mihitsy zavatra voasoratra ao amin’ny testamenta vaovao milaza mazava ny maha-trinite an’Andriamanitra.” Miaiky toy izao koa ny New International Dictionary of New Testament Theology: “Ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia tsy voambara amin’ny endriny raikitra ao amin’ny T[estamenta] V[aovao].” Koa satria toy izany no izy, ireo mpanohana an’io fampianarana io dia voatery nidina ho amin’ny fanaporofoan-kevitra namboarina mba hilazana fa manohana ny trinite ny andininy sasany ao amin’ny Soratra grika kristiana. Aoka hodinihintsika ny sasany amin’ireny andinin-teny ireny.
Azo atao ny mizara azy ho sokajiny roa: 1) Ireo mampifanakaiky an’Andriamanitra sy ny Zanany ary ny fanahy masina, ary 2) ireo izay tsy manonona afa-tsy anankiroa amin’ireo telo ireo.
Hita ao amin’ny antokony voalohany ireo andinin-teny heverina ho mirakitra fitenenana ny amin’ny telo izay iray. Izany dia ny Matio 28:19 (Ray, Zanaka, fanahy masina), I Korintiana 12:4-6 (fanahy, Tompo, Andriamanitra), II Korintiana 13:14 ([13 amin’ny fandikan-teny sasany) Jesosy Kristy, Andriamanitra, fanahy masina], Galatiana 4:4-6 (Andriamanitra, Zanaka, fanahin’ny Zanaka), Efesiana 4:4-6 (fanahy, Tompo, Andriamanitra) sy I Petera 1:2 (Andriamanitra, fanahy, Jesosy Kristy).
Moa ve ny firesahana fotsiny an’Andriamanitra sy ny Zanany ary ny fanahy masina miaraka manaporofo fa anisan’ny andriamanitra iray ihany izy ireo ka tena mitovy sy samy nisy hatrizay hatrizay araka ny tian’ny fampianarana ny amin’ny Trinite holazaina? Raha izany no izy, dia ho azo atao koa ny hilaza fa ny Fisiana Andriamanitra dia voaforon’Andriamanitra sy Kristy ary ireo anjely (jereo Marka 13:32; I Timoty 5:21). Afa-tsy izany koa, ny Cycloœdia nataon’i M’Clintock sy Strong dia miaiky toy izao manaraka izao ny amin’ny fitenenana amin’ny batisa ao amin’ny Matio 28:19, izay misy mampiasa mba hiarovana ny Trinite: “Ny fampiarahana ireo zavatra telo ireo akory tsy manaporofo na ny maha-izy-azy na ny fitoviany.” Sahala amin’ny andinin-teny hafa rehetra mirakitra fitenenana lazaina fa manohana ny trinite, io andininy io dia tsy mampiseho velively ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Ao amin’ny Theological Dictionary of the New Testament, dia manambara amim-pahatsorana toy izao i Gerhard Kittel: “Raha ny marina, ny T[estamenta] V[aovao] dia tsy mampahatsiahy na oviana na oviana ny hevitra ny amin’ny trinite. Tsy hahita azy io mihitsy isika ao amin’ny fitenenana milaza zavatra telo ao amin’ny T.V.”
Andriamanitra iray “misy persona roa” ve?
Ny sokajiny faharoa amin’ireo andinin-teny ampiasain’ny mpanohana ny Trinite ho fanohanana ny fampianarany dia ho porofo, fara fahabetsany, raha raisina amin’izany heviny izany, fa misy andriamanitra roa sosona. Nahoana? Satria izany tsy miresaka akory ny amin’ny fanahy masina. Amin’izany, ny hany azo tsoahina avy amin’izany dia hoe iray ihany Andriamanitra sy Kristy. Nefa, raha jerena amin’ny saina tsy miangatra izany dia hita fa tsy manohana na dia kely akory aza ny hevitra ny amin’ny Andriamanitra iray misy persona telo mitovy fototra ireo andinin-teny ireo. Ho ohatra, dia aoka hofakafakaintsika ny roa amin’ireo andinin-teny tononina matetika indrindra ny amin’izany ao amin’ireo boky momba ny teolojia.
Na dia mety hahagaga tokoa azy izany, ireo teolojiana dia toa tsy manisa ny andininy voalohany amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona ho anisan’ireo porofo mafy orina indrindra ny amin’ny Trinite. Voalohany indrindra, dia diso fanantenana izy ireny satria, raha raisina ny fitenenan’ny Diksioneran’ny teolojia katolika, “dia tsy voatonona ao amin’io fanombohan-teny io ny Fanahy Masina [Jaona 1:1-18]”. Tokony hianina amin’ny “Trinite misy persona roa” izy ireo, ka tsy hisy heviny izany. Ambonin’izany, raha mahatonga ny mpamaky hihevitra ny Teny ho tena Andriamanitra mihitsy ny nandikan’ny mpanohana ny trinite an’io andinin-teny io (“ny Teny dia Andriamanitra”), dia voailika io filazana ny heviny io satria milaza mazava io andininy Jn 1:1 io ihany fa “niaraka tamin’Andriamanitra ny Teny”. Ary anefa io teny mpampikambana [“niaraka”, “nankamin’ny”, raha ara-bakiteny] io dia milaza fifandraisana, ka noho izany dia olona miavakaa”. Koa dodona ny hilaza mazava ny profesora B. Westcott fa ny fehezanteny nadika hoe “ny Teny dia Andriamanitra” dia milazalaza ny toe-tenan’ny Teny fa tsy ny maha-izy azy”. Marina tokoa izany. Io tsy fitoviana kely io anefa izay miharihary tsara ao amin’ny teny grika tany am-boalohany, dia tsy hita tanteraka ao amin’ny ankamaroan’ny fandikan-teny. Nisy anefa mpandinika Baiboly sasany tsy nandevozin’ny fampianarana ny amin’ny trinite loatra, nandika toy izao: “Fisiana araka an’Andriamanitra ny Teny”, na: “Nanana fototra araka an’Andriamanitra ny Teny.” Izao no nosoratan’i Philip Harner tao amin’ny Journal of Biblical Literature (boky faha-92, 1973): Ho azo atao ny mandika toy izao an’io fehezanteny io: ‘Nitovy karazana tamin’Andriamanitra ny Teny.’” Amin’izany, ny Jaona 1:1 dia tsy manaporofo ny fisian’ny Andriamanitra iray misy persona roa, indrindra ka hoe telo izay iray.
Raha inona anefa ny voalazan’ny boky iray mitondra ny anarana hoe A Catholic Dictionary, dia ao amin’ny Romana 9:5 ireo mpanohana ny trinite no mahita “ny filazana mazava indrindra ny maha-Andriamanitra an’i Kristy hita ao amin’ny Masindahy Paoly, ary na dia ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] manontolo aza”. Ny tapany amin’io andininy io dia miseho toy izao manaraka izao ao amin’ny Votre Bible (fandikan-teny katolika iray): “Ny Kristy, izay ambonin’ny rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena!” Manamarika anefa ny New International Dictionary of New Testament Theology fa na dia tokony hotanana aza io dikany araka ny mpanohana ny trinite io, dia “tsy hanao an’i Kristy ho mitovy tanteraka amin’Andriamanitra. Izany dia hampiseho azy fotsiny ho fisiana mitovy karazana amin’Andriamanitra, satria hita ao tsy misy mpanondro anarana ny teny hoe théos [Andriamanitra]. Na aiza na aiza amin’ny toeran-kafa anefa, i Paoly dia tsy nanandratra an’i Kristy toy izany, ka mahatonga antsika hieritreritra izany fa ‘doxologie’ io [na fiderana] natao ho an’Andriamanitra”. Hatramin’ny Catholic Dictionary koa aza dia miaiky toy izao: “Tsy manana mihitsy antony ara-pitsipi-pitenenana na araka ny teny manodidina isika izay misakana tsy handika toy izao: ‘Andriamanitra, izay ambonin’ny rehetra, isaorana mandrakizay anie. Amena!’” Miankina amin’izany “ny filazana mazava indrindra ny maha-Andriamanitra an’i Kristy”! — Jereo Romana 9:5 ao amin’ny Le Livre, fanontana Farel; Bible du Centenaire; Oltramare, ary koa ireo fanamarihana ambany pejy miaraka amin’ireo andininy ireo ao amin’ny Bible en français courant; Decopet; Segond nahitsy; Synodale. Raha ny amin’ny fandikan-teny katolika, dia jereo ny New American Bible.
Andriamanitra tokana sa andriamanitra telo sosona?
Ireo mpiaro ny Trinite dia mampiasa koa andinin-teny hafa ao amin’ny Soratra masina amin’ny fanantenana ny hanamafy izay heverin’izy ireo ho “foto-pampianaran’ny fivavahana kristiana”. Rehefa avy nandinika maromaro tamin’izany ny profesora Johannes Schneider dia namarana toy izao ny lahatsorany hoe “Andriamanitra” ao amin’ny New International Dictionary of New Testament Theology: “Izay voalaza eo aloha dia mampiseho miharihary fa ny kristianisma tany am-boalohany dia tsy nilazalaza fampianarana ny amin’ny Trinite sahala amin’ny noforonina miharihary tao amin’ireo fanekem-pinoan’ny Eglizy taty aoriana.”
Andriamanitra tokana àry ve sa andriamanitra telo sosona? Tsy nisy nisalasalana ny valiny ho an’ ireo kristiana voalohany. Nanambara mazava dia mazava ny amin’izany toy izao ny apostoly Paoly:
“Fantatsika fa tsinontsinona akory ny sampy amin’izao tontolo izao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany. Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); Nefa amintsika kosa dia andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.” — I Korintiana 8:4-6.
Marina fa ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “Ray” sy ny “Zanaka” ary “ny fanahy masina”. Nefa tsy manao azy ho telo izay iray akory izy. Araka ny Soratra masina, iza àry no ‘Andriamanitra iray sady Rain’ny rehetra’? Iza no ‘Tompo iray’? Inona no ‘fanahy iray’? Izany dia samy fanontaniana hiezahanay hovaliana ao amin’ny nomerao manaraka. — Efesiana 4:4-6.
[Fanamarihana ambany pejy]
a The Expositor’s Greek Testament, natontan’i W. Robertson Nicoll, fanontana fanindroany tamin’ny 1967, boky I, pejy faha-684.
[Sary, pejy 28]
Nandidy ireo mpianany Jesosy ‘hanao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina’. Te-hilaza ve izy fa voaforon’ny persona telo Andriamanitra?