Hifikitra hatrany amin’ny fahamarinana ve ianao?
IZANY ve no fahamarinana? Raha nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia izany no fanontaniana lehibe indrindra tokony hovalianao mba hiaikena tanteraka. Manaraka izany, raha heverinao fa fahamarinana izany, dia manontania tena raha hifikitra hatrany amin’izany ianao. Efa nipetraka tamin’ireo niara-belona tamin’i Jesosy Kristy sy ireo apostoliny ny fanontaniana toy izany.
Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona rehefa nitory ny amin’i Jesosy ireo apostoly? Ny Fanjakan’i Kristy, ireo fahagagana nataony, ny sorom-panavotany, ny nananganana azy tamin’ny maty, ny fiainana mandrakizay, izany rehetra izany dia fantatra ho marina, ary maro be no nanaiky izay ren’izy ireo, ka nihevitra izany ho fahamarinana. Tsy izany anefa no hita tamin’ny ankamaroan’olona. Marina tokoa fa hatraiza hatraiza dia ‘nisy niteny nanohitra’ ny fandaminana kristiana tamin’izany fotoana izany (Asan’ny apostoly 28:22). Noho izany, ireo izay nanaiky ny fahamarinana notorin’i Jesosy dia tsy nitovy hevitra tamin’ny vahoaka ka tojo fanoherana foana. Ireo olona nankafy ny hafatra momba an’i Kristy àry dia tokony hiaiky fa fahamarinana ireo fampianarana kristiana: Tamin’izany ihany no nahafahany nandray toerana hentitra.
Rehefa tonga tany Antiokia, any Azia Minora Paoly sy Barnabasy, dia olona maro no nihaino ny hafatra nentin’izy ireo tamim-pahalianana lalina. Izao no ambaran’ny fitantaran’ny Baiboly: “Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin’ny Sabata manaraka. Ary nony tamin’ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra hihaino ny tenin’Andriamanitra.” (Asan’ny apostoly 13:42, 44). Nihamatimaty anefa izany fahalianana voalohany nasehon’ny olona maro be izany rehefa nisy nisafoaka nanohitra ireo apostoly.
Mitantara toy izao ny Asa 13:45 andininy faha-45 amin’ny toko faha-13 amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly: “Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’i Paoly sady niteny ratsy.” Manohy toy izao ny Asa 13:50 andininy faha-50: “Fa ny Jiosy nampitaitra ny Vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin’i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ny taniny.” Tokony hanapa-kevitra ireo olona tsara fikasa na hanohy hihaino ny mpianatr’i Jesosy izy ireo na dia ao aza ny fanoherana, na tsia. Tokony hanaiky izay reny izy ireo, noho ny fiaikena fa izany no fahamarinana, na hanampin-tsofina amin’izany.
Ny fanoherana amin’izao andro izao
Toy ny nanoheran’ny sasany ny kristiana tamin’ny taonjato I, dia toy izany koa fa misy mpanohitra ankehitriny manandrana manampina ny sofin’ny olona liana ny fahamarinana araka ny Baiboly ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Matetika no misy namana, havana sy filoha ara-pivavahana miezaka mafy misakana ny olona tsara fikasa tsy hianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelona. Tsy manome porofo notsoahina avy ao amin’ny Soratra Masina mihitsy ireo mpanohitra fa manohitra ireo fampianaran’ny Vavolombelona sy miampanga azy ireny amin’ny fomba diso.
Inona no tokony hataon’ireo olona mankafy ny Baiboly? Tokony havelany ve ny resaka ataon’ireo mpanohitra hanakatona ny sainy sy ny sofiny, toy ny nataon’ny sasany tany Antiokia? Sa kosa tokony hampiaiky ny tenany, avy amin’ny Baiboly, izy, fa izay ianarany no fahamarinana na tsia?
Noderaina ireo mponina tao amin’ny tanànan’i Beria nandray ny kristianisma noho izy ireo nandinika ny Soratra Masina mba hahazoana antoka raha fahamarinana tokoa izay nolazain’ny apostoly Paoly tamin’izy ireo. Rehefa avy nahatsapa izy ireo fa izany tokoa no izy, dia niandany mafy tamin’ny fahamarinana izy. Izao no vakintsika: “Ary ny toe-panahin’ireo [ny Beriana] dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia.” — Asan’ny apostoly 17:10, 11.
Tsy navelan’ny Beriana hanakatona ny sainy tamin’ny vaovao tsara ny fanambaran’ireo mpanohitra. Nodinihiny isan’andro kosa ny Soratra Masina mba hanamarinana fa tsy diso ny zavatra reny. Nahita harena sarobidy izy ireo, ka tsy hamela ireo mpanohitra hanodinkodina izany. Tsy ho fahendrena ve ny hanarahana ny fihetsik’izy ireo eo anoloan’ny vaovao tsara sahala amin’izany ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?
Nahoana no manohitra ny sasany
Indraindray ny mpanohitra dia havana tsara fikasa tianao sy hajainao, hany ka manana antony tsara tokony hinoana ianao fa miahy amim-pahatsorana ny hahasambatra anao izy ireny. Tokony hodinihinao anefa ny antony anoheran’izy ireny ny fianaranao ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Moa ve izy ireny manana porofo araka ny Baiboly mafy orina fa tsy fahamarinana akory ireo zavatra ianaranao? Na avy amin’izay reny nisy nitantara ve ny fanoherany? Diso ve ny nolazaina taminy ny amin’ireo fampianaran’ny Vavolombelona? Maro tamin’ireo izay nanohitra an’i Jesosy no nanao izany noho ny tsy fahalalana izay nampianarin’io sy noho ny finoany ny fiampangana lainga nataon’ireo mpanohitra azy.
Rehefa nahantona teo amin’ny hazo fijaliana Jesosy, “izay nandalo dia niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: “Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin’ny hazo fijaliana. Ary toy izany koa no fanesoan’ny lohan’ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena. Aoka Kristy, Mpanjakan’ny Isiraely, hidina hiala amin’ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika.” (Marka 15:29-32). Nahoana ny vahoaka no nanana izany fihetsika feno fankahalana izany?
Navelan’ny olona hanan-kery teo amin’ny fiheverany ny amin’i Jesosy ireo filoha ara-pivavahana; nankahala an’i Jesosy anefa ireo noho Jesosy nampiharihary fa mpampianatra sandoka izy ireo ka tsy nifanaraka tamin’ny fihamboan’izy ireo ho solontenan’ilay Andriamanitra marina ny nataon’izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo tamim-pahatsorana toy izao i Jesosy: “Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.’ ” — Matio 15:3, 7-9.
Nankahala aoka izany an’i Jesosy sy ireo fahamarinana nampianariny ireo filoha ara-pivavahana ka niray tetika hamono hahafaty azy ary nanao izay rehetra azon’izy ireo natao mba hanoheran’ny vahoaka azy. Amin’izao androntsika izao, dia filoha ara-pivavahana maro no manohitra mafy toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ary tsy misy hafa amin’ny nitranga tamin’ireo kristiana voalohany, dia misy ‘firesahana ho fanoherana’ ny Vavolombelona hatraiza hatraiza. Fahendrena anefa ve ny hanekena ho voataonan’izany fanoherana miely izany?
Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia manambara fahamarinana araka ny Baiboly momba ny Fanjakan’Andriamanitra sahala amin’ny notorin’i Jesosy sy ireo apostoliny. Maneran-tany, dia olona ana hetsiny maro no manaiky izany vaovao tsara izany na dia ao aza ny fanoherana mafy dia mafy avy amin’ny namana, ny havana sy ireo filoha ara-pivavahana. Ireo izay manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana dia niaiky fa marina izany ka tapa-kevitra izy ireny ny hifikitra amin’izany.
Nahoana àry no hitovy amin’ireo izay, tamin’ny taonjato I dia namela ny hafa hampiala azy amin’ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly mamelombelona fantany noho ireo mpianatr’i Jesosy Kristy tsy tiam-bahoaka? Manohiza kosa miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelona; amin’ny fampiasana ny Tenin’Andriamanitra voasoratra, dia aoka ianao hino mafy fa izay ianaranao dia tena marina tokoa (Jaona 8:32). Ary noho ny fanampian’i Jehovah, dia mifikira hatrany amin’ny fahamarinana.