Manao ahoana no fihetsitsika eo anoloan’ireo fahavalon’ny fahamarinana?
“Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.”—Asa 20:30.
1, 2. a) Inona no mety hilantsika ireo zava-niseho taloha voatantaran’ny Baiboly? b) Lafiny inona amin’ny tantaran’ny Isiraely sy ny kongregasiona voalohany moa no manintona ny saintsika, ary nahoana?
TAO amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny kongregasiona tany Korinto, ny apostoly Paoly dia nilaza tamin’ireo rahalahiny kristiana fa ny zavatra voasoratra taloha dia tokony hampiasaina ho ohatra sy fampitandremana. Tamin’ny fanaovana toy izany no nanononany fotopoto-pitsipika lehibe tokoa izay mbola voamarina amin’izao andro izao. Zava-niseho maro nitranga taloha ela tokoa no mety hanana sy tena hahita ny mifanitsy aminy amin’ny andro ankehitriny. Noho izany antony izany, dia mahasoa antsika izy ireny ary mety hanampy antsika hitondra tsara ny fiainantsika.—I Korintiana 10:11; Romana 15:4.
2 Hahasoa antsika ny handinihana sasany amin’ireny zava-niseho taloha ireny izay sady an’ny tantaran’ny Isiraely no an’ny kongregasiona kristiana voalohany. Hahaliana antsika indrindra ireo zava-nitranga mahakasika ireo izay nanohitra ny asan’Andriamanitra sy ny vokatry ny nataony teo amin’ireo mpanompony taloha. Izany dia hanampy antsika, dia isika izay mpanompon’I Jehovah koa, ho mora hahatsapa ireo zava-miseho sahala amin’izany mitranga ankehitriny ka hahatonga antsika hahatsiaro kokoa ny andraikitsika amin’io lafiny io.—II Timoty 3:16, 17.
3. Inona no nataon’i Jehovah mba hampiomanana sy hampaherezana an’i Jeremia?
3 Tokony ho efapolo taona talohan’ny nianjeran’i Jerosalema izay nitranga tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia nanendry an’i Jeremia mpanompony nahatoky Jehovah mba hampiharihary ampahibemaso ny tsy rariny antao teo amin’ny Joda. Noho ireny tsy rariny ireny no nahatonga ny Jodiana hiharan’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ka tamin’ny farany dia nentina ho babo tany Babylona izy. Nampiomana an’i Jeremia i Jehovah fa hisy hanohitra azy; izao no nambarany: “Fa hiady aminao ireny [ny mpanohitra], nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.” (Jeremia 1:19). Nitondra fampaherezana be dia be ho azy izany fanomezan-toky izany, nanatanjaka azy sy nahatonga azy ho afaka hanatontosa tanteraka ny asa nankinin’Andriamanitra taminy.
4. a) Inona moa no sasantsasany tamin’ireo fisehoan’ny fankahalana tsy maintsy niaretan’i Jeremia? b) Mampahafantatra inona antsika moa ny teny voasoratra ao amin’ny Hebreo 11:32-38 raha ny amin’ireo izay nanohitra ny mpanompon’Andriamanitra?
4 Ny anankiray tamin’ireo fahavalon’i Jeremia dia nantsoina hoe Pasora. Izy io dia zanakalahin’ny mpisorona iray tany Joda sady mpiandraikitra ny tranon’i Jehovah. Araka ny fitantaran’ny Baiboly voasoratra ao amin’ny Jeremia toko faha-20, Pasora dia namely an’i Jeremia sy namatotra azy tamin’ny boloky hazo. Nanafaka an’ilay mpaminaniny Jehovah, nefa tsy nitsahatra ny fanoherana na dia izany aza. Ny mpaminany iray avy tany Gibeona natao hoe Hanania dia nitsangana hanohitra an’i Jeremia ka niampanga azy ho mpaminany sandoka, mpaminany nahita loza. Raha ny marina, raha ninoana ny tenin’i Hanania, tsy ho ela ny ziogan’i Babylona dia hotapahina ka haorina indray Joda (Jeremia toko faha-28). Na dia Joiakima, anankiray tamin’ireo mpanjakan’ny Joda, aza dia nanohitra ny tenin’i Jeremia ka niady taminy tamin’ny fandorana ireo horonam-bokiny ara-paminaniana mihitsy aza (Jeremia toko faha-36). Nisy hafa koa nitaky ny hamonoana an’i Jeremia ho faty ka nandatsaka azy tao amin’ny lava-drano feno fotaka mba hahafatesany tao (Jeremia toko faha-38). Ary izany dia fitsapana nahazo ny anankiray monja tamin’ireo mpaminany hebreo maro izay niteny tamim-pahatokiana tamin’ny anaran’i Jehovah ka niharam-panafihana sy fanendrikendrehana avy amin’ireo izay nanohitra ireo hafatra fitsaran’Andriamanitra.—Jereo Hebreo 11:32-38.
‘Avelao izy hanao izay ataony’
5. a) Tojo fanoherana inona moa Jesosy? b) Tamin’ny raharaha tsy dia nanao ahoana inona moa no nitadiavan’ireo fahavalony izay hiadiana taminy?
5 Mafy toy izany koa ny fanoherana ny fahamarinana fony teto an-tany Jesosy Kristy Tompontsika tamin’ny taonjato voalohany. Ireo fahavalony, iray firenena taminy ihany, dia nitady hanakantsakana ny soa nataony. Nefa tsy nisy hafa tamin’ny nombany an’i Jeremia, dia nomba an’i Jesosy koa i Jehovah mba hanafaka azy tamin’ny fahavalony (Lioka 4:14-30; 11:53, 54; Jaona 7:1). Ireo izay nanao an’i Jesosy ho fihomehezana dia matetika no nampiharihary raharaha tsy dia nanao ahoana. Araka izany, dia nolazalazainy fa Jesosy dia fatra-pitia hanina sy fisotro, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota (Matio 11:19). Niampanga an’ireo mpianany ho mandika ny sabata izy, satria tamin’io andro io izy dia nioty salohim-bary hohanina (Marka 2:23-28). Naneso an’ireo mpianatr’i Jesosy izy ireo satria ireo ‘tsy nanasa tànana raha hihinan-kanina’.—Matio 15:1, 2.
6. Lasa hatraiza moa ireo fahavalon’i Jesosy?
6 Nefa avy tamin’izany zavatra tsinontsinona izany, ireny mpanohitra ireny dia nanjary nanda ny anjara noraisin’ny fanahy masin’Andriamanitra tamin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy. Rehefa avy nanasitrana demoniaka iray sady jamba no moana i Jesosy, dia nihiaka toy izao ireo fahavalony: “Tsy misy amoahan’Ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ny demonia.” (Matio 12:22-28). Nampangainy ho nikomy tamin’i Kaisara koa izy (Lioka 23:1, 2) ka tamin’ny farany dia nitaky ny hamonoana azy ho faty izy ireo.—Lioka 23:13-25.
7. Ahoana no nataon’i Jesosy teo anoloan’ireo fahavalon’ny fahamarinana?
7 Nanao ahoana anefa ny fihetsik’i Jesosy teo anoloan’ireo fahavalony? Raha niteny tamin’ireo apostoliny izy, dia nanambara hoe: “Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.” (Matio 15:14). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanome izao torohevitra feno fahendrena izao i Jesosy: ‘Avelao izy hanao izay ataony.’ Amin’ny fotoana mety, dia ho afa-tsarona izy ireo.
Fanoherana avy ao anatiny
8, 9. a) Amin’ny ahoana moa ny fanoherana tsy maintsy nihatra tamin’ny kongregasiona kristiana no ho sahala amin’ny nihatra tamin’i Jeremia sy Jesosy? b) Asehoy ny fahamarinan’izany tamin’ny fiadian-kevitra momba ny famorana.
8 taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ireo mpianany tojo fanoherana be dia be koa. Aoka homarihintsika anefa fa sahala amin’ireo mpanohitra an’i Jeremia sy Jesosy nipoitra avy teo anivon’ny firenena jiosy mihitsy, dia toy izany koa fa taorian’ny fanorenana ny kongregasiona kristiana, ny fanoherana dia avy ao anatiny koa (Asa. 20:29, 30). Ary na dia efa voalaza mialoha aza izany fanoherana izany dia fitsapana mafy ho an’ireo izay nandeha tao anatin’ny tsy fivadihana. Na dia izany aza, tamin’io indray koa, dia teo anilan’ireo mpanompony Jehovah mba hanafaka azy ireo, toy ny nataony tamin’i Jeremia sy Jesosy.—Jereo I Petera 5:8-11.
fahamarinana.’
9 Izany fanoherana avy ao anatiny izany dia antonontonony teo am-piandohana tamin’ny taonjato voalohany. Ny mpanohitra sasany dia nieritreritra angamba fa nanana antony tsara, nefa ny faniriany hitana ny toerana voalohany sy handresy dia nitarika azy ireny hiady tamin’ny fahamarinana sy tamin’ireo izay nanohana izany rehefa tsy noraisina ny heviny (I Timoty 1:19, 20). Tsara ny manamarika fa rehefa tonga antony nampisara-kevitra ny raharaha ny amin’ny famorana ka tsy maintsy natao tany Jerosalema ny fivoriana manokana mba handaminana ilay zava-nanahirana, dia izao no voalazan’ny hafatra nalefa tamin’izay ho an’ireo kongregasiona: “Satria efa renay fa ny sasany izay avy tany aminay efa nanao teny nampitabataba anareo ka namadika ny sainareo, kanefa tsy nasainay nanao izany izy.” (Asa. 15:24). Nahatonga fikorontanana ireny olona avy teo anivon’ny kongregasiona mihitsy ireny. Notoheriny ireo fampianarana sy foto-pinoana novelabelarin’ny kolejin’ny loholona nanana andraikitra mavesatra hampiely n fahazavan’ny fahamarinana.’
10. a) Tonony ny sasantsasany amin’ireo fampianarana manimba nampianarin’ireo fahavalon’ny fahamarinana. b) Inona no fananarana nomen’i Paoly ho an’i Timoty ny amin’ireo fahavalon’ny fahamarinana?
10 Araka izany, dia azo inoana tokoa fa ny sasany tamin’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona dia nilaza fa efa nanomboka sahady ny andron’i Jehovah (II Tesaloniana 2:1, 2). Nisy hafa koa nilaza fa tsy misy ny fitsanganan’ny maty (I Korintiana 15:12-14). Nisy nanohana koa fa efa nitranga ny fananganana amin’ny maty (II Timoty 2:16-18). Paoly dia nananatra an’i Timoty mba hanara-maso an’ireo izay anisan’ireny mpampianatra sandoka ireny ka niteraka fisaratsarahana sy nampiala ireo rahalahy tamin’ny fitambaram-pahamarinana kristiana naharihary tamin’ireo kongregasiona. Mariho ny teniny: “[Didio] ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa, na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’Andriamanitra amin’ny finoana, dia toy izany, kao no ataoko ankehitriny. Fa ny anton’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy, izay nivilian’ny sasany, ka nania ho amin’ny taria foana izy, dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.”—I Timoty 1:3-7.
11. Inona no azontsika tsoahina avy amin’ny fisaratsarahana nisy teo anivon’ny kongregasiona voalohany, ary nahoana no ilaina maika dia miaka ny hanatsoahana fianarana avy amin’izany amin’izao androntsika izao?
11 Inona àry no azontsika tsoahina avy amin’izany? Fa tamin’ny taonjato voalohany ny fiheverana sasany dia niteraka fisaratsarahana tao anatin’ny kongregasiona kristiana. Izany fanoherana izany dia avy tao anatiny, avy tamin’ireo izay nihambo ho anisan’ny kongregasionan’Andriamanitra. Inona no antony? Ao amin’ny Filipiana 1:15, dia manome antsika ny valiny amin’izao teny izao i Paoly: “Fialonana sy fifandirana aza no itorian’ny sasany an’i Kristy, ary fifaliana kosa ho an’ny sasany”. Araka ny fandikan-tsoratra ao amin’ny Teny velona, dia nanana antony ratsy nanosika ireny olona ireny. “Nialona” izy ireny, “natosiky ny fitsiriritana sy ny fitiavana fifaninanana ary ny ady hevitra an-tsoratra”. Tena ohatra sy fampitandremana ho antsika àry izay voasoratra fahiny, indrindra fa satria isika izao manatona ny faran’ny fandehan-javatra ratsy tapahin’ny Devoly.—II Timoty 3:1-7.
Ny kendren’ireo mpanohitra
12, 13. a) Manana ny mifanitsy aminy amin’ny andro ankehitriny ve ny fanoherana ny fahamarinana tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona moa amin’izao andro izao no zava-kendrena miafin’ny fahavalo?
12 Aoka hojerentsika izao ny androntsika. Moa ve ireo zava-niseho nolazalazaintsika hatreo manana ny mifanitsy aminy amin’ny andro ankehitriny? Izany tokoa, ny sasany amintsika dia nitady hanimba ny asa tsara notontosain’ireo mpanompon’i Jehovah maneran-tany. Ny sasany nanjary tia fifandirana, be fialonana, feno fanirian-daza mampiseho fitiavan-tena, matetika naniry ny hahazo laza. Indraindray izy ireny dia tonga irony “mpimonomonona sy mpimoimoy [mpimenomenona noho ny manjo azy eo amin’ny fiainana, MN], mandeha araka ny filany (...) ka mandoka olona mba hahazoany zavatra.” (Joda 16.) Ny ataon’izy ireny dia mety hamafy fisalasalana, fifandirana sy fisaratsarahana eo anivon’ny olon’i Jehovah. Ny fanakianana ataon’izy ireny dia mahatonga azy tsy hahita intsony ny asa tena lehibe nankinin’Andriamanitra tamin’ny kristiana, dia asa mahatonga azy ireo tsy “ho mpihaino fotsiny ihany” ny Teny, fa ho olona izay mampihatra izany ka manaraka ny baiko nomen’i Jehovah an’ireo mpianatra mahatokin’i Jesosy Kristy Zanany.—Jakoba 1:22-25; Matio 28:18-20.
13 Matoa mamely ny kongregasiona kristiana ireny mpanohitra ireny, dia mba hanimbana ny finoan’ireo mpanompon’i Jehovah, mba hitarihana ny sasany amin’izy ireny hanaraka azy, hanaovana azy ireny ho mpianatry ny tenany. Nampitandrina an’ireo loholona tany Efesosy ny amin’izany fanandramana manimba izany tamin’izao teny izao i Paoly: “Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.” (Asa. 20:30). Nanolotra fampitandremana sahala amin’izany i Joda rehefa nanoratra toy izao: “Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana sady mandà ny Andria-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika.” (Joda 4). Nitranga koa ny tarehin-javatra sahala amin’izany tao amin’ny kongregasionan’ny mpanompon’i Jehovah, tamin’izao taonjato faha-20 izao.
14, 15. a) Hafetsena inoan no ampiasain’ny fahavalo sasany amin’izao andro izao? b) Inona no hadinony matetika?
14 Ireo mpanohitra dia tsy mahita fahafinaretana amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa lehibe fanaovana mpianatra. Miteny amin-kafetsen-dratsy amin’ireo Vavolombelona mahatoky kosa izy ireny mba hanalefaka ny fanapahan-kevitra nataon’izy ireo hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fanolorany tena ho an’i Jehovah. Araka ny filazan’izy ireny, raha tena Andriamanitra fitiavana tokoa Jehovah, dia azo antoka fa tsy mangataka amin’izay rehetra maniry hahazo sitraka aminy izy mba handray anjara amin’ny asa sarotra toy ny fitoriana isan-trano ka hiharan’ny fankahalan’ireo fahavalon’ny fahamarinana. Tsia, hoy izy ireny, ny hany takiny amintsika, dia ny haha-olo-mahatoky antsika, ny hiheverantsika ny hafa eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ny hitiavantsika ny namantsika.
15 Amin’ny sasany, izany fiheverana izany dia toa sarotra lavina. Tia antsika tokoa Jehovah ary mazava ho azy fa tiany ho olo-mahatoky isika. Tsy isalasalana mihitsy fa tiany ny hampisehoan’ny kristiana fitiava-namana amin’ny fanehoana hatsaram-po sy amin’ny fanomezana izay ilain’ny mpiara-belona aminy amin’ny ara-nofo rehefa miharihary fa ilaina izany (Lioka 6:35, 36). Tsy izay ihany anefa. Matetika no hadinon’ireo mpanohitra fa Jehovah Raintsika dia nanambara koa, indrindra fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, fa tokony hanao mpianatra koa isika, hampianatra ny olona sy hitory ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” ho vavolombelona maneran-tany.—Matio 24:14, MN; Jaona 15:17-27.
16. Inona koa ny “teny tsy marina” hafa lazain’ireo mpanohitra amin’izao andro izao noho ny fanantenana hampaniasia ireo mpanompon’Andriamanitra?
16 Aoka isika hijery “teny tsy marina” hafa vitsivitsy koa izay lazaina amin’izao androntsika izao mba hampahatsiahivana an’ireo mpanompon’Andriamanitra. Nisy fotoana nandavan’ireo mpanohitra, fampianarana isan-karazany iombonan’ireo mpanompon’i Jehovah. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany dia matetika izany no mifarana amin’ny ady teny (I Timoty 6:3, 4). Etsy andaniny koa, izy ireny dia mihevitra fa tsy mila fandaminana iray mba hitarihana ny sainy. Araka ny filazan’izy ireo, ny fanahin’Andriamanitra dia ho afaka hitari-dalana ny olona tsy misy fandalovana amin’ny kolejy foibe voalamina iray. Araka ny heviny, dia ho ampy ny tsirairay avy ny mamaky ny Baiboly. Ny fivavahana lazaina fa kristiana anefa dia mamaky tokoa ny Baiboly hatramin’ny taonjato maro, ary anefa ny trompetrany dia mandefa feo tsy mazava. Izany dia tsy niteraka afa-tsy fisafotofotoana sy fahadisoan-kevitra ny amin’ny tena hafatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Toy inona moa ny fifanoheran’izany amin’ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina manjaka, araka ireo faminaniana, eo amin’ny tena kristiana izay tsy mianina famakiana ny Baiboly, fa mandalina sy mampihatra amin-jotom-po ireo fampianarany!—Efesiana 4:3-6.
Tsy afaka ny hahomby ireo fahavalo
17. Inona no tokony ho fihetsika hasehontsika amin’ireo fahavalon’ny fahamarinana?
17 Inona àry no fihetsika tokony harahintsika eo anoloan’ireny mpanohitra ireny izay mitady hanimba ny finoana azontsika tamin’ny alalan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fandaminana kristiana ampiasain’Andriamanitra? Ambonin’izany, Jesosy dia nanome izao torohevitra manaraka izao ny amin’ireny mpanohitra ireny: “Avelao izy; mpitarika jamba izy.” (Matio 15:14). Tsy hisy antony tokoa ny hifandirana, hilatsahana hiady hevitra na hamaliana an-tsoratra an’ireny mpanohitra ireny. Afa-tsy izany koa, dia tsy tena ho fihetsika kristiana izany. Rehefa dinihina tokoa dia tsy misy olona voatery ho Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Tombontsoa sy andraikitra nekentsika an-tsitrapo izany (Salamo 110:3). Raha toa ny sasany tsy maniry intsony ny ho anisan’ny fandaminana ankasitrahana sy voatahin’i Jehovah, dia anjaran’izy ireny ny manao ny fanapahan-keviny.
18. Ahoana no azontsika anarahana amin’izao andro izao ny torohevitr’i Paoly voasoratra ao amin’ny Romana 16:17, 18?
18 Tokony hiezaka isika mba hanana fihetsika kristiana eo anoloan’ireny mpanohitra ireny. Na ahoana na ahoana, dia misy fotopoto-pitsipika sasany ho tiantsika hoheverina. Paoly dia nanome izao torohevitra manaraka izao ho an’ireo kristiana tany Roma: “Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ireny olona ireny. Fa izy ireny tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina.” (Romana 16:17, 18). Tsy ho fahampiam-piheverana tsara ny hidirana hanao ady hevitra ampahibemaso amin’ireo izay manandrana miteraka fisaratsarahana. Aza manaiky ho voakorontan’ireny mpanohitra ireny. Tsy hanimba ny fahamarinana ny fitondrantenany ary tsy hahasakana an’i Jehovah tsy hanatanteraka izay voambara ao amin’ny Teniny.
19. Ao amin’ny Hebreo 6:4-8, ahoana no ilazalazan’i Paoly ireo izay miala amin’ny fahamarinana?
19 Hanovo fampaherezana lehibe isika amin’ireto tenin’Isaia mpaminany manaraka ireto: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra.” (Isaia 54:17). Ny amin’i Jana sy Jambra izay nanohitra an’i Mosesy, dia nilaza tamin’i Timoty i Paoly fa nanjary niharihary tamin’ny rehetra ny hadalany (II Timoty 3:8, 9). Araka izany àry, ireo izay miteraka fisaratsarahana sy mitady hamafy fikorontanana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra dia mitoetra ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra tokoa eo anatrehan’i Jehovah. Tsy misy na dia iray monja aza amin’izy ireny tokony hanamaivana ny fampitandreman’i Paoly voasoratra ao amin’ny Hebreo 6:4-8, izay amakiantsika fa “tsy azo havaozina indray” ireo izay minia manota amin’ny fanahy masin’Andriamanitra, amin’ny fitarihana azy ireny “ho amin’ny fibebahana”.
20. a) Nahoana isika no tsy tokony hanaiky na oviana na oviana hihozongozona noho ny tetik’ireo mpanohitra? b) Inona no tokony hataontsika mba tsy hisy na inona na inona “hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra”?
20 Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza mazava tokoa ny toerana tanantsika eo anoloan’ny fahavalo. Aoka hotsaroantsika foana fa tsy irery akory isika. Manana ny fanohanan’i Jehovah sy Kristy ary ny anjely masina rehetra isika (Matio 13:41, 42). Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nampanantena fa hiaraka amin’ireo mpianany isan’andro izy “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 28:20, MN.) Tsy tokony hihetsi-po loatra àry isika rehefa misy mpanohitra mitsangana hanohitra ny fahamarinana. Izany dia anisan’ny tetik’i Satana kendrena hanapahana ny fampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Nefa raha miseho ho mahatoky isika, amin’ny fahatongavana ho ohatra mampiseho fitiavam-pivavahana amin’ny teny sy ny atao, dia mahazo matoky fa ‘handresy amin’ny alalan’ilay tia antsika’. Aoka àry isika hiorina mafy hatrany, miaiky fa “na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”!—Romana 8:37-39.
Inona no fantatsika avy amin’ireto andinin-teny ao amin’ny Baiboly manaraka ireto momba ireo fahavalon’ny fahamarinana?
◻ Matio 15:14; Romana 16:17, 18
[Sary, pejy 25]
Aza avela hihamalefaka mihitsy ny fahatapahan-kevitrao hanambara ny marina.