FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/6 p. 26-29
  • Bahama araka ny fijerin’ny mpitory mpitety faritany iray azy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bahama araka ny fijerin’ny mpitory mpitety faritany iray azy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Ireo nosy Ivelany
  • Ny fomba fitaterana nampiasaiko
  • Ireo mponin’ny nosy
  • Hala vaventy, moka sy “saka nendasina”
  • Valisoa noho ny fandehanana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/6 p. 26-29

Bahama araka ny fijerin’ny mpitory mpitety faritany iray azy

NY FITAMBARA-NOSIN’I Bahama. Nisy fotoana izay, rehefa nandre ireo teny ireo aho, dia nanonofinofy hoe nitsotra teo ambony tora-pasika teo ambany hazo voaniho midoladola malefaka, na nilomano tao anaty rano manga mangalahala. Izany nofinofy izany dia tonga zavatra tena izy ho an’ireo olona an’arivony maro miainga isam-bolana haka rivotra any Bahama. Tsy misy mahagaga mihitsy amin’izany, satria mahafinaritra ny toetr’andro any amin’ireo nosy tropikaly ireo: ny ara-kevin’ny hafanana dia 21°C amin’ny ririnina, ary 29°C amin’ny lohataona.

Amin’izao andro izao anefa, Bahama dia mampahatsiahy ahy mihoatra lavitra noho ny fotoam-pialan-tsasatra lanina amin’ny fanafanan-tena eo amin’ny hainandro tropikaly. Tao amin’ireo nosy ireo tokoa aho no notendrena ho mpitory mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Avia hiaraka amiko dia hasehoko anareo Bahama.

Ireo nosy Ivelany

Eo amin’ny roapolo monja amin’ireo nosy sy nosikely 700 amin’ny fitambara-nosy no misy mponina, ary monina ao an-drenivohitra ny ankamaroan’ny Bahamiana, ao Nassau, ao amin’ny nosy New Providence. Fantatra ho seranana fitodian’ireo sambo mpitsikilo i Nassau ary misy hotely lehibe ho an’ny mpizaha tany ao. Angamba ianao efa nivahiny tao amin’ny anankiray amin’ireny hotely ireny; kanefa efa notsidihinao ve ireo nosy hafa?

Bahamiana maro no monina ao amin’ireo nosy Ivelany, antsoina koa hoe “Family Islands”. Ireo nosy ireo dia manodidina an’i Nassau hatrany amin’ny 500 kilaometatra ny elanelany. Raha azo atao ny manana ny zavatra mampiadana rehetra araka ny toetr’andro ao amin’ny sasany amin’izy ireny, toy ny any Nassau, ny hafa dia tsy ampy fitaovana toy izany akory. Ohatra, tsy manana herimbaratra na rano ny nosy sasany. Any amin’ny hafa, dia mbola hita ny olona mahandro sakafo amin’ny kitay hazo ao amin’ny lakoziany mitafo bozaka na mitoto voa amin’ny fitaovana ahodin-tanana.

Ny fomba fitaterana nampiasaiko

Avy ao Nassau, dia azo natao ny nankany amin’ireo nosy Ivelany rehetra tamin’ny sambo na ny fiaramanidina, nefa mety hanakantsakana ny halaviran-dalana ho an’ny olona manao raharaha toy ny ahy. Araka ny fomba sahala amin’ny narahin’ireo kristiana tamin’ny taonjato I, ny mpitory mpitety faritany, na mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia mitsidika kongregasiona sy antokon’olom-bitsy Vavolombelon’i Jehovah mba hanatanjaka sy hampahery azy ireny ara-panahy. — Asan’ny apostoly 15:36; 16:4, 5.

Tsaroako ny antokon’olona iray tsy nisy afa-tsy Vavolombelona telo nokasaiko hotsidihina tao amin’ny anankiray amin’ireo nosy Ivelany. Tsy nahita mpiandraikitra ny fizaran-tany hatramin’ny telo taona mahery ireo Vavolombelona ireo. Nanoratra ho azy ireo aho tany Nassau mba hampiomana azy ny amin’ireo datin’ny fitsidihako. Rehefa nidina avy ao an-tsambo anefa aho, dia tsy nisy olona niandry ahy teo amin’ny fijanonan’ny sambo. Nanontany àry aho raha nisy afaka nanampy ahy hahita Vavolombelona. Natoro ahy ny vehivavy iray. Rehefa nilaza taminy aho fa mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia taitaitra aoka izany izy ka lasa nihazakazaka hampiomana ny hafa ny amin’ny fahatongavako. Navelany hiandry teo niaraka tamin’ny entako aho. Tsy naharay ny taratasiko ireo Vavolombelona ireo ka sady gaga no faly noho ny fitsidihako.

Niverina tany Nassau tamin’ny mpitatitra entana sy taratasy kely aho. Naharitra 30 ora mahery ny dia tao amin’ny ranomasina nisamboaravoara, kanefa nandalo haingana ny fotoana, raha ny amiko fara faharatsiny. Nanararaotra izany fotoana izany tokoa aho mba hanaovana fanambarana tamin’ireo mpandeha. Taty aoriana, dia nisy tantsambo iray nanomboka nianatra ny Baiboly, ary manatrika ireo fivoriana ao amin’ny anankiray amin’ireo kongregasiona any Nassau izy izao.

Fomba hafa iray koa fitsidihana ireo nosy Ivelany ny fiaramanidina. Any amin’ny nosy sasany anefa, dia fiaramanidina madinika ihany no afaka midina eo amin’ny lalana ety. Azo antoka ihany ireo fiaramanidina amin’ny ankapobeny, nefa miteraka fisetran-javatra mahatahotra indraindray. Indray andro, dia natahotra aoka izany aho rehefa nahita setroka nameno ny toerana fipetrahan’ny mpamily teo am-piaingan’ny fiaramanidina. Avy hatrany dia niverina nankeo amin’ny lalana io. Avy taiza io setroka io? Nisy biby mpikiky nanorina ny tranony tao amin’ny fantsona fanafanana sy fampidiran-drivotra, teo akaikin’ny maotera.

Ireo mponin’ny nosy

Tamin’ireo diako tao amin’ireo nosy Ivelany, dia nahita olona maro izay naniry hahazo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly aho. Ho an’ny sasany tamin’izy ireny anefa, dia tsy voavidiny ireny boky ireny, na dia nirary aza ny vidiny. Indray andro nafana indrindra, dia nitory tao amin’ny nosy nitokana iray ny dimy taminay. Tafahaona tamin’ny vehivavy iray naneho fahalianana tanteraka tamin’ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly aho. Tsy afaka nanome vola takalon’ilay boky izy, satria tsy nanana mihitsy, nefa nananany indrindra izay nilainay, tao anatin’ny vata fampangatsiahany: fisotro mangatsiatsiaka dimy vatakely. Natakalonay an’ireo fisotro ireo ilay boky, ka samy afa-po ny rehetra.

Tia amim-pahatsorana ny Baiboly ny Bahamiana, hany ka fifaliana ny nitondra ho azy ireny ny “vaovao tsara” momba ny Fanjakan’i Jehovah (Matio 24:14). Tsy mahalana, rehefa tonga eo anoloan’ny trano iray ny tena, no mahita ny mipetraka ao eo am-pamakiana Baiboly. Indray andro aho dia nahita vehivavy iray nangataka tamim-pireharehana ny zanany vavy kely telo taona hanao tsianjery teo anatrehako, araka ny filaharany, ny anaran’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly.

Tao anatin’izao taona faramparany izao, ireo mponina tao amin’ireo nosy Ivelany, dia nandray soa tamin’ny fandefasana “diapositives” araka ny foto-kevitra ao amin’ny Baiboly, nomanin’ny Fikambanana Watch Tower. Tao amin’ny nosy iray, dia tsy nisy efitrano azo nampiasaina mihitsy. Nanao fandaharana àry izahay mba handefasana ny “diapositives” teo ankalamanjana, teo amin’ny rindrina fotsy iray vao nolalorina, teo akaikin’ny trano fivarotana kely iray. Olona tokony ho enimpolo no tafangona, ny sasany nipetraka, ny hafa nitsangana.

Indray andro hafa koa, dia olona 120 no tafavory. Nahafinaritra azy ireo aoka izany ireo sary ka tsy nisy nitsangana rehefa nirehitra indray ny jiro. Tsaroako tamin’izay fa nitondra fitambarana “diapositives” hafa momba ny foto-kevitra araka ny Baiboly hafa aho. Novonoinay indray àry ny jiro, ary nalefako ny fitambaran-tsary faharoa mba hahafaly ny mpanatrika.

Misy zava-manahirana mitranga indraindray. Tao amin’ny nosy iray, dia nivory tao amin’ny efitrano fianarana tao amin’ilay vohitra ny antokon’olona mba hijery ireo “diapositives”. Rehefa narehitra ny fandefasan-tsary, dia may ny takamoa (ampoule). Tsy nanana solony aho, ary tsy nisy mihitsy tao amin’io nosy io. Tsy ilaina ny milaza fa diso fanantenana ny olona. Tamin’ny famahana haingana ny fandefasan-tsary anefa sy tamin’ny fanovana kely azy, dia azoko natao ny nanolo takamoa tsotra an’ilay an’ny fandefasan-tsary. Somary nalefaka io, nefa tsy nampaninona ireo mpanatrika, nankasitrahan’izy ireo tsara ny sary nalefa na dia izany aza.

Hala vaventy, moka sy “saka nendasina”

Rehefa mitsidika tsy tapaka ireo nosy Ivelany, dia ilaina ny somary mizatra amin’ny toe-piainan’ny tany mafana. Tsaroako ny voalohany nahitako hala vaventy. Nandady moramora teo amin’ny gorodon’ny efitrano nisy ahy ilay izy ary toa tahaka ny tanako ny habeny. Tsy nahahetsika noho ny tahotra aho. Faly aho fa tonga nanampy ahy ny tompon-trano. Novonoina tamim-pahakingana tamin’ny fitaovana maranitra ilay “fahavalo”. 82 taona io lehilahy io. Teo aloha, dia notoheriny mafy ny fiezahana nataon’ny vadiny mba hanompoana an’i Jehovah. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana sy niara-nianatra ny Baiboly taminy izy.

Noho ny toetr’andro mafana, dia mety hahasosotra ny moka. Maro aoka izany izy ireny indraindray ka mety hisy anankiray hiditra ao am-bavanao rehefa miteny ianao. Mazava ho azy fa zavaboary maro hafa no mahafinaritra ny mijery azy, toy ny vano mavokely tsara tarehy miaina eo anivon’ny natiora voaforon’ny zavamaniry any amin’ny tany mafana mandrombona sy ny hazo fihinam-boa.

Mahagaga aoka izany indraindray ny sakafo eo an-toerana. Tao amin’ny nosy iray, dia voamariko ny hazo iray tahaka ny foto-boasary feno voa be ranony. Nangataka tamin’ilay tompony aho raha afaka maka voasary iray na roa. Nilaza tamiko izy fa afaka maka aho, nefa nampiomana ahy ihany fa tsy voasary ireo fa maharikivy be. Nihevitra ny tenako ho nahay nahafantatra voasary aho. Nioty voankazo tsara tarehy tena lehibe iray àry aho ka nanaikitra izany. Fahatairana re izany! Nanao tarehy ratsy aho. Faran’izay naharikivy tahaka ny voasarimakirana ilay voankazo. Nihomehy ilay vehivavy, ary fantatro fa raha sahala amin’ny voasary ilay “voasary” mangidy, dia tsy mitovy velively ny tsirony.

Nihevitra aho fa efa zajatra ny fiainana any amin’ireo nosy talohan’ny hanaovana dia vao haingana. Nilasy tao amin’ny lehilahy maty vady be taona iray notsidihiko ny kongregasionany aho. Rehefa nifoha vao maraina aho, dia nasainy hiara-hisakafo taminy. Nitelin-drora aho ... mandra-pilazany ny anaran-tsakafo: “saka nendasina”! Rehefa niditra tao an-dakozia aho, vonona ny handa ny fanolorany, dia nahita azy namadika mofo tampontsatroka (crêpe). “Aiza ny ‘saka nendasina’?”, hoy aho nanontany azy. Notondroiny ny mofo tampontsatroka. Nisento nampiseho fahatsiarovana fanamaivanana aho, ary nikakakaka izahay mirahalahy. Ao amin’io nosy io, dia antsoina hoe saka nendasina ny mofo tampontsatroka (crêpe); noheveriny fa fantatro izany.

Valisoa noho ny fandehanana

Tena ilaina ny mpitory maro kokoa mba hanampy amin’ny fampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, satria nitokana aoka izany ny nosy sasany. Ary ambonin’ireo olona miteny anglisy ao Bahama, dia ilaina ny mitory amin’ireo vahiny haitiana miteny frantsay.

Zava-tsarotra mampihetsiketsika ny ho mpitory mpitety faritany any Bahama. Mitaky ny hifankazarana amin’ny fomba fiainan’ny mponin’ny nosy izany, nefa mitondra valisoa lehibe koa izany fiainana izany. Ny anankiray amin’izany dia ny fifalina tsy hay tombanana mahita olona manaiky ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Ny anankiray hafa dia ny tombontsoa lehibe afaka mamporisika ara-panahy ireo kongregasiona miely patrana sy ireo antokon’olona mitokana.

Izahay izay miaina eto Bahama dia finaritra amin’ny hakanton’ireo tora-pasika mavokely sy fotsy manjelajelatra sy ny harambato menamena ravahin’ny hazandrano marevaka. Ny mahafinaritra anay indrindra anefa dia ny asa atao eto sy maneran-tany. Noho izahay Vavolombelon’i Jehovah, dia hitanay tanteraka ny Salamo 97:1, izay manambara hoe: “Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; aoka ho ravoravo ny nosy maro!” — Nataon’i Anthony Reed.

[Teny notsongaina, pejy 27]

Natahotra aoka izany aho rehefa nahita setroka nameno ny toerana fipetrahan’ny mpamily teo am-piaingan’ny fiaramanidina.

[Teny notsongaina, pejy 28]

Tia amim-pahatsorana ny Baiboly ny Bahamiana, hany ka fifaliana ny nitondra ho azy ireny ny “vaovao tsara” momba ny Fanjakan’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 28]

Tsaroako ny voalohany nahitako hala vaventy. Nandady moramora teo amin’ny gorodon’ny efitrano nisy ahy ilay izy ary toa tahaka ny tanako ny habeny.

[Teny notsongaina, pejy 29]

Nanontany azy aho hoe: “Aiza ny ‘saka nendasina’?”

[Sarintany/Sary, pejy 26]

(Jereo ny gazety)

FLORIDA

BAHAMA

OSEANA ATLANTIKA

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara