‘Ny fitoriana ny Filazantsara’ amin’ny asa ara-tsosialy
KUO TUNG, bodista tanora iray avy any Hong Kong, dia nanaraka fianarana tany amin’ny oniversite. Hsiu Ying, renim-pianakaviana iray avy any Taïwan, dia nandray fitsaboana iray tena nilain’ny zanany lahy narary mafy. Inona moa no lafin-javatra iombonan’ireo toe-javatra roa toa tsy misy fifamatorana ireo?
Raha ny tena izy, dia tsy ho azon’i Kuo Tung natao ny nankany amin’ny oniversite. Nefa noho ilay Fiangonana nanana azy ho mpikambana dia nosokafana ireo varavarana ho azy. Toy izany koa, ireo fikarakarana sarotra ara-pitsaboana nilaina ho an’ny zanakalahin’i Hsiu Ying dia tsy nomena tao amin’ny faritaniny raha tsy tao amin’ny hopitaly an’ny Fiangonana iray. Eto indray koa, dia noho ny fifandraisany tamin’ny Fiangonany no nahavoalamina ireo zava-nanahirana io vehivavy io.
Izay nitranga tamin’i Kuo Tung sy Hsiu Ying dia tsy hoe tsy mahazatra akory. Ao amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, dia olona an’arivony maro no notarihina ho any amin’ny sekoly, hopitaly, toerana fitaizana kamboty ary fandaharana hafa karakarain’ireo Fiangonana. Amin’izany, dia nahazo be dia be izy ireo teo amin’ny lafiny ara-nofo. Ary, ho setrin’izany, ireo Fiangonana dia nampitombo ny isan’ireo mpiangona ao aminy.
Fanao iray tena tranainy
Marina aloha fa tsy vao izao no manana sekoly sy hopitaly ireo Fiangonana. Raha ny marina, raha vao nanomboka naniraka misionera tany amin’ny tany izay nolazain’ny sasany ho mpanompo sampy sy manohitra izy ireny, dia nahita tao amin’ireo sekoly sy hopitaly ny fomba mandaitra indrindra mba hanokafana faritany vaovao, sy hahazoana ny fitokisana sy ny fisakaizan’ny olona tompon-tany.
Ohatra, momba an’i India tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19, ny boky Taonjato sivy ambin’ny folo nanaovana asa misionera (1899, anglisy) dia mitantara hoe: “Ireo misionera dia mandany hery, tsy ao amin’ny asa fitoriana ny filazantsara fotsiny, fa koa, amin’ny fahombiazana miharihary, ao amin’ny asa fanabeazana, ara-pisaboana ary ao amin’ireo zenana.” Inona no vokatr’izany? “Ny misiona tsirairay dia manana ny sekoliny ho an’ny kilasimody, ny sekoly miana-draharaha ary ny toerany fitaizana kilasimandry, toerana iray fanaovana fianarana ambony na oniversite, ary saiky tsy maintsy seminera iray.
Raha nanazava ny anjara raisin’ny asa ara-pitsaboana ao amin’ny “raharaha misionera” ilay boky dia manohy toy izao: “Raisina amin-kafaliana foana hatrany ny mpitsabo, ary tsy hoe mitarika fitokisana amin’ny mpitsabo fotsiny ny fanamaivanana entina ho an’ny fijaliana ara-batana, fa matetika izany no miteraka ny finoana ao amin’ny antokom-pivavahana izay ampianarin’izy io. Ny fanasitranana iray matetika dia nitarika vohitra manontolo maro hiala amin’ny fanompoan-tsampy ary hanaiky fanabeazana kristiana.”
Izay marina tamin’i India dia nanjary toy izany koa tany amin’ny tany hafa any Atsinanana lavitra, any Amerika Atsimo ary tatsy Afrika. Niorina ny hevitra hitory ny Filazantsara amin’ny asa ara-tsosialy. Nisy misiona eoropeana sy amerikana katolika sy protestanta, naniraka misionera ho any amin’ireny faritra ireny ary, sady nanorim-ponenena izy no nanokatra ny sekoliny, ny hopitaliny ary fandaharana hafa. Ny ankabeazan’ireny asa ara-tsosialy ireny dia nanintona aoka izany ny tera-tany hany ka tsy ela dia nanjary tena anisan’ny asa misionera any ivelany tohanan’ireo Fiangonana ara-bola.
Rehefa nandeha ny fotoana, ireny fanorenana karakarain’ny Fiangonana ireny dia nanjary nitana toerana tena lehibe tao amin’ireo tanàna. Ny sekoliny sy ny oniversiteny mandrakariva no malaza indrindra ary tadiavina indrindra. Amin’ny ankapobeny dia ny hopitaliny no tsara fitaovana indrindra ary tena araka ny andro ankehitriny. Ary any amin’ny tany maro izay maha-sahirana aoka izany ireo fitondram-panjakana noho ny zava-manahirana ara-tsosialy mitambesatra, ireny fandaharana ireny dia raisina an-tanan-droa, rehefa tsy totofana voninahitra ihany koa.
Tsy misy iadian-kevitra fa ireo sampan-draharaha naorina tamin’ny alalan’ny fandaharana toy izany dia nitondra soa ho an’ireo izay nandray tombontsoa avy amin’izany. Ny sekoly sy ny oniversite karakarain’ny Fiangonana dia nanome tokoa ho an’ny mpianatra an’arivony maro fahalalana izay angamba tsy ho azony raha tsy izany. Ireo hopitaliny sy sampan-draharahany ara-pahasalamana dia nanamaivana olona maro tsy hita isa tany amin’ny faritra mitokana sy miadam-pandroso. Ny asa fanasoavana olombelona nataon’i Albert Schweitzer sy “Mamera” Teresa, ohatra, dia tsy takona afenina eo amin’izao tontolo izao manontolo ary samy nahazoan’izy mianadahy ireo ny loka Nobel momba ny fiadanana.
Etsy andanin’izany, dia ilaintsika ny manontany tena hoe: Nahatratra marina tokoa ny zava-kendreny ve ny fitokiana ny filazantsara ara-tsosialy? Nahatonga an’ireo izay nandray tombontsoa tamin’ny asa fiantrana ho kristiana marina ve izy io? Nitondra ho an’ny olona ny tena finoana sy fanantenana ve izany? Ary tokony hametraka amin’ny tenantsika ity fanontaniana mbola lehibe kokoa ity isika: Moa ve izy io no izay noheverin’i Jesosy rehefa naniraka ny mpianany izy mba ‘hitory ny filazantsara manerana izao tontolo izao’? — Matio 24:14, Crampon 1905.