Ny asa fanasoavana: ny vokany eo amin’ny olona
AVY tamin’ny mofo vary hordea dimy sy ny hazandrano madinika roa tamin’ny fitambarany sy ho an’ny rehetra, no namahanan’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba mahagaga, lehilahy sy vehivavy ary ankizy 5 000 mahery tany akaikin’ny Paska (martsa-aprily), tamin’ny taona 32 amin’ny fanisan-taona iraisana (Matio 14:14-21; Jaona 6:1-13). Noho ny fahatsapany fa nitana fahefana lehibe i Jesosy, dia nitady hanao azy ho mpanjaka ny vahoaka. Nieritreritra angamba izy fa hanafaka azy amin’ny zioga romana Kristy ary hanatsara ny anjarany. Nanao ahoana ny fandraisan’i Jesosy izany?
Tsy nanaiky ny fangatahan’ny vahoaka izy fa “niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra”. (Jaona 6:15.) Tsy niala mora foana toy izany anefa ny vahoaka. Niverina nitady azy izy ny ampitso. Fantatr’i Jesosy ny antony niafina nanosika ireny olona ireny, ka hoy izy taminy: “Mitady Ahy hianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.” Avy eo dia hoy ny teny nanampiny: “Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay.” — Jaona 6:25-27.
Inona no fianarana azo tsoahina avy amin’io fitantarana io? Ankoatra ny zavatra hafa, dia asehony mazava fa azo lazaina hoe mora ny manintona ny olona amin’ny fanomezana azy ireny tombontsoa ara-nofo. Hafa tanteraka noho izany kosa anefa no mitranga raha ny amin’ny fanairana ao amin’ny olona iray, fitiavana amim-pahatsorana ny zavatra ara-panahy, dia zavatra misy vidiny maharitra. Amin’izao andro izao, ny fironana hijery ny zavatra rehetra amin’ny maso mihevitra ny zavatra ara-nofo ranofotsiny dia mbola vao mainka tsapa ihany.
Ny fanintonana maherin’ny asa fanasoavana
Amin’ireo mponina any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, ireo firenena be fanaovan-taozavatra any Andrefana dia mampiseho ny soa ara-nofo rehetra sy ireo zavatra mora mety hirina, ary tsy mety ho azo any amin’ny tanin’ny tenany. Tsiriritina ny fitomboan-karena ananan’ireo Tandrefana, tahafina ny fomba fiainany. Saika ny tanora rehetra dia mandre filazana fa ny fianarana ambony no fanalahidin’ny fandrosoana, sy ny fahombiazana. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia tsy sarotra ny mahatakatra hoe nahoana ireo fandaharana ara-tsosialin’ny Fiangonana hafa firenena no nampihatra fanintonana nahery toy izany tao amin’ireny tany ireny. Inona anefa no vokany?
Tany Atsinanana, ohatra, ny fahadodonan’ny olona hanatanteraka an-jamba ny sitrapon’ireo Fiangonana mba ho mendrika hahazo fanomezana na fiantrana dia niteraka ny anarana fanarabiana hoe “kristian’ny vava”. Mazava ho azy fa ny tena mampalahelo, rehefa mitsahatra ny fanampiana na ny fanohanana, dia latsaka koa ny fahalianan’ny olona. “Kristian’ny vava” maro no tsy hita fotsiny izao. Araka izany, dia miely eo amin’ireo mponina any Canton ny oha-tenim-bahoaka iray azo adika sahalahala amin’izao: “Tia izao tontolo izao Andriamanitra, kanefa izao tontolo izao tia ny vovo-dronono.”
Na dia tsy mandamina fandaharam-panampiana intsony aza ny ankamaroan’ireo antokom-pivavahana, raha tsy rehefa mitranga angamba ny loza aman’antambo iray, izay notanterahina tamin’ny lasa dia namela soritra. Amin’ny Tatsinanana maro, ireo Fiangonana dia milaza asa fiantrana ary, raha mankany am-piangonana izy ireny, dia tsy hoe mba hanome fa mba handray. Tsy hitany ny ilàna hanao sorona na inona na inona ho fanohanana ny Fiangonana iray. Hita izany toe-tsaina izany, ohatra, amin’ny tsy fahazotoany hanome fandraisana anjara ho takalon’ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly; satria, ao an-tsain’izy ireny, ny zavatra avy amin’ny Fiangonana iray dia tokony ho maimaimpoana.
Ny lafiny mampiharihary indrindra fa ireo Fiangonana dia ampiasaina ho fomba hahatongavana amin’ireo zava-kendreny dia ny fampianarana. Any amin’ny tany maro eo an-dalam-pandrosoana, dia heverina fa ny fandraisana fianarana toy ny an’ny Tandrefana dia antoky ny fahombiazana. Tantaraina fa tamin’ny fotoana nahazoan’i India ny fahaleovan-tenany avy amin’i Grande-Bretagne, dia 85 isan-jaton’ireo mpikambana tao amin’ny Parlemantan’ny firenena indiana no nianatra tany amin’ireo “sekoly kristiana”. Araka ny foto-pisainana konfisianista any amin’ny Farany Atsinanana anefa, dia ny fahazoana fianarana mafy orina no anankiray amin’ireo zava-kendrena lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Mazava ho azy fa be dia be no mihevitra ireo sekolim-piangonana ho fomba hahazoana antoka ny amin’ny fisondrotan’izy ireny, satria amin’ny ankapobeny izy ireny dia manaraka fomba sy fitsipika tandrefana. Noho izany, amin’ny fanantenana ny hahatafiditra ireo zanany ao amin’ny anankiray amin’ireny sekoly karakarain’ny Fiangonana ireny, angamba ho any an-tany hafa any aoriana, dia ray aman-dreny tatsinanana maro be manaraka fivavahana nentim-paharazana mandrakariva no manatrika mihitsy ireo fotoam-pivavahana amim-pifaliana sy mandodona ireo zanany hanahaka azy ireny.
Inona no vokany?
Oharina amin’ireo fiangonan’ny fanjakana reny, dia matetika no tena feno ny an’ireo Misiona. Olona maro amin’izany no mifankazatra amin’ireo fampianaran’ny Fiangonana sy ny hevitra vitsivitsy ao amin’ny kristianisma. Kanefa moa ve izay ianaran’izy ireny manampy azy hahazo ny hevitry ny Baiboly sy ny hafatra entiny? Moa ve izany tena mahatonga azy ireny ho kristiana, izany hoe mpianatr’i Jesosy Kristy?
Raiso ho ohatra ny amin’i Kuo Tung, ilay zazalahy noresahina teo aloha. Rehefa nanontaniana izy raha nino an’Andriamanitra rehefa avy niaraka kelikely tamin’ny fiangonana iray, dia izao no navaliny: “Tsia; tsy nomena porofo mihitsy izahay fa hoe misy Andriamanitra.” Raha ny marina, dia niaiky izy fa tsy azony antoka ny hoe nisy tamin’ireo namany nino ny tenan’Andriamanitra, na dia niara-nanatrika ireo fotoam-pivavahana taminy aza izy ireny. Nankany izy ireny satria nanana fahafahana hianatra teny anglisy tany fotsiny, hoy izy.
Ny zazalahy hafa iray nianatra tany amin’ny oniversite amerikana iray, dia nody tany Japon mba haka fialan-tsasatra. Rehefa nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah iray, dia nanontaniany raha miteny anglisy ireo Vavolombelona amin’ireo fivoriany. Nahoana? “Mba hitanako ny fahaizako teny anglisy”, hoy ny fanazavany. Rehefa nilazana izy fa natao tamin’ny fitenin’ilay tany ireo fivoriana mba handraisan’ny rehetra soa amin’ny lafiny ara-panahy, dia nilaza ilay zazalahy fa ho any amin’ny toerana iray hanaovana ireo fivoriana amin’ny teny anglisy indroa isan-kerinandro izy.
Na dia ireo izay nanaraka Fiangonana iray sy natao batisa aza dia tsy nanova firy ny fiheverany. Maro amin’izy ireny no mbola mifikitra foana amin’ireo zavatra ninoany na fanao taloha, matetika no arahin’ny fankasitrahana, raha tsy ny tsodranon’ny Fiangonany aza. Any Shina, ohatra, ny katolika dia omen-dalana hampaharitra ny fivavahana amin’ireo razany, fa any an-toeran-kafa kosa dia melohina izany fitandremana izany. Ao amin’ireo trano “kristiana”, dia matetika no ahitana eo akaikin’ny fidirana, takela-metaly misy soratra mangataka fitahian’ny andriamanitry ny varavarana. Ary any Okinawa, ireo “kristiana” dia mampiseho ireo andriamanitry ny taniny amin’ny endriky ny biby eo amin’ireo zoron-tafontrano mba hiarovana ny fianakaviany.
Ahoana ny amin’ireo izay nandray soa tamin’ireo fandaharana ara-tsosialin’ny Fiangonana? Tsy mahalana no andrenesana azy ireny milaza, rehefa tafaorina ao amin’ny tsy fananany ahiahy vaovao ara-bola sy ara-nofo izy, fa ny fanafodin’ireo fahasahiranana ankehitriny dia ny fianteherana amin’ny tena. Ny vokany dia ny nanapahan’ny ankamaroan’izy ireny fatorana tanteraka tamin’ireo Fiangonana, na, raha tsara indrindra, ny nihatakatahany taminy tamim-panajana.
Ireo misioneran’ny Fiangonana dia nanana fahafahana tsara dia tsara maro hampianatra ny Baiboly ny olona. Tsy nampianariny anefa izy ireny hanaraka ny fananaran’i Jesosy hoe: “Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany [zavatra hafa rehetra izany, MN ]”, fa nomeny toerana aloha ny “zavatra hafa”. (Matio 6:33.) Ireo fandaharana ara-tsosialy dia nanampy be dia be ny olona teo amin’ny lafiny ara-batana, ara-pitsaboana sy tamin’ny fianarana; tamin’ny lafiny ara-nofo indrindra anefa ireny soa ireny. Koa satria tsy manokana fahatsinjovan-javatra ara-panahy ny fandaharana toy izany, dia matetika tokoa no tsy miafara afa-tsy amin’ny fanosehana hikatsaka tombontsoa ara-nofo betsaka kokoa.
Ireo Fiangonana dia nanana ho zava-kendrena ny hitory ny Filazantsara. Tao anatin’ny toe-javatra maro anefa, izy ireny dia nampisongadina fotsiny ny fomba fiaina Tandrefana fatra-pihevitra ny zavatra ara-nofo. Marina fa nanova olona be dia be ireo Fiangonana. Kanefa, araka ny efa hitantsika, dia maro amin’izy ireny no tonga fatra-pitia ny zavatra ara-nofo tsy misy toy izany. Tamin’ny androny, dia izao no nolazain’i Jesosy ny amin’ireo filoha ara-pivavahana: “Mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho hianareo aza.” (Matio 23:15). Araka izany fiheverana izany, ireo fiezahana nataon’ny fivavahana lazaina fa kristiana mba hitoriana ny Filazantsara tamin’ny alalan’ny asa ara-tsosialy dia nifotitra taminy. Tsy notanterahiny velively ny asa lehibe nanirahan’i Jesosy Kristy hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” — Matio 28:19, 20.