FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/1 p. 21-24
  • Aoka isika hidera an’i Jehovah amin’ny alalan’ny mozika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika hidera an’i Jehovah amin’ny alalan’ny mozika
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo vokatry ny mozika
  • Ny filantoan’ireo hira
  • Fanatsarana natao ao amin’ny soratra
  • Harena ara-panahy
  • Ahoana no Ahafahako Mihazona ny Mozika ho eo Amin’ny Toerany?
    Mifohaza!—1993
  • Mozika Mampifaly An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Ny fahafinaretana avy amin’ny mozika — Ahoana no hanandramana izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mihirà ho An’i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/1 p. 21-24

Aoka isika hidera an’i Jehovah amin’ny alalan’ny mozika

MARO ny fomba azon’ireo mpanompony iderana an’i Jehovah. Tsy isalasalana mihitsy fa ny ‘fihirana sy ny fankalazana Azy’ dia anankiray amin’ireo kanto indrindra, ary anisan’ireo mampifaly ny fony (Salamo 105:2). Azo natao ny nahatsapa fa, araka ny ambaran’ny mpanoratra iray, ny mozika dia anankiray amin’ireo “zavatra mampiavaka ny olombelona”.

Ny mozika koa dia nolazalazaina ho “io talenta tsy manam-paharoa ananan’ny olombelona io, talenta amoronana sady mampiala voly”. Ny biby, na dia izy na fiompy, dia tsy afaka mankamamy ny mozika. Marina fa mahay mihira tokoa ny vorona sasany, kanefa fahaizana tonga ho azy fotsiny no anaovany izany. Tsy mahay mozika izy, toy ny tsy fahazoan’ny boloky ny hevitry ny teny nianarany notononina. Kanefa, amin’ny alalan’ny mozika mahafinaritra, dia azontsika atao ny manohina ny fon’ny olon-kafa, toy ny ahafahantsika mifandray amin’izy ireny amin’ny alalan’ny teny.

Eny, fanomezana natolotry ny Mpamorona ho an’ny olombelona ny mozika, ary fanomezana toy inona moa izany! Nisy fikarohana natao vao haingana mampiseho fa na dia alohan’ny ahaterahany aza, dia asehon’ny zazakely ny karazana mozika tiany — malefaka sy mahafinaritra — sy izay tsy tiany — mafy sy mitabataba, toy ny “rock”. Afaka mampitombo talenta amin’ny mozika aza ny zaza any am-bohoka amin’ny fihainoana mozika mahafinaritra. Araka izany, dia mitondra fahafinaretana ho an’ny olombelona ny mozika, tsy eo am-pahaterahana ka mandra-pahafaty ihany, fa manomboka any am-bohoka ka mandra-pahafaty! Tombanana mandrakariva fa tsy tena ilaina amin’ny fahaveloman’ny olombelona ny mozika; ny nanomezan’ny Mpamorona ho an’ny olombelona, fahafahana hamorona mozika sy hahita fahafinaretana amin’ny fihainoana izany àry dia porofon’ny fahendreny sy ny fitiavany. Araka ny voalazan’ny “encyclopédie” iray, dia “tia mozika aoka izany ny Hebreo”. Manaitra ny saina tokoa ny mahatsapa fa aloha be teo amin’ny tantaran’olombelona, ny mozika dia noheverina ho anankiray amin’ireo asan’ny olombelona toy ny fambolena sy ny fanamboarana fiasana. — Genesisy 4:20-22.

Ireo vokatry ny mozika

Aoka tsy hohadinointsika anefa fa mety hampandroso antsika na hampietry antsika ny mozika. Ny mozika tsara dia fikambanan’ny feo mahafinaritra voamariky ny filantoana, ny firindrana sy fipaika sasany; mampiasa ireo toetra mendrik’olombelona izany. Ny mozika mampietry kosa anefa dia mampahatsiahy ireo fironan’olombelona ambany indrindra. Izy io dia lazalazaina ho “ny trinite ratsin’ny (...) herisetra, ny amin’ny lahy sy ny vavy ary ny tabataba”.

Mampalahelo anefa fa ny mpanao mozika sasany mihambo ho manompo an’i Jehovah Andriamanitra dia manjary mitendry karaza-mozika tena azo kianina. Ny sasany nilatsaka hitendry zavamaneno amin’ny fampakaram-bady ka nampiseho tamin’izany fa tsy nanaja ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izy tamin’ny karaza-mozika notendreny. Avo aoka izany ny feo, hany ka tsy azo natao ny niresaka tamin’ny fomba ara-dalàna. Toa hadinon’ireo mpahay mozika tanteraka fa tsy tonga voalohany indrindra mba hijery azy ireny mampidera ny talentany akory ireo olona nasaina.

Misy vokany tsara dia tsara maro ny mozika tsara. Ny mozika malefaka dia mety hampitony sy hampiala sasatra. Ny ankamaroan’izay antsoina hoe “mozika lehibe”, toy ny mozika atao amin’ny zavamaneno miaraka maro sy izay tendrena any amin’ireo “opéras” (karazan-teatira hiraina), dia mampiasa ny fahiratan-tsain’ny mpihaino, ary miteraka fihetseham-po sasany ao aminy. Aoka tsy hohadinointsika ny “oratorios”, mandrakariva miorina amin’ny foto-kevitra iray nalaina avy ao amin’ny Baiboly izay ny fanaovana azy dia ilàna orikesitra lehibe sy rodobe maro. Anisan’ny malaza indrindra “Ny Mesia” nataon’i Haendel.

Mety hiharihary ho tena fitahiana ny mozika ho an’ireo olona be taona sy ireo marary na tsy afaka mivoaka ao an-tranony. Ampiasaina izany mba hanampiana ankizy misy fahavoazan-tsaina rehefa tsy nahomby ny fomba hafa rehetra. Lazaina fa ny mozika sasany dia mety hampitony ny marary manatona dokotera na mitsabo nify. Lazaina koa fa ny karaza-mozika mety iray dia manampy ireo mpiasa any amin’ny ozinina hiasa tsara kokoa sy betsaka kokoa. Aoka homarihintsika koa fa ny vidin’ny mozika eo amin’ny fanasitranana dia fantatra efa 3 000 taona mahery izay araka ny hita tamin’i Saoly mpanjaka. — I Samoela 16:14-23.

Mazava ho azy fa ny mozika tsara indrindra dia izay midera an’i Jehovah. Fara faharatsiny, izany dia efa nisy tamin’ny fotoana nideran’ny Isiraely an’i Jehovah taorian’ny nitana ny ranomasina Mena, eo amin’ny 3 500 taona izay (Eksodosy 15:1-21). Ny asa fiderana an’i Jehovah amin’ny alalan’ny hira sy ny zavamaneno dia nitana toerana lehibe tokoa teo amin’ny fanompoam-pivavahana natao ho an’Andriamanitra tao amin’ny tempoliny. Ny mozika natao tao amin’ny tempoly dia nitana maherin’ny ampahafolon’ny isan’ny Levita rehetra (I Tantara 23:3, 5). Nisy orikesitra lehibe niaraka tamin’ny rodobe tao amin’ny fitokanana ny tempolin’i Solomona (II Tantara 5:12, 13). Fahendrena tokoa àry ny ananaran’ny Soratra hebreo (indrindra fa ny bokin’ny Salamo) antsika imbetsaka mba hihira sy hikalo ho an’i Jehovah Andriamanitra.

Ao amin’ny Soratra grika kristiana, dia vakintsika fa Jesosy sy ireo apostoliny dia nihira tamin’ny Sakafon’ny Tompo. Nanao izany koa Paoly sy Silasy fony izy ireo tao an-tranomaizina tany Filipy (Matio 26:30; Asan’ny apostoly 16:25). Ny taratasy voalohany ho an’ny Korintiana, ao amin’ny toko faha-14, andininy faha-15 dia toa mampiseho fa tamin’ny andron’ny apostoly dia nisy hira nohiraina tsy tapaka tamin’ireo fivoriana tao amin’ireo kongregasiona. Ao amin’ny Kolosiana 3:16 i Paoly dia izao torohevitra tena tamin’ny nilana azy izao: “Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.” Ahitana toromarika sahala amin’izany ao amin’ny Efesiana 5:18-20.

Mifanaraka amin’ireo baiko ireo, ireo vavolombelona kristian’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia nampiasa aloha be tokoa tamin’ny fomba tsara ny talenta amin’ny mozika teo amin’ny fanarahana ny fanompoam-pivavahany. Nandritra ny taona voalohany indrindra nisehoan’ny Fanilon’ny Tilikambon’i Ziona (1879), dia navoaka ny Fihiran’ny Ampakarina. Tamin’ny 1896, ny Fikambanana dia nanonta nomerao iray tamin’ny Fanilon’ny Tilikambon’i Ziona natokana tanteraka ho amin’ny hira noforonin’ny Mpianatra ny Baiboly. Ny nomerao manaraka tamin’io gazety io dia nanambara toy izao: “Ny fihirana ny fahamarinana dia fomba tsara iray fampidirana izany ao an-tsaina sy ao am-pon’ireo mpanompon’Andriamanitra. (...) Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny talenta ara-mozika sy ara-tononkira nomeny ny sasany amin’ireo olony masina.” Rehefa afaka teo amin’ny zato taona namoahana fitambaram-pihirana isan-karazany, dia natonta tamin’ny teny frantsay tamin’ny 1986 ny fitambaran-kira vaovao mitondra ny anarana hoe Louons Jéhovah par nos chants (anglisy, 1984); tamin’ny fitambaran-kira rehetra dia io no mampiseho talenta ara-mozika sy ara-tononkira lehibe indrindra.

Ny filantoan’ireo hira

Avo roa heny noho ny teo aloha ny isan’ny pejy amin’ilay fitambaran-kira vaovao. Misy fanao am-paosy, mora entina, izy io, ary misy be velarana kokoa, ka mora vakina ny tonony sy ny mozika. Ny tonony sy ny feon-kira dia noforonin’olona Vavolombelona avy any amin’ny vazan-tany efatra, toa an’i Angletera, Aostralia, Brésil, Kanada, Danemarka, Etazonia, Finlande, Frantsa, Italia, Japon, ary ny Repoblika federalin’i Alemaina.

Tsy mitovy amin’ny fitambaran-kira hafa rehetra navoakan’ny fikambanana Watch Tower teo aloha, ilay vaovao dia tsy ahitana intsony ny fanoratam-peo mahazatra ao amin’ny andalan-kira efatra. Izany dia nosoloana mozika ampiarahina milanto kokoa sy mora tendrena kokoa. Nanampy ao koa ny feo ampiarahina ho an’ny gitara.

Misy feon-kira vaovao roa noforonina miaraka amin’ny tonony efa haintsika, satria hita fa ny mozika nampiasaina teo aloha dia tsy Vavolombelona no namorona azy. Ahoana no nety ho nitrangan’izany? Ny mpamoron-kira iray dia mety handre feon-kira tsy be mpahalala. Rehefa tonga ao an-tsainy indray ny feony any aoriana, dia heveriny ho ny tenany ihany no nanoratra azy.

Fanatsarana natao ao amin’ny soratra

Araka ny Ohabolana 4:18, dia mihamazava hatrany ny fahazavana izay mamirapiratra eo amin’ny fahamarinan’Andriamanitra; hita fa nilaina àry ny hanovana ny hira sasany tao amin’ilay teo aloha. Hita izany amin’ny hira 215 ao amin’ny fihirana vaovao. Tamin’ny 1974, dia takatsika fa ny fiaran’i Noa dia nampiseho ny paradisantsika ara-panahy, fa tsy ilay Fanjakana (jereo La Tour de Garde tamin’ny 1 febroary 1975, p. 90). Araka izany, ny andalana hoe “Mandosira daholo ho ao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra [asehon’ny sambo fiara, araka ny fihirana taloha], hanatona ny Fanjakan’Andriamanitra velona” dia novana hoe “Ny fiainanao, atokany ho an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra izany, ary manompoa ny Fanjakany mandresy”.

Ity misy fanovana hafa iray natao mba ho hentitra kokoa: Ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao, dia tsy hisy “fitarainana, ranomaso, fijaliana” fa tsy hoe “fitarainana, fanaintainana, fijaliana”. (Hira 129.)

Ho an’ny feon-kira maromaro, dia nanoratana tonony vaovao toa mahery sy mifanaraka kokoa. Ao amin’ny hira 60 mitondra ny lohateny hoe “Ny fanjakan’Andriamanitra arivo taona”, dia ny feon’ny hira 86 ao amin’ny fihirana taloha no nalaina. Ny tonon’ny hira 2, “Aoka isika hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona” dia fanamboarana nanitarana ny an’ny hira 79 taloha. Tsy isalasalana fa mendrika ny hitana pejy iray manontolo io foto-kevitra io fa tsy antsasa-pejy.

Harena ara-panahy

Tena mety tokoa ny nanomezana anarana an’ilay fihirana vaovao araka ny Salamo 96:1, 4, hoe: Aoka isika hidera an’i Jehovah amin’ny hirantsika. Hira maro no miresaka ny amin’ny Andriamanitsika sy manandratra ireo toetrany. Ireto ny sasany aminy: “Jehovah Andriamanitra Lehibe” (io hira io dia manonona eo amin’ny roapolo amin’ireo toetran’i Jehovah sy anaram-boninahitra entiny); “Jehovah no Sakaizantsika tsara indrindra”; “Tena mikarakara antsika tokoa Jehovah”; “Jehovah, Ilay mahatonga ho afa-mandositra”; “Manambara ny voninahitr’i Jehovah ny zavatra noforonina”; “Jehovah, ‘Andriamanitry ny fampiononana rehetra’ ”.

Tokony ‘hifampianatra sy hifananatra amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy’ isika, ary azo antoka fa mamporisika antsika ho amin’izany io fihirana io (Kolosiana 3:16). Porofon’izany ireto lohateny vitsivitsy ireto: “Aoka isika hiorina mafy, tsy mihozongozona”; “ ‘Aoka ianao hitomban-dahy’ ”; “Sahala amin’ireo nazirita, aoka isika hanompo bebe kokoa”; “Mandrosoa, ry mpitorin’ilay Fanjakana!”; “Aoka isika hanaiky ny fandaharana teokratika”; “Aoka isika hifoha hatrany, hiorina mafy sy hatanjaka”.

Manome antsika izao baiko izao ny apostoly Paoly: “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo.” (Filipiana 4:4). Hanampy antsika amin’izany lafiny izany ireto hira manaraka ireto: “Hiram-piravoravoana”; “Mifalia amin’ny fanantenana ilay Fanjakana”; “Falifaly ao anatin’ny andro manontolo; “Aoka hohiraintsika ny amin’ilay Fanjakana soa”; “Aoka isika handray anjara amim-pifaliana amin’ny fijinjana”; “Ny fifaliana sy ny vokatry ny asa ho an’ilay Fanjakana”.

Tsy nohadinoina koa ireo fitahiana entin’ilay Fanjakana. Ireto ny sasany amin’ireo hira miresaka ny amin’izany: “Ny fanjakana arivo taonan’Andriamanitra”; “Ny fampanantenan’Andriamanitra Paradisa”; “Ny fiainana tsy manam-pahataperana”; “Miaraka amin’i Kristy ao amin’ny Paradisa”.

Mankamamy indrindra ireo hira vaovao ny tanora, ary ankoatra ny zavatra hafa: “Ry tanora, tahafo ny finoan’izy ireo”; “Ny tanora eo anivon’ny olon’Andriamanitra”; “Fanomezan’Andriamanitra sarobidy ny ankizy”. Amin’ny fihirana ilay hira hoe “Tafika lehibe ny vehivavy”, dia hasehontsika ny fankasitrahantsika noho ny asa tsara dia tsara ataon’ireo anabavintsika.

Ahoana no azontsika ampisehoana fankasitrahana noho ireo hira kanto tokoa ireo? Etsy andaniny, amin’ny fiheverana ho zava-dehibe ny tombontsoantsika sy ny adidintsika hihira izany, satria izany anisan’ny fanompoam-pivavahana atolotsika ho an’Andriamanitra ao amin’ny Efitrano Fanjakanantsika. Hiezaka isika mba ho tonga aloha ao amin’ireo fivoriana sy hanatrika izany hatramin’ny farany mba hahafahana hanao ireny hira ireny miaraka amin’ny rehetra. Aoka isika hihira izany amin’ny fontsika rehetra, amin’ny feo manontolo sy amim-pirehetana ary amin-kafanam-po. Hampiseho ny fankasitrahantsika koa isika noho ireny hira ireny amin’ny fampiasana izany rehefa mandamina takarivam-pialam-boly miaraka amin’ireo namantsika. Afaka manao izay hahazoana “cassettes” misy feon-kiran’ilay fihirana isika mba handefasana izany miaraka amin’ny fanaovan-javatra hafa. Amin’izany, dia sady hihaino mozika kanto isika, no handroso ara-panahy.

Ambonin’ny zavatra rehetra, dia aoka isika hampiseho fankasitrahana noho ireo hira mahafinaritra ireo amin’ny fiainana araka ny fihetseham-po mendrika ambarany, na amin’ny fitondrantenantsika isan’andro izany na amin’ny fanatanterahana ireo adidintsika kristiana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara