Tuamotu sy Marquises asaina ‘hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa iray’
MBA hahatongavana tany Nuku-Hiva, ny lehibe indrindra amin’ireo nosy Marquises, dia nalehanay mivady tamin’ny fiaramanidina ny 1 450 kilaometatra mampisaraka azy amin’i Tahiti, mianavaratra atsinanana. Eo amin’ny sarintany, ireo nosy ireo dia teboka kely dia kely monja ao anatin’ny oseana Pasifika midadasika. Rehefa tena hitanay anefa izy ireo, dia nanaitra ny sainay ny hasoany tsy avy amin’ny fikarakaran’olona.
Ny ankamaroan’ireo nosin’i Marquises dia ahitana tampon-tendrombohitra manerinerina mitsatoka amin’ny rahona sy manoritra hantsambato mideza ao amin’io toerana taza-maso io. Ireo lohasaha lalina sy lonaka dia rakotry ny hazo voaniho sy zavamaniry mandrobona; miafara eo amin’ny ranomasina izany ary mahaforona helo-drano kely mahafinaritra. Manjary sarotra anefa ny fankanesana eny an-tsambo noho ny onja vaventy, ny rano mandeha manodidina ilay nosy sy noho ny fahavitsian’ny harambaton-dranomasina. Noho ny fahasarotan’ny fanavahana eny am-paravodilanitra ireo nosim-boahangin’i Tuamotu no nahatonga ireo mpandeha an-tsambo tonga tany voalohany hiantso azy ireo hoe “nosy iva”, na “fitambara-nosy mampidi-doza”.
Tonga izahay mba hampita ho an’ireo mponin’ny nosy ireo, fanasana sahala amin’ny natao lohatenin’ilay boky fianarana Baiboly hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Tany Nuku-Hiva izahay dia nandeha tamin’ny sambo mpitatitra entambarotra atao hoe Araroa; tokony haharitra 21 andro ny dianay ka mandritra izany izahay dia hahavita 4 000 kilaometatra eo anelanelan’ny nosy Marquises sy ny nosy Tuamotu. Isaky ny fijanonana kely, rehefa nanaisotra ny entany ilay sambo ka nandray hafa, dia nampiseho ny hafatra nentinay izahay.
Ny fomba fiaina tsotra nananan’ireo mponin’ny nosy
Manontany tena angamba ianao hoe karazan’olona manao ahoana no hitanay. Ny ankamaroan’ny Markiziana dia nonina tao amin’ny vohitra kely naorina nanodidina ny helodrano na nanaraka ireo renirano izay nialofan’ny fianakaviana roa na telo ka hatramin’ny mponina an-jatony maromaro indraindray. Maro anaka ireo fianakaviana tamin’ny ankamaroany, ka misy ankizy 8 ka hatramin’ny 10 ary hatramin’ny 20 aza indraindray. Tsotra nefa mafy ny fiainan’ireo mponin’ny nosy. Nivelona tamin’ny vokatry ny ranomasina izy ireny ary indraindray izany dia nampiany henakisoa sy akoho nompiany. Niditra an-tanety koa izy ireny mba hihaza osy tany an-tendrombohitra sy hisambotra soavaly dia izay folahiny ho tonga biby mpitarika kalesy. Ny voaniho maro dia nanome azy ireo “coprah” (nofom-boaniho nohamainina, akana diloilo ampiasaina amin’ny fanamboaran-tsavony sy zavatra hafa). Ao amin’ireo nosy, dia ny “coprah” no loharanom-pidiram-bolan’ny mponina lehibe indrindra, na dia mandray soa sasany koa aza izy ireo amin’ny fanaovana sokitra amin’ny hazo, ny fanamboarana tapa (lamba voaravaka natao tamin’ny hodin-kazo), sy ny fivarotana pere (akondro maina).
Taloha ny Markiziana dia nihinana nofon’olona ary nanatitra sorona olombelona ho an’ireo andriamaniny, dia ny Tiki. Amin’izao andro izao, dia katolika ny ankamaroany. Ravahany sary sy tsangambaton’i Maria sy Jesosy ny tranon’izy ireo. Aoka homarihintsika anefa fa ny lalana mitarika ho any amin’ny tranon’ny eveka ao Nuku-Hiva dia voahodidin’ny tsangambaton’i Tiki. Hita ao Tuamotu indrindra ny mormona, ny katolika sy ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana nalamina indray ho an’ny olona masina amin’ny andro farany (mormona nohavaozina) antsoina hoe Sanitos any.
Miteny markiziana ny mponin’ireo nosy, nefa mahay teny frantsay sy tahitiana koa. Ny fomba fiainany dia mampiavaka ny Polyneziana rehetra: izay hohaniny isan’andro no tadiaviny, araka ny fandehan’ny fiainana moramora mampiavaka ireo nosy. Koa satria mahalana sy tsy ara-dalàna ny fahatongavan’ireo sambo, dia nianatra ny niandry tamim-paharetana izy ireo. Nampidirina tany ny herimbaratra tamin’ny janoary 1979, ary ankehitriny, rehefa miseho ny televiziona, dia mahatsapa kokoa ny zavatra tena misy eo amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny ireo mponin’ny nosy.
Any Nuku-Hiva
Nuku-Hiva, misy mponina 1 800, no foibem-pitondrana any amin’ireo nosy Marquises. Ny foibem-pitondram-panjakana, ny seranana lehibe indrindra sy ny fonenan’ny eveka dia ao amin’ny helodranon’i Taiohae, toerana niainganay.
Tsy nisy zavatra ampanenoina tao amin’ireo varavarana. Tokony hiantsoantso hoe houhou fotsiny izahay. Raha nisy namaly anay dia tokony hampianay hoe Kaoha! (“Manao ahoana!”) miaraka amin’ny tsikim-pisakaizana ary rehefa avy eo dia hazavaina ny anton’ny fitsidihanay. Mponin’ny nosy maro be no nandray boky tamim-pahadodonana ary nilaza taminay hoe: “Misaotra be dia be noho ny fahatongavanareo. Tsy mbola nanana sahala amin’itony mihitsy izahay mba hanampiana anay hahazo ny Tenin’Andriamanitra.” Afaka mahazo fandikan-tenin’ny Baiboly katolika amin’ny teny tahitiana izy ireo, ary ny telo amin’ny Filazantsara dia voadika amin’ny teny markiziana.
Ny sasany tamin’ireo izay nandray ny zavatra natolotray dia nangataka tamim-pahalemem-panahy taminay mba handeha hitsidika olon-kafa. Ohatra, ny zazalahy iray dia nandodona ny vadiko mba hanaraka azy tamin’ny filazana hoe: “Mandehana ato ambadika, mandehana ato ambadika!” Raha tsy nasainy nomarihina io trano io, dia tsy ho hitan’ny vadiko; an’ny mpanao sikotra izy io, ary tamin’ny farany dia hitan’izy io ho mety hahitana fianarana tokoa ilay boky nasehonay.
Ny vohitr’i Hakaui dia tsy nisy afa-tsy fianakaviana roa izay samy nonina teo amin’ny morony amin’ny vavarano ety. Rehefa tonga izahay, dia toa sahirana aoka izany ilay fianakaviana voalohany. Nisy tantsambo tsara fanahy nanampy anay hita ny renirano tamin’ny lakan-drafitra mba ho any amin’ilay fianakaviana hafa. Rehefa nanatona izahay, dia nahita vehivavy roa nipetraka teo anilan’ireo kisoa izay nivezivezy nanodidina ny trano hita ho tsotra dia tsotra. Rehefa nasehonay azy ireo anefa ilay boky, dia natolony an-tsitrapo ny kely nananany mba hahazoana anankiray. Tsy afaka ny tsy hieritreritra ny amin’ny mpitondrantena nahantra resahina ao amin’ny Lioka 21:2-4, izay nanome tao amin’ny tempoly izay rehetra nananany, izahay.
Rehefa avy eo dia nijanona tao Taipivai izahay, teo amin’ny moron-tsiraka atsimo atsinanan’i Nuku-Hiva, toerana fantatra noho ilay boky hoe Typee nataon’i Herman Melville. Lohasaha lalina kanto rakotry ny hazo voaniho izy io. Tamin’ny enina ora maraina, dia niakatra indray tao amin’ilay renirano tamin’ny lakan-drafitra izahay; nijery tamim-pahafinaretana ny fahazavana vao maraina izahay ary koa ny hazo voaniho izay hita taratra tao anaty rano nanjelajelatra. Tamin’izany no nahafahanay nanavaka fonenana sasany niafina tao anaty hazo.
“Haharitra toy inona ny fijanonanay eto?” Nisy namaly ahy fa maty ny kamiao nitondra ireo kitapo feno “coprah”. Koa raha mandeha haingana izahay, dia hanana fotoana hitetezana an-tsoavaly ny faritany manontolo hatrany amin’ny faran’ny lohasaha nisy rian-drano nahafinaritra nivarina tao anaty ampanga. Fianakaviana teo amin’ny roa ambin’ny folo no nandray tsara tamin’ny fitsidihanay maimaika.
Nankany amin’ireo nosy hafa
Tokony ho 40 kilaometatra any atsinanan’i Nuku-Hiva no misy an’i Ua-Uka. Kely kokoa io nosy io, lonaka kokoa sy be tendrombohitra aoka izany. Lasa nankao anatin’ilay tany indray izahay tamin’ny 6 ora maraina. Avy eo amin’ny tora-pasika feno vatokilonjy dia nananosarotra nananika lalana tany nideza izahay ary rehefa avy nandeha ora iray, dia tonga tany Hane, vohitra lehibe indrindra. Toy ny any an-toeran-kafa, ny Fiangonana dia manan-kery lehibe, izay nitombo vao haingana noho ny fisehoan’ny fihetsiketsehana fanaovana fahagagana izay nahasodoka ny olona. Ny zazalahy iray nonina tao anefa dia nampiseho ny fanahiany eo anoloan’ny fiharatsian’ny tarehin-javatra maneran-tany ka nanaiky tamim-pahadodonana ny ‘fanasanay’ hiaina ao amin’ny paradisa an-tany.
Rehefa avy eo izahay dia nankany amin’ny nosin’i Ua-Pou. Raha vao tonga tany izahay, dia nanaitra ny sainay ireo tendrombohitra milingilingy vato vy mainty nahatratra 1 200 metatra ary nitsatoka tamin’ny rahona toy ny zana-tsipìka. Raha ny marina, ny nahaforona izany dia zavatra niempo avy tao anaty volkano voakaoka. Nankany amin’ireo vohitra dimy tao amin’ilay nosy izahay. Matetika ireo mponin’ny nosy no namaly ny ‘fanasanay’ tamin’ny tsiky be sy ny fahamiramiranana. Mazàna izahay no nandre izao fitenenana izao: “Mea kanahau!” (“Mahafinaritra izany!”). Nanaitra ny saina aoka izany ilay boky, hany ka tantsaha maro velom-pankasitrahana no nanantitrantitra mba hameno ny kitaponay tamin’ny akorandriaka sy voankazo — voasary makirana, manga, laoranjy sy voasary angobe. Tany Haakuti, vohitra iray niteronterona teo amoron’ny hantsambato iray, dia hitanay ny vehivavy iray sy ny zanany vavy izay nandray ny hafatra nentinay tamin-kafanam-po aoka izany, hany ka nidina hatreo amin’ny toerana nijanonan’ny sambo mba hamporisika ny olona rehetra hihaino anay sy handray ilay boky mahafinaritra nasehonay.
Rehefa tonga tao Hakahau, tanàna lehibe indrindra izahay, dia nanontany tena ny amin’ny fomba hihaonana amin’ireo mponina ao aminy maherin’ny arivo nandritra ny fijanonanay fohy dia fohy. Maivamaivana aoka izany izahay satria ny lehilahy iray nandray ny hafatra tamim-pahafinaretana aoka izany dia nanolotra anay ny fiarakodiany. “Afaka mitondra anareo any amin’izay rehetra tianareo haleha aho”, hoy izy taminay. Taona vitsivitsy talohan’izay, ny pretra tao amin’ilay vohitra dia nanangona sy nandoro ny boky rehetra navelan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Naharaiki-tahotra ny olona izany. Niharihary ho nanintona tokoa anefa ny hafatra nentinay, hany ka fianakaviana teo amin’ny roa ambin’ny folo no nandresy ny tahotra olona ka nandray an-tsitrapo anankiray tamin’ilay boky nentinay.
Hiva-Oa, ilay nosy nalehanay nanaraka izany, no lonaka indrindra tamin’ireo nosy Marquises sy ny nanana zavamaniry mandrobona indrindra. Nanjary nalaza izy io noho ireo sary manaitra nataon’i Paul Gauguin. Io dia nandany ny androm-piainany farany tao Atuona izay nijanonanay. Mandrakariva ireo mponin’ny nosy no mametraka izao fanontaniana izao amin’ireo mpitsidika: “Hitanareo ve ny Tiki?” Ny Tiki dia vatolampy iray 2,40 metatra ny haavony, eo an-tendron’ny helodrano; io no Tiki lehibe indrindra manerana an’i Polynésie frantsay. Hoy ny navalinay tamim-pahalemem-panahy: “Mana-maso izy, fa tsy afaka mahita; manam-bava izy, fa tsy afaka miteny. Tonga eto vetivety izahay ary maniry hiresaka amin’ny velona mba hampiseho aminy zavatra mahaliana.” Nanaitra aoka izany ny vehivavy iray ilay boky, hany ka namporisika namana iray izy mba haka koa. Nampisambotra azy ny vola nilaina aza ny tenany. Izao no nambaran’ny vehivavy hafa iray: “Manomboka mahatakatra aho fa zava-dehibe kokoa ny hamakiana ny Baiboly noho ny fankanesana hivavaka any amin’ny eglizy isan-kariva.”
Rehefa maizina be, dia tonga tao Hanaiapa, tao amin’ny fefiloha amin’ny seranana, izahay, ary niara-nidinika tamin’ny sasany tamin’ireo mponin’ny nosy teo amin’ny fahazavan’ny jiro iray. Tonga tamin’ny firesahana ny amin’ny afobe izahay. “Aoka hatao hoe manana zanaka maditra aoka izany ianareo. Hampirehitra afo ve ianareo mba hanipazana azy ao?” hoy izahay nanontany azy ireo. “Tsia!” hoy ny navalin’izy ireo. “Koa hampijaly ireo zanany mandrakizay ao amin’ny afo ve Andriamanitra?” Vehivavy efatra sy lehilahy iray no liana indrindra noho ny “fanasana” feno fitiavana avy amin’Andriamanitra mba hiaina eo amin’ny tany ‘tsy hisy ratsy fanahy intsony’ satria ho efa naringana mandrakizay izy ireny; tsy hampijalina mandrakizay àry izy ireny. — Salamo 37:10.
Indray mandingana monja dia tonga avy eo Hiva-Oa mankeo amin’ny nosy kelin’i Tahuata. Nilaza somary nanao vazivazy taminay ny tantsambo iray fa zara raha nisy taonjato iray talohan’izay, dia nisy olona fotsy hoditra nohanin’ny teratany tao amin’io nosy io. Nanao resaka nahaliana tamin’izy ireo anefa izahay. Ny tompon’andraikitra tamin’ny fihetsiketsehana misy fanasitranana mahagaga tao amin’ilay vohitra dia niseho ho tsy vonona loatra ny handray ilay boky, kanefa nanantitrantitra izy mba hanome anay rano iray vera. “Amin’ny rano omeko anareo”, hoy izy taminay tamin’ny fampiharana tamin’ny fomba ratsy ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Jaona 4:14, ‘dia tsy hangetaheta mandrakizay ianareo; fa ny rano izay homeko anareo dia ho loharano miboiboika ao anatinareo.’ Ho fisaorana dia izao no navalinay: “Rano ihany ity rano ity, ary raisinay amim-pankasitrahana. Kanefa holavinao ve ny rano izay manome ny fiainana sy ny sakafo ara-panahy anasanay anao mba horaisina miaraka aminay?” Nihetsi-po noho izany teny izany izy ka nandray boky maromaro. Taty aoriana, teo amin’ny fefiloha fijanonan’ny sambo, dia nisy olona vitsivitsy nanomboka naneso anay tamin’ny filazana hoe: “Mba nisy olona iray fara faharatsiny ve nanaiky ny fanoloranareo?” Kanefa ny filohan’ny mpiasa ao amin’ny seranan-tsambo izay teo, dia nangataka mba hijery ilay boky, ary teo anatrehan’ny olona rehetra, dia tapa-kevitra izy ny handray anankiray. Gaga aoka izany ireo hafa ka nanaiky ny fanoloranay koa.
Ny nijanonanay farany tao Marquises dia ny nosy Fatu-Hiva, ilay tany atsimon’ny fitambara-nosy indrindra. Io no anankiray tamin’ireo hita voalohany, tamin’ny 1595, hitan’ilay Espaniola atao hoe Alvaro de Mendaña de Neyra, izay niantso an’io antoko-nosy io hoe Marquises ho fanomezam-boninahitra ny vadin’ny mpanjaka lefitra any Pérou, ny “marquise de Mendosa”. Nosy kanto i Fatu-Hiva. Tao Omoa, vohitra lehibe indrindra, dia nahita fianakaviana iray naneho fahalianana niavaka izahay. Raha mbola nandroso tao amin’ilay lohasaha izahay, dia lasa nanangona ireo namany ilay reny; araka izany, rehefa tafaverina izahay, dia niandry anay daholo tamim-pitsikitsikiana be izy ireo. Naniry hahazo boky mba hahafahana mandinika ny Tenin’Andriamanitra tao amin’ireo fivoriana fianarana ny Baiboly nataony ny hariva izy ireo. Rehefa niverina nankany amin’ny fefiloha izahay, dia foana ny anankiray tamin’ireo kitaponay, ary ny anankiray feno laoranjy sy voasary makirana.
Tao amin’ireo nosy Tuamotu
Rehefa avy nandeha indray andro sy roa alina nianatsimo andrefana izahay, dia tonga tao amin’ny nosim-boahangin’i Pukapuka izay anisan’ny Tuamotu. Nisy fandaharana manokana natao mba hahatonga ny Araroa hijanona eo amin’ny nosim-boahangy roa samy hafa isan’andro. Izany dia nahatonga anay ho afaka hanatratra nosim-boahangy sasany tsy tratra raha tsy natao toy izany.
Tamin’ireo Paumotus arivo nonina tao amin’ireny nosy ireny, dia fianakaviana 30 no nanaiky tamim-pifaliana ny ‘fanasanay’. Tao amin’ny fonenana tsotra iray niorina teo afovoan’ny hazo voaniho iray, dia nivarotra ranom-boaniho haingana ny vehivavy iray mba hahafahana mahazo maromaro tamin’ilay boky alohan’ny hiainganay. Tsy madiva hanadino an’io fianakaviana io izay nanantitrantitra koa mba hanome anay “bonite” (karazan-kazandranomasina) maina nahantona teo amin’ny tafo fanitson’ny tranon’izy ireo, izahay.
Fahatsiarovana tsy hay hadinoina
Endrika maro hafa no hamela soritra hatrany ao anatin’ny fitadidianay, ary matoky izahay fa mikarakara ireny olona ireny Jehovah. Faly aoka izany izahay afaka nanao izany dia tany Marquises sy tany Tuamotu izany, sy nahatsapa ireo famaliana tsara dia tsara ny “fanasana” hoe: “Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.” — Avy amin’ny anankiray amin’ireo mpamaky.
[Sarintany, pejy 25]
(Jereo ny gazety)
Nosy Marquises
Nuku-Hiva
Taiohae
Ua-Uka
Ua-Pou
Hiva-Oa
Atuona
Tahuata
Fatu-Hiva
Omoa