Aza mianina amin’ny filazana hoe: “Mamindroa, mivokisa”
“Raha (...) misy aminareo manao aminy [amin’ny kristiana sahirana] hoe: Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany? (...) Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.” — JAKOBA 2:15-17.
1. Ahoana no nahatonga ny kristiana iray tany Nigéria ho sahirana?
NOTOMBANANA fa teraka talohan’ny 1880 i Lebechi Okwaraocha. Hita mazava àry fa zato taona mahery izy. Nankalaza ny “juju” izay nolovainy avy tamin’ireo ray aman-dreniny nizeriana izy. Avy eo, rehefa valopolo taona mahery izy, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampihariny izay nianarany ary natao batisa izy. Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 30 taona teo ho eo àry izy. Tsy ela loatra izay, dia nitsidika azy sy ny vadiny 72 taona izay anglikana ireo loholona tao amin’ny kongregasionany. Avy be dia be ny orana. Kivy izy mivady. Tondraka ny tany tao anaty tranony nitafo bozaka ary tsy nanan-kavana mihitsy nety ho afaka hampiantrano azy na hanampy azy ireo hanao ireo fanamboarana nilaina izy ireo. Raha teo ny tenanao, inona no ho nataonao? Alohan’ny hahitana izay nitranga, aoka hodinihintsika ny torohevitra vitsivitsy omen’ny Baiboly.
2. Nahoana moa isika no mihevitra ny “asa tsara”?
2 Kristy Jesosy “nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba (...) hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany”. (Titosy 2:14.) Izany asa izany dia mihodinkodina manodidina ny fitoriana ilay Fanjakana izay mahavonjy aina (Marka 13:10; Apokalypsy 7:9, 10). Kanefa, ny “asa tsara” kristiana dia tsy manondro fotsiny ny fitoriana iankinan’ny aina tokoa. Manazava toy izao tokoa i Jakoba, rahalahin’i Jesosy, iray reny taminy: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” — Jakoba 1:27.
3, 4. Inona no azontsika ianarana ny amin’ny “asa tsara” ao amin’ny I Timoty toko faha-3 ka hatramin’ny faha-5, ary mametraka fanontaniana hoe ahoana avy izany?
3 Tamin’ny taonjato I, ireo kongregasiona dia nandray anjara tamin’ireo sokajiny roa amin’ny “asa tsara” ireo. Ao amin’ny I Timoty toko fahatelo, rehefa avy nitanisa ireo toetra takina amin’ny mpiandraikitra sy ny mpikarakara momba ny asa ny apostoly Paoly dia nanoratra fa ‘ny fiangonan’Andriamanitra [kongregasionan’Andriamanitra, MN ] velona dia andry sy fiorenan’ny fahamarinana’. (I Timoty 3:1-15.) Nasehony koa fa ireo kristiana maharitra amin’ny fampianarana marina toy izany dia hamonjy ny tenany sy izay mihaino azy’. (I Timoty 4:16.) Rehefa avy eo i Paoly dia niresaka ny amin’ny ‘asa tsara’ ho fikarakarana ara-nofo ireo mpitondratena mahatoky “tsy manam-pananana”. — I Timoty 5:3-5, MN.
4 Noho izany, ankoatra ny fitoriana ny filazantsara, dia ilaintsika koa ny mihevitra “asa tsara” hafa, ohatra ‘mikarakara ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany’. Afaka manao inona amin’io lafiny io ireo loholona sy ireo mpikarakara momba ny asa, dia izy ireo izay ‘mitondra antsika’? (Hebreo 13:17.) Ary ahoana no hanampian’ny kristiana hafa azy ireny amin’io lafiny io? Ahoana no azon’ny tenantsika manokana anatanterahana “asa tsara” karazan’izany?
Loholona manome ohatra tsara
5. Ahoana no nanomezan’i Paoly zavatra nilaina manokana, ary fanaovan-javatra inona karazan’izany no atao amin’izao androntsika izao?
5 Rehefa niseho ny zavatra nilaina manokana tany Jodia, Paoly, loholona, dia nitarika fandaminam-panampiana. Izany fitarihana izany dia nampihena ho faran’izay kely ny nety ho fisafotofotoana; nozaraina tsy nisy fiangarana izay azo tamin’ny fanangonam-bola, araka izay nilain’ny tsirairay avy (I Korintiana 16:1-3; Asan’ny apostoly 6:1, 2). Tamin’izao androntsika izao koa, ireo loholona dia nanapa-kevitra ny handamina fanampiana taorian’ny loza aman’antambo toy ny tondra-drano, ny tany mihotsaka, ny fisamboaravoaran’ny ranomasina mafy, ny tafiodrivotra mafy na ny horohorontany, ka ‘hihevitra ny amin’ny hafa’. — Filipiana 2:3, 4.
6. Tany Californie, ahoana no nataon’ireo loholona rehefa nisy loza aman-antambo iray?
6 Tao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 8 oktobra 1986, dia ahitana ohatra ny amin’ny kristianisma miasa toy izany. Tany Californie, dia nisy fefiloha vaky ka nandray anjara ireo loholona. Nandinika haingana ny andian’ondriny ireny mpiandry ara-panahy ireny mba hahafantarana izay tsy tao sy izay nila fikarakarana, sakafo na filasiana. Niasa niaraka tamin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo loholona. Noforonina ny komitim-panampiana, ary arakaraka ny nahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa teo amin’ireo toerana, dia nalamina ho antokony izy ireo mba hanadio sy hanamboatra ireo trano simba. Nanara-maso ny fividianana sy fizarana sakafo koa ireo loholona. Mampiseho izany fa rehefa misy ilàna izany manokana, ‘ny mpianatra tsirairay avy dia afaka manapa-kevitra, araka ny ananany, hanome’ na hanao zavatra sasany. Fahendrena anefa ny hanatonana ireo mpiandraikitra eo an-toerana sy ny hahazoana toromarika avy amin’izy ireny. — Jereo Asan’ny apostoly 11:27-30.
7. Zavatra hafa ilaina matetika kokoa inona no ilàna fandraisana anjara?
7 Na dia afaka mandray anjara aza ianao (loholona na tsia) indraindray rehefa tena ilaina izany aorian’ny loza aman’antambo iray, dia misy zavatra ilaina fahita kokoa sy lehibe toy izany koa eo anivon’ny kongregasionanao mihitsy. Noho izany tsy manaitra toy ny loza aman’antambo lehibe angamba, dia mety tsy hitandrina izany mora foana ny tena na tsy hihevitra izany firy. Ny amin’izany karazan-javatra ilaina izany anefa no resahina ao amin’ny Jakoba 2:15-17. Ny kongregasionanao àry dia mety hanome anao ny fitsapana tsara indrindra mba hahalalana raha ‘misy asa amin’ny finoanao, na raha maty izany’.
8. Ahoana no hisehoan’ireo mpiandraikitra ho hendry eo amin’ny fomba fanomezany izay ilain’ny kongregasiona?
8 Rehefa mandray ny fitarihana amin’izany lafiny izany ireo loholona, dia tokony hiezaka mba ho “hendry sy manam-pahalalana”. (Jakoba 3:13.) Ny fahendrena dia hahatonga azy ireo ho afaka hiaro ny andian’ondry amin’ny mpisandoka mitety rahalahy (na kongregasiona), misambo-bola na mamorona tantara mba hahazoana “fanampiana”. Miseho ho hendry ireo mpiandraikitra amin’ny tsy fanohanana mihitsy ny hakamoana, satria manambara izao fitsipika izao ny Baiboly: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” (II Tesaloniana 3:10-15). Tsy irin’izy ireo anefa ny ‘hanidy ny varavaran’ny fangoraham-pony feno fitiavana’ na ny hitaona ireo rahalahiny hanao toy izany (I Jaona 3:17, MN ). Tokony haneho fahendrena koa izy ireny satria ny Baiboly tsy manome fitsipika tsy hita fetra ny amin’ny fomba fikarakarana ireo mahantra sy ory. Tsy mitovy ny tarehin-javatra arakaraka ny fotoana.
9. a) Tamin’ny taonjato I, inona no natao ho an’ireo vehivavy mpitondratena kristiana mendrika izany? b) Afaka mahazo karazam-panampiana inona amin’izao andro izao ny mpitondratena toy izany?
9 Ohatra, ao amin’ny I Timoty 5:3-10 (MN ), Paoly dia niresaka ny amin’ireo vehivavy mendrika izay ‘tsy nanam-pananana’. Adidin’ireo kristiana mpianakaviny voalohany indrindra ny nanampy azy ireny. Raha tsy niantsoroka izany izy ireo, dia nety ho simba ny toerany teo anatrehan’Andriamanitra. Kanefa, raha toa ny mpitondra tena mahantra iray izay mendrika ny hampiana ka tsy nahazo izany karazam-panampiana izany, ireo loholona dia afaka nanao fandaharana mba hahafahan’ny kongregasiona mitondra fanampiana ara-nofo ho azy. Tato anatin’izao taona faramparany izao koa, dia nisy kongregasiona nanampy ny sasany tamin’ireo mpikambana tao aminy tena sahirana tokoa. Any amin’ny ankamaroan’ny tany anefa amin’izao andro izao, dia omanina ny fanampiana, alaina avy amin’ny hetra, ho an’ny olona be taona, ny kilemaina na ireo maniry hiasa nefa tsy mahita asa. Amin’ny toe-javatra toy izany, ireo loholona dia mety hanolotra fanampiana hafa. Misy kristiana tena mahantra tokoa izay mahafeno tanteraka ireo fepetra mba hahazoana fanampiana avy amin’ny vahoaka, angamba tsy mahazo izany satria tsy mahalala ny fomba fanaovana fangatahana na satria saro-kenatra loatra mba hitaky izany. Azon’ireo loholona atao àry ny mangataka fanazavana amin’ireo fandaminam-bahoaka tafiditra na miteny amin’ny Vavolombelona iray za-draharaha amin’io lafiny io. Avy eo, dia azony atao ny manao izay hahatonga lehilahy na vehivavy kristiana mahay iray hanampy ilay olona sahirana hahazo ny fanampiana voaomana. — Romana 13:1, 4.
Ny fomba fandaminana fanampiana azo ampiharina
10. Rehefa miandry ny ondry izy ireo, inona moa no tokony hotandreman’ireo loholona?
10 Matetika no misy mpiandraikitra mailaka hanao zavatra, mandray anjara tena lehibe raha ny amin’ny fiahiana mba hahatonga ireo kristiana mahantra na ory handray ny fanampian’ireo rahalahiny sy anabaviny tia. Tokony ho malina ireo loholona mba hanavaka izay ilain’ny anisan’ny andian’ondry andrasany rehetra eo amin’ny ara-batana sy ara-panahy. Ara-dalàna raha mihevitra be dia be “ny fivavahana sy ny fampianarana” izy ireny. (Asan’ny apostoly 6:4.) Koa hiahy izy ireny ny amin’ny hahatonga ireo anisan’ny andian’ondry tsy afa-miala eo am-pandriana na any amin’ny hopitaly hahazo sakafo ara-panahy. Afaka mampandray feon’ny fandaharana ao amin’ireo fivoriana ireo loholona ho an’ireo tsy afaka manatrika izany. Tamin’ny fifandimbiasana nitondra feo noraisina ho any amin’ireo namany kristiana, dia nahatsikaritra ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa fa izany dia nahatonga azy ireny ho afaka hampita fanomezana ara-panahy hafa (Romana 1:11, 12). Amin’izany koa no ahafahany mahatsapa izay ilain’ireny kristiana ireny mandrakariva.
11. Asehoy ny fomba azo anampiana ny vehivavy kristiana sahirana iray.
11 Angamba homarihin’izy ireo fa ny anabavy manan-kilema na be taona iray dia ho afaka ny ho tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana indraindray na handray anjara kely amin’ny fitoriana raha nanampy azy hidio na hiakanjo ny anabavy iray (jereo Salamo 23:1, 2, 5). Azon’ireo mpiandraikitra atao aza ny manankina amin’ny anankiray amin’izy ireo ny andraikitra hanao ireo fandaharana ilaina. Afaka mangataka mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny kongregasiona koa izy mba hiara-mandeha amin’ilay olona ory na hitondra azy amin’ny fiarakodia. Ny fandaharana iray dia hahatonga ho afaka handamina ny zavatra kokoa.
12. Ahoana no azon’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona iaraha-miasa amin’ireo mpiandraikitra mba hanampiana ireo marary sy ireo olona be taona?
12 Ho voamarik’ireo loholona angamba fa amin’ny lafiny hafa koa, dia ho azo atao ny hanolotra ny fanampian’ny tena na hanao fandaharana feno fitiavana sasany. Ohatra, ny vehivavy kristiana be taona na marary iray dia tsy afaka nikarakara ny tranony araka ny nahazatra azy. Moa ve amin’izany ny mpikarakara momba ny asa sasany na ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona tsy ho afaka ny hitondra fanampiana ho azy? Raha manapaka ny bozaka izy ireo na mamarana ny fefy, dia hahatsiaro tena ho tsara kokoa io vehivavy kristiana io noho ny fahafantarana fa tsy hiteraka fanalam-baraka ao amin’ilay faritany ny tranony. Tokony hongotana ve ny bozaka ao amin’ny zaridaina na hotondrahana ilay zaridaina? Moa ve ny anabavy iray handeha hiantsena ho vonona ny hanontany izay ilain’io vehivavy kristiana io ka hividy zavatra ho azy? Nihevitra ireny raharaha tamin’ny lafin’ny fampiharana ireny ireo apostoly ka nandamin-javatra niaraka tamin’ireo mpikambana mahay ao amin’ny kongregasiona mba hitondra ny fanampiana ilaina. — Asan’ny apostoly 6:1-6.
13. Inona no vokatry ny fanampiana nentin’ireo loholona ho an’ilay kristiana nizeriana voalaza eo am-piandohan’ny lahatsoratra?
13 Ireo loholona voatonona terỳ am-piandohan’ny lahatsoratra izay, tamin’ny fitsidihana ondry, dia nahatsikaritra fa i Lebechi Okwaraocha sy ny vadiny dia tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra, dia naneho fiahiana kristiana toy izany. Nikarakara ilay raharaha tsy nisy hataka andro ny kolejin’ny loholona ka nampahafantatra an’ilay kongregasiona fa nikasa ny hanorina indray ilay trano izy. Nisy rahalahy sy anabavy nanome fitaovana ary nandray anjara avy hatrany tamin’ny fanatanterahana ny volavolan-kevitra. Tao anatin’ny herinandro izy ireo dia nanorina trano kely mafy iray, mitafo fanitso. Izao no fitantarana avy any Nigéria:
“Gaga ireo tantsaha ary avy hatrany dia nitondra sakafo sy fisotro ho an’ireo rahalahy sy anabavy izay niasa mafy nandritra ny ora maro mba hamita ny asa alohan’ny ranonorana. Tantsaha maro no nitaraina ny amin’ny antokom-pivavahana hafa izay, araka ny filazan’izy ireny, dia mandroba ny olona fa tsy manampy ny mahantra. Namelona ny resaka rehetra tao amin’ilay vohitra ny fisehoan-javatra. Nanjary nandray tokoa ny hafatra ireo mponina, ary nisy fanombohana fianarana ny Baiboly maro.”
Ny fandraisanao anjara amin’ireny “asa tsara” ireny
14. Tokony hanao ahoana ny toe-tsaintsika raha ny amin’ny “asa tsara” atao ho an’ireo rahalahintsika?
14 Mazava ho azy fa matetika isika no manana fahafahana handray anjara isam-batan’olona sy mivantana mba hanome izay ilain’ireo kristiana manodidina antsika izay be taona, manan-kilema, any amin’ny hopitaly na ory noho ny antony hafa koa. Raha mahita fomba hanehoana ny tena kristianisma isika, nahoana no tsy manao zavatra sy miezaka hitondra ny fanampiantsika (Asan’ny apostoly 9:36-39)? Tsy ny faneren’ny hafa fa ny fitiavana kristiana no tokony hanosika antsika hanao zavatra. Mba hanolorana fanampiana azo ampiharina na inona izany na inona, dia ilaina voalohany indrindra ny hiheverana amim-pahatsorana ny hafa sy ny hanehoana fangoraham-po. Mazava ho azy fa tsy misy amintsika afaka mampijanona ny fotoana ho an’ny olona be taona, na manasitrana ny marary amin’ny fomba mahagaga, na manao izay hahatonga ny rehetra ao anatin’ny kongregasiona hitovy toerana ara-toe-karena. Nefa tena tokony hihevitra ny hafa isika ka ho vonona ny hanome. Raha izany no fihetsika asehontsika ka manao zavatra mifanaraka amin’izany isika, dia hanamafy ny fatoram-pitiavana mampiray antsika amin’ireo izay ampiantsika isika. Toy izany ny amin’i Paoly sy Onesimosy izay, na dia kristiana azo lazaina hoe vaovao aza, dia ‘nanompo an’i Paoly tao amin’ny fifatorany’. — Filemona 10-13; Kolosiana 3:12-14; 4:10, 11.
15. Karazam-panampiana inona no azontsika atolotra kristiana mendrika izay tena sahirana?
15 Indraindray, dia misy zavatra azontsika atao ho an’izay sahirana, amin’ny fanomezana tsy mitonona anarana na manokana amim-pahamoram-panahy. Tsy afaka mahita asa hafa iray ve ny rahalahy iray namoy ny asany? Tsy maintsy mandoa saram-pitsaboana tsy nampoizina ve ny anabavy iray? Niharan’ny voina ve izy na nahita fahavoazana noho ny famakian-trano? Mety hitranga manodidina antsika ny tarehin-javatra toy izany. Raha manao “fiantrana” isika, ny Raintsika izay mijery ao amin’ny mangingina dia hahita izany ka hankasitraka antsika (Matio 6:1-4). Na koa, na dia tsy vola aza, dia angamba ho azontsika atao, tahaka an’i Joba, ny hanome fitafiana ho an’ny mahantra, hanolotra vatsy na sakafo voaomantsika ho an’ny mpitondratena na ny kamboty. — Joba 6:14; 29:12-16; 31:16-22.
16. Fomba hafa mora ampiharina inona koa no azo ampiasaina mba hanampiana olona? Manomeza ohatra.
16 Ny fanandraman-javatra efa hitanao na ireo olona ifandraisanao dia mety hahatonga anao ho afaka hanolotra fanampiana azo ampiharina. Indray andro, ny rahalahy iray dia nangataka tamin’ny rahalahy W—— mba hampisambo-bola azy. Namaly azy tamim-pahalemem-panahy toy izao io: “Inona no mahatonga anao hieritreritra fa manam-bola hampisamborina aho?” Izao no valiny: ‘Satria mahay mitantana kokoa ny volanao tsy tahaka ahy ianao.’ Naneho fahaiza-manavaka ny rahalahy W—— izay matetika no nampisambo-bola ireo nila izany, ka nanipy hevitra toy izao: ‘Ny tena ilainao dia angamba fanampiana mba hitantana tsara ny volanao. Hahafaly ahy tokoa ny hitondra ho anao izany fanampiana izany raha ekenao.’ Ankasitrahana indrindra izany karazam-panampiana izany ho an’ireo kristiana tsy maintsy mijery indray ny fomba fiainany satria niova ny toerany na izay vonona ny hiasa mafy na dia ao amin’ny asa tsy heverina ho sarobidy loatra aza. Mazava ho azy fa raha tena ilaina ny fampisamboram-bola, dia ho tsara ny hanaovana sonia taratasy iray mba tsy hisian’ny zava-manahirana any aoriana. Kanefa, maro amin’ireo rahalahy tsy maniry hisambo-bola no tena ho tia handray fanampiana manokana amin’ny endriky ny torohevitra na handray soa avy amin’ny fanandraman-javatra efa nataon’ny hafa (Romana 13:8). Izany no asehon’izay hita tamin’i Emmanuel, tatsy Afrika andrefana.
Mpanety nahay i Emmanuel, nefa vitsy ny olona nanety volo tao aminy. Kivy izy tsy afaka namelon-tena. Tamin’izay ny loholona iray nanana fahiratan-tsaina tokoa tao amin’ny kongregasiona no nanontany azy raha nety ho vonona ny hanao asa hafa izy. Nanaiky i Emmanuel, satria ny hamela ny fireharehana amin’ny asa ho vato misakana izy. Niresaka tamin’ireo mpiara-miasa taminy ilay loholona ka nahita ho an’i Emmanuel asan’ny mpiambina tao amin’ny hopitaly iray. Nanome fahafahampo tamin’ny asany i Emmanuel ary afaka nanampy mpikambana hafa tao amin’ny kongregasiona.
17. Ahoana no ho azonao anampiana rahalahy iray any amin’ny hopitaly (Salamo 41:1-3)?
17 Manana fahafahana manokana hanolotra ny fanampiany ny tena rehefa any amin’ny hopitaly ny namana kristiana iray na ao amin’ny trano fitokanana. Eo koa, dia zava-dehibe tokoa ny hiheverana amim-pahatsorana ny rahalahintsika. Ho azonao atao angamba ny hampiseho ny fiheveranao azy amin’ny fahavononana hamaky ho azy boky kristiana mampandroso na hitantara aminy zava-nitranga mampahery sasany. Kanefa moa ve izy tsy manan-java-manahirana ara-nofo sasany ho azonao anampiana azy mba halamina? Any amin’ny tany sasany, dia be raharaha loatra ny mpiasa ao amin’ny hopitaly, hany ka tsy ho voadio na hahazo sakafo ny marary iray raha tsy misy mpitsidika manao izay ilaina. Raha izany no izy, ary raha avelan’ny mpitsabo, dia ho azo atao angamba ny hitondra sakafo tsara ho an’ilay marary, ny hanampy azy hidio na hanasa loha. Na hankamaminy ve ny akanjo fanao ao amin’ny efitrano na ny kiraro fanao an-trano mafana tsara (II Timoty 4:13)? Azo atao koa ny mikarakara raharaha sasany mitana ny sain’ilay marary. Manontany tena angamba izy ny amin’ny fomba handraisana ny karamany na handoavana taratasim-bola sasany. Azo atao ny manampy azy sy mitondra fanamaivanana ho azy amin’ny fanaovan-javatra tsotra dia tsotra, ohatra, amin’ny fiahiana mba tsy hiavosa eo anoloan’ny varavarany ny taratasiny, amin’ny fanondrahana ny zava-maniriny na amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa tapaka ny fanafanàna.
18. Vonona ny hanao inona ianao ho an’ireo rahalahy sahirana?
18 Tsy isalasalana mihitsy fa ny tsirairay avy amintsika dia afaka mahita fomba handrosoana mba tsy hianinana amin’ny filazana hoe: “Mamindroa, mivokisa.” (Jakoba 2:16). Eritrereto ireo rahalahy sy ireo anabavy ao amin’ny kongregasionanao. Tena mila fanampiana ara-nofo tokoa ve ny kristiana mendrika sasany? Moa ve izy ireny marary, manan-kilema na tsy afa-miala eo am-pandriana? Inona no azonao atao eo amin’ny lafin’ny fampiharana mba hanampiana ireny mpikambana malala ao amin’ny kongregasiona ireny izay ho azy no nahafatesan’i Kristy? Ny fihetsika toy izany dia hanampy anao ho tsara omana kokoa mba hamaly haingana rehefa misy fahasahiranana.
19. a) Nahoana moa no zava-dehibe ny hanehoana fifandanjana eo amin’ny lafin’ny fanampiana ara-nofo? b) Inona moa no asa tsara indrindra azo atao ho an’ny mpiara-belona amin’ny tena, ary nahoana (Salamo 72:4, 16)?
19 Raha manao fiezahana isika mba hanampiana ireo rahalahintsika, dia hanaporofo fa tsy maty akory ny finoantsika. Izany finoana izany koa no manosika antsika handany hery amin’ny fitoriana kristiana. Tokony hitana fifandanjana tsara isika eo amin’ny fanampiana ara-nofo entintsika ho an’ny hafa sy ny fandraisantsika anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana ny filazantsara (jereo Matio 15:3-9; 23:23). Ahitana taratr’izany fifandanjana izany ny torohevitra nomen’i Jesosy ho an’i Marta sy Maria. Nilaza tamin’izy ireo izy fa raha misy manombana ny zavatra ara-nofo oharina amin’ny sakafo ara-panahy, dia ny sakafo ara-panahy no “anjara tsara” ary tsy hesorina aminy izany (Lioka 10:39-42). Ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia hisy marary sy mahantra foana. Afaka sy tokony hanao soa amin’izy ireny foana isika (Marka 14:7). Kanefa, ny azontsika atao tsara indrindra sy maharitra indrindra ho an’ny mpiara-belona amintsika, dia ny fampianarana azy ireny ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Jesosy dia nampifantoka ny sainy rehetra ho amin’ilay Fanjakana (Lioka 4:16-19). Amin’ny alalan’izany no mety hahazoan’ny mahantra, ny marary sy ny ory fanamaivanana maharitra. Faly tokoa isika manampy ireo rahalahintsika sy olon-kafa koa hanorina ny fanantenany amin’Andriamanitra ka ‘hitana ny tena fiainana’. — I Timoty 6:17-19.
Tadidinao ve?
◻ Inona moa no “asa tsara” lehibe indrindra tokony hotanterahin’ny kongregasiona kristiana?
◻ Ahoana no azon’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona iray ikarakarana amin’ny fomba mety ny “asa tsara”, mifandray amin’ny tarehin-javatra ara-nofo hitan’ireo rahalahiny?
◻ Fandaharana azo ampiharina inona no azon’ireo loholona atao?
◻ Fanampiana mora ampiharina inona no azonao entina ho an’ireo rahalahinao sy anabavinao sahirana?
[Efajoro, pejy 17]
Nandray anjara ny kongregasiona
Ny mpivady izay nifindra fonenana mba hanompo tany amin’ny kongregasiona kely iray any ambanivohitra dia nandefa izao fitantarana mampieritreritra izao:
‘Telo taona lasa izay, dia nivarotra ny tranonay izahay mivady ary nifindra ho any amin’ny kongregasiona lavitra iray nila kristiana matotra taorian’ny zava-nanahirana sasany. Tsy ela taorian’izany, dia niantsoroka raharaha efatra aho. Tianay ireo rahalahy ary naniry hiara-hanompo tamin’izy ireny izahay. Rehefa lasa ireo volana, dia nihatsara ny toe-tsain’ny kongregasiona ary tonga niaraka taminay ny loholona tsara dia tsara roa.
‘Teo anelanelan’izany, dia nanomboka nahita fahasahiranana ara-pahasalamana ny vadiko, ary tamin’ny taona lasa dia tsy maintsy nanaovana fandidiana lehibe izy. Tamin’ny andro nidirany tany amin’ny hopitaly, dia voan’ny fihetsehan’ny aretin’aty aho. Roa volana taty aoriana, dia namoy ny asako aho noho ny faharatsian’ny toe-karena tao amin’ilay faritra. Tsy nanam-bola intsony izahay, tsy nanana asa aho ary samy tokony hanandrana hitady ny fahasalamanay izahay. Ketraka aho satria nanakaiky ny fivoriamben’ny distrika ary ambonin’izany dia tsy maintsy nandray anjara tamin’ny fandaharana aho. Nanana anjara tamin’ny fandaharan’ny fivoriamben’ny fizaran-tany tokony hatao rehefa afaka tapa-bolana koa aho. Nefa noho izaho tsy nanam-bola, dia nanontany tena aho ny amin’ny fomba hahafahako ho any amin’ireo fivoriambe ireo sy ny fomba hamelomako ny ankohonako koa aza. Indray maraina, rehefa lasa nitory ny vadiko, dia nipetraka aho mba hieritreritra ny toeranay.
‘Sady nijery teo am-baravarankely aho no nanontany tena hoe aiza ny fitokisako an’i Jehovah. Nilaza tamin’ny vadiko aho mba tsy hanahy, kanefa nanomboka nisalasala aho izao. Nampahafantariko an’i Jehovah ny ‘fahakelezan’ny finoako’ ary nitalaho taminy aho mba hitondra fanampiana ho ahy. Rehefa vita ny vavaka nataoko, dia nandondòna tao am-baravarana ny rahalahy iray. Nanasa ahy izy hiara-hisotro kafe taminy. Nanazava taminy aho fa tsy afaka nanaiky, satria tsy maintsy nanomana tapany tamin’ny fandaharana ho amin’ny fivoriana hatao io hariva io ihany. Nanantitrantitra anefa izy ka nilaza fa tsy haka afa-tsy minitra vitsivitsy izany. Lasa àry izahay. Tafaverina izahay rehefa afaka antsasakadiny. Nahatsiaro ho nihatsara aho rehefa tafavoaka avy tao amin’ny fiarakodiany.
‘Rehefa niditra tao an-trano aho, dia nahamarika fa feno vatsy ny latabatra tao an-dakozia. Nieritreritra aho fa niantsena angamba ny vadiko. “Andraso kely anefa! ahoana no ho nahafahany nanao izany satria tsy nanam-bola izahay?” Tamin’izay dia tsikaritro ny valopy iray. Nisy soratra toy izao tao:
‘ “Avy amin’ireo rahalahinareo sy anabavinareo tia anareo tokoa. Aza mametraka na inona na inona ao amin’ny vatakely fasiana fanomezana, efa natao ho anareo izao.”
‘Tsy nahatana ny ranomasoko aho. Nieritreritra ny ‘hakelezan’ny finoako’ aho, ka vao mainka nampitomany ahy izany. Avy eo dia tafaverina ny vadiko. Nasehoko taminy fotsiny ireo vatsy sy ny fanomezana hafa. Nifokofoko nitomany koa izy sy ireo anabavy roa niaraka taminy. Nanandrana nanazava tamin’izy ireo izahay fa tsy afaka nanaiky zavatra be dia be toy izany, kanefa namaly anay izy ireo fa tsy nisy nahalala hoe iza no nanome inona. Nandray anjara ny mpikambana rehetra tao amin’ny kongregasiona; nirin’izy ireo ny hanao izany satria nieritreritra izy ireo fa nampianatra azy ireo hanome izahay. Vao mainka nampirotsaka kokoa ny ranomasonay izany resaka izany.’
Tsy ela taty aoriana, tamin’ny fotoana nanoratany ity fitantarana ity, dia nahita indray ny asany io kristiana io. Nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy izy mivady.
[Efajoro, pejy 18]
Fisehoan’ny fitiavana kristiana
Ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray any andrefan’i Etazonia dia tonga tao anatin’ny tarehin-javatra somary naningana izay nahatonga azy ho afaka haneho fitiavana kristiana, araka ny atoron’ny Soratra Masina. Ao amin’ny faritanin’ireny Vavolombelona ireny, ny fanjakana dia nanokatra fandraisana olona manan-takaitra lehibe noho fahavoazan’ny fiasan’ny atidoha. Ny anankiray tamin’ireo voalohandohany nonina tao amin’io foibe io, Gary, dimy amby roapolo taona, dia tsy azo notsaboina tany an-tranony intsony. Voan’ny “tétraplégie” izy ary nahatsiaro ho nahita fahasahiranana tamin’ny filazana hevitra.
Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny fito taona i Gary. Rehefa tonga tao amin’ilay foibe vaovao izy, dia naniry hanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona. Tamin’ny voalohany, ireo ray aman-dreniny izay nonina tsy lavitra, dia nitondra azy ho any. Noho ny fahanteran’izy ireo anefa, dia nandimby azy ireo ny rahalahy hafa tao amin’ny kongregasiona. Nanana fiara fitaterana entana ny anankiray tamin’izy ireo. Araka izany, izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy dia niomana sy niainga tsy tapaka adiny iray latsaka fahefany mialoha mba hahafahana haka an’i Gary. Taorian’ny fivoriana, dia nanatitra azy tany amin’ny foibe izy ireo, ka izany dia nahatonga azy ireo ho tratra aoriana be vao nody.
Tsy nijanona teo anefa ny zavatra tao amin’ilay foibe. Nisy olon-kafa koa voa tamin’ny fiasan’ny atidoha, nankafy ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nisy mpivady nanaiky haingana hianatra ny Baiboly. Nisy hafa koa nampiseho fahalianana taty aoriana. Fa ahoana no hahafahan’izy rehetra ho any amin’ireo fivoriana? Nividy fiara iray àry ny fianakaviana hafa iray tao amin’ny kongregasiona, ary nampindrana fahatelo ny rahalahy mpivarotra. Indraindray anefa dia tsy nahazatra sy tsy mora nampiasaina ireny fomba fitaterana ireny. Afaka nanao zavatra bebe kokoa ve ny kongregasiona?
Nodinihin’ireo loholona ilay raharaha ka tamin’izay no nanolorany hevitra ny amin’ny hividianana fiara izay ny ho hany hampiasana azy dia ny ho fitondrana ireo manan-kilema any amin’ny Efitrano Fanjakana sy ny fanaterana azy ireo any amin’ny foibe. Nanaiky ny hanao ny fandaniana ilay kongregasiona ary nahavita izany tamim-pifaliana. Ny Vavolombelona vitsivitsy teny amin’ny manodidina, rehefa nahare filazana ny amin’izany, dia tia ny hitondra ny fanampian’izy ireo koa. Novidina ilay fiara ary namboarina mba ho azo itondrana ireo seza mikorisa.
Araka izany, isam-bolana, dia fianarana ny boky hafa no manao izay hitondrana ilay fiara any amin’ireo fivoriana na ireo fivoriambe. Mponina dimy ao amin’ilay foibe no manatrika tsy tapaka ao, ka efa vita batisa izao ny efatra amin’izy ireny. Izy ireny dia fantatra sy tian’ny rahalahy sy anabavy maro be izay manandrana fahasambarana amin’ny fanampiana olona. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fitazonana ny fihiranan’izy ireny na amin’ny fitadiavana ho azy ireny ireo andininy ao amin’ny Soratra Masina mandritra ireo fivoriana. Amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny distrika, dia manampy azy ireny hihinan-kanina izy ireo rehefa tsy afaka manao izany izy ireo, sady mikarakara azy ireo. Izany dia niteraka firaiketam-po nifamaly izay manafana ny fo. Ary inona no niafaran’i Gary? Ankehitriny izy dia mpikarakara momba ny asa ao amin’ilay kongregasiona izay naneho fitiavana azy toy izany. — Asan’ny apostoly 20:35.