FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/9 p. 3-4
  • Ny fanalahidin’ny fivavahana marina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fanalahidin’ny fivavahana marina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fanalahidy
  • Inona no Fanalahidin’ny Tena Kristianisma?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Tokony hiova finoana ve hianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Hitanao ve ny fanalahidy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Fanarahana ny Fivavahana Madio mba Hahatafita Velona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/9 p. 3-4

Ny fanalahidin’ny fivavahana marina

AMIN’IZAO taonjato faha-20 izao, ny olona milaza tena fa anisan’ny fivavahana kristiana dia maro noho ireo mpanaraka izay rehetra mety ho fivavahana hafa. Izao taonjato izao anefa no mikorontana indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona. Ahoana no hanazavana izany fifanoheran-javatra izany?

Voalohany indrindra, dia be dia be no tsy mihevitra ny fivavahany ho zava-dehibe. Ho azy ireo, ny kristianisma dia zavatra ambinambiny fotsiny fa tsy hery manapaka eo amin’ny fiainany. Manaraka izany, ireo izay mihevitra ny fivavahany ho zava-dehibe tokoa dia manaiky zavatra inoana mifanipaka maro be sy fitsipika ara-pitondrantena samy hafa aza. Voazarazaran’ny fitompoan-teny fantatra ara-pirenena sy ara-pirazanana ary ara-toe-karena koa izy ireny. Ambonin’izany, dia niady izy ireo ka tonga mihitsy hatramin’ny fifanenjehana, ny fifandrafiana sy ny fifamonoana. Tamin’izany no nampifanoheran’ireo ady roa lehibe indrindra teo amin’ny Tantara, firenena “kristiana”.

Inona no azontsika tsoahina avy amin’izany? Na tsy fivavahana marina ny kristianisma, na misy tsy fitoviana lehibe eo amin’ny fihamboana fotsiny ho kristiana sy ny tena maha-toy izany tokoa. Araka ny filazan’i Jesosy Kristy, mpanorina ny kristianisma, dia ny fanatsoahan-kevitra faharoa no tsara. Indray mandeha izy dia niresaka ny amin’ny olona izay hiantso azy hoe “Tompoko, Tompoko”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hihambo ho kristiana izy ireny, satria hanaiky an’i Jesosy ho Tompony. Ary ho sahirana aoka izany izy ireny hanatanteraka amin’ny anarany, asa toa lehibe. Hilaza amin’izy ireny toy izao anefa i Jesosy: “Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” — Matio 7:22, 23.

Marina tokoa fa tsy misy na dia iray aza amintsika maniry ho ao anatin’izany tarehin-javatra izany! Ahoana àry no mety hamantarantsika na kristiana marina isika na tsia? Moa ve misy fanalahidy mahatonga ho afaka hamantatra ny fivavahana marina?

Ny fanalahidy

Eny, misy. Mazava ho azy fa mitaky zavatra be dia be ny kristianisma. Ohatra, ny kristiana marina iray dia tokony hanana finoana an’Andriamanitra mafy orina, satria “raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy”. (Hebreo 11:6.) Tokony hisahirana hanao asa marina koa izy. Nanao izao fampitandremana izao i Jakoba mpianatra: “Maty (...) ny finoana, raha tsy misy asa.” (Jakoba 2:26). Afa-tsy izany koa, ny apostoly Paoly dia nanipika ny maha-zava-dehibe ny hananana ‘fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy’. (Kolosiana 1:9.) Tsy misy na dia iray aza amin’ireo zavatra ireo anefa mahaforona ny fanalahidin’ny kristianisma marina.

Raha ny marina, dia mety hanana fahalalana tsara ny Baiboly isika, hanana finoana mafy orina sy ho sahirana aoka izany amin’ny asa tsara, kanefa dia ho kristiana anarana fotsiny. Ahoana no hetezan’izany? Nanazava izany toy izao ny apostoly Paoly: “Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. Ary na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.” — I Korintiana 13:1-3.

Izany àry no fanalahidy mahatonga ho afaka hamantatra ny fivavahana marina! Izy io dia mifototra amin’ny fitiavana amim-pahatsorana. Iankinan’ny aina ny hananantsika finoana, ny hanaovana asa tsara sy ny hananana fahalalana marina. Kanefa raha tsy manam-pitiavana isika, dia tsy mahasoa antsika firy izany zavatra rehetra izany. Nahoana? Inona no mahatonga ny fitiavana ho toetra tena lehibe toy izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara