Fanarahana ny Fivavahana Madio mba Hahatafita Velona
“Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: (...) ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” — JAKOBA 1:27.
1. Inona no nolazaina fa hevitry ny hoe fivavahana, ary iza, araka ny fandrindran-kevitra, no manana ny zo hanapaka ny amin’ny fahasamihafana eo amin’ny fivavahan-diso sy ny fivavahana marina?
NOLAZAINA ho “ny fanehoan’ny olona ny finoany sy ny fanajany lalina ny hery iray ambony noho ny olombelona izay ekeny ho ny mpamorona sy mpanapaka izao rehetra izao” ny hevitry ny hoe fivavahana. Iza àry, araka ny fandrindran-kevitra, no manana ny zo hanapaka ny amin’ny fahasamihafana eo amin’ny fivavahana marina sy ny fivavahan-diso? Azo antoka fa tsy maintsy ho Ilay inoana sy hajaina lalina, dia ny Mpamorona, izany. Nanoritra mazava tao amin’ny Teniny ny toerana tanany momba ny fivavahana marina sy ny fivavahan-diso i Jehovah.
Ny teny hoe “fivavahana” ao amin’ny Baiboly
2. Ahoana no anazavan’ireo rakibolana ilay teny grika tany am-boalohany nadika hoe “endriky ny fanompoam-pivavahana” na hoe “fivavahana”, ary amin’ny karazam-panompoam-pivavahana inona avy no azo ampiharana azy io?
2 Ny teny grika nadika hoe “endriky ny fanompoam-pivavahana”, na “fivavahana”, dia ny hoe thre·skeiʹa. Ny Rakibolana grika sy anglisy iray ny amin’ny Testamenta Vaovao dia milaza fa ny hevitr’io teny io dia hoe “fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra, fivavahana, indrindra fa rehefa miseho amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana na fanolorana fanompoam-pivavahana”. Ny Rakibolana ara-teôlôjian’ny Testamenta Vaovao dia manome tsipirian-javatra fanampiny amin’ny fanambarana hoe: “Iadiana hevitra ny niaviany; (...) misy manam-pahaizana maoderina tia kokoa ny mampifandray azy amin’ny hoe therap- (‘manompo’). (...) Azo atao koa ny manamarika ny fanavahana eo amin’ny hevitra. Ny dikany tsara dia hoe ‘zotom-po ara-pivavahana’ (...), ‘fanolorana fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra’, ‘fivavahana’. (...) Misy dikany ratsy koa anefa, dia ny hoe ‘fanaovan-javatra tafahoatra ara-pivavahana’, ‘fanompoam-pivavahana diso’ ”. Araka izany, ny hoe thre·skeiʹa dia azo adika hoe “fivavahana” na hoe “endriky ny fanompoam-pivavahana”, na tsara na ratsy.
3. Ahoana no nampiasan’ny apostoly Paoly ilay teny nadika hoe “endriky ny fanompoam-pivavahana”, ary fanazavana mahaliana inona no omena momba ny fandikana ny Kolosiana 2:18?
3 Miseho inefatra monja io teny io ao amin’ireo Soratra grika kristiana. Nampiasa azy io indroa ny apostoly Paoly mba hanondroana ny fivavahan-diso. Ao amin’ny Asan’ny apostoly 26:5 izy dia voalaza ho nanambara fa, talohan’ny nahatongavany ho kristiana, dia “Fariseo aho araka ny antoko, fatra-pitana indrindra ny lalàna amin’ny fivavahantsika” [“endriky ny fanompoam-pivavahana”, NW].” Ao amin’ny taratasiny ho an’ireo Kolosiana, izy dia nampitandrina toy izao: “Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana [endriky ny fanompoam-pivavahana, NW] amin’ny anjely.” (Kolosiana 2:18). Toa niely patrana ny fanolorana fanompoam-pivavahana tamin’ny anjely tany Frizia tamin’izany andro izany, nefa endriky ny fanompoam-pivavahana diso izany.a Mahaliana ny manamarika fa, raha mandika ny hoe thre·skeiʹa amin’ny hoe “fivavahana” ny ankamaroan’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly, ao amin’ny Kolosiana 2:18 ny ankamaroan’izy ireo dia mampiasa ny teny hoe “fanompoam-pivavahana”. Tsy miovaova anefa Ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao fa mandika ny hoe thre·skeiʹa amin’ny hoe “endriky ny fanompoam-pivavahana” hatrany hatrany, ka ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Baiboly misy fakàn-teny dia milaza foana fa ny teny mahasolo azy hafa hoe “fivavahana” no andikana azy ao amin’ireo dikan-teny amin’ireo fiteny avy amin’ny teny latina.
“Madio sady tsy misy loto” eo anatrehan’Andriamanitra
4, 5. a) Araka an’i Jakoba, ny toerana tanan’iza momba ny fivavahana moa no lehibe indrindra? b) Nahoana no mety ho zava-poana ny endriky ny fanompoam-pivavahana arahin’ny olona iray, ary inona no tiana holazaina amin’ilay teny nadika hoe “zava-poana”?
4 Ireo toerana roa hafa isehoan’ny teny hoe thre·skeiʹa dia ao amin’ny taratasy nosoratan’i Jakoba mpianatra, mpikambana tao amin’ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Nanoratra toy izao izy: “Raha misy manao azy ho mpivavaka [mpanolotra endriky ny fanompoam-pivavahana, NW], nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany [endriky ny fanompoam-pivavahan’izany olona izany, NW]. Izao no fivavahana [endriky ny fanompoam-pivavahana, NW] madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” — Jakoba 1:26, 27.
5 Eny, tena iankinan’ny aina ny fanarahana ny toerana tanan’i Jehovah momba ny fivavahana raha tiantsika ny hahazo ny fankasitrahany ka ho tafita velona ho ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenainy. (2 Petera 3:13). Asehon’i Jakoba fa mety ho toa tena tia fivavahana marina eo imason’ny tenany ny olona iray, kanefa mety ho zava-poana ny endriky ny fanompoam-pivavahana arahiny. Ny teny grika nadika eto hoe “zava-poana” dia midika koa hoe “tsy misy fotony, foana, tsy misy vokany, tsy misy ilàna azy, tsy manan-kery, tsy misy fahamarinana”. Izany dia mety hihatra amin’ny olona iray mihambo ho kristiana izay tsy namehy ny vavany ka tsy mampiasa azy mba hiderana an’Andriamanitra sy hampaherezana ireo kristiana namany. ‘Hamitaka ny fony’ izy amin’izay ka tsy hanaraka ny “fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra”. Ny fomba fihevitr’i Jehovah no izy.
6. a) Inona no foto-kevitry ny taratasin’i Jakoba? b) Fepetra inona ho an’ny fanompoam-pivavahana madio no nasongadin’i Jakoba, ary inona no nambaran’ny Kolejy foibe amin’izao andro ankehitriny izao momba izany?
6 Tsy nitanisa ireo zavatra rehetra takin’i Jehovah mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana madio i Jakoba. Mifanaraka amin’ny foto-kevitra ankapobeny ao amin’ny taratasiny, izany hoe ny finoana aseho amin’ny asa, sy ny ilàna hihazonana ny tena ho afaka hatrany amin’ny fisakaizana amin’ny tontolon’i Satana, izy dia tsy mampisongadina afa-tsy fepetra takina roa. Ny iray amin’izany dia “ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany”. Tafiditra amin’izany ny tena fitiavana kristiana marina. I Jehovah dia naneho fiahiana feno fitiavana an’ireo kamboty sy mpitondratena foana. (Deoteronomia 10:17, 18; Malakia 3:5). Ny iray tamin’ireo asa voalohany nataon’ny kolejy foiben’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia ho fiarovana ireo mpitondratena kristiana. (Asan’ny apostoly 6:1-6). Nanome toromarika feno tsipirian-javatra ny apostoly Paoly ny amin’ny fanehoana fiahiana feno fitiavana an’ireo mpitondratena antitra sady tsy nanam-pivelomana izay niseho ho nahatoky nandritra ny taona maro ka tsy nanan-kavana hanampy azy. (1 Timoty 5:3-16). Ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao koa dia namoaka toromarika voafaritra tsara momba ny ‘Fiahiana ny mahantra’ ka nanambara hoe: “Ny fanompoam-pivavahana marina, ankoatra ny zavatra hafa, dia natao hikarakarana ireo olo-mahatoky mety hila fanampiana eo amin’ny lafiny ara-nofo.” (Jereo ny boky Voalamina mba hanatanteraka tsara ny fanompoantsika, pejy 122-123.) Ireo kolejin’ny loholona na ireo kristiana isam-batan’olona izay miseho ho manao tsirambina amin’io lafiny io dia manadino ny lafiny lehibe iray amin’ny endriky ny fanompoam-pivavahana izay madio sady tsy misy loto eo anatrehan’ilay Andriamanitsika sady Raintsika.
‘Tsy misy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’
7, 8. a) Zavatra ilaina faharoa amin’ny fivavahana marina inona no notononin’i Jakoba? b) Moa ve ireo klerjy sy pretra mahafeno io fepetra takina io? d) Inona no azo lazaina momba ny Vavolombelon’i Jehovah?
7 Ny zavatra ilaina faharoa amin’ny fivavahana marina ka notononin’i Jakoba dia “ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”. Nanambara i Jesosy hoe: “Ny fanjakako tsy anisan’ity tontolo ity”; mifanaraka amin’izany àry fa ny mpanara-dia azy marina dia tsy ho “anisan’izao tontolo izao”. (Jaona 15:19, MN; 18:36, MN). Azo atao ve ny milaza izany momba ireo klerjy sy pretran’ireo fivavahan’ity tontolo ity, na inona izany na inona? Mankasitraka ampahibemaso ny Firenena mikambana izy ireo. Nanaiky ny fanasan’ny Papa hihaona tany Assise, any Italia, tamin’ny Oktobra 1986, ny maro tamin’ireo filohany, mba hampiray ny vavaka hataon’izy ireo ho fahombiazan’ny “Taona iraisam-pirenena ho an’ny Fiadanana”, izay ny ONU no tompon’andraikitra taminy. Kanefa, foana tsy nisy vokany ny ezaka nataon’izy ireo, raha tsaraina amin’ireo olona an-tapitrisany maro voavono tamin’ireo ady tamin’io taona io sy tamin’ireo taona nanaraka. Mifanerasera amim-pisakaizana amin’ny antoko ara-politika mitana ny fahefana matetika ny klerjy, sady mamadika azy amin’ny fanaovana fifanekena miafinafina amin’ny mpanohitra, mba handraisan’izay manapaka rehetra azy ireo ho toy ny “sakaiza”. — Jakoba 4:4.
8 Fantatra hatraiza hatraiza ho kristiana mitana fialanalanana eo amin’ny raharaha ara-politika sy eo amin’ireo adin’ity tontolo ity ny Vavolombelon’i Jehovah. Mihazona izany fihetsika izany izy ireo any amin’ny kôntinanta rehetra sy any amin’ny firenena rehetra, araka ny hamarinin’ny fitantaran’ny gazety sy ny tatitra ara-tantara maoderina any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany. Tena ‘tsy misy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’ marina izy ireo. Ny azy ireo no ilay “fivavahana izay madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra”. — Jakoba 1:27.
Famantarana hafa ny fivavahana marina
9. Inona no fepetra fahatelo ho an’ny fivavahana marina, ary nahoana?
9 Raha toa ny fivavahana ka “fanajana lalina ny hery iray ambony noho ny olombelona izay ekeny ho ny mpamorona sy mpanapaka izao rehetra izao”, dia azo antoka fa tsy maintsy mampivantana ny fanolorana fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina, dia i Jehovah, ny fivavahana marina. Izy io dia tsy tokony hanakona ny fahatakaran’ny olona momba an’Andriamanitra amin’ny fampianarana hevitry ny mpanompo sampy toy ny Andriamanitra telo izay iray, izay mampiseho ny Ray ho mizara ny maha-tsitoha azy sy ny voninahiny ary ny maha-mandrakizay azy amin’ny persona roa hafa ao anatin’ny Trinite mifono zava-miafina. (Deoteronomia 6:4; 1 Korintiana 8:6). Tsy maintsy mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra tsy manan-tsahala hoe Jehovah izy io ka hanome voninahitra izany anarana izany, eny tokoa, hitondra ny anaran’Andriamanitra amin’ny maha-vahoaka voalamina azy. (Salamo 83:18; Asan’ny apostoly 15:14). Raha ny amin’izany, ireo mpanaraka io fivavahana io dia tsy maintsy manaraka ny ohatr’i Kristy Jesosy. (Jaona 17:6). Vahoaka iza amin’izao andro izao no mahafeno io fepetra io raha tsy ny kristiana Vavolombelon’i Jehovah ihany?
10. Mba hanoloran’ny fivavahana iray fahafahana ho tafita velona ho ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia inona no tsy maintsy ataony, ary nahoana?
10 Nanambara ny apostoly Petera hoe: “Tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa [ankoatra ny an’i Jesosy Kristy] ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” (Asan’ny apostoly 4:8-12). Ny fivavahana madio izay hanolotra fahafahana ho tafita velona ho ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra àry dia tsy maintsy mamelona finoana an’i Kristy sy ny vidin’ny sorom-panavotana ao amin’ny mpanaraka azy. (Jaona 3:16, 17; 17:3; Efesiana 1:7). Ambonin’izany, dia tsy maintsy manampy ireo mpivavaka marina hanaiky an’i Kristy ho ilay Mpanjaka efa manapaka sady Mpisoronabe voahosotra notendren’i Jehovah, izy io. — Salamo 2:6-8; Filipiana 2:9-11; Hebreo 4:14, 15.
11. Inona no tsy maintsy iorenan’ny fivavahana marina, ary inona no toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah momba izany?
11 Tsy maintsy miorina amin’ny sitrapon’ilay hany Andriamanitra marina naharihary ny fivavahana madio fa tsy amin’ireo lovantsofina sy filôzôfia nataon’olombelona. Tsy ho nahafantatra na inona na inona momba an’i Jehovah sy ireo fikasany mahatalanjona, na momba an’i Jesosy sy ny sorom-panavotana, isika raha tsy noho ny Baiboly. Manorina ao amin’ny olona fatokiana tsy azo ravana ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Porofoin’izy ireo amin’ny fomba fiainany isan’andro koa fa mitovy hevitra amin’izao fanambaran’ny apostoly Paoly izao izy ireo: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, (...) mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 Timoty 3:16, 17.
Ny fivavahana marina — Fomba fiaina
12. Ankoatra ny finoana, inona no tena ilaina mba haha-marina ny fanompoam-pivavahana, ary amin’ny lafiny inona avy ny fivavahana marina no fomba fiaina?
12 Nanambara i Jesosy hoe: “Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.” (Jaona 4:24). Tsy fampisehoana fitiavana an’Andriamanitra ivelany feno fombam-pivavahana sy fombafomba àry izany ny fivavahana, na ny endriky ny fanompoam-pivavahana, marina. Ny fanompoam-pivavahana madio dia araka ny fanahy, miorina amin’ny finoana. (Hebreo 11:6). Tsy maintsy tohanan’ny asa anefa izany finoana izany. (Jakoba 2:17). Mandà ireo fironana tian’ny besinimaro ny fivavahana madio. Mifikitra amin’ireo fari-pitsipika eo amin’ny fitondrantena sy ny fomba fiteny madio izy io. (1 Korintiana 6:9, 10; Efesiana 5:3-5). Ireo mpanaraka azy dia miezaka mafy amim-pahatsorana hamokatra ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fiainam-pianakaviany, any amin’ny asany ivelan’ny fivavahana, any an-tsekoly ary na dia eo amin’ny fialam-boliny aza. (Galatiana 5:22, 23). Miezaka ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy hanadino velively ny torohevitry ny apostoly Paoly manao hoe: “Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” (1 Korintiana 10:31). Tsy ara-pomba fotsiny ny fivavahan’izy ireo, fa fomba fiaina kosa.
13. Inona no tafiditra ao amin’ny fivavahana marina, ary nahoana no azo lazaina fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia vahoaka tena tia fivavahana marina?
13 Mazava ho azy fa tafiditra ao amin’ny fivavahana marina ireo asa ara-panahy. Anisan’izany ny vavaka ataon’ny tena manokana sy ataon’ny fianakaviana, ny fianarana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy ireo fitaovana fianarana ara-baiboly ary ny fanatrehana ireo fivorian’ny kongregasiona kristiana marina. Ireto farany ireto dia atomboka sy faranana amin’ny hira fiderana an’i Jehovah sy vavaka. (Matio 26:30; Efesiana 5:19). Misy foto-kevitra ara-panahy mampahery dinihina amin’ny alalan’ny lahateny sy ny fiaraha-mandinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, zavatra vita pirinty natao ho azon’ny rehetra raisina. Ireny fivoriana ireny mazàna dia atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana milamina fa tsy be ravaka, izay tsy natao afa-tsy ho an’ny zavatra ara-pivavahana: fivoriana fanao tsy tapaka, fampakaram-bady, fotoam-pivavahana fahatsiarovana. Manaja ireo Efitrano Fanjakanany sy ireo Efitrano fanaovany fivoriambe lehibe kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny maha-toerana natokana ho an’ny fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah azy ireny. Tsy tahaka ireo fiangonana maro be amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, fa tsy toeram-pifaneraserana ara-tsôsialy ireo Efitrano Fanjakana.
14. Nidika ho inona ny fanompoam-pivavahana ho an’ireo olona niteny hebreo, ary asa inona no mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?
14 Hitantsika teo aloha fa mampifandray ilay teny grika nadika hoe “endriky ny fanompoam-pivavahana” na hoe “fivavahana”, amin’ny matoanteny hoe “manompo” ireo manam-pahaizana. Mahaliana ny manamarika fa ny teny hebreo hoe ‛avo·dhahʹ, mifanitsy aminy dia azo adika hoe “fanompoana” na “fanompoam-pivavahana”. (Ampitahao ireo fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Eksodosy 3:12 sy 10:26 ao amin’ny Baiboly misy fakàn-teny.) Tamin’ireo Hebreo, ny fanompoam-pivavahana dia nidika ho fanompoana. Ary izany indrindra no dikany amin’ireo mpivavaka marina amin’izao andro izao. Ny famantarana lehibe dia lehibe iray sady mampiavaka ny fivavahana marina dia ny fandraisan’ireo rehetra manaraka azy anjara amin’ny asa fanompoana araka an’Andriamanitra natao hitoriana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity amin’ny tany onenana manontolo ho vavolombelona ho an’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14, MN; Asan’ny apostoly 1:8; 5:42). Fivavahana iza no fantatra maneran-tany noho ny fanaovany fanambarana ampahibemaso ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenana ho an’ny olombelona?
Hery manorina sy mampiray
15. Inona no tena mampiavaka ny fivavahana marina?
15 Mampisaraka ny fivavahan-diso. Efa niteraka, ary mbola miteraka, fankahalana sy fandatsahan-dra izy io. Mifanohitra amin’izany kosa, ny fivavahana marina dia mampiray. Nanambara i Jesosy hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Ny fitiavana izay mampiray ny Vavolombelon’i Jehovah dia mihoatra ireo fefy ara-pirenena, ara-tsosialy, ara-toekarena sy ara-pirazanana mampisaraka ny sisa amin’ny olombelona. “Maharitra amin’ny fanahy iray (...) ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara [vaovao tsara, MN]” ny Vavolombelona. — Filipiana 1:27.
16. a) Inona ilay “vaovao tsara” torin’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Faminaniana inona avy no tanteraka eo amin’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, ary fitahiana inona avy no nanaraka izany?
16 Ny vaovao tsara torin’izy ireo dia ny hoe tsy ho ela dia ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tsy miova. Madiva ho tanteraka “etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra” ny sitrapony. (Matio 6:10). Hohamasinina ny anaran’i Jehovah be voninahitra, ary ho tonga paradisa ny tany izay hahafahan’ireo mpivavaka marina hiaina mandrakizay. (Salamo 37:29). Misy olona an-tapitrisany maro ara-bakiteny any amin’ny tany rehetra mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ka milaza hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra”, ho fanatanterahana ny faminaniana ao amin’ny Baiboly. (Zakaria 8:23). Mitahy ny vahoakany i Jehovah. Tena nanjary “firenena mahery” tokoa “ny malemy”, dia kongregasiona maneran-tany tafaray tanteraka amin’ny lafiny rehetra — amin’ny eritreritra, amin’ny asa, amin’ny fanompoam-pivavahana. (Isaia 60:22). Izany dia zavatra tsy vitan’ny fivavahan-diso na oviana na oviana.
Ny fandresen’ny fivavahana madio
17. Inona no miandry an’i Babylona Lehibe, ary amin’ny fomba ahoana no hahatongavan’izany?
17 Nilaza mialoha ny amin’ny fandringanana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, antsoina ara-panoharana hoe “Babylona Lehibe”, ny Tenin’Andriamanitra. Mampiseho ara-panoharana ireo “mpanjaka”, na mpanapaka ara-politika, amin’ny tany, amin’ny tandroky ny biby dia iray koa ny Baiboly. Asehony amintsika fa hanome fo ireo mpanapaka ireo mba hanjera sy handringana tanteraka io fikambanan’i Satana Devoly oharina amin’ny vehivavy janga io, Andriamanitra. — Apokalypsy 17:1, 2, 5, 6, 12, 13, 15-18.b
18. Antony lehibe inona no omen’ny Baiboly ho an’ny fandringanana an’i Babylona Lehibe, ary oviana ny fivavahan-diso no nanomboka nanaraka io lalana mahatsiravina io?
18 Nahoana i Babylona Lehibe no mendrika ny fandringanana? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Tao anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:24). Mba hampisehoana fa ny fivavahan-diso dia efa nampiditra io trosan-dra io talohan’ny fanorenana an’i Babylona mihitsy, dia nanameloka ireo mpitondra fivavahana teo amin’ny jodaisma izay nifikitra tamin’i Babylona Lehibe, i Jesosy ka nanao hoe: “Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo [Gehena, MN]? (...) Hanody anareo ny ra marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela marina.” (Matio 23:33-35). Eny, tsy maintsy ampamoahina noho ny trosan-drany mahatsiravina ny fivavahan-diso, izay nanomboka teto an-tany tamin’ny fotoan’ny fikomiana tany Edena.
19, 20. a) Inona no hataon’ny mpivavaka marina rehefa avy nampiharina tamin’i Babylona Lehibe ny fitsarana? b) Inona no hitranga amin’izay, ary fahatsinjovan-javatra inona no misokatra eo anoloan’ny mpivavaka marina rehetra?
19 Aorian’ny fandringanana an’i Babylona Lehibe, ireo mpivavaka marina eto an-tany dia hampiray ny feony amin’ilay antoko mpihira any an-danitra ka hihira hoe: “Miderà an’i Jah, ianareo ry olona! (...) Fa nampihatra fitsarana tamin’ilay vehivavy janga lehibe izy (...) ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany. (...) Ary ny setroka avy aminy dia miakatra mandrakizay mandrakizay.” — Apokalypsy 19:1-3, NW.
20 Avy eo, dia horinganina ireo tapany hafa mahaforona ny fandaminan’i Satana hita maso. (Apokalypsy 19:17-21). Aorian’izany, i Satana, ilay mpamorona ny fivavahan-diso rehetra, sy ireo demoniany dia hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa. Tsy ho afaka hanenjika ireo mpivavaka marina amin’i Jehovah intsony izy ireo. (Apokalypsy 20:1-3). Ho naharesy ny fivavahan-diso ny fivavahana madio. Ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky izay mankatò ny fampitandreman’Andriamanitra mba handositra hiala avy ao amin’i Babylona Lehibe ankehitriny dia hahazo ny fahafahana ho tafita velona ka hiditra ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Ao izy ireo dia ho afaka hanaraka ny fivavahana marina sy hanompo an’i Jehovah mandrakizay amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana momba ny fanolorana fanompoam-pivavahana amin’ny anjely voalaza ao amin’ny Kolosiana 2:18, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 15 Oktobra 1985, pejy 12-13.
b Mba hahazoana fanazavana feno momba io faminaniana io, dia jereo ny boky La Révélation — le grand dénouement est proche! natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., toko faha-33-36.
Tsapao ny Fitadidianao
◻ Ny toerana tanan’iza momba ny fivavahana no lehibe indrindra, ary nahoana?
◻ Fepetra roa inona ho an’ny fivavahana marina no nasongadin’i Jakoba?
◻ Fepetra hafa inona avy no takina amin’ny fanompoam-pivavahana madio?
◻ Inona ilay “vaovao tsara” torin’ny Vavolombelon’i Jehovah?
◻ Ahoana no handresen’ny fivavahana marina ny fivavahan-diso?
[Sary, pejy 27]
Tafangona tany Assise, any Italia, tamin’ny Oktobra 1986, ireo filoha ara-pivavahana
[Sary, pejy 29]
Tafiditra ao amin’ny fivavahana marina ny fiaraha-mivory ho fanolorana fanompoam-pivavahana