‘Tsy afaka nanakombona azy aho’
NY vehivavy mpivarotra iray nonina tao amin’ny renivohitr’i Sainte-Lucie, nosy iray any Antilles, dia nandray anankiray tamin’ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Nanoratra ho anay izao manaraka izao ilay olona nanome azy izany:
“Talohan’ny faran’ny herinandro, intelo, dia nangataka ahy izy io mba hiditra rehefa nandalo teo anoloan’ny magazainy aho. Novakiny ny tapany sasany tamin’ilay boky ary niriny ny hanomezako azy fanazavana misimisy kokoa momba ny afobe, ny fanahy, ny tsy maha-renin’Andriamanitra an’i Maria, ets. Na dia voatana aoka izany tamin’ny varony aza izy ary tsy zatra ny namaky zavatra betsaka, dia vitany tao anatin’ny tapa-bolana ilay boky. Izao aza no nolazainy tamiko: ‘Mbola tsy namaky zavatra be dia be toy izany aho teo amin’ny fiainako. Na dia rehefa narary an-doha aza aho noho ny famakian-teny be loatra, dia tsy afaka nanakombona ilay boky aho.’ ”
Io boky io dia mamelabelatra saika ny fampianarana araka ny Baiboly iadian-kevitra rehetra ary mampiseho ny toe-javatra amin’ny fomba fohy sy mazava aoka izany, hany ka tsy sarotra amin’ny mpamaky mihitsy ny mahita ny valin’ireo fanontaniana apetrany amin’ny tenany. Ataovy izay hahazoana anankiray amin’izany, dia ho takatrao ny antony ankamamiana aoka izany ny famakiana azy.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky mifono baoritra sy misy sary 256 pejy hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.