Boky iray ho an’ny olona rehetra: Inona no hofidinao?
RAHA azonao atao, na dia ao aza izay rehetra tokony hataonao isan’andro, ny mamaky boky iray isan-kerinandro, dia ho afaka hahavaky boky 3 000 ianao mandritra ny andro ahavelomanao. Kanefa, na dia miavaka tokoa aza io tarehi-marika io dia rano indray mitete monja ao anatin’ny siny iray. Isan-taona tokoa dia avy folo heny ny isan’ny boky vaovao avoaka, any Etazonia fotsiny. Ary io isa io koa dia tsy mahafaoka ireo boky fianarana tsy maintsy ho efa novakin’ny olona nahita fianarana rehetra.
Miharihary àry fa izao fanamarihana natao ny amin’ny boky izao, tokony ho 3 000 taona eo ho eo izay dia vao mainka marina tsy misy toy izany amin’izao andro izao: “Tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.” — Mpitoriteny 12:12.
Nefa eo afovoan’izany boky maro be izany, moa ve misy boky iray sarobidy aoka izany sy lehibe aoka izany ka mihoatra ny hafa rehetra, boky iray tokony hovakin’ny rehetra? Moa ve izy io boky mandresy fefy ara-pirenena, ara-pahaizana sy ara-pitenenana ka mendrika ny holazaina fa hita hatraiza hatraiza?
Tsy mahasoa ara-pahalalana ranofotsiny velively io fanontaniana io, satria amin’ny farany ny zavatra vakintsika dia misy heriny eo amin’ny fomba fisainantsika, ny fahatsarantsika sy ny fitsarantsika. Io fanontaniana io dia nitana ary mbola mitana ny sain’ireo mpampianatra, ray aman-dreny sy olon-kafa. Famotopotorana maro no natao mba hamantarana izay tena ilaina hovakina, ary nahazoana vokany mampiharihary zavatra tokoa.
Izay nofidin’ireo manam-pahaizana manokana
Tamin’ny 1890, ny mpanonta boky iray dia namelabelatra io foto-kevitra io niaraka tamin’ny olo-malaza tamin’ny haisoratra tamin’ny androny. Nangataka azy ireo izy mba hanonona ireo boky hitany ho lehibe indrindra. Inona avy no notanan’izy ireo? “Ny Baiboly, Shakespeare sy Homère no tsy azo lavina fa tian’ireo mpanao haisoratra tamin’ny taonjato faha-19, hoy ny fitantaran’ny boky misy fanamarihana iray. “Ary amin’ny fitambarany, hoy ny teny nanampin’io boky io, dia tsy hiova hatrany io tabilaom-boninahitra io amin’izao andro izao.”
Nisy famotopotorana vao haingana kokoa nanamarina izany filazana izany. Ohatra, tamin’ny septambra 1982, ny gazety Time dia namoaka ny valintenin’ny profesora, mpanoratra tantara sy mpikarakara fitehirizam-boky ambony valo tamin’ny fanontaniana hoe: “Inona moa ireo boky dimy tokony ho efa novakin’izay rehetra mety ho olona nahita fianarana?” Na dia tsy nifanaraka daholo aza ireo olona rehetra ireo, ny dimy tamin’ny valo, izany hoe mazava fa ny ankamaroany, dia nampiditra ny Baiboly tao amin’ny boky nanoroany hevitra hovakina. Ny amin’ny famotopotorana iray sahala amin’izany, dia tantarain’ny Psychology Today fa tamin’ireo boky 165 voatonona, dia ny Baiboly no nahazo isa betsaka indrindra, izany hoe 15. Tsy nisy mihitsy boky hafa nanakaiky an’io vokany io”.
Mahaliana indrindra ireo fanatsoahan-kevitra tamin’ny fitsapana iray nataon’ny The Korea Times: tian’io gazety io hofantarina izay hevitr’ireo Koreana tsy manaraka ny finoana kristiana ny amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. “Ny fitantarana ny amin’ny fitsapana, hoy ny nasain’ilay gazety nomarihina, dia nampiseho fa ny kristiana dia tia tena kokoa, tia tombony kokoa sy tsy tia miasa tsara kokoa noho ny hafa.” Izao anefa no lazain’ilay fitantarana eo aoriana kokoa: “Na dia tsy manam-pinoana aza ny 70 isan-jaton’ny olona nadinina dia nihevitra ny Baiboly ho sarobidy tokoa.”
Ny boky be mpifidy indrindra
Ho azo atao ny hahatsiahy fitsapana sy famotopotorana karazan’izany mba hampisehoana fa ny Baiboly dia notondroina imbetsaka dia imbetsaka ho ny boky mihoatra lavitra noho ny hafa rehetra. Noho ny antony samihafa, izy io dia niharihary ho ny boky be mpifidy indrindra tamin’ny rehetra, na taloha na amin’izao androntsika izao, atỳ Atsinanana toy ny any Andrefana.
Nefa ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, ahoana no hevitrao manokana? Raha miaina ao amin’ny tany iray any andrefana ianao, heverinao ve fa lany andro ny Baiboly eo amin’izao tontolo izao misy antsika ankehitriny sy ara-tsiansa, ka tsy ilaina loatra izy io mba handaminana ireo zava-manahirana ankehitriny? Raha monina ao amin’ny tany iray atỳ atsinanana ianao, moa ve ianao mihevitra ny Baiboly ho boky tandrefana, ka noho izany dia tsy zava-dehibe ho anao? Sa kosa ny Baiboly mirakitra hafatra ilain’ny olona rehetra ho re amin’izao andro izao? Moa ve izy io mihevitra ireo zava-manahirana hitan’ny olona maneran-tany ankehitriny? Moa ve izy io tena boky ho an’ny olona rehetra?