Tsy ho nihevitra mihitsy izy fa hahita fahafinaretana amin’ny famakiana azy
Nanoratra ho anay toy izao ny vehivavy iray tany Pennsylvanie: “Raha nilazana aho fa indray andro any dia hamaky amim-pahafinaretana boky iray momba ny evaolisiona, dia ho namaly aho fa tsy nety hisy na oviana na oviana izany.” Novakin’io vehivavy io anefa ilay boky vaovao hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?. Izao no teny nanampiny momba an’io boky tsara tarehy feno sary io:
“Amin’ny teny tsotra no anazavanareo izay sarotra tamiko ny nahazo azy. Araka ny nanoratana azy, io boky io dia mety hahaliana ny olona tso-po rehetra, na evaolisionista izy na mino ny famoronana (...).
“Tsaroako ho efa nandinika sasany tamin’ireo hevitra velabelarina ao amin’io boky io aho tamin’ny fianarana siansa sy biolojia, kanefa tsy tamin’ny fomba hambolena fankasitrahana ny Mpamorona mihitsy. Nankamamiko indrindra ny toko hoe ‘Izao rehetra izao mahatalanjona’, ‘Manaporofo fandaminana mampitolagaga ny fiainana’ ary ‘Iza no namorona izany?’.”
Mba hahafantarana ny fomba hahazoana an’io boky 256 pejy, be velarana io, dia fenoy sy avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila eto akaiky.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe La vie: comment-est elle apparue? Evolution ou création?.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Photo NASA