Ny Baiboly: ilay boky ho an’ny olona rehetra
“INDREO nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana.”
Iza àry izany olona betsaka izany? Ary inona no ataony?
“Nitana sampan-drofia teny an-tànany” izy ireo, hoy ny fanazavan’ny fitantarana nanaraka izany. “Dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika [dia avy amin’Andriamanitsika, MN], Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanak’ondry [avy amin’ny Zanak’ondry, MN].” Izany akory tsy vahoaka misafoaka mitaky zo na manao fihetsiketsehana noho ny antony iray. Izany kosa aza dia vahoaka sambatra sy falifaly vao avy niaina tao anatin’ny fahatsapan-javatra mahavariana. “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, (...). Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo (...) ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.”
Hafatra ho an’ny olona rehetra
Ny filazalazana ny amin’izany “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra izany dia ao amin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly, dia ny Apokalypsy, ao amin’ny andininy faha-9 ka hatramin’ny faha-17 amin’ny toko faha-7. Amin’ny teny misy ohatra, io boky io dia milazalaza mialoha ny andro tsy hampisaratsaraka intsony ny olona amin’ny alalan’ny firazanana, ny fiteny na ny firenena, fa hahatafaray azy ireo kosa ao anatin’ny fiadanana sy ny fifanarahana, tena hahafaka azy ireo amin’ny tahotra ka hahazoany fahafaham-po amin’izay ilainy. Izany dia hafatra tsy manam-paharoa raha ny amin’ny zavatra raketiny izay asehon’ny Baiboly ny olona rehetra.
Hanontany tena angamba anefa ianao hoe ‘amin’ny heviny ahoana io hafatra io no tsy manam-paharoa? Moa ve tsy misy olombelona miresaka ny amin’ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina maneran-tany?’ Marina izany. Amin’izao fotoan’ny fihenjanana iraisam-pirenena izao, hamafisin’ny ady ara-politika, ara-pirazanana, ara-toe-karena sy ara-pivavahana, olona manan-tsaina iza no tsy mihevitra ny fiadanana maneran-tany? Kanefa, ela be talohan’ny nipoahan’ireny ady niraisam-pirenena ireny ary ela be talohan’ny fanahiana ny amin’ny fahatafitana velon’ny taranak’olombelona, ny Baiboly dia nanambara fotoana hananan’ny olombelona rehetra fiadanana sy firaisan-tsaina eo ambanin’ny fitondram-panjakana tokana, dia ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ny fahitana izao tontolo izao tamin’ny voalohany
Raha vao teo am-piandohana ny Baiboly dia nihevitra ny ho avin’ny olombelona tamin’ny ambaratonga maneran-tany. “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy”, izany no didy voalohany nomen’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona an’i Adama sy Eva, azy ireo (Genesisy 1:28). Tsy ho razamben’ny firazanana iray na ny firenena manokana iray Adama sy Eva. Ho tonga ray aman-drenin’ny taranak’olombelona kosa izy. Nanaporofo ny amin’izany ny apostoly Paoly rehefa nitondra ny hafatra ao amin’ny Baiboly ho an’ireo Grika tany Atena. Nilaza tamin’izy ireo izy fa “ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny [Andriamanitra] ambonin’ny tany rehetra”. — Asan’ny apostoly 17:26.
Tokony hekentsika fa ny hevitra ilazana fa mpirahalahy sy mpianadahy na mpirahavavy avokoa ny olona rehetra dia lasa aloha be noho ny hevitry ny olona amin’ny ankapobeny. Ankehitriny aza, na dia ao aza ny kabarim-pandriampahalemana sy firahalahiana maneran-tany rehetra, moa ve tsy tokony hekena fa ny fitompoan-teny fantatra ara-pirazanana sy ny fanindrahindram-pirenena dia mbola anisan’ireo antony lehibe indrindra miteraka fisaratsarahana izay mitambesatra amin’ny olombelona? Ny Baiboly anefa dia mandresy ireny fefy ireny sy ny hafa koa. Izy io dia natao ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra toy ny amin’ny fianakaviambe iray ary mampiseho ny tany ho toy ny fonenana midadasika ho an’ny taranak’olombelona rehetra. Amin’izany heviny izany izy io dia tena boky ho an’ny olona rehetra.
Ny fahatsinjovana ny hahita ny taranak’olombelona rehetra miaina amin’ny maha-fianakaviana sambatra eo amin’ny tany manontolo dia ho tanteraka raha nankatò an’i Jehovah Andriamanitra hatrany Adama sy Eva. Tsy izany anefa no hita. Ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa “tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. — Romana 5:12.
Miharihary amin’io andininy io fa tsy misy mihitsy firazanana na firenena ambony na ambany noho ny firazanana na ny firenena iray. Amin’izany koa ny Baiboly dia natao ho an’ny olombelona rehetra tsy misy fitompoan-teny fantatra na fizahan-tavan’olona. Asehony fotsiny fa “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23.) Raha marina fa ny mponina any amin’ny faritra sasany dia manana tombontsoa amin’ny ara-nofo, nahita fianarana kokoa ary manana tombontsoa hafa, moa ve azo atao ny mandà fa, na any amin’ny toerana aiza na any amin’ny toerana aiza, ny olona dia tojo zava-manahirana lehibe mitovy, dia ny aretina, ny fahanterana, ny tsy fahatanterahana sy ny fahafatesana?
Fampanantenana mba hahasoa ny olombelona
Na dia nanjary sarotra aza ny toe-piainan’ny olombelona, dia tsy navela tsy hanana fanantenana akory ny olombelona. Tamin’ny fotoana nety, dia nandray anjara Jehovah tamin’ny fanomezana fampanantenana. Hoy izy tamin’i Abrahama: “Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:18). Aoka homarihintsika aloha fa izany fampanantenana izany dia anisan’ny zavatra inoan’ny telo amin’ireo fivavahana lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao: ny jodaisma, ny kristianisma sy ny silamo. Ny Baiboly ihany no mampiharihary hoe ahoana no nahatanterahan’io fampanantenana io tamin’ny filazalazana ireo fifandraisana notanan’i Jehovah tamin’i Abrahama sy ireo taranany, indrindra fa ny Isiraely taloha.
Mahita hokianina amin’izany anefa ny maro. Mieritreritra izy fa izany dia toe-javatra mampiavaka ny fizahan-tavan’olona na ny fitompoan-teny fantatra ara-pirenena. Izany fiheverana izany dia mahatonga azy ireo handa ny Baiboly, na fara faharatsiny, tapany lehibe amin’ny Soratra hebreo izay heveriny ho lovantsofim-poko fotsiny. Marim-pototra ve anefa izany fiheverana izany? Nahoana Jehovah no naneho fitokisana an’i Abrahama toy izany ka nanome azy an’io fampanantenana io?
Manazava toy izao ny Baiboly: “ ‘Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany’, ary natao hoe ‘Sakaizan’Andriamanitra’ izy”. (Jakoba 2:23). Zavatra mahaliana fa ny boky masin’ny silamo, ny Coran, dia milaza mazava koa fa noho ny finoany no naneken’i Jehovah an’i Abrahama ho sakaiza. “Ary iza no manana fivavahana tsara kokoa noho izay manaiky tanteraka ny sitrapon’i Allâh, izay manao ny tsara ary manaraka ny finoan’i Abrahama amin’ny maha-Hanif azy. Satria Allâh nandray an’i Abrahama ho sakaiza.” — Sourate IV, andininy faha-124, Le Coran, fandikan-teny manontolo nataon’i Edouard Montet.
Ary ny Isiraelita? 400 taona mahery taorian’ny nanomezan’Andriamanitra ny fampanantenany an’i Abrahama, dia niteny tamin’izy ireo toy izao i Mosesy: “Tsy noho ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa hianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza; fa ny nitiavan’i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo.” — Deoteronomia 7:7, 8.
Tsy hoe satria Abrahama na ny Isiraelita anisan’ny firazanana na ny firenena ambony iray, na hoe satria nisy naha-tsara kokoa azy noho ny hafa no antony nifidianan’Andriamanitra azy ireo. Izany kosa dia noho ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fankasitrahany an’izay tsy mendrika akory, nifototra tamin’ny finoana sy ny asa marina. Nanao izay hanamarihana izany ny apostoly Petera tamin’ny filazana hoe: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” — Asan’ny apostoly 10:34, 35.
Araka izany, dia nisy aza fotoana tsy nifampiraharahan’i Jehovah afa-tsy tamin’ny firenen’ny Isiraely nandritra ny fotoana sasany, ny tena nokendreny dia ny fahasambaran’ny olona rehetra. Ny Baiboly dia tsy mitantara ireo fifandraisam-panekeny tamin’ny Isiraely mba hanandratana ny fanindrahindram-pirenena na hampakarana ny firenena iray raha oharina amin’ny hafa. Mifanohitra amin’izany kosa, “izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina”. (Romana 15:4.) Eny, izany fisehoan-javatra izany dia manipika ny fitiavana sy ny faharetana nasehon’Andriamanitra mba hahatanterahan’ny fanantenana hahita ny olombelona rehetra tafaray indray ao anatin’ny fiadanana sy ny fifandrindrana. Ahoana no hahatonga izany fanantenana izany ho zavatra tena izy?
Fitondrana ho amin’ny fiadanana
Nanazava toy izao i Paoly: “Rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin’ny sitrapony [sitrapon’Andriamanitra] isika, araka ny safidiny izay nokasain’ny tenany, hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany.” (Efesiana 1:9, 10). Inona moa izany “fitondrana” izany?
Io teny io dia ny dikan’ny teny grika hoe oïkonomia, izay ny dikany ara-bakiteny dia hoe “ny fitantanana tokantrano iray”. Araka izany, na dia misaratsaraka aza ny olombelona eo amin’ny lafiny ara-politika, ara-pirazanana, ara-toe-karena sy ara-pivavahana, Andriamanitra dia nikasa ny hanafoana izany anton-javatra mampisaratsaraka rehetra izany ka hanangona indray ny olombelona mankatò rehetra ho fianakaviana maneran-tany sambatra. Ahoana no hanaovany izany? Hanatanteraka ny fikasany izy amin’ny fampiasana ny Fanjakana mesianika izay napetrany eo an-tanan’ny Zanany, Jesosy Kristy. — Jereo Daniela 2:44; Isaia 9:5, 6.
Amin’izao andro izao, eo amin’izao tontolo izao feno fihenjanana sy zava-manahirana, dia olona an-tapitrisany maro maneran-tany no nandray tsara ny hafatra momba ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina raketin’ny Baiboly. Izy ireny dia nandroso tamin’ny naha-“olona betsaka tsy tambo isaina voalazalaza ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Ara-panoharana, izy ireo dia manofahofa sampan-drofia sahady eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, amin’ny fanolorana dera sy amin’ny fanekena ilay “eo ambonin’ny seza fiandrianana”, dia Jehovah Andriamanitra, sy ny “Zanak’ondry”, dia Jesosy Kristy. — Apokalypsy 7:9, 10.
Manintona ny sainao ve izany hafatra izany? Na inona na inona firazananao, firenenao na fiteninao, raha dinihinao sy ekenao izao ny hafatra ao amin’ny Baiboly, dia azonao atao ny miaraka amin’izany “olona betsaka” avy amin’ny firenena rehetra izany. Miaraka aminy, dia azonao atao ny manantitrantitra amim-pitokisana hoe: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany [ny an’Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” — II Petera 3:13.
Azo antoka tokoa fa mety ho boky iray ho anao ny Baiboly.
[Sary, pejy 5]
Niteraka ny taranak’olombelona Adama sy Eva.
[Sary, pejy 7]
Nandao ny taniny i Abrahama ary nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra noho ny finoany sy ny asany marina.