FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/2 p. 13
  • “Tiako ny ho kristiana tsy hivadika”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tiako ny ho kristiana tsy hivadika”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona Marina no Atao hoe Filazantsara?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Krismasy?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Nandray Anjara Betsaka ny Vehivavy
    Mifohaza!—1999
  • Nahoana ny Olona Sasany no Tsy Manao Krismasy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/2 p. 13

“Tiako ny ho kristiana tsy hivadika”

Rehefa avy namaky bokin’ny Fikambanana Watchtower iray mitondra ny lohateny hoe “Que ton royaume vienne!”, ny zazalahy iray any Zimbabwe dia nahatsiaro ho voatosika hanoratra taminay izao manaraka izao:

“Tao anatin’izao taona faramparany izao, dia voadiniko teto Zimbabwe fa ianareo Vavolombelon’i Jehovah no tena mikely aina marina mba hanaraka ny ohatra nomen’i Kristy. Advantista an’ny andro fahafito aho, nefa toa nanary ny herin’ny fanahy masina ny Fiangonako eto amin’ny tanintsika. Manaraka ambokony izao tontolo izao izahay. Ohatra, tsy misy hafa aminareo, izahay dia mino fa tsy teraka ny 25 desambra Kristy, kanefa milaza aminay ireo pastoranay fa afaka mankalaza ny Noely izahay raha mbola mitadidy ao an-tsaina koa fa maty noho ny fahotantsika Kristy. (...)

“Raha ny amin’izay mahakasika ahy, dia tena mankaleo ahy ny milaza ny tenako ho kristiana kanefa ny fomba fiainako mifanohitra amin’ny ohatra omen’i Jesosy. Iriko ny ho kristiana tsy mivadika (...). Hatramin’izao, dia ianareo no hany antokon’olona afaka nampiaiky ahy ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny herin’ny Filazantsarany, amin’ny fomba fiainanareo fa tsy amin’ny alalan’ny lahateny sy ny zavatra voasoratra. Ianareo dia mitory ny Filazantsara sy miaina izany, fa be dia be kosa no mitory izany nefa tsy miaina azy.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara