FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 18
  • Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Krismasy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Krismasy?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no lazain’ny olona?
  • Nahoana izahay Vavolombelon’i Jehovah no tsy mankalaza Krismasy?
  • Nahoana izahay no tsy manao Krismasy, na dia tsy tian’olona aza izahay amin’izany?
  • Inona no Tsapanao Rehefa Krismasy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Tokony hankalaza ny Noely ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Nahoana ny Olona Sasany no Tsy Manao Krismasy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ny Noely — fety iray mampidi-doza ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 18
Ray aman-dreny miresaka amin’ny zanany lahikely. Manokatra fanomezana ilay zanany.

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Krismasy?

Inona no lazain’ny olona?

Hevi-diso: Tsy manao Krismasy ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy mino an’i Jesosy.

Ny marina: Kristianina izahay. Mino izahay hoe amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ihany no ahazoana famonjena.​—Asan’ny Apostoly 4:12.

Hevi-diso: Ampirisihinareo tsy hanao Krismasy ny olona, dia lasa misy fianakaviana misara-bazana vokatr’izany.

Ny marina: Tena tianay ho sambatra ny fianakaviana rehetra. Resahinay amin’izy ireny izay lazain’ny Baiboly, amin’izay ry zareo mifankatia kokoa.

Hevi-diso: Mifanolotra fanomezana ny olona rehefa Krismasy, sady samy miezaka hitandro fihavanana sy ho tsara fanahy. Hoatran’ny hoe misy fiadanana kely mihitsy etỳ an-tany. Ianareo anefa tsy manao Krismasy dia tsy mba mahatsapa an’izany rehetra izany.

Ny marina: Miezaka halala-tanana sy hihavana amin’ny olona foana izahay isan’andro. (Ohabolana 11:25; Romanina 12:18) Miezaka manaraka an’ity tenin’i Jesosy ity, ohatra, izahay rehefa miara-mivory sy mitory: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Matio 10:8) Torinay amin’ny olona koa hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no tena hitondra fiadanana etỳ an-tany.​—Matio 10:7.

Nahoana izahay Vavolombelon’i Jehovah no tsy mankalaza Krismasy?

  • Ny nahafatesany no nasain’i Jesosy hotsarovantsika, fa tsy ny nahaterahany.​—Lioka 22:19, 20.

  • Tsy nanao Krismasy ny apostolin’i Jesosy sy ny mpianany voalohandohany. Milaza ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) fa “efa tamin’ny taona 243 vao nanomboka nankalaza ny nahaterahan’i Jesosy ny olona”, izany hoe 100 taona mahery taorian’ny nahafatesan’ny apostoly farany.

  • Tsy misy porofo hoe 25 Desambra i Jesosy no teraka. Tsy voalaza ao amin’ny Baiboly ny daty nahaterahany.

  • Mino izahay hoe tsy tian’Andriamanitra hanao Krismasy ny Kristianina, satria avy amin’ny fombafomban’ny mpanompo sampy io fety io.​—2 Korintianina 6:17.

Nahoana izahay no tsy manao Krismasy, na dia tsy tian’olona aza izahay amin’izany?

Be dia be no mbola manao Krismasy ihany, na dia efa fantany aza hoe avy amin’ny mpanompo sampy io fety io, sady tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Mieritreritra angamba izy ireny hoe: Fa maninona moa ny Kristianina no tsy tokony hanao Krismasy intsony, na dia lasa tsy tian’olona aza izy ireo amin’izany?

Mampirisika antsika ‘hampiasa saina’ ny Baiboly. (Romanina 12:1, 2) Ampianarin’izy io fa tokony ho zava-dehibe amintsika ny fahamarinana. (Jaona 4:23, 24) Marina fa mety hisy vokany aminay ny fomba fiheveran’ny hafa anay. Aleonay anefa mankatò foana ny toro lalan’ny Baiboly, na dia mety hahatonga anay tsy ho tian’olona aza izany.

Marina fa tsy manao Krismasy izahay. Ekenay anefa fa anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra hoe hanao Krismasy izy sa tsia. Tsy misakana ny olona tsy hanao Krismasy izahay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara