Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Noderaina taorian’ireo fivoriambeny
“ATAOVY ary [hatrany, MN ] izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao”, hoy ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 13:3. Voamarina ireo teny ireo tamin’ny fivoriambe “Ny fitomboan’ilay Fanjakana” natao tamin’ny taona lasa tany Brésil.
Ohatra, taorian’ilay natao tany João Pessoa, dia namboraka ny tao am-pony toy izao tamin’ny komitin’ny fivoriambe ny talen’ny klioba: “Midera anareo aho noho ny fomba tsara dia tsara nizoran’ny fivoriambenareo sy noho ny fitondrantena tsaran’ny rehetra, anisan’izany ny ankizy. Tsy misy mihitsy fandaminana ara-pivavahana hafa mampiseho fitondrantena tsara toy izany. Rehefa mampanofa aminareo ny toerana hanaovan-draharaha izahay, dia tsy manahy na dia kely akory aza. Hivoha ho anareo foana ireo varavaranay isaky ny hila ireo tranonay ianareo.”
Nisy maro hafa koa nanao filazana hevitra karazan’izany:
◻ “Nandritra ny taona maro, dia nifampiraharaha tamin’ny vahoaka maro be aho, nefa tiako ny milaza fa ianareo no voalamina tsara indrindra, madio indrindra sy mahay miara-miasa indrindra.” — Ny mpiandraiki-draharaha momba ny kianja Maracanãzinho any Rio de Janeiro.
◻ “Manaitra ny saiko aoka izany ny fihetsiketsehanareo. Raha tokony ho tonga izao Jesosy Kristy, dia heveriko fa ny fivavahana hankasitrahany dia ho ny anareo.” — Mpamonjy trano may iray niasa tamin’ny anankiray tamin’ireo fivoriambe tany Rio de Janeiro.
◻ “Tsy ianareo no miteraka zava-manahirana ho anay. Ho tiako tokoa raha sahala aminareo ny olona rehetra. Hahafinaritra tokoa raha izany no izy. Rehefa mitsoka kiririoka aho, dia fantatro fa hankatò tsy hisy diso ianareo.” — Mpitandro ny filaminana tamin’ny fifamoivoizana tao amin’ny fivoriambe tany Curitiba.
◻ “Tianay ny manararaotra ny fotoana mba hiderana anareo noho ny filaminanareo tsara sy ny fanarahanareo fifehezana mahafinaritra avy hatrany. Mirary fahombiazana be dia be ho anareo izahay amin’ny ho avy, ary tianay ny manome toky anareo fa hiasa ho anareo foana ny fileovanay [ny fiandraiketana ny tanàna].” — Tapany avy amin’ny taratasy iray nosoratan’ny biraon’ny fiandraiketana ny tanànan’i Santo André ho an’ny mpiandraikitra ny fivoriambe.
◻ “Voadinikay ny fifanoherana manaitra amin’ny ataonareo sy ny an’ny olon-kafa izay nampiasa ireo efitrano amin’ny hotelinay. Ny anareo dia namela ny zavatra rehetra hadio sy hilamina, ary nampiharihary fanajana lalina ny hafa ny fitondrantenan’izy ireo.” — Tonian’ny hotely iray any Novo Hamburgo.
◻ “Angamba ianareo tsara karama.” — Ny tompon’ny fanaova-mofo iray izay nanatitra mofo dipaina ho an’ny fivoriambe tany Sorocaba, rehefa avy nahita fa niasa mafy aoka izany ireo rahalahy. Rehefa reny fa mpiasa an-tsitrapo daholo ireo fa tsy nokaramaina, dia niverina nankany amin’ny trano fanaovany mofo izy, avy eo dia niverina tao amin’ny kianja niaraka tamin’ny mpiasa rehetra mba hampiseho azy ireo ny faharisihana sy ny fandavan-tenan’ireo rahalahintsika!
Nanintona ny sain’ny fampitana hevitra koa aza ireo fivoriambe breziliana. Nanao izao fitantarana izao ny Tribuna da Bahia: “Ny Baiboly eny an-tanana, mitady ao ireo andininy milaza hoe nahoana no misy ny herisetran’olombelona sy ny famitahana, ny Vavolombelona dia tsy miresaka politika, tsy mitsabaka amin’ny raharaha ara-tsosialy izy, ary tsy manintona ny sainy ny fifidianana. Manamarina izany ny hoe, na toy inona na toy inona mpitondra mitana fahefana, dia tsy hety tsy hihilangilana mihitsy ny fitondram-panjakany, satria Andriamanitra ihany no afaka mitondra izao tontolo izao amin’ny fomba tonga lafatra. (...) Ny finoan’izy ireo dia miorina amin’ny fahatongavan’ny izao tontolo izao vaovao iray ka tsy hiditra ao afa-tsy izay tsy mety sasatra mianatra ny Baiboly ka manitsy ny fahazaran-dratsiny mba hananana fo madio.”
Miharihary fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mirehareha ho nahatratra ny fahatanterahana; mino mafy kosa izy ireo fa hanorina fandaharan-javatra vaovao tanteraka ny Fanjakan’Andriamanitra. Niezaka anefa izy ireny mba hampihatra ity torohevitra araka ny Baiboly voarakitra ao amin’ny I Petera 2:12 ity: “Ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa mba hankalazany an’Andriamanitra (...) noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo.”
[Sary, pejy 14]
Manome voninahitra an’Andriamanitra ny fitondrantena kristiana tsara.