FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/2 p. 10-13
  • Tapa-kevitra ny ‘hiorina tsara sy tsy hiova’ hatrany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tapa-kevitra ny ‘hiorina tsara sy tsy hiova’ hatrany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanapoaka “tafiodrivotra mafy dia mafy” ny fahamarinana
  • Diso fanantenana, avy eo dia voatahy
  • Zava-nanahirana sy fandrosoana tany Pretoria
  • Fepetra nandritra ny ady
  • ‘Miorina tsara sy tsy miova’ na dia efa be taona aza
  • Niara-nihalehibe Tamin’ny Fandaminan’i Jehovah Teto Afrika Atsimo Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Azoko ‘izay nirin’ny foko’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Nahita Fahafaham-po Aho Nanompo An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mpiara-miasa tamin’ny androm-piainana rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/2 p. 10-13

Tapa-kevitra ny ‘hiorina tsara sy tsy hiova’ hatrany

Nataon’i Paul Smit

TAO anatin’ireo taona 1830, dia nisamboaravoara mafy ireo mpamboly fotsy hoditra tao amin’ny provans’i Cap, any Afrika Atsimo. Noho izy taranaka holanday, dia sarotra taminy ny nizaka ny zioga britanika. An’arivony maro tamin’izy ireny àry no lasa nianavaratra mba hilentika tany amin’ireo tany, tany amin’ireo faritany tsy fantatra loatra. Rehefa avy nisetra vato misakana maro ny sasany, dia nanorim-ponenana tany avaratry ny ony Orange, tany amin’ny faritra iray ho tonga Fanjakan’i Orange afaka. Nisy hafa koa nita ny ony Vaal ka nanorim-ponenana tany amin’ny faritra antsoina hoe Transvaal amin’izao andro izao. Anisan’ireny ny razambeko niteny afrikana, izay nonina tao Transvaal Avaratra, tany akaikin’ireo taona 1860. Teraka teo akaikin’ny tanàna kelin’i Nylstroom tamin’ny 1898 aho.

Tsotra dia tsotra ny fomba fiainan’ireo mponina vitsivitsy tao amin’io faritra io tamin’izany fotoana izany. Ny biby fihaza izay be dia be tao amin’io toerana io no loharanon-tsakafo lehibe indrindra, nampianay vokatry ny fambolena sy fiompiana. Avy eo, dia nipoaka ny adin’ny Boers tamin’ny 1899. Tapa-kevitra ny Anglisy fa hanitatra ny fanapahany teo amin’ireo repoblika “afrikaners” roa, izany hoe ny Fanjakan’i Orange afaka sy Transvaal. Koa nandritra ny telo taona, ny Anglisy sy ny Boers (“mpamboly sy mpiompy” amin’ny teny afrikana) dia niady mafy mba hahazoana ny fahamboniana. Nandritra izany vanim-potoana izany, ny fianakaviako dia voatana tao amin’ny toby fitanana iray.

Rehefa vita ny ady, dia niverina tao amin’ny toeram-piompianay izahay. Niteraka fandravana nahatsiravina ny ady. Lehilahy an’arivony maro no maty tamin’ny ady, ary zaza amam-behivavy an’arivony maro no ringana tao amin’ireo toby fitanana. Latsaka tao anatin’ny fahantrana ilay tany. Tsy afa-nandositra izany koa ny tenanay. Nanampy anay mbola ho velona ihany anefa ny fanomezana varimbazaha avy amin’ny fanjakana; tetsy andaniny koa, dia tsy nitsahatra ny niasa tao amin’ny toeram-pambolena ny ray aman-dreniko ka namboly anambazaha sy vokatra hafa.

Nanapoaka “tafiodrivotra mafy dia mafy” ny fahamarinana

Dia tonga ny taona 1915 nanan-tantara. Enina ambin’ny folo taona aho tamin’izany, ary mbola nianatra. Tamin’izay no naharaisako avy tamin’ny paositra bokikely iray nitondra ny lohateny hoe Ny Afobe — izay lazain’ny Soratra masina momba ny “afobe”, bokikely navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. Niaraka tamin’i Abraham Stroh, mpiara-nianatra sady namako akaiky koa, dia novakinay ilay izy ary niaiky izahay fa marina izany. Nampientana aoka izany ny nahafantatra fa tsy mampijaly mandrakizay ny olona akory Andriamanitra, fa tsy mahalala na inona na inona, toy ny matory, ny maty, ary miandry ny fananganana nampanantenain’i Jesosy (Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4; Jaona 5:28, 29)! Avy hatrany ny hafanam-ponay dia nanosika anay hiasa. Taitra i Nylstroom manontolo, toy ny nofaohin’ny tafiodrivotra mafy dia mafy, rehefa nampahafantarinay roa lahy mpianatra tamin-toky sy herim-po hatraiza hatraiza fa lainga ireo fampianaran’ny Fiangonana protestanta holanday. Araka ny efa nampoizina, dia taitra ireo anisan’ny klerjy ka nanaratsy teny ambony polipitra an’io “fivavahana vaovao” io.

Noho izany, dia tsy nandray anay tany an-tranony intsony ireo namako sy ny an’i Abraham. Nandrahona ny hanary ahy aza ny raiko. Ny reniko kosa anefa, izay tena nanana ny toetry ny ‘ondrin’i Kristy’, dia tsy niteny tamin-kasiahana tamiko mihitsy. Rehefa ela ny ela, ny ray malalako, izay nahatsapa fanajana lalina ny Baiboly, dia zatra tamin’ny “fivavahana vaovao”, ka izany dia nahatonga anay ho afaka handray Vavolombelona tao an-tranonay. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nisy zavatra fantatray ny amin’ny Fikambanana, ka niankina tanteraka tamin’i Jehovah izahay. Taty aoriana, dia nisy “colporteurs” (antsoina hoe mpitory maharitra amin’izao fotoana izao) nitsidika anay sy nampifandray anay tamin’ny Fikambanana, izay tany Cap, 1 600 kilaometatra avy eo aminay no nisy ireo biraony. Farany, dia afaka natao batisa aho tamin’ny 1918.

Roa taona taty aoriana, dia nanatrika fivoriambe iray tany Pretoria aho. 23 mianadahy izahay tamin’ny fitambarany. Ny rahalahy Ancketill, solontenan’ny Fikambanana, no nitari-draharaha tamin’io fivoriambe io. Hitako ho nahafinaritra tokoa ny niaraka tamin’ny rahalahy kristiana, na dia vitsy toy izany aza izahay. Tamin’ny fandaharana dia nisy indrindra foto-dresaka momba ny fampianarana sy “fanambarana”, na fitantarana zavatra niainana, kanefa ampy hampahery mba hanampy ahy hiorina mafy hatrany izany. Ary tena nila izany tokoa aho.

Diso fanantenana, avy eo dia voatahy

Voadona mafy indrindra teo amin’ny fiainako aho rehefa norahonana hesorina amin’ny asany Abraham, namako indrindra, izay tsy nianatra intsony fa niasa tao amin’ny fitantanana sekoly, raha tsy miala amin’ny fivavahany. Niala tamin’ny fahamarinana àry izy ka niaraka tamin’ny Fiangonana protestanta holanday. Raha mbola tanora sy vaovao tao anatin’ny fahamarinana aho, dia irery tanteraka tao Transvaal Avaratra. Tsy kely ny ranomasoko latsaka tamin’ny famoizana ilay namako, nefa nivavaka tsy ankijanona tamin’i Jehovah aho, ka nanome ahy hery izy hijanonana ‘hiorina tsara, tsy hiova, ary hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’. — I Korintiana 15:58.

Rehefa avy eo, teo am-piandohan’ireo taona 1920, dia notahin’i Jehovah ireo fiezahana nitohy nataoko mba hiainana ny fahamarinana araka izay farany azoko natao. Nanomboka nahita “ondry” tao amin’ny manodidina ahy aho. Nanaiky ny vaovao tsara ny zanakalahin’ny mpiompy iray teo akaiky, ka izany dia nanonitra ny famoizako ilay namako. Io rahalahy io, Hannes Grobler, dia tsy nivadika hatrany hatreo amin’ny fahafatesany nitranga tsy ela izay. Nanomboka fandinihana ny Baiboly niaraka tamin’ny fianakaviana iray nisy olona fito, ny fianakaviana Votster, aho ka nampiasa tamin’izany ilay boky hoe La harpe de Dieua.

Isaky ny asabotsy dia tamim-pifaliana no nandehanako an-tongotra enina kilaometatra mahery namakivaky ny “veld”, na ambanivohitra, mba hitarika io fampianarana io. Tonga Vavolombelona vita batisa ireo ray aman-dreny ary tsy nivadika hatrany mandra-pahafatiny.

Tamin’ny 1924, ny rahalahy George Phillips, izay vao niditra teto Afrika Atsimo mba hiasa tao amin’ny sampan’i Cap, dia nitsidika anay tao Nylstroom. Ny fahatongavany dia fisehoan-javatra nahafaly indrindra ho ahy izay nanamarika teo aminay, fanombohan’ny fisakaizana akaiky, sy fiandohan’ny vanim-potoana niarahana nanao asa teokratika izay nitohy mandra-pahavitan’i George ny fihazakazahany teto an-tany tamin’ny 1982.

Tany Nylstroom, dia naneho fahalianana ny olona maromaro, ary rehefa afaka kelikely dia nahaforona antokon-drahalahy sy anabavy 13 izahay: io no antokon’olona Vavolombelona voalohany tany avaratr’i Pretoria. Niely tsikelikely nanerana ny faritany midadasika tao Transvaal Avaratra ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Zava-nanahirana sy fandrosoana tany Pretoria

Tamin’io taona io ihany anefa, ireo tompon’andraikitra tao amin’ny trano fametraham-bola niasako dia namindra ahy ho any Pretoria izay nisy antoko-mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah) vitsy valo. Ny anankiray tamin’izy ireny ihany anefa no nahay nanombana tamin’ny fomba marina ireo raharaha teokratika, ary maty fotoana fohy taorian’ny nahatongavako izy. Ireo hafa, izay olona nahita fianarana ny sasany, dia tsy nahay nihevitra ireo fandaharana nataon’ny Fikambanana mba handaminana ireo kongregasiona ho amin’ny asa, ka nandao anay ny roa tamin’izy ireo.

Nandritra izany fotoana izany, na dia tao aza ny tsy fankasitrahan’ny Fikambanana, ny “tranainy” tao amin’ilay antokon’olona dia nanoratra boky nanomezany ny filazan’ny tenany ihany ny hevitry ny Baiboly. Niangavy azy mafy ny tenako mba hamela izany hevitra izany. Nipoaka ny tabataba indray alahady maraina. Rehefa natonta pirinty ny bokiny, dia nitondra vitsivitsy tamin’izany izy ary nangataka ny antokon’olona mba hizara izany. Tsiravina aho. Nitsangana aho ary nanohitra ny fangatahany. Noho io fisehoan-javatra io, ilay “tranainy” sy efatra na dimy hafa dia nandao ny fandaminana. Anabavy be taona sy kilemaina iray sy izahay mivady sisa tafajanona. Tapa-kevitra anefa izahay ny ‘hiorina tsara sy tsy hiova’ hatrany ary hanohana amim-pahatokiana ny Fikambanana. Nanomboka tamin’io fotoana io, moramora nefa azo antoka, dia nanome fitomboana Jehovah. — I Korintiana 3:6; 15:58.

Tamin’ny fotoana nety, dia nanampy isa mpiasa maro hafa tao amin’ny kongregasionan’i Pretoria i Jehovah. Ohatra, tamin’ny 1931, ny rahalahy mainty hoditra roa dia tonga tao amin’ny fihaonana fianaranay ka niaraka taminay. Taorian’izany, nandritra ny taona maromaro, dia nanana andraikitra sady nanampy ny Eoropeana no nanampy ny Afrikana aho, ka tombontsoa tsy fahita firy izany eto Afrika Atsimo. Mba hanampiana ireo rahalahy afrikana, dia nitondra antokon’olona nianatra tao amin’ny faritanin’izy ireo, na faritra fonenana mitokana, aho. Nampiasaiko tao amin’io faritany io koa ny lahateny noraisina feo nataon’ny rahalahy Rutherford. Ambonin’izany, ny rahalahy afrikana iray, Hamilton Kaphwitti Maseko, dia tonga nanampy ahy isaky ny alahady tolakandro mba handefa ireny lahateny ireny tamin’ny alalan’ny fonografy nahery dia nahery teo amin’ny kianja Church Square, teo afovoan’i Pretoria.

Noho ny fiahian’i Jehovah hanome fitomboana, dia niforona ny kongregasionan’Afrikana iray. Nandritra ny taona maromaro, tamin’ny naha-mpiandraikitra ny tanàna ahy, dia nandamina ireo fivoriany manokana aho. Na dia tsy dia nanao ahoana aza ny fiandohany, dia nitatra aoka izany ny asa teo amin’ireo Afrikana tao Pretoria, hany ka tamin’ny 1984 dia enina ambin’ny folo ny isan’ny kongregasiona tao amin’io faritra io.

Fepetra nandritra ny ady

Niteraka fahoriana nahatsiravina tany amin’ny tany maro ny fipoahan’ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny septambra 1939. Naningana anefa i Afrika Atsimo. Na dia izany aza, ireo fisehoan-javatra nanozongozona izao tontolo izao dia nanaitra tamin’ny tsy firaikany, mponina maro teto Afrika Atsimo ka nanintona ny sainy ho amin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, ka izany dia niteraka fitomboana niavaka tamin’ny asan’ilay Fanjakana, ka nisy fitomboana 50 isan-jato tamin’ny fitambaran’ny mpitory nandritra ny taom-piasana 1941. Niteraka fahasosoran’ireo Fiangonana izany, indrindra fa ny Eglizy katolika izay niampanga ny Fikambanana ho nampidi-doza ho an’ny fanjakana. Noraran’ny fitondram-panjakana àry ny famoahana bokin’ny Fikambanana maro.

Tamin’izany fotoana izany aho no nankany Nylstroom, niaraka tamin’ny vadiko, Anna, mbamin’ny zanakay roa, Paul sy Anelise. Notendrena hanao lahateny tao amin’io tanàna io tokoa aho. Nanararaotra ny fotoana aho mba hampisehoana tamin’ireo rahalahy tao amin’io toerana io fa azo natao ny nanolotra ireo gazetinay teny amin’ny arabe. Nifidy toerana teo anoloan’ny fitsarana indrindra aho. Fotoana fohy taorian’izay, ny “sergent de police” iray dia tonga nilaza tamiko fa nanao asa tsy ara-dalàna aho ka tokony hiseho haingana dia haingana any amin’ny paositry ny polisy. Kanefa noho izahay tapa-kevitra ny hitory ora iray, dia nanohy fotsiny aho. Tonga koa ny polisy iray nampandre ahy fa niandry ahy ny lehiben’ny polisy. Tsy nihetsika anefa aho. Tonga ny hafa anankiray, nitondra hafatra toy izany koa. Nahazo valiny toy ny teo izy. Vitanay ny ora iray nitoriana tamin’ny fahazoana vokatra tsara; rehefa avy eo izaho sy ny fianakaviako dia niditra tao amin’ny toeram-pialana hetaheta iray mba hisotro dite.

Rehefa tonga tany amin’ny paositry ny polisy aho tamin’ny farany, dia nanontaniana ahy izay nanaovako ireo bokiko. Nohazavaiko fa voazarako tamin’ny vahoaka izany. Taty aoriana ny polisy dia nisava tao amin’ny toeram-piompian’ny ray aman-dreniko izay nonenanay, ka nitondra ny gazety rehetra nety ho hitany tao.

Rehefa avy niara-nidinika ny amin’io raharaha io tamin’ireo rahalahy teo an-toerana izahay, dia tapa-kevitra fa tsy hanaiky ho resin-tahotra. Koa ny herinandro nanaraka, ny telopolo taminay dia nivoaka teny amin’ny araben’i Nylstroom, ary ny herinandro taorian’izay, tany Warmbad, any amin’ny telopolo kilaometatra any atsimo. Tsy araka ny nampoizina, fa tsy nisy nisambotra anay. Taty aoriana, taorian’ny fahasahiranana be, dia azonay ny famerenana taminay ny bokinay rehetra tsy voarara.

‘Miorina tsara sy tsy miova’ na dia efa be taona aza

Tsy nivadika hatrany teo anilako Anna vadiko hatreo amin’ny fahafatesany tamin’ny 1949. Hatramin’ny 1954, daty nanambadiako fanindroany, dia manohana ahy amim-pahatokiana i Maud. Raha mbola kely dia kely ireo zanako roa, Paul sy Anelise, dia niaraka tamiko tamin’ny karazam-panompoana rehetra. Tonga mpitory maharitra izy mianadahy rehefa niala tao an-trano. Mbola manao an’io asa io ihany Anelise sy ny vadiny, Jannie Muller. Fa raha ny amin’i Paoly, taty aoriana izy dia nanalavitra ny fahamarinana mba hanaraka fianarana tany amin’ny oniversite, kanefa, taona vitsivitsy lasa izay, dia nanomboka niaraka tamin’ny kongregasiona indray izy. Vavolombelon’i Jehovah ireo zafikeliko dimy; manompo an’Andriamanitra manontolo andro ny roa amin’izy ireo miaraka amin’ny vadiny. Manoro hevitra mafy an’ireo ray aman-dreny aho mba hanakaiky dia hanakaiky hatrany ireo zanany ka, amin’ny teny sy ny ohatra, dia hampianatra azy ireo ho tia an’i Jehovah sy hanompo azy amin’ny fanahiny rehetra. — Deoteronomia 6:6, 7.

Tao anatin’ireo 69 taona lany tamin’ny asan’Andriamanitra, dia nahita maso ny fitarana nahafinaritra aho. Raha mitodika any amin’ny 1931, dia dimy ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tao amin’ny faritr’i Pretoria. Amin’izao fotoana izao, dia maherin’ny 1 500 izy ireny no voazarazara ao amin’ny kongregasiona 26. An’i Jehovah ny laza sy ny voninahitra noho izany rehetra izany. 86 taona aho izao; arakaraka ny amelan’ny fahasalamako ahy, dia mbola mahita fahafinaretana foana aho manao fiezahana amin’ny fanaovana fanambarana isan-trano sy amin’ny fanolorana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! amin’ny mpandalo. Tapa-kevitra izahay sy Maud ‘hiorina tsara sy tsy hiova’ hatrany, tsy hivadika amin’i Jehovah, mba hisaorana ny anarany mandrakizay.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara