FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/2 p. 8-9
  • Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ny Fahagagana Voalohany Nataon’i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fahagagana Faharoa tao Kana
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fahagagana faharoa tany Kana
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/2 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy

VAO avy nandao indrindra ny lohasahan’i Jordana Jesosy sy ireo mpianany tena vaovao. Zara raha vao indray andro na roa andro izay Andrea, Petera, Jaona ary angamba Jakoba, mbamin’i Filipo sy Natanaela, no tonga mpianatr’i Jesosy voalohany.

Teny an-dalana ho any amin’ny distrikan’i Galilia niavian’izy rehetra izy ireo izao. Nankany amin’ny fanasana iray amin’ny fampakaram-bady tany Kana, tanàna nahaterahan’i Natanaela, izy ireo. Tany amin’ireo havoana tsy lavitra an’i Nazareta nahabe an’i Jesosy, no nisy an’i Kana.

Tonga tao amin’ilay fampakaram-bady koa ny renin’i Jesosy. Tamin’ny naha-naman’ny fianakavian’ireo hivady azy, dia toa niangaviana Maria mba hikarakara ny fandrosoana sakafo ho an’ireo nasaina maro. Noho izany antony izany, tsy ela dia voamariny fa nisy zavatra tsy ampy, ka avy hatrany izy dia nitantara izany tamin’i Jesosy tamin’izao teny izao: “Tsy manana divay izy.”

Raha ny marina, tamin’ireo teny ireo Maria dia nanipy hevitra tamin’i Jesosy mba handray anjara tamin’ny fitadiavana fanafodin’io zava-nanahirana kely io. Tsy niraika i Jesosy tamin’ny voalohany. “Moa mifaninona akory Izaho sy hianao?” hoy ny fanontaniany. Mpanjaka voahosotr’Andriamanitra tokoa izy; tsy anjaran’ny fianakaviany na ireo sakaizany àry ny nanoro azy izay tokony hataony. Koa nanam-pahendrena i Maria namela ilay zava-nanahirana teo an-tanan’ny zanany, ka izao fotsiny no nambarany tamin’ireo mpandroso sakafo: “Ataovy izay asainy ataonareo.”

Nisy siny vato enina teo ka ny tsirairay avy taminy dia nahalany rano efapolo litatra teo ho eo. Nanome izao baiko izao ho an’ireo mpanompo i Jesosy: “Fenoy rano ny siny. Nofenoin’ireo mpanompo rano hatramin’ny molony àry ireo siny. Avy eo, dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Tovozy amin’izao, ka ento ho eo amin’ny mpandahatra ny fanasana.”

Gaga sady faly ilay mpandahatra noho ny hatsaran’ny divay, satria tsy fantany fa tamin’ny alalan’ny fahagagana no nanaovana izany. Niantso ny mpampakatra izy ka nilaza taminy hoe: “Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa hianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.”

Io no fahagagana voalohany nataon’i Jesosy, izay nandray anjara tamin’ny fanatanjahana ny finoan’ireo mpianany vaovao. Taty aoriana kely, niaraka tamin’ny reniny sy ireo rahalahiny, dia niainga niaraka tamin’ireo mpianany ho any amin’ny tanànan’i Kapernaomy, any akaikin’ny ranomasin’i Galilia, i Jesosy. Jaona 2:1-12.

◆ Oviana no nitranga ny fampakaram-bady tany Kana?

◆ Nahoana moa Jesosy no nanohitra ny fanipazan-kevitry ny reniny?

◆ Inona moa no fahagagana nataon’i Jesosy, ary inona no vokany teo amin’ny hafa?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara