Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Jesosy sy ireo mpanandro
INDREO fa nisy lehilahy vitsivitsy tonga avy tany Atsinanana. Mpanandro izy ireo, dia olona izay mihambo ho milaza ny hevitry ny toeran’ireo kintana. Tany amin’izy ireo, tany Atsinanana, dia nahita kintana vaovao iray izy ireo. Narahiny izany ka nahavita an-jatony kilaometatra maromaro izy ireo tamin’izany, hatrany Jerosalema.
Rehefa tao amin’io tanàna io izao ireo mpanandro dia nanontany ny olona hoe: ‘Aiza ilay zaza teraka ho mpanjakan’ny Jiosy? Nahita ny kintany izahay ary nanaraka izany mba hiankohofana amin’ilay zaza.’
Rehefa nandre izany i Heroda mpanjaka dia very hevitra. Nantsoiny àry ireo lohan’ny mpisorona ka nanontaniany hoe: ‘Aiza no tokony hahaterahan’i Kristy?’ Nifototra tamin’ny Soratra masina izy ireo ka namaly azy hoe: ‘Any Betlehema.’ Dia nampiantso ireo mpanandro Heroda ka nilaza tamin’izy ireo hoe: ‘Mandehana ka tadiavo ilay zaza. Ary rehefa hitanareo, dia miverena mampahafantatra ahy ny amin’izany mba handehanako hiankohoka eo anatrehany koa.’ Ny nirin’i Heroda anefa raha ny marina, dia ny hahita ilay zaza mba hamonoana azy.
Rehefa lasa ireo mpanandro, dia nisy zavatra hafa dia hafa nitranga. Ilay kintana hitan’izy ireo tany Atsinanana dia nifindra teo anoloan’izy ireo. Miharihary fa tsy kintana toy ny fahita rehetra izy io; teo fotsiny izy io mba hitari-dalana azy ireo. Narahin’izy ireo àry izy io mandra-pijanony, teo ambonin’ny trano nonenan’i Josefa sy Maria indrindra.
Rehefa niditra tao an-trano ireo mpanandro, dia nahita an’i Maria sy Jesosy zanany kely. Avy hatrany izy ireo dia niankohoka daholo teo anatrehany, avy eo dia namoaka fanomezana avy tao amin’ny entany: volamena sy zava-manitra ary miora. Taty aoriana kely, rehefa nadiva hiverina izy ireo ka hilaza amin’i Heroda izay nisy ilay zaza, dia nampitandrina azy ireo tamin’ny alalan’ny nofy Andriamanitra mba tsy hanao toy izany. Niverina nankany amin’ny taniny tamin’ny lalan-kafa àry izy ireo.
Araka ny hevitrao, iza no nampiseho ilay kintana teny amin’ny lanitra ka namindra azy mba hitarihany lalana ireo mpanandro? Tadidio fa tsy nitarika ireo mpanandro mivantana ho any amin’i Jesosy tany Betlehema ilay kintana, fa tany Jerosalema aloha, izay nihaonany tamin’i Heroda izay naniry hamono an’i Jesosy. Ho namono azy tokoa i Heroda raha tsy nisalovana Andriamanitra ka tsy nampitandrina ireo mpanandro mba tsy hilaza na inona na inona taminy. Satana Devoly, fahavalon’Andriamanitra no nitady hamono an’i Jesosy, ka nampiasa ny kintana mba hanandramana manatanteraka ny fikasany. Matio 2:1-12; Mika 5:1.
◆ Inona no mampiseho fa tsy kintana toy ny fahita ilay kintana hitan’ireo mpanandro?
◆ Taiza moa i Jesosy rehefa nahita azy ireo mpanandro?
◆ Ahoana no ahafantarantsika fa Satana no nampiseho ilay kintana mba hitari-dalana an’ireo mpanandro?