Tena mety hahafapo ve ny fivavahana iray noforonin’ny olombelona?
MIISA ho 450 tapitrisa eo ho eo ny mpanaraka ny hindoisma. Nanambara toy izao ny anankiray tamin’izy ireny, dia ilay filozofa atao hoe S. Radhakrishnan: “Ny fivavahana dia tsy fanambarana tokony hinoana loatra fa fiezahana nokendrena hampiharihariana ny atiny lalina indrindra amin’ny toe-tenan’olombelona.” Izao koa no vakintsika nosoratany: “Tsy isalasalana fa ny olombelona no famarana ny zavatra rehetra.”
Tsy manaiky fitarihana foibe ny hindoisma. Tsy manana karazam-panompoam-pivavahana hentitra tsara koa izy ireny. Tsy manatsoaka ny zavatra inoany avy amin’ny boky tokana iray azo ampitahaina amin’ny Baiboly izy ireny. Mifanohitra amin’izany, araka ny fandehan’ireo taonjato, dia niseho ny soratra masina hindoa tsy tambo isaina. Tao anatin’izany fotoana izany ihany koa, dia nitatra tany India ny sekoly ara-pilozofia enina samy hafa: ny Nyāya (fanjohin-kevitra misy famakafakana), ny Vaiçeshika (fahalalana foto-javatra amin’ny natiora), ny Sāmkhya (fanisana ireo zavatra tena misy), ny Yoga (fikambanana amin’ny andriamanitra), ny Mīmāmsā (famotopotorana ara-tsaina), sy ny Vedānta (faran’ny Veda).
Mpampianatra hindoa maromaro no namelabelatra izany filozofia izany tamin’ny fotoana samihafa teo amin’ny tantara. Ny tsirairay avy amin’izy ireny dia mampanao fanatonana hafa noho ny fanompoam-pivavahana. Ny Nyāya dia mampiasa fitambaram-panjohin-kevitra mirindra sarotra mba hanaporofoana ny fisian’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanatsoahan-kevitra. (Amin’ny fampiharana io fomba io, dia haseho, ohatra, fa tena misy ny rivotra amin’ny fikasaosaokan’ny ravin-kazo.
Marina fa tsy hoe tsy misy vidiny akory izany fiasan’ny saina izany. Manaporofo ny fisian’Andriamanitra amin’ny fomba mitovitovy amin’izany koa ny Baiboly amin’ny filazana hoe: “Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony.” (Romana 1:20). Kanefa moa ve ny fandrindran-kevitra mahatonga antsika ho afaka hahalala marina ny Mpamorona? Afaka manambara amintsika ny anarany ve izany? Noho izy io, azo atao ve ny manazava ny niandohan’izao rehetra izao na mahatakatra ny antony amelan’Andriamanitra ny ratsy sy ny fahoriana hisy? Moa ve izany mitondra ho antsika fanantenana mampahery ny amin’ny ho avy? Aoka hofantarintsika hoe fivavahana inona no mamaly ireo fanontaniana ireo amin’ny fomba mahafapo indrindra, ary aoka hojerentsika raha fivavahana mampianatra fahamarinana ambaran’Andriamanitra izany na noforonin’ny olombelona.
Fampianaran’olombelona mifanohitra amin’ireo fampianaran’ny Baiboly
Nieritreritra be dia be ny amin’ny toe-tenan’Andriamanitra ny hindoa. Ny filozofia Vedānta, ohatra, dia manorina ny fandinihany amin’ny Upanishad, soratra ara-pivavahana mifikitra amin’ny filazalazana ny toe-tenan’Andriamanitra sy ny fifandraisana tanany amin’ny olombelona.
Etsy andaniny koa, ny Baiboly dia miavaka amin’ny fanazavana maro mazava sy mifandrindra omeny ny amin’Andriamanitra. Mampahafantatra an’Andriamanitra ho Mpamorona ny zavatra rehetra izy (Apokalypsy 4:11). Tsy milazalaza azy amin’ny endriky ny hery tsy misy anarana anefa ny Baiboly. “Samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa, fa ny anarany ihany no misandratra; ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny”, hoy izy ao amin’ny Salamo 148:13. Milazalaza ny Mpamorona ho “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” izy. (Eksodosy 34:6.) Antitranteriny fa manasa ny olombelona tsy tanteraka mihitsy aza izy mba hamantatra azy sy hampifamatotra fifandraisana aminy (Salamo 34:8). Tsy hitanao ho mahafapo kokoa noho ny fiheverana ara-pilozofia maizimaizina ve ny hevitra araka ny Baiboly momba an’Andriamanitra?
Manandrana milazalaza ny amin’ny fanahy olombelona koa ny Upanishad. Mazava kosa ny Baiboly rehefa mampiseho fa “namorona ny olombelona tamin’ny vovoky ny tany Jehovah ary nanisy fofonaina tao amin’ny vavorony, dia tonga fanahy velona ny olona”. (Genesisy 2:7, MN.) Araka izany àry, dia fanahy (âme) ny olombelona; tsy manana fanahy (esprit) manjavozavo lazaina fa miditra ao anatin’ny nofo misesy izy. Tsy hoe tsy mety maty koa izany fanahy (âme) izany. Araka ny filazan’ny Baiboly, “ny fanahy izay manota no ho faty”. — Ezekiela 18:4.
Mitady izay hahafantarana ny toetoetry ny izaho ny Upanishad. Ny Baiboly ihany anefa no mahatonga hahafantatra ny olombelona amin’ny fampiharihariana ny tsy fahatanterahany. Manantitrantitra toy izao izy: “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.” (Romana 3:23). Noho izany, dia tokony tsy hitsahatra hiady amin’ny fironan-dratsiny ny olombelona. — Romana 7:20, 25.
Mivaofy raharaha mahakasika ny fisian’ny ratsy sy ny famaliana izany ny Upanishad. Porofoin’ny Baiboly mazava anefa fa niely teto an-tany ny faharatsiana satria nifidy ny hitondra tena tsy miankina amin’ny Mpamorona azy ny olombelona. Izao no vakintsika: “Indro, izao ihany no hitako: nataon’Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.” (Mpitoriteny 7:29). Ny amin’ny tambin’ny faharatsiana amin’ny farany, dia manambara toy izao ny Soratra masina: “Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: ho an’izay (...) mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay; fa ho an’izay mitady ny ho an’ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana, eny, fahoriana sy fahantrana (...). Fa tsy misy fizahan-tavan’olona amin’Andriamanitra.” — Romana 2:6-9, 11.
Farany, raha miezaka amin’ny fomba antonontonony hilazalaza ny lalana izay mitarika ho amin’ny famonjena ny Upanishad, dia ambaran’ny Baiboly amim-pahatsorana tanteraka hoe: “An’i Jehovah ny famonjena.” (Salamo 3:8). Manome izao fampanantenana ny amin’ireo manaraka ny lalan’i Jehovah izao izy: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29.
Hitantsika fa ny Baiboly dia manome valiny tsotra, mivantana sy mora azo amin’ireo fanontaniana mahavàka ny filozofa. Tsy misy na dia iray monja aza amin’izy ireny ho afaka hahita izany irery.
Ny Baiboly: fanambaran’Andriamanitra ve?
Milaza anefa ve izany fa azo atao ny matoky ny Baiboly amin’ny fiheverana azy ho fanambaran’Andriamanitra? Izany dia izany tokoa, ary noho ny antony maro.
Voalohany indrindra, dia ara-dalàna ny hinoana fa niseho tamin’ny olona tamin’ny fomba isan-karazany Andriamanitra. Ahoana no ho fiheveranao ny lehilahy iray izay hiteraka, avy eo dia handositra amin’ny fandaozana ireo zanany, ny amin’ny ray iray tsy hanome vaovao ho an’ireo zanany sy tsy hampahafantatra ny anarany amin’izy ireo akory aza? Tsy hampahasosotra anao ve ny fihetsiny? Tsy mety àry ve ny hiheverana fa nampahafantatra ny tenany tamin’ireo zanany eto an-tany ny Mpamorona tia iray?
‘Fa nahoana no ho nanao izany tamin’ny alalan’ny boky iray izy’, hoy angamba ny fanontanianao. ‘Moa ve ny Andriamanitra tsitoha iray tsy ho niseho kosa tamin’ny fomba manaitra kokoa, tamin’ny alalan’ny feo avy any an-danitra, ohatra?’ Raha ny marina dia tena efa niteny avy any an-danitra imbetsaka tokoa Andriamanitra, indrindra fa fony izy nanome ny Didy Folo. Raiki-tahotra aoka izany ireo olona nitenenany noho ny fisehoan-javatra hita maso natrehin’izy ireo tamin’io fotoana io, hany ka nitalaho tamin’i Mosesy tamin’izao teny izao izy ireo: “Aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.” Tamin’izay, dia nanalavitra izy ireo raha mbola niteny tamin’i Mosesy i Jehovah (Eksodosy 20:18-22)a. Kanefa, ny tenan’i Mosesy koa aza dia nety ho nanadino ireo tenin’Andriamanitra. Izany no antony niahian’i Jehovah tamim-pahendrena mba hitehirizana izany tamin’ny fangatahana tamin’io patriarika io, ary taty aoriana tamin’ny lehilahy nahatoky hafa, mba hitana an-tsoratra ireo fanambarany (Eksodosy 34:28). Tamin’izany fomba izany, ny tsirairay avy dia afaka nanaram-po tamin’ny famakiana ireo hevitr’Andriamanitra, nianatra izany, nieritreritra sy nisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra. — Jereo Josoa 1:8 sy I Timoty 4:15.
Marina fa olona no nanoratra ny Baiboly, sahala amin’izany koa ireo soratra masina hindoa. Nefa ireo izay nanoratra ny Baiboly dia nanao izany teo ambany fitarihan’ny fanahy masin’i Jehovah Andriamanitra (II Petera 1:21). Tsy nanoratra fiheverana ara-pilozofia fotsiny izy ireny. Nandray soritry ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Raha tsy nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy io, ahoana no ho nahafahany nitantara tsy nisy diso ny filaharan’ny karazam-piainana samy hafa teto an-tany (Genesisy toko voalohany)? Ahoana no ho nahafahany nanamarina, 2 700 taona mahery lasa izao, fa tsy boribory fotsiny ny tany fa mihantona “amin’ny tsy misy” koa? (Joba 26:7; Isaia 40:22, MN.) Ahoana no ho nahafahany nirakitra faminaniana marina tamin’ny fomba mahagaga, sahala amin’ny Isaia 44:28 izay nanondro tamin’ny anarany an’i Kyrosy Lehibe Mpanafika persiana, tokony ho 130 taona talohan’ny nahaterahany? Ny lehilahy iray, na iza izy na iza, ve ho afaka naminany, 2 500 taona lasa izay fa hitombo ny herim-panjakana lehibe dia lehibe roa mpifandrafy ka hiseho sehatra eo amin’izao tontolo izao amin’ny androntsika? — Daniela 11:27, 36-40.
Eny, ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa mahaforona fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra ny Baiboly. Manasa anao àry izahay handinika amin’ny saina tsy miangatra ny raketiny. Amim-pifaliana no anampian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiara-belona aminy hanao izany. Raha manaiky izany fanasana izany ianao, dia tsy ho fikarohana very maina foana ny fahendren’olombelona ny fanompoam-pivavahanao (Matio 15:9). Tsy hivavaka ‘amin’izay tsy fantatrao’ ianao, tahaka ny nataon’ireo Samaritana fahizay (Jaona 4:22). Noho ny fanampian’ny fanahy masina, dia azonao atao tanteraka ny mahafantatra na dia “ny saina [zavatra, MN ] lalina izay an’Andriamanitra” aza. (I Korintiana 2:10.) Marina tokoa fa ‘raha mitady azy ianao, dia hahita azy’. — II Tantara 15:2.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo koa Eksodosy 33:11; Matio 3:17; 17:5; Jaona 12:28.
[Sary, pejy 5]
Misy mpanaraka an-tapitrisany maro ireo fivavahana noforonin’ny olombelona. Nefa moa ve izy ireny mamaly amin’ny fomba mahafapo ireo fanontaniana apetraka momba an’Andriamanitra?
[Sary, pejy 6]
Fahizay, dia nasehon’ny Baiboly fa tsy boribory fotsiny ny tany fa mihantona “amin’ny tsy misy” koa. Moa ve izany tsy manaporofo fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izy io?