Nahita fahafahana ny olona telo nandevozin’ny finoanoampoana
NANTSOINA Hoe Atoa Fotsy Be izy. Edmond, mponina tany Dimbokro, any Côte-d’Ivoire, dia tsy nanao afa-tsy akanjo fotsy hatramin’ny enina ambin’ny folo taona! Ary rehefa anontaniana izy hoe nahoana no tsy manao afa-tsy akanjo fotsy izy, dia namaly i Edmond fa hoe noho izy nankatò. Tsy nolazainy anefa ny hoe iza na inona no nankatoaviny.
Fa raha ny amin’i Adama, ny fananany sarobidy indrindra dia lobaka iray notenomina antsoina hoe “akanga”. Ny nahatonga ny anarany dia ny lokony mainty sy fotsy nampahatsiahy an’io biby io. Izany dia marika nampiavaka ny asan’ny Tagbana, foko any afovoany avaratr’i Côte-d’Ivoire. Fony mbola ankizy i Adama no nahazo an’io lobaka io, nefa na dia rehefa olon-dehibe aza izy dia notehiriziny tamim-pitandremana tao amin’ny toerana iray azo antoka izy io. Nieritreritra izy fa azo atao hoe adidiny izany.
Nanana zavatra nifikirany aoka izany koa i Athanase: tavoahangin-dranomanitra iray nisy fifangaroana hafahafa vovoka “kaolin” (tanimanga fotsy) sy fasika ary rano. Raiki-tahotra izy rehefa nieritreritra ny hoe hanary izany.
Nandevozin’ny tahotra feno finoanoampoana sy ara-pivavahana ireo lehilahy telo ireo, dia tahotra nanapaka ny fiainany rehetra. Olona an-tapitrisany maro no gadrain’ny tahotra sahala amin’izany koa. Atsy Afrika, dia maro be no mino fa ny zavatra toy ny ody atao fiaro, ny peratra, ny sary vongana na ny vakana dia manana hery mahagaga afaka mampanalavitra ny fanahy ratsy. Ireo mpamporisika hinohino foana, ireo mpanao ody, ohatra, dia mahazo fivelomana noho izany tahotra izany. Ary tsy maningana akory i Afrika amin’io lafiny io. Any amin’ireo tany any andrefana, dia maro no mino zavatra sahala amin’izany ka manana zavatra “mitondra fahasambarana”, toy ny tongo-bitro na ny kitron-tsoavaly. Araka ny nampahafantarin’i Edmond sy Athanase ary Adama anefa, dia azo atao ny manafa-tena amin’io fanandevozana io.
Edmond sy ny “fanahin’ny sakelidrano”
Anisan’ireo zavatra tsaroany voalohany indrindra, dia tadidin’i Edmond ny tenany niaraka tamin’ireo ray aman-dreniny tany amin’ny tendrombohitra “masina” iray, tany ivelan’ny vohitra. Tsy lavitra teo no nikoriana ny sakelidrano iray anolorana omby aman’ondry mba hahazoana sitraka amin’ny fanahin’ny sakelidrano. Tonga nanatona an’io fanahy io ny olona mba hanampiany azy ireny handamina ireo zava-manahirana azy. Ny tsirairay avy dia mandre feo avy ao amin’ilay sakelidrano izay matetika manome torohevitra azy.
Isam-pianakaviana, ny ankizy sasany dia heverina ho manana fifandraisana misy tombontsoa amin’ny fanahy. Araka ny filazan’ny mpanao ody, dia anankiray tamin’izy ireny Edmond. Ho azony atao àry ny hiantehitra amin’ilay fanahy mba hitari-dalana azy. Alohan’ny hahatongavana eo amin’ny taona tokony hiasana, dia hanontanian’i Edmond an’ilay fanahy ny hoe amin’ny fotoana toy inona no heveriny fa mety hahazo ny toerana iriny ny mpiasa hafa. Milaza aminy amin’izay ilay fanahy mba hanolotra vantotr’akoho na ondry ho sorona. Mampitony an’ilay fanahy izy amin’izany ka mahazo antoka fa hahazo an’ireo mpiara-miasa aminy ny “anjara ratsy”. Mandroso haingana i Edmond ka manjary mitana toerana misy andraikitra ao amin’ny asany. Na dia ireo havany aza, noho ny fahafantarana ny “fifandraisany misy tombontsoa”, dia manatona an’i Edmond rehefa mila ny hifandray amin’ny fanahy.
Hafahafa fa tsy hitan’i Edmond mihitsy izay naha-ratsy ny fanarahana niaraka ny spiritisma sy ny fivavahana katolika. Tao amin’ny eglizy katolika falehany tamim-paharisihana, ny fombafomban’ny mpanompo sampy, toy ny fampiasana ny “tam-tams”, dia nampiarahina tamin’ny fombafomba “kristiana”.
Tamin’ny farany i Edmond dia tsy maintsy nankany an-drenivohitra, tany Abidjan, noho ny asany. Tany izy dia nanomboka voasinton’ny fanahy hafa iray nohatonin’ny zaodahiny tsy tapaka. Nifandray tamin’ny farihy amoron-dranomasina sy ny ranomasina lehibe io fanahy io. Mami-Wata no niantsoana azy. Nandeha matetika tany amin’ny toerana nitokana iray tany akaikin’ny farihy amoron-dranomasina iray i Edmond mba hangataka torohevitra tamin’ilay fanahy.
Indray andro anefa, dia toa very hevitra ilay fanahy. “Misy inona?”, hoy ny fanontanian’i Edmond. Nitaraina ilay fanahy satria tsy tonga manontany azy intsony ny zaodahin’i Edmond. Rehefa tian’i Edmond ny hahalala ny antony, dia namaly ilay fanahy fa noho ny fivavahany vaovao. Nahavelona eritreritra an’i Edmond izany, satria ny tenany katolika, kanefa tsy nitaraina ny amin’izany mihitsy ilay fanahy. Tsy maintsy ho nisy zavatra niavaka tamin’io fivavahana vaovao io. Tsy ela i Edmond dia notsidihin’ny mpikambana iray ao amin’io fivavahana io ka tsy ho ela koa ny tenany dia hitsahatra tsy hanatona an’i Mami-Wata.
Adama sy ny hetahetany hahita fahombiazana
Nanana fanirian-daza ny hahomby eo amin’ny fiainana i Adama. Animista ny ray aman-dreniny ary nino fa ny zavatra hita maso rehetra dia nanana fanahy. Nomeny an’ilay zanany lahy àry ny ody iray, dia ilay lobaka “akanga”, mba hahatsara vintana azy sy hahombiazany any an-tsekoly. Rehefa tsy nahomby anefa izy tamin’ireo fanadinana nataony tamin’ny fianarana, dia nanatsoaka hevitra avy amin’izany i Adama fa tsy maintsy ho nanana ody mahery kokoa noho ny azy ny mpianatra hafa.
Niresaka ny amin’izany tamin’ireo ray aman-dreniny izy ka nomen’ireo tandrok’osy iray. Tokony hahantony amin’ny alalan’ny kofehy manify dia manify tamin’ny fantsika natsatoka tamin’ny valindrihan’ny efitranony izany. Ny maraina dia afaka miteny amin’ilay ody izy ka milaza aminy izay rehetra iriny. Avy hatrany dia tapaka ilay kofehy. Arakaraka ny fomba fianjeran’ilay tandroka no anapahany hevitra na tokony hanohy na tsia ny volavolan-keviny ao anatin’ny andro izy. Niharihary ho tsy nisy vokany koa anefa io ody vaovao io.
Rehefa nahavita ny fianarany i Adama, dia nanorim-ponenana tany Agboville. Ny anankiray tamin’ireo namany tamin’izay dia naniraka azy ho any amin’ny mpanao ody iray izay nanome toky azy fa afaka mampahita asa ho azy izy. Araka ny toromarik’ilay mpanao ody, dia nividy kadana kely iray i Adama. Nanazava taminy ilay mpanao ody fa tokony hiteny tao amin’ny lavaka amin’ilay kadana izy ka hangataka izay rehetra niriny ho azo teo amin’ny fiainana. “Tiako ny hahita asa”, hoy i Adama tao amin’ny lavaka amin’ny kadana. Avy eo dia nidiany izany ka niandry izy. Nefa tsy nisy fahombiazana.
Tsy kivy anefa i Adama. Nino mafy foana izy fa narovan’ny odin’ny lobaka “akanga” sarobidy nananany.
Farany, dia nahita asa tao amin’ny tanànan’i San Pedro izy. Tsy ny karazana asa niriny io, nefa dia asa. Isan-kariva izy dia namangy namana iray. Indray andro anefa, tao an-tranon’ilay namany, dia tafahaona tamin’ny mpitsidika iray, mpampianatra ny Baiboly, izy. Noho izy katolika nafana fo, dia nanohitra izay nolazain’ilay mpitsidika i Adama. Kanefa, ny hevitra hoe hianatra ny Baiboly mba hianarana hahafantatra ny Mpamorona dia nanaitra ny fahalianany ta-hahafanta-javatra. Indray takariva, rehefa ny foto-kevitra hoe “Misy ve ny fanahy ratsy?” no nifanakalozana hevitra, dia tsy voatana tsy handray anjara tamin’ny fomba feno tamin’izany i Adama. Tsy ela, dia hitsahatra tsy ho mpivavaka amin’ny ody koa izy.
Athanase sy ny odiny
Athanase dia notezaina tao amin’ny antokom-pivavahan’ny “harristes”, antokom-pivavahana lazaina fa kristiana naorin’i William Wade Harris. Io lehilahy io, avy any Libéria, dia nihambo ho notendren’ny anjely Gabriela ho mpaminany. Tany amin’ny 1913, dia nandao an’i Libéria i Harris mba ho any Côte-d’Ivoire ary nanomboka nitory. Izao no azo vakina ny aminy: “Tamin’ny fandrenesana ny feony, dia montsamontsana ireo ody, ireo izay nivavaka tamin’ny sampy dia nahafoy ny andriamaniny sandoka, vohitra manontolo maro no niova. (...) Rehefa nandeha izy dia nitondra tehina hazo nisy vokovoko sy narahin’ny vehivavy enina miakanjo fotsy sahala aminy daholo ka nantsoiny hoe ‘mpianany’.”
Nilaza tamin’ny zanany lahy ny rain’i Athanase fa ho tonga mpisorona “harriste” izy rehefa lehibe. Raha noheverina fa nanameloka ny ody ny “harristes”, dia nanizingizina izy fa misy heriny mahagaga ny Baiboly. Sahala amin’ny mpanorina ny fivavahany, ireo mpisorona “harristes” dia mampiasa ny Baiboly mba hitsofan-drano sy hanasitranana olona. Voamarik’i Athanase anefa fa vitsy no tena mamaky azy ary ireo izay manaraka izany dia vao mainka vitsy kokoa.
Rehefa nahavita ny fianarany izy dia tapa-kevitra ny handany tapa-bolana teo anilan’ny mpitondra ambony iray tao amin’ny fivavahana “harriste”, ka nanantena fa izany dia hanampy azy hahita asa. Akory ny hagagany fa nomen’ilay filoha ara-pivavahana azy ny ody iray, tavoahangin-dranomanitra feno vovoka “kaolin”, fasika sy rano tamin’ny fanamafisana taminy fa hahita asa izy amin’io zavatra io. “Kanefa, hoy izy taminy, raha arianao io, dia ho lasa adala ianao ka amin’ny farany dia ho faty!”
Very hevitra i Athanase. Tsy hitany mihitsy izay fahasamihafan’io tavoahangin-dranomanitra io sy ireo ody ampiasain’ny mpikambana ao amin’ny finoana ara-pivavahana hafa. Noho ny tahony an’ireo ray aman-dreniny sy ilay filoha ara-pivavahana anefa, dia notanany ilay ody. Nifanohitra tamin’ilay fampanantenana anefa fa tsy nahatsara vintana azy io. Nitady asa izy nefa tsy nahita nandritra ny herintaona maninjitra. Hahita olona hanafaka azy amin’ny tahony an’ilay ody koa anefa i Athanase.
Ny fahamarinana ny amin’ny ody
Tafahaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo lehilahy telo ireo. Rehefa nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona izy ireo, dia nahita ny niandohan’ny fanahy (esprits). Asehon’ny Baiboly fa talohan’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa, dia nisy anjely nikomy tamin’Andriamanitra ka nitafy nofo mba hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy tamim-behivavy. Nanery an’ireo fanahy handao ny tenany nofo ny safodrano ary, hatramin’izay dia tsy afaka mivoaka avy any amin’ny faritra ara-panahy misy azy intsony izy ireo. Tsy mahagaga àry raha toa ireny demonia ireny ka mihevitra ho zava-dehibe toy izany ny zavatra hita maso toy ny ody! — Genesisy 6:1-5; II Petera 2:4.
Tamin’ny farany ireo lehilahy telo noresahintsika dia nanjary tia an’i Jehovah Andriamanitra sy nankahala ireo fanao misy spiritisma. Melohin’ny Baiboly mazava ireo izay mitady hifandray amin’ny fanahy ratsy; izao tokoa no lazainy ao amin’ny Deoteronomia 18:10-12: “Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty. Fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan’i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.” Tsy maniry hiharan’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ireo lehilahy telo ireo ka arahiny ankehitriny ny torohevitr’i Jakoba mpianatra kristiana manao hoe: “Ka dia maneke an’Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.” — Jakoba 4:7.
Tsy mora tamin’izy ireo anefa akory ny nanafa-tena tamin’izany fanandevozana ara-pivavahana izany. Edmond, ohatra, dia tsy maintsy nandoro ireo ody toa nampifandray azy tamin’i Mami-Wata. Rehefa avy eo, dia nandroso tsara izy, ka nanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra sy nanamarika ny voadiny tamin’ny batisa. Herinandro indrindra taorian’ny batisany anefa, dia nanomboka nanorisory azy ireo fanahy. Nisy feo nilaza taminy mba hiala tamin’ny finoany vaovao. Nivavaka sy niantso ny anaran’i Jehovah anefa i Edmond. Tamin’ny farany, dia nitsahatra tsy namely azy matetika ireo fanahy ratsy. — Ohabolana 18:10.
Tojo fahasahiranana koa i Adama. Naniry hanampy ny hafa hiala tamin’ny herin’i Satana izy ka tonga mpitory manontolo andro. Nisy anefa fotoana nahaketraka azy. Tsapany ho tsy nandroso ny tenany ary, na dia be dia be aza ny asa kristiana nataony, dia nahatsiaro ho osa ara-panahy izy. Inona no nety ho fototry ny hevitra tsy nanorina toy izany? Tsaroan’i Adama tampoka fa mbola tao aminy ilay lobaka “akanga” nomen’ny ray aman-dreniny azy. Nosavainy tao an-trano mba hahitana ilay izy ka tamin’ny farany dia nofoanany ilay fatorana farany nampifandray azy tamin’ireo demonia. “Nahita fanamaivanana aoka izany ny saiko”, hoy ny fitantarany.
Tsy maintsy nanary zavatra sasany koa i Athanase: ilay ody nomena azy. Rehefa avy nanary izany anefa izy, dia narary mafy. Nanontany tena izy raha noho ny tsy nankatoavany ny baiko tsy hanary azy io no nahatonga izany. Na dia izany aza, dia nitodika tany amin’i Jehovah tao amin’ny vavaka koa izy. Tsy resin’ny fitaoman’ny fianakaviany izay namporisika azy mba hampiasa spiritisma indray izy. Nitady fanampian’ny mpitsabo izy. Tamin’ny farany, dia nihatsara ny fahasalamany ara-batana sy ara-panahy. Tamin’ny farany, dia nihatsara ny fahasalamany ara-batana sy ara-panahy. Tamin’ny farany, dia nihatsara ny fahasalamany ara-batana sy ara-panahy. Amin’izao fotoana izao i Athanase dia mandany ny faran’ny herinandrony hanampiana ny namany hahafantatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. — Jaona 8:44.
Ny ohatra ny amin’ireo olona telo nandevozin’ny finoanoampoana taloha ireo dia manamarina fa ny Tenin’Andriamanitra dia afaka miasa amin’ny fomba mahery eo amin’ireo izay manaraka ny fanompoam-pivavahana marina (I Tesaloniana 2:13; Asan’ny apostoly 19:18-20). Any Côte-d’Ivoire, dia olona maherin’ny 2 000 no miasa eo anilan’ireo zazalahy ireo mba hanampiana ny olona ho afaka amin’ny fanandevozana ara-pivavahana. Toy izany koa, ireo Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao dia ho faly hanampy anao hahazo izany fahafahana izany.