Ny fivavahana marina: noforonin’ny olombelona sa nambaran’Andriamanitra?
AZO lazaina hoe tsy maintsy ny tenan’ny olombelona ihany no nahita izay fantany rehetra.
Tamin’ny fitsapatsapana sarotra vao nianatra ny zavatra tsotsotra indrindra izy, dia: ny fambolena ny tany, ny fanomanana ny sakafony, ny fanorenana trano ialofany, ohatra. Amin’izao taonjato iainantsika izao anefa, dia nitariny haingana hihoatra ny ilainy fotsiny ny faritry ny ataony. Ataony ny fanatresahana ny ataoma, misidina amin’ny hafainganam-pandeha mihoatra noho ny an’ny feo izy ary mankeny amin’ny habakabaka tsy tapaka aza. Milaza anefa ve izany fa ny tenany ihany no afaka mametra koa ny fomba tsara indrindra fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra?
Tsy izany no izy raha heverina ireto tenin’ny mpanoratra ny Salamo 143:10 manaraka ireto: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa Hianao no Andriamanitro; aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina.” Tamin’ireo teny ireo, dia niaiky ny mpanao salamo fa na dia tao aza ny fahaizany sy ny fahakingan-tsainy rehetra, dia ilain’ny olombelona ny hanampian’Andriamanitra azy hahafantatra ny Sitrapony (jereo Jeremia 10:23). Hilaza àry izany fa tsy maintsy nanambara ny tenany tamin’ny olombelona tamin’ny fomba iray na ny fomba hafa Andriamanitra.
Tena izany tokoa ve no izy? Teo imason’ny olona an-tapitrisany maro, dia ny Baiboly no porofo fa nanambara ny amin’ny tenany tamin’ny olombelona Andriamanitra. Tsy mitovy hevitra amin’izany anefa ny rehetra. Sodokan’ny zava-bitan’olombelona ny sasany ka tsy hitany mihitsy izay ilàna fanambarana toy izany. Milaza izy ireny indraindray fa “raikitra ao amin’ny olombelona rehetra” ny fahatsapana ara-pivavahana na “mety ho azony amin’ny fampiasana ny saina” fa tsy amin’ny alalan’ny “fanambarana iray na ny fampianarana zarain’ny Fiangonana iray”.
Raha izany anefa no izy dia ho anjaran’ny olombelona ny hamorona ny fivavahany, ny hanamboatra fampianarana ho an’ny tenany sy hametra fitsipi-pitondrantena ho azy. Hitanao ho mety ve izany? Inona no hilana fivavahana iray foronin’ny olombelona? Tena hanome fahafahampo tokoa amin’izay ilainy ara-panahy ve izany (Matio 5:3, MN )? Moa ve izany hanome ho an’ireo olona mangetaheta ny fahamarinana, valin’ireo fanontaniana apetrany amin’ny tenany ny amin’Andriamanitra?
Aoka isika handinika ireo fanontaniana ireo amin’ny fanopaza-maso amin’ny hindoisma, fivavahana iray niezaka hitady an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fandrindran-kevitra sy ny filozofian’olombelona.