Mipoitra eo afovoan’ny maizina ny fahazavana
“Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena, fa ao aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.” — ISAIA 60:2.
1. Amin’ny ahoana moa ny androntsika no tena mahatalanjona?
TENA miaina amin’ny fotoana mahafinaritra tokoa isika. ‘Mahafinaritra hoe?, hoy angamba ianao. Ahoana no azo ilazana zavatra toy izany amin’ny fotoana ilentehan’izao tontolo izao manontolo ao anatin’ny fisaratsarahana ara-politika sy ara-toe-karena ary ara-pivavahana, ka mahatonga ny loza noklehera hampanjombona ny ho avin’ny firenena rehetra?’ Tsy azo lavina anefa fa mendrika ny hiainana ny taonjato diavintsika. Matoa izany no izy, dia noho ny vaovao tsara izay, amin’ny tany manontolo, dia manazava ny olona noanan’ny fahamarinana ny amin’ny hevitry ny androntsika ka manokatra ho azy ireo ny fahatsinjovana mahafinaritra ho avy mbola mamirapiratra kokoa ihany.
2. a) Inona no fampaherezana omen’i Jehovah antsika ao amin’ny Isaia toko faha-45 sy 60? b) Iza moa ny ‘vadin’Andriamanitra’?
2 Ny loharanon’ny fanantenantsika mahagaga dia tsy iza fa Jehovah Mpanjaka Tompo, ilay Mpamorona lehibe ny lanitra sy ny tany (Isaia 45:12, 18). Izy no manome ny baiko voatantara ao amin’ny Isaia 60:1 manao hoe: “Mitsangàna [ravehivavy, MN ], mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka.” Iza moa io ‘vehivavy’ io? Tsy marika tsy misy aina sahala amin’ny tsangambaton’ny Fahafahana akory izany. Izany koa akory tsy vehivavy nofo aman-dra izay hiady ho an’ny fanafahana ny vehivavy. Izy io kosa dia ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra, ny mpanampy azy be fandavan-tena ka anisan’izany amin’izao fotoana izao ireo “olona masina” tafatsangana amin’ny maty, dia ireo kristiana voahosotry ny fanahy izay niseho ho tsy nivadika hatramin’ny fahafatesana. — Apokalypsy 11:18; 2:10.
3. a) Tamin’ny heviny ahoana moa ny ‘vadin’Andriamanitra’ no ‘nitsangana’? b) Ahoana no nanombohany ‘nampiely fahazavana’?
3 “Mitsangàna ravehivavy”, hoy ny baikon’i Jehovah. Mankato ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra ka mitsangana avy amin’ny fahamombana sy ny fahafoanana hatramin’ny ela mba ho tonga maro anaka sy mahavokatra. Tamin’ny 1914 izy io dia niteraka ny Fanjakana mesianika (Apokalypsy 12:1-5). Nanomboka tamin’ny 1919 izy dia nampiditra ireo zanany mitafy hosotra mbola eto an-tany ho ao amin’ny “tany” be voninahitra, tao anatin’ny toeram-panambinana ara-panahy (Isaia 66:8). Afa-tsy izany koa, ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra dia ‘manazava’ ireo faminaniana mahaliana mifandray amin’ilay Fanjakana. Ireo zanany maro be dia ‘ampianarin’i Jehovah’ izao. — Isaia 54:1, 13.
Ny fahazavana eo anivon’ny fahamaizinana mikitroka
4. Ahoana no ampifanoheran’i Jehovah ny olony amin’ireo firenena amin’ny tany?
4 “Tonga ny fahazavanao”, hoy ny nambaran’i Jehovah. Marina tokoa fa “ny voninahitr’i Jehovah” dia nanomboka nanjopiaka teo amin’ny fandaminany any an-danitra, ary izany dia nisy akony tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny vahoaka nareniny teto an-tany. Tamin’ny fifanoheran-javatra manaitra, dia nanampy teny toy izao i Jehovah: “Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena.” (Isaia 60:2). Moa ve izany tsy milazalaza amin’ny fomba miavaka ny toe-piainana manjaka amin’ny tany manontolo nanomboka tamin’ny 1914?
5. Nahoana moa ireo fivavahan-diso no tsy afaka manome fanafodiny mihitsy ho an’ireo zava-manahirana amin’ny andron’ny ataoma?
5 Ny fivavahana lazaina fa kristiana indrindra no nanda ny “famantarana” ara-paminaniana ny ‘fanatrehan’i’ Jesosy sy ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Noho izany antony izany no mahatonga azy ho solafaka foana ao anatin’ny fahamaizinana ara-panahy mitombo. Ireo finoana mahaforona azy dia nampiseho fa izy ireo dia anisan’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izay mifanipaka tanteraka amin’ny fahazavan’ny fahamarinana (Matio 24:3-14; Apokalypsy 17:3-6). Raha ny marina, ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao dia tsy nanome fanafodiny mihitsy ho an’ireo zava-manahirana mampiavaka ny andron’ny ataoma. Tsy hain’izy ireo ny mampisava ny fahamaizinana mikitroka, dia ny famoizam-po lalina nitelina ny taranak’olombelona. Ny fitsabahany tamin’ny raharaha ara-politikan’ireo firenena, amin’ny farany dia hitarika azy ireo ho amin’ny fanafoanana. — Apokalypsy 17:16, 17.
6, 7. a) Ahoana no ‘namirapiratan’ny’ voninahitr’i Jehovah teo amin’ny 1919 ka hatreo amin’ny 1931? b) Niafara tamin’ny fisehoan-javatra niavaka inona izany?
6 Mifanohitra amin’izany, Jehovah dia manohy ny teniny amin’ny fanambarana toy izao amin’ny fandaminany any an-danitra: “Fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.” (Isaia 60:2). Izany voninahitra izany dia manazava ireo kristiana voahosotry ny fanahy mbola eto an-tany, hany ka izy ireo koa dia ‘mampahazava ny fahazavany eo imason’ny olona’. (Matio 5:16.) Teo amin’ny 1919 ka hatreo amin’ny 1931 ny fahazavan’ilay Fanjakana dia namirapiratra tamin’ny fomba hafa tanteraka. Tao anatin’io vanim-potoana io tokoa, ny vahoakan’Andriamanitra dia nanafa-tena tanteraka tamin’ireo fampianarana, ireo hevitra sy fanao babyloniana farany nanakantsakana azy. Nifanitsy tamin’izany, io sisa vitsy tamin’ny kristiana marina io dia nanomboka nanome valin’ity fanontaniana ity mazava: “IZA NO HANOME VONINAHITRA AN’I JEHOVAH?”, ka izany dia natao lohatenin’ny lahatsoratra natao hianarana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 janoary 1926 (anglisy). — Jereo ny fanontana amin’ny teny frantsay tamin’ny martsa 1926.
7 Tamin’ny 1931, ny voninahitr’i Jehovah dia namaly soa ny ‘mpanompony’ tamin’ny fomba mbola niharihary kokoa ihany. Tamin’io taona io, ireo mpivavaka taminy dia nanaiky ny hitondra ny anarana nomen’ny tenany azy ireo mihitsy, dia ny hoe: VAVOLOMBELON’I JEHOVAH (Isaia 43:10, 12). Tao anatin’ireo 12 taona feno fisehoan-javatra izay nifarana tamin’ny 1931, ny mpitory ilay Fanjakana vitsivitsy dia niova ho vavolombelona be zotom-po an’aliny maromaro.
Mihamitombo ny fahazavana
8, 9. a) Tamin’ny 1931, nanintona ny sain’ny mpamaky azy ho amin’ny antokon’olona hafa inona moa Ny Tilikambo Fiambenana? b) Araka ny filazan’ny Soratra masina, inona moa no marika noraisin’ireo anisan’io antokon’olona io?
8 Moa ve Jehovah tsy tokony ‘hiposaka’ afa-tsy ho an’ny “ondry vitsy” amin’ny kristiana voahosotra voantso ‘handova ilay Fanjakana’? (Lioka 12:32.) Tsia, satria tamin’ny 1931 ka hatramin’ny 1938 ny fahazavana dia nihanamirapiratra kokoa hatrany. Marina tokoa fa nandritra izany vanim-potoana tsy nanam-paharoa izany Ny Tilikambo Fiambenana dia nanintona ny sain’ny mpamaky tamin’ny fomba nazava ho amin’ny antokon’olona hafa iray. Araka izany, ny fanontana tamin’ny desambra 1931 dia nirakitra lahatsoratra natao hianarana iray nifototra tamin’ny Ezekiela 9:1-11 ary mitondra ny lohateny hoe “ILAY LEHILAHY NITONDRA FANORATANA”. Rehefa avy nanondro an’ilay “lehilahy” resahina ho ny sisa voahosotra Ny Tilikambo Fiambenana dia nanao izao famoaboasan-kevitra izao:
9 “Omena izao ny baiko hanisy ‘marika ny handrin’ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra’ atao ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. (...) Resahin’ny Tompo ny amin’ny kilasin’olona iray hafahany amin’ny andro fahoriana, hotanany ho velona sy hataony sambatra eto an-tany. (Salamo 41:1, 2) Izany dia tokony ho ilay sokajin’olona lazalazaina matetika ho ‘olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny [izay] tsy ho faty mihitsy’.” Amin’izao fotoana izao isika dia talanjona mahita lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany maro mandray ny marika ho amin’ny famonjena amin’ny fitafiana ny tena toetra kristiana sy amin’ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah amin’ny alalan’i Kristy Jesosy mba hamatorana fifandraisana aminy. — Genesisy 22:15-18; Zefania 2:1-3; Efesiana 4:24.
10, 11. a) Tamin’ny heviny ahoana moa Jeho no nampiseho an’i Jesosy? b) Ahoana no azo amantarana ny mifanitsy amin’i Jonadaba amin’ny andro ankehitriny?
10 Ireo lahatsoratra natao hianarana nivoaka tamin’ny oktobra sy tamin’ny novambra 1932 tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) dia mendrika homarihina indrindra. Araka ny nasehon’io famakafakana ny toko faha-9 sy faha-10 amin’ny bokin’ny Mpanjaka Faharoa io, Jeho mpanjaka dia tandindon’i Jesosy Kristy Mpanjaka, ilay mampihatra ny fitsaran’Andriamanitra, izay manana ho solontena eto an-tany ny sisa amin’ny kristiana voahosotra izay mampiomana ny mpiara-belona aminy ny amin’ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra efa antomotra. Fa nampiseho an’iza Jonadaba, naman’i Jeho? Namaly an’io fanontaniana io toy izao Ny Tilikambo Fiambenana:
11 Jonadaba dia nampiseho na tandindon’ilay kilasin’olona ho eto an-tany, ao anatin’ny vanim-potoana ahitana ny asan’i Jeho, (...) izay tsy mifanaraka amin’ny fandaminan’i Satana, miandany amin’ny rariny. Izy ireo no harovan’ny Tompo mandritra ny fikorontanana amin’ny Haramagedona, hataony tafita velona amin’io fikorontanana io izy mba hanomezana azy ny fiainana mandrakizay eto an-tany.” Rehefa avy eo Ny Tilikambo Fiambenana dia nampitovy an’ireny olona ireny tamin’ireo ‘notahin’ny Ray’ ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy momba ny “ondry” sy ny “osy”. (Matio 25:31-46.) Izao no novakina tao: “Ny kilasy asehon’i Jonadaba eo dia toa ny an’ny ‘ondry’ notononin’ny Tompo, izay mitondra fanampiana sy fampaherezana ho an’ireo voahosotr’Andriamanitra, amin’ny fanohanana azy noho izy ireo manatontosa ny asan’ny Tompo.”
12. Inona no fanambarana nataon’Andriamanitra tamin’ny 1935?
12 Izany tsela-pahazavana ara-paminaniana izany dia nanomana ny toerana ho an’ny lahateny nanan-tantara nataon’i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower ny 31 may 1935 momba “Ny vahoaka maro be” tamin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah natao tany Washington, any Etazonia. Fanambarana re izany! Tamin’io andro io, tamin’ny alalan’ny porofo manamarina, ny “olona betsaka” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9 dia nampahafantarina ho ny ‘ondry hafan’ny’ Tompo resahina ao amin’ny Jaona 10:16 sy ho kilasin’i Jonadaba, dia ireo misy marika amin’ny handrina ho amin’ny fahatafitana velona, ‘olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny izay tsy ho faty mihitsy’ sy ho “ondry” avahana amin’ny “osy” izay handova ny fiainana mandrakizay ao amin’ny faritry ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Izany fanazavana rehetra izany dia noraisina indray ho ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 sy 15 novambra 1935.
13. Hevitra vaovao inona no naroso tamin’ny 1938?
13 Tao anatin’ireo taona nanaraka, ny fandaminan’Andriamanitra dia nihevitra aoka izany ny “olona betsaka” sy ny fanantenana kanto velominy, dia ny ho tafita velona mba hahita ny Paradisa voaorina indray eto an-tany. Ohatra, tamin’ny fivoriambe nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 9 ka hatramin’ny 11 septambra 1938 tany Londres, ireo lahateny lehibe roa dia nalefa nivantana tamin’ny alalan’ny fifandraisana an-tariby, tany amin’ireo fivoriambe amin’ny faritra samihafa naneran-tany. Ny anankiray tamin’ireny lahateny ireny, araka ny foto-kevitra hoe “Mamenoa ny tany” — mifandray amin’ny asa nankinina tamin’ny olombelona fahiny —, dia nampahafantatra fa ireo “Jonadaba” izay ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe dia ho afaka, fara faharatsiny mandritra ny fotoana kelikely aorian’ny Haramagedona, hanambady sy hiteraka ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao. — Genesisy 1:28; 9:1, 7; jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 15 desambra 1938 sy 1 janoary 1939.
14. Ahoana no nanambinan’i Jehovah ny vahoakany tao anatin’ireo taona ireo?
14 Tao anatin’ireo taona ireo, Jesosy Kristy Tompo dia nanomboka nanangona mpiasa betsaka kokoa mba hanirahana azy ireny ho any amin’ny fijinjany. Tamin’izany no nanisana mpitory teo amin’ny 50 000 tamin’ny 1938. — Matio 9:37, 38.
Ireo “mpanjaka” sy ireo “firenena”
15, 16. Iza moa ireo “mpanjaka” nandray anjara tamin’ny fahatanterahan’ny Isaia 60:3-10 a) fahizay? b) amin’izao androntsika izao? d) Ahoana moa ankehitriny no anompoan’ny “hafa firenena” eo anilan’ireo “mpanjaka”?
15 Io asa fanangonana io dia voalazalaza amin’ny fomba mahafinaritra ao amin’ny andininy faha-3 ka hatramin’ny faha-10 amin’ny Isaia toko faha-60. Ao Jehovah dia miresaka ny amin’ireo “mpanjaka” izay miseho eo amin’ny ‘fiposahan’i Ziona’ mba hanompo an’io fandaminana azo ampitahaina amin’ny ampakarina io. Fahizay, rehefa tafaverina avy any amin’ny fahababoany tany Babylona ny olon’Andriamanitra, dia mpanjaka, Dariosa Mediana sy Kyrosy Persiana, no nanao izay hahazoana manorina indray ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tany Jerosalema (Daniela 5:30-6:1; 9:1; Ezra 1:1-3). Tamin’io lafiny io izy ireo dia tandindon’i Jehovah, Mpanjaka Tsitoha, sy Jesosy, ilay Mpanjaka lefiny, izay nitarika ny fanorenana indray ny fanompoam-pivavahana marina teo anivon’ny olon’Andriamanitra tamin’izao androntsika izao (Apokalypsy 11:15, 17). Ambonin’izany, dia sisa amin’ireo mpivavaka marina voahosotry ny fanahy sy voantso ho “mpanjaka” sy “mpiray lova amin’i Kristy” no nitarika ny asa fanaovana fanambarana tamin’izao androntsika izao. Manompo eo anilan’ireny kristiana ireny ny “hafa firenena” — dia olona tsy anisan’ny Isiraely ara-panahy, fa ho tonga vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany izay handray anjara hatramin’izao amin’ny fitaran’ny asa teokratika maneran-tany. — Romana 8:17; jereo Isaia 61:5, 6.
16 Mandefa izao fanasana izao i Jehovah: “Atopazy manodidina ny masonao, ka jereo!” Misy ‘olona betsaka (...) avy amin’ny firenena rehetra’ tonga miaraka amin’ireo mpandova ilay Fanjakana tafangona (Apokalypsy 7:9; Zakaria 8:23; Isaia 2:2, 3). ‘Manambara fiderana an’i Jehovah’ amin-jotom-po eo amin’ny fanompoana ny rehetra. Mandany hery tsy misy toy izany koa izy ireny mba hanorenana toerana fanaovana fanompoam-pivavahana ny sasany amin’ireo Efitrano Fanjakanany dia naorina tao anatin’ny roa andro monja. ‘Manompo’ amin’ny fo rehetra izy ireny mba hanohanana ny fanitarana ny tombontsoan’ilay Fanjakana manerana izao rehetra izao. — Isaia 60:4-7.
17, 18. a) ‘Fanidinana’ mahafaly inona no atrehintsika amin’izao andro izao? b) Mampahatsiahy fisehoan-javatra manaraka vanin-taona inona izany?
17 Apetrak’i Jehovah manaraka izany izao fanontaniana mety izao: “Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny?” Ny voalohany nanatona ny fandaminan’Andriamanitra dia ireo ‘zanany’ “avy lavitra” rehefa nisaraka tanteraka tamin’ireo fivavahan’i Babylona. Mitondra zava-tsarobidy ireny kristiana voahosotra ireny amin’ny fanokanana izay rehetra ananany ho an’ny “anaran’i Jehovah” Andriamaniny. Ho valiny, ny “Iray Masin’ny Isiraely” dia nanafy azy ireo tamin’ny anarany, ary nanatsara azy ireo izy tamin’ny fanomezana azy tombontsoa hanompo azy amin’ny maha-vavolombelona. Mitarika izy ireo amin’ny fanomezana ohatra raha ny amin’ny fanandratana ny anaran’i Jehovah Mpanjaka Tompony, sy ny fitsaohana azy ho ny lehibe indrindra, ny malaza indrindra sy ny be voninahitra indrindra amin’ny anarana rehetra. — Isaia 60:8, 9.
18 Tsy ny sisa amin’ny mpianatra voahosotra ihany no nanao toy izany, raha tsy izany dia ho sarotra dia sarotra ny asany. Arakaraka ny ahavitan’ireo mahaforona azy mifanesy ny raharahany eto an-tany ao anatin’ny tsy fivadihana tokoa, dia tsy mitsahatra ny mihena isa io antokon’olona mihantitra hatrany io. Voaforon’ny kristiana eo amin’ny 9 000 izy io ankehitriny. Soa ihany fa misy olon-kafa miisa ho an-tapitrisany maro kosa, mirohotra “tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny”. Tonga mitady fialofana ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra izy ireny. Izy ireo dia tena mitovy amin’ny voromailala maro be izay, amin’ny vanin-taona sasany, dia betsaka aoka izany any Palestina, hany ka manamaizina ny lanitra.
Vavahady midanadana
19. Nahoana moa no midanadana foana ny ‘vavahadin’ny’ fandaminan’i Jehovah? Ahoana no amalian’ny “mpanjaka” sy ny “hafa firenena” ny fanasan’Andriamanitra?
19 Noho ny famindrampony, Jehovah dia namoha midanadana ireo vavahadin’ny fandaminany izay andefasany izao teny izao ankehitriny: “Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ny firenena.” Mifanaraka amin’io faminaniana io, ny “olona betsaka” dia tsy mitsahatra ny mihamaro isa. Amim-pifaliana, ireo “hafa firenena” tia filaminana mahaforona azy dia manolotra ny fananany — ny fotoanany sy ny heriny ary ny fahafahany manao zavatra — mba hanompoana an’Andriamanitra “andro aman’alina” amin’ny “fanompoana masina”. Idirany ny ‘varavarana lehibe voavoha hahazoana miasa’ ary miara-miasa amin’ireo ho tonga “mpanjaka” izy ireo mba hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah. — Isaia 60:10, 11; Apokalypsy 7:4, 9, 15, MN; I Korintiana 16:9.
20. a) Iza no ‘hofoanana’? b) Inona no fifanoheran-javatra mahafinaritra voamaritsika eo?
20 Manohy ny teniny Jehovah amin’ny filazana toy izao amin’ny fandaminany: “Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.” Ireo firenena mieboebo eo amin’izao tontolo izao, mbamin’ny fahavalon’Andriamanitra hafa rehetra, dia haetry amin’ny Hara-Magedona. Manatsara ny fitoerana masina natokana ho an’ny fanompoam-pivavahana aminy kosa anefa Jehovah. ‘Asiany voninahitra ny fitoeran-tongony’, dia ny kianjan’ny tempoliny lehibe ara-panahy izay anangonany ‘vahoaka’ ‘mihamaro’ hatrany. Tamin’ny alalan’ny mpaminany hafa iray, dia izao no nambaran’i Jehovah: “Hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity”. (Hagay 2:7). Ireo mpanenjika kosa anefa, ireo mpivadi-pinoana sy ireo olona hafa tsy manaja dia ho voatery “hiondrika”, hiaiky amim-pahasosorana mafy fa tena mampiseho tokoa ny fandaminan’Andriamanitra, dia ny “Tanànan’i Jehovah, Zionan’ny Iray Masin’ny Isiraely”, ny Vavolombelon’i Jehovah. — Isaia 60:12-14.
21, 22. a) Ahoana no anomezan’i Jehovah toky ny fandaminany? b) Amin’ny heviny ahoana moa ny vahoakany no ‘minono amin’ireo firenena’? d) Ny amin’inona no horesahintsika ao amin’ny fianarana manaraka?
21 Na dia hiteny ratsy mafy an’ireo ‘zanakalahy sy zanakavavin’ilay’ “vehivavy” manampy azy aza ny fahavalo, dia tsy hahafoy azy na oviana na oviana Jehovah. Izao tokoa no ampanantenainy an’io fandaminana mahatoky io: “Hasandratro ho rehareha mandrakizay hianao, eny, ho fifaliana hatramin’ny taranaka fara mandimby. Ary hinono amin’ny jentilisa hianao.” Araka ny hevitr’io sary io mivantana, ireo solontenan’ny fandaminan’Andriamanitra dia mampiasa ny fananana azony ampiasaina rehetra ho amin’ny fampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina. Ampiasainy tsara ireo fomba fifandraisana sy fitaterana ary fanontam-pirinty amin’ny andro ankehitriny mba hitoriana ny vaovao tsara. Nitari-dalana ny Vavolombelony tamin’io asa io i Jehovah, ary niahy azy ireo. Tetsy andaniny koa, ireo Vavolombelona ireo dia miasa ho an’ny fandaminany any an-danitra sy mifaly rehefa mahita ny fahatanterahan’ity fampanantenan’Andriamanitra ity: “Dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao.” — Isaia 60:15, 16.
22 Manome fampaherezana hafa ho antsika Jehovah ao amin’ny Isaia 60:17-22. Hiresaka ny amin’ireo andininy mahavariana ireo isika ao amin’ny fianarana manaraka.
Ho famintinana...
◻ Ahoana no ifanoheran’ny fahazavana amin’ny fahamaizinana amin’izao androntsika izao?
◻ Inona no “fahazavana” nipoitra tsikelikely teo amin’ny 1919 ka hatreo amin’ny 1938?
◻ Ahoana no ahatanterahan’ny faminanian’ Isaia 60:8 amin’izao androntsika izao?
◻ Amin’ny heviny ahoana moa no hoe misy “mpanjaka” sy “hafa firenena” miditra amin’ny “vavahady” midanadana?
[Efajoro, pejy 12]
“Misy fiadiana mahatahotra miavosa haingana kokoa hatrany (...) Amin’izao andro izao ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana dia mitatra hatrany amin’ny ranomasina sy ny habakabaka koa aza. Tsy araka ny iheverana azy fa ny fanamboarana fiadiana no anankiray amin’ireo fanaovan-taozavatra vitsy mitatra amin’izao vanim-potoana fitambotsirana sy faharatsian’ny toe-karena izao.” — Atoa Javier Perez de Cuellar, sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana.
“Indray andro aho dia nahita tao ambany varavarako, taratasy mivalona ara-pivavahana iray izay nitondra ho ahy, hafatra mahazatra. Izao no azo novakina tao: ‘Akaiky ve Hara-Magedona?’ teo ambonin’ny lanitra mainty nisy tselatra nandrahona. Tamin’ny fotoana sasany, izany karazana hafatra izany dia ho niteraka tsiky tamim-pamindrampo. Ankehitriny dia tsy misy mahagaga intsony amin’izany.” — Haynes Johnson, The Washington Post.