Manafaingana ny asany Jehovah
“Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” — ISAIA 60:22.
1. Amin’ny ahoana moa ny fihetsiky ny olon’i Jehovah no mifanohitra amin’ny an’izao tontolo izaon’i Satana? Nahoana?
AMIN’IZAO androntsika izao, dia tsy ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra fotsiny intsony no entanin-kafaliana. Hita hatraiza hatraiza koa ny firavoravoana ao amin’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto an-tany. Hita tokoa fa ny fahasambarantsika dia mifanohitra amin’ny alahelon’izao tontolo izao tarihin’i Satana (Salamo 144:15). Manana sakafo sy fisotro ara-panahy be dia be aoka izany isika, hany ka ‘mihoby noho ny faharavoam-po’. (Isaia 65:13-19.) Fantatsika ny mahatonga ny fahasahiranana maneran-tany. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana mampisaraka antsika amin’ny Hara-Magedona, ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia manatanjaka ny fanantenantsika ny hafahana tsy ho ela amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantatsika fa ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” dia ho avy tsy hisy diso amin’ny “fotoan’andro” satria ny fahitana dia ‘mikendry ny farany ka tsy ho diso’. — Apokalypsy 16:14, 16; Habakoka 2:3.
2. Inona avy moa no toe-javatra manjaka amin’izao andro izao ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah? Inona no fanontaniana mipetraka noho izany?
2 Eto an-tany toy ny any an-danitra, dia tsy mihilangilana ny fandaminana teokratikan’Andriamanitra. Afa-tsy izany koa, noho Jehovah loharanon’ny tanjaka rehetra, dia ‘manome hery be’ ho an’ireo izay manantena azy izy (Isaia 40:29-31). Noho izany, ny fandaminany dia marisika, velombelona, mihetsika foana (Jereo Ezekiela 1:15-21). Ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah 47 869 dia voalamina tsara mba hanao amin-jotom-po ny asan’ilay Fanjakana any amin’ny tany 203 (Matio 24:14). Tamin’ny fomba ahoana no nananganana an’io fandaminana marisika io?
3. a) Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 60:17 tamin’izao androntsika izao? b) Fandaharana inona avy sahala amin’izany no efa nanaporofo ny hasarobidiny tamin’ny andron’ny Baiboly?
3 Ireo lahatsoratra natao hianarana navoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 sy 15 aogositra 1938 dia nitondra indrindra ny lohateny hoe “Fandaminana”. Izany dia fandinihana amin’ny antsipiriany ny Isaia 60:17 izay anambaran’i Jehovah toy izao amin’ny fandaminany any an-danitra: “Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana [mpiandraikitra ho, MN ] anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” Tahaka izany fanatsarana izany, ny fandaminan’i Jehovah teto an-tany dia nahazo hery vaovao. Sahala amin’ny volamena sarobidy kokoa noho ny varahina (ary toy izany hatrany ny amin’ireo fitaovana hafa resahina ao amin’ireo andinin-teny ireo), dia toy izany koa fa ny fandaharana teokratika noraisin’ireo kongregasionan’ny mpanompon’Andriamanitra tamin’ny fo rehetra tamin’ny 1938 rehefa natolotry ny Fikambanana Watch Tower, dia tsara lavitra noho ireo fomba demokratika narahiny hatreo. Noho izany fandaharana mifanaraka amin’ny Soratra masina izany, hatramin’izao ny asan’Andriamanitra dia voalamina tsara. Afa-tsy izany koa, dia nisy fandaharana sahala amin’izany efa loharanom-panambinana tamin’ny andron’i Mosesy sy tao anatin’ireo andro voalohandohan’ny kongregasiona kristiana. — Eksodosy 18:25; Asan’ny apostoly 18:25; Asan’ny apostoly 6:3-7; Titosy 1:5; I Petera 5:1-3.
4. a) Ahoana no nanatanjahana ny Vavolombelon’i Jehovah ho amin’ny fitsapana tao anatin’ny vanim-potoana 1939-1945? b) Inona no mampiseho fa nitahy an’io fandaharana teokratika io i Jehovah?
4 Araka izany, tamin’ny 1938, herintaona talohan’ny nipoahan’ny Ady Lehibe Faharoa, ireo “mpiandraikitra” sy ireo “mpampiasa” dia tonga “fiadanana” sy “fahamarinana” ho an’ny kongregasiona rehetra. Ny fandaminana matanjaka sy mahavokatra naterak’izany fampiraisana izany dia nandroso ary tsy maintsy nitatra. Notahin’i Jehovah ireo vavolombelony tafaray, hany ka na dia tao aza ny fanerena sy ny fanenjehana vokatry ny ady, dia nila ho avo roa heny ny isany: Ny 71 509 tamin’ny 1939 dia tonga 141 606 tamin’ny 1945.
‘Tsy misy fampahoriana intsony’
5. Raha ny amin’ny “fiadanana”, amin’ny ahoana moa ireo mpanompon’i Jehovah no miavaka amin’izao tontolo izao manodidina azy ireo?
5 Fa inona no holazaina ny amin’ny fotoana taorian’ny ady? Mifanohitra amin’izany, io vanim-potoana io dia tsy nitondra fiadanana ho an’ireo firenena. Toa hoe olona maherin’ny 30 000 000 no nahita fahafatesana tamin’ireo ady “madinika” natao hatramin’ny 1945. Nisy fotoana nanaovana ady 40 teo an-toerana niaraka. Toy inona moa ny fahasambarana amin’izany anisan’ny fandaminana iray niala tamin’ny herisetra (Isaia 2:4; Ohabolana 20:22)! Afa-tsy izany koa, maneran-tany dia mihavana isika samy isika. Rehefa niara-nandeha tamin’ilay “Andriamanitry ny fiadanana” isika, dia nahita “ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”. — Filipiana 4:7-9.
6, 7. a) Inona no tsy itovian’ireo mpanompon’Andriamanitra amin’ny olon-kafa? b) Ahoana no nahatanterahan’ny Isaia 60:18 teo amintsika? d) Amin’ny lafiny inona moa isika no hafa indrindra noho ireo izay manaraka fivavahan-diso?
6 Ny “fiadanana” sy ny “fahamarinana” manjaka eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah dia mampiavaka azy amin’izao tontolo izaon’i Satana. Ny olona mahatsapa izany dia milaza toy izao amintsika indraindray: ‘Midera anareo aho, nefa tsy tiako ny fivavahanareo.’ Nefa moa ve tsy ny fivavahantsika indrindra no nahatonga antsika ho araka ny maha-isika antsika? Tsy manintona antsika velively ireo hevitra sy fankahalana mampisaratsaraka ireo firenena. Ny ahintsika kosa dia 1) ny hampianatra ny manetry tena ho amin’ny famonjena atolotry ny Fanjakan’i Kristy azy ary 2) ny hidera an’i Jehovah amin’ny fitanana ny anarany ho vavolombelona ho an’ny firenena rehetra. Tsy ‘naman’izao tontolo izao’ isika. — Jaona 17:14, 16.
7 Tamin’izany no nahitantsika fahatanterahan’izao fampanantenan’i Jehovah izao: “Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ny fari-taninao; ny màndanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.” (Isaia 60:18). Eny, ho an’i Jehovah Andriamanitsika anie ny fiderana rehetra! Ireo filoha ara-pivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana sy ny mpivadi-pinoana rehetra izay lasa nanaraka azy ireny dia nanala baraka an’io anarana io. Nanandrana nanafoana izany tsy ho ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly aza izy ireo. “Fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” — Mika 4:5.
8. a) Inona moa no fampaherezana omen’i Jehovah ny olony ao amin’ny Isaia 60:19-21? b) Inona no ‘manome voninahitra’ an’i Jehovah? Amin’ny fomba ahoana?
8 Mamporisika antsika Jehovah handeha amin’ny anarany. Ao amin’ny Isaia 60:19-21 izy dia mampanantena ny fandaminany any an-danitra fa ny tenany dia ho tonga ‘fanazavana mandrakizay’ ho azy izay hanakona ny fahazavan’ny masoandro sy ny volana aza. Amin’ny heviny ara-panahy, dia ho fototry ny fahatsaran-tarehiny Jehovah. Ambonin’izany, dia hotanterahiny izao fampanantenana hatao ho an’ny ‘firenen’ny’ ‘vadiny’ ara-panoharana izao: “Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin’ny sahako, asan’ny tànako ho fampisehoam-boninahitra.” Nanambina ny “tany”, dia ny sahan’asan’ireo vavolombelony tokoa Jehovah. Mihamahavokatra hatrany izany, satria misy mpianatra vaovao maro be miangona ao amin’ny tobin’ilay Fanjakana ka mandray ny fanampiana ilain’izy ireo mba hitafiana ny toetra kristiana (Kolosiana 3:10, 12-14). Izany dia ‘manome voninahitra an’i Jehovah amin’ny fankalazana ny anarany tsy manam-paharoa.
9. a) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa nitahy ireo Vavolombelony tany Meksika izy? Nahoana? b) Inona no nolazain’ny gazety iray ny amin’ny tsy fivadihan’ireo Vavolombelona meksikana?
9 Aoka, ohatra, hotsaraintsika izany, araka izay nitranga tato ho ato any Meksika. Any, tao anatin’ny roa taona farany, ny tampon’isan’ny mpitory izay 113 823 dia tafakatra ho 151 807, ka izany dia mampiseho fitomboana 33 isan-jato (amin’ny fitambarany dia olona 695 369 no nanatrika ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny 1984). Ireo rahalahintsika meksikana dia maneho zotom-po miavaka eo amin’ny fitoriana. Etsy andaniny koa, ny gazety iray any Monterrey dia niresaka vao haingana ny amin’ny fialanalanan’izy ireo. Izao no azo novakina tao: “Ny fiorenany mafy sy ny herim-pony amin’ny heviny dia mahatonga antsika hanana fanajana lalina azy ireo. Na dia roahina tsy ho any an-tsekoly aza ireo zanany, dia tsy mivadika hatrany amin’ny finoany sy ny zavatra inoany izy ireo. Inona no hitranga raha toa isika rehetra izay kristiana ka mitondra tena toy izany tsy misy fanavakavaham-pinoana. Hanjary tohin’ny lanitra i Meksika.”
10. a) Ahoana no ahafantarantsika fa mitondra vokatra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah na dia rehefa rarana aza? b) Inona no fanontaniana mety ny hametrahantsika azy?
10 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manohy mitondra izany vokatry ny fiderana izany na dia any amin’izay anenjehana azy ireny tsy misy fiatoana aza. Moa ve tsy nampihetsi-po antsika rehetra ny nahita, rehefa nanopy maso tamin’ny rapaoron’ny taom-piasana 1984, fa any amin’ny tany 28 andraran’ny fitondram-panjakana tanteraka na andrarany kely ny asantsika, ny isan’ny mpitory amin’ny fitambarany dia nitombo 3,1 isan-jato, ary nihoatra ny tanjona 250 000 izany? Ao amin’io faritra eo amin’izao tontolo izao io, ny isan’ny mpitory maharitra aza dia nitombo 23 isan-jato. Ho mpitory maharitra ve ianao ao anatin’ny toe-javatra toy izany? Amin’ny ara-keviny, dia 6 905 tamin’ireo rahalahy sy anabavinareo no toy izany isam-bolana. Koa raha azo lazaina hoe mbola manana fahafahana ianao ao amin’izay onenanao, nahoana no tsy mametra ho zava-kendrena ny ho tonga mpitory maharitra mandavantaona, na fara faharatsiny hanompo amin’ny fotoana sasany amin’ny maha-mpitory maharitra mpanampy? — Jereo Lioka 17:5, 6.
‘Ny kely tonga arivo’
11, 12. a) Inona moa no tapany voalohany amin’ny fampanantenan’i Jehovah? b) Manonòna ohatra vitsivitsy ‘nahatonga ny kely ho tonga arivo’. d) Ahoana no hanazavana ny fitomboana haingana toy izany?
11 Amin’ny antoky ny anarany tsy manam-paharoa, dia mamarana ny teniny amin’ny fampanantenana misy fizarana telo Jehovah (Isaia 60:22). Voalohany indrindra, dia nanambara izy hoe: “Ny kely ho tonga arivo”. Tamin’ny famakiana isan-taona ny Annuaire des Témoins de Jéhovah, moa ve tsy voamarikao fa any amin’ny tany maro izay anisana mpanompon’Andriamanitra an’arivony maro izao, ny asa dia nanomboka tamin’ny mpitory ilay Fanjakana vitsy kely na anankiray monja aza? Araka izany, ny mpitory maharitra nanao fanambarana voalohany tany Chili dia nanofa fitambarana efitrano ary nanomboka nanasa ny olona isaky ny alahady ho amin’ny fivoriana. Rehefa niseho tao aminy tamin’ny farany ny olona tsara fikasa iray, dia nanontany azy hoe: “Ary ny hafa, rahoviana izy ireo no ho avy?” Ary dia namaly toy izao ilay mpitory maharitra: “Ho avy izy”. Tsy diso hevitra izy. Tokony ho dimampolo taona atỳ aoriana, izany “kely” izany dia tonga 23 985.
12 Tany Italia, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nenjehin’ny fitondrana fasist’i Mussolini. Tamin’ny 1946, rehefa vita ny ady, dia 120 monja sisa izy ireo no nanome filazana asa. Aza hadinoina anefa fa mpianatra tokony ho 120 monja no tafavory tamin’ny Pentekosta taona 33. Eritrereto anefa ny fitombon’ny asa taty aoriana (Asan’ny apostoly 1:15; 2:1-4, 41)! Tamin’ny fomba hafa no nandatsahan’i Jehovah ny fanahiny teo amin’ireo mpanompony tany Italia. Araka ny filazana asa faramparany, ny isan’ny mpitory italiana amin’izao fotoana izao dia tafakatra ho 119 409, izany hoe avo arivo heny noho ny tamin’ny 39 taona lasa. Toy ny any amin’ny tany katolika maro hafa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahita fitomboana mahagaga any Italia. — Jereo Salamo 69:9; Isaia 63:14.
“Firenena mahery”
13, 14. a) Ahoana no nahatanterahan’ny tapany faharoa amin’ny fampanantenan’i Jehovah? b) Ahoana no azo ampiharana amin’izany ny teny voarakitra ao amin’ny I Petera 2:9 sy ao amin’ny Isaia 59:21? d) Inona no nanome refiny vaovao ho an’ny fitoriantsika?
13 Ny tabilao faharoa amin’ilay fampanantenana telo sosona manintona ny saintsika dia miseho toy izao: “Ny malemy [vitsy dia vitsy, MN] ho tonga firenena mahery.” “Vitsy dia vitsy” tokoa ny sisa tamin’ny kristiana voahosotra niely patrana izay, tamin’ny 1919, dia naverina indray tao amin’ny ‘taniny’, noho ny fanohanan’i Jehovah. Nitombo anefa izy mandra-pahatafiditry ny Isiraely ara-panahy rehetra mba hahatratra ny isa fenon’ny mpandova ilay Fanjakana 144 000 (Romana 11:25, 26). Ireo kristiana voahosotra mbola eto an-tany izay anisan’ny ‘firenena masin’Andriamanitra’ dia tena voantso avy amin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga tokoa. Faly izy ireo afaka manambara ny hatsaran’ny Andriamaniny, Jehovah (I Petera 2:9). Na dia azo lazaina hoe vitsy aza izy ireo dia mahery noho ny fanahiny. “Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.” — Isaia 59:21.
14 Amin’ireo teny ireo no anomezan’i Jehovah antoka fa hahomby ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny zavatra tsara”. Ho amin’izany rahateo no ivavahantsika amin-kafanam-po mandritra ‘io andron’i Jehovah’ io. Nandray refiny vaovao ny fitoriantsika rehefa nanokatra ny vavany mba hanao fanambarana ampahibemaso ny amin’io hafatra famonjena io ny ‘taranaka’ ara-panahin’ny sisa amin’ny kristiana voahosotra, dia “ny olona betsaka”, avy eo dia ny ‘taranak’io’ ‘taranaka’ voalohany io (ireo mpianatra vaovao notarihin’ireo anisan’ny “olona betsaka” ho ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra). Tamin’izany ny kongregasiona rehetra no nanohy nitombo, na tamin’ny isa na tamin’ny fahasalamana ara-panahy. — Romana 10:10, 15; Salamo 118:24, 25; I Tesaloniana 3:12.
15. Firy no isan’ny mponina ao amin’ny “firenena” ara-panahin’Andriamanitra? Avy aiza ny fahasambaran’io “firenena” io?
15 Tao anatin’izao fotoana faramparany izao, ny vokatry ny Fanjakana dia nitombo tamin’ny fomba mahagaga. Koa satria olona be dia be no tonga miaraka amin’ny “olona betsaka”, ankehitriny ny ‘firenen’Andriamanitra dia mahatratra tampon’isan’ny vavolombelona marisika 2 842 531. Noho izany, io “firenena” io dia efa be mponina sahady noho ireo tany sy antokon’olona jeopolitika eo amin’ny 92 eo amin’izao tontolo izao. Amim-pifaliana no azontsika andraisana ho antsika ny tonon’ity hira mirindra ity: “Ny fisainan’i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby. Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, dia olona nofidiny ho lovany.” — Salamo 33:11, 12.
Fanafainganana
16, 17. a) Inona no nampiseho fa madiva ho tanteraka ny fizarana fahatelo amin’ny fampanantenan’i Jehovah? b) Ahoana no ampisehoan’ny maro fa tia an’Andriamanitra sy Kristy izy ireo? d) Fitiavana inona no nandray anjara tamin’izany fanafainganana izany? Miseho amin’ny asa mahafaly inona izany? e) Ahoana no azo ampiharana amin’izao andro izao ny Matio 9:35-38?
16 Tonga eo amin’ny lafiny fahatelo amin’ny fampanantenan’Andriamanitra isika: “Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” ANKEHITRINY anefa, atỳ ankatoky ny “fahoriana lehibe”, no tanteraka io faminaniana io (Marka 13:10, 18, 19), araka ny porofoin’ny fanafainganana be ny asan’ilay Fanjakana tao anatin’ny roa taona farany. Voamarika hatraiza hatraiza izany fanafainganana izany, na dia any amin’ny tany tokony hampisehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitiavany an’i Jehovah sy Jesosy Kristy amin’ny fitoriana ao anatin’ny fanenjehana na ny tarehin-javatra hafa mahatandindomin-doza ny fiainan’izy ireo aza. Eo amin’ny lohany, ny laharan’ny mpiasa manontolo andro, indrindra fa ny mpitory maharitra, dia tsy mitsahatra ny mihamatevina. Mahita fifaliana be dia be ireo eo amin’ny asan’i Jehovah. — Ohabolana 10:22.
17 Amin’ny tany manontolo, izany fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra voamariky ny firavoravoana izany dia namporisika ireo kongregasiona hanafaingana ny fihetsehana, hampitombo ny fandraisany anjara amin’ny fijinjana farany. Na dia ao aza ny fitomboana mahagaga atrehintsika, amin’izao andro izao dia mbola “be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy”. Eo amin’izao tontolo izao tsy misy fanantenana manodidina antsika, dia rariny raha onena ny olona manodidina antsika sahala amin’i Jesosy isika, satria izy ireny dia tena ‘ampahantraina sy afoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. Izany no antony iangaviantsika ny “Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra”, ary faly isika mahita ny fomba ihainoana ny vavaka ataontsika. — Matio 9:35-38.
18, 19. Ahoana no ahafantarantsika fa maneran-tany dia ‘masaka ho amin’ny fijinjana’ ny saha maneran-tany?
18 Anisan’ny ohatra mampahery ity: Tamin’ny aprily 1984, dia 1 048 ny isan’ny mpitory maharitra mpanampy tany Equateur, izany hoe nitombo 106 isan-jato noho ny tamin’io volana io ihany tamin’ny taona lasa. Tamin’ny jona, dia mpitory 8 044 (tarehi-marika mampiseho fitomboana 17 isan-jato) no nitarika fampianarana Baiboly 12 238, ka izany dia nampiseho fitomboana isa 24 isan-jato tao anatin’ny taona. Afa-tsy izany koa, dia olona 40 728 no nanatrika ny fahatsiarovana, izany hoe maherin’ny dimy isaky ny mpitory iray. Maharay filazana asa sahala amin’izany isika maneran-tany. Ny nanisana mpanatrika 7 416 974 amin’ny fitambarany tamin’ny Fahatsiarovana ny 15 aprily 1984 dia mampiseho fa ‘masaka hojinjaina’ ny saha hanangonana olona ho amin’ny “fiainana mandrakizay”. — Jaona 4:35, 36.
19 Matetika Jehovah no manafaingana ny zavatra amin’ny fomba mahagaga. Araka izany, avy any amin’ny tany lava volo midadasika any avaratr’i Papouasie-Nouvelle-Guinée no nanoratan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray toy izao ho anay: “Ny lehilahy iray notsidihin’ny mpitory maharitra manokana iray dia niverina tany an-tranony, any amin’ny vohitra kely iray any an-tendrombohitra. Taona maromaro taty aoriana, dia niseho indray izy tao amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray mba hilaza fangatahana. Io lehilahy io, izay tsy mbola vita batisa foana, dia nanao fanambarana tsara aoka izany tao amin’ny vohiny sy teny amin’ny manodidina, hany ka tian’ireo loholona tao amin’ilay toerana ny hahatongavan’ny Vavolombelon’i Jehovah hikarakara ny tombontsoa ara-panahin’ilay faritra. Rehefa voafafy ny voa, dia Andriamanitra no ‘mampitombo’. — I Korintiana 3:6.
20. Inona no mahatonga an’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower ho afaka hiatrika ny fitomboana?
20 Tato ho ato Jehovah dia manomana ny vahoakany amin’ny fomba maro ho amin’ny fitomboana izay manomboka miseho. Faly isika satria tao anatin’ireo taona faramparany dia nomeny tamin’ny fomba mahatalanjona aoka izany izay nilaina ho amin’ny fanitarana teo amin’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower. Ankehitriny izy ireo dia tsara fitaovana mba hanampy ny fanidinana vaovaon’ny “voromailala”.
21. Ahoana no azontsika anohizana mandray anjara amin’ny ‘fanafainganana’ ny asa?
21 Aoka àry isika rehetra hiezaka mba hitondra ny fahazavan’ny vaovao tsaran’ny Fanjakana amin’ny olon-kafa an-tapitrisany maro. Aoka hasehontsika amin’ny “voromailala” rehetra mitady tranony ny lalan’ny “Famonjena” izay miandry azy ireny ao ambadiky ny manda fiarovan’ny fandaminan’i Jehovah. Aoka isika hihira “Fiderana” azy mafy kokoa hatrany ao am-bavahadin’io fandaminana io. Aoka isika hivavaka mba hahatonga an’i Jehovah Mpanjaka Tompo sy Jesosy Kristy Mpanjaka malalantsika, filohan’ny kongregasiona kristiana, hanohy ‘hanafaingana’ ny fanambarana ilay Fanjakana hatramin’ny farany!
Andeha hofintinintsika
◻ Tamin’ny fomba miavaka ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Isaia 60:17 tamin’ny 1938?
◻ Araka ny Isaia 60:18, inona no zavatra tokony hahintsika voalohany indrindra?
◻ Amin’ny ahoana ny filazana asa momba ny fitoriana no ‘manome voninahitra’ an’i Jehovah?
◻ Eo am-pahitana fahatanterahana inona moa ny fampanantenana telo sosona voasoratra ao amin’ny Isaia 60:22?
[Sary, pejy 17]
Ny fahitan’i Ezekiela ny amin’ny fandaminana marisik’i Jehovah dia naseho tao amin’ny pejy voalohany amin’ny La Tour de Garde tao anatin’ireo taona telopolo.
[Sary, pejy 20]
Nandray anjara tamin’ny ‘fanafainganana’ ny fijinjana ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra.