FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/6 p. 3-5
  • Maritiora noho ny finoan’izy ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maritiora noho ny finoan’izy ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no nisy izany fandripahana lehibe izany?
  • Ny zava-nitranga tena naharikoriko
  • Inona no niafaran’ireo sisa velona?
  • Mandresy ny fahamarinana sy ny finoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Voasazy ireo namono olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ny zava-miafin’i Kimbilikiti
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Enjehina satria nilaza ny marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/6 p. 3-5

Maritiora noho ny finoan’izy ireo

INDRAY alahady vao maraina be, ny antokon’olona eo amin’ny 500 dia nivory nanodidina ny trano iray tany Pangi, vohitra kely iray any amin’ny faritr’i Kivu, any Zaïre. Nandona mafy ny varavarambe izany vahoaka nitabataba izany ka namoha nitsamboatra an’ireo kristiana izay natory tsy nanana ahiahy tao anatiny. Inona no hitranga? Hotarihina ho any ivelany ny fito tamin’izy ireo, hokapohina tsy misy indrafo, avy eo dia hoterena handeha an-tongotra amin’ireo fito kilaometatra mampisaraka azy ireo amin’ny vohitr’i Kilungulungu, tany anaty ala.

Tany, dia hovonoina ireny olona tsy tia ady ireny, ary hatao kilemaina ny anankiray taminy. Aorian’izany ny fatiny dia halevina ao amin’ny fanambanin’ny renirano iray noritina tamin’izay fotoana izay. Atỳ aoriana, dia hovohana ny toho-drano ka handrakotra an’ilay fanangonam-paty, ny renirano ary hanafoana izay rehetra mety ho soritr’io famonoana olona nahatsiravina io.

Nahoana no nisy izany fandripahana lehibe izany?

Ny famonoana ireny Vavolombelon’i Jehovah nahatoky ireny no fara herin’ny onjam-panenjehana nitosaka nanomboka tamin’ny 1978 teo amin’ny faritr’i Kivu manontolo anjakan’ny foko Rega. Nahoana no nisy izany famonoana olona izany? Satria ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mety manaiky an’i “Kimbilikiti”. Mihevitra ireo manamboninahitra ao amin’io fivavahan-drazan’ny Warega io fa ny Vavolombelona no fandrahonana lehibe indrindra mitambesatra amin’ny fitambaran’ny rafitry ny fokony, ka noho izany dia tokony hofoanana.

Nanomboka tamin’ny 1978 ka hatramin’ny 1983, dia nisy olona nirehitra tsy amin’ny antony nandoro Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro. Nandrahona Vavolombelona maro izy ireny, nandroaka azy ireo tsy ho ao an-tranony ary naka an-keriny ny fananany. Imbetsaka izy ireo no nanandrana nanafoana azy ireny tamin’ny fampiasana famosaviana. Koa satria tsy nisy vokany izany fandaharana natao rehetra izany, tamin’ny farany ireo mpanenjika dia tapa-kevitra ny hampiasa famonoana. — Jereo Nomery 23:23.

Ny zava-nitranga tena naharikoriko

Aoka hojerentsika akaiky kokoa ireo fisehoan-javatra nampangitakitaka tamin’ny 14 aogositra 1983, andro namonoana an’ireo kristiana nahatoky fito ireo. Ny omalin’iny, ny ankamaroan’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona kelin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Pangi dia tonga an-tongotra avy any amin’ireo vohitra teny amin’ny manodidina mba hanatrika ny fivoriana fanaon’izy ireo isaky ny asabotsy. Nijanona teo an-toerana izy rehetra ny alina mba ho tonga ao amin’ny fanompoam-pivavahany ny alahady maraina. Kalumba Malumatu, minisitra miasa manontolo andro izay nanao ny raharahan’ny mpiandraikitra-prezidà koa teo anivon’ilay kongregasiona, dia nandray fito tamin’izy ireny tao an-tranony. Olona iraika ambin’ny folo no tao tamin’ny fitambarany rehefa isaina ny rahalahy Malumalu sy ny vadiny ary ireo zanany kely roa. Ny kristiana dimy hafa dia nivahiny tao amin’ny rahalahy Kikuni Mutege.

Taorian’ny fivoriana ny asabotsy, dia nandany takariva nahafinaritra ireo Vavolombelona nihirana sy nifampitantarana zavatra hitany teny am-pitoriana nanodidina ny afo. Voamarik’izy ireo tsara fa nisy antokon’olom-bitsy niainga tamim-pilaminana tsy fahita nankany amin’ny vohitra iray any amin’ny roa kilaometatra avy ao Pangi. Ahoana anefa no nety ho niahiahiany ny ho vokatra haterak’izany fitangoronana izany?

Ny ampitso maraina, tokony ho teo amin’ny 5 ora, ny tranon’ilay mpiandraikitra-prezidà dia notafihin’ny vahoaka notarihin’i Mulamba Muzembe, filohan’ilay antokon’olona. Nangatakany rahalahy Kampema Amuri sy Weseka Tabu io mba hiaraka aminy hatreo anoloan’ny filohan’ny fokonolona (Katunda Banangozi) mba hanao ny “Salongo” (asa tsy maintsy atao fikarakarana arabe, tetezana, ets.) Nanazava tamim-pahalalam-pomba ny rahalahy Kampema fa nifandamina tamin’ny filoha Katunda izy mba hanao ny asa tamin’ny andro nanaraka, nefa nilaza ilay filohan’ny antokon’olona fa tsy nanaja azy ny rahalahy Kampema ka nandidy ny hikapohana azy. Taorian’izany, dia hasainy hokapohina koa ireo rahalahy hafa.

Tamin’izay fotoana izay, dia tsapan’ireo tantsaha fa tafaverina tao an-tranony ny “pastora” Kalumba Malumalu (ilay mpiandraikitra-prezidà). Koa nirohotra namely rindrina iray an’ilay trano izy ireo mandra-pirodany. Niantoraka niditra ny sasany tamin’izay mba haka an-keriny ny rahalahy Matumalu. Amin’ny ady hanaraka izany, dia hampahorina ireo anabavy, nefa ho afaka hialoka miaraka amin’ireo zanany ao amin’ny lehiben’ny zandarimaria izy ireo.

Teo anelanelan’izany, dia afa-nandositra ny anankiroa tamin’ireo rahalahy tao amin’ilay trano hafa iray. Ny anankiray tamin’izy ireo, Hemedi Mwingilu, dia niafina tao amin’ny trano iray eo am-panorenana ka tao no hanarahany ny fisehoan-javatra. Ny anankiray hafa, Lulima Kazalwa, dia tsy hita tany anaty ala.

Tamin’ny farany dia naka an-keriny rahalahy fito ny vahoaka. Teny amin’ny dimy kilaometatra nandehanana hitarihana ireny kristiana ireny ho any amin’ny alan’i Kilungu-lungu, dia nokapohin’ireo mpitondra azy an-keriny izy ireo. Na dia nila tsy hahatsiaro saina aza izy ireo teo am-pahatongavany ary nahita fa nanatona ny farany ho azy ireo, dia tapa-kevitra hatrany ireo Vavolombelona ny tsy handa ny finoany. Hiatrika ny fahafatesana amin-kerim-po sy fahamendrehana izy ireo, tahaka ny kristiana maro taloha sy amin’izao androntsika izao. — Matio 24:9; Apokalypsy 2:10.

Ny Vavolombelona fahavalo, Amisi Milende, dia hovonoina tsy ho ela. Nankany Kama izy, nefa nisy olona nirahina hisambotra azy sy hitondra azy nifatotra tany Binyangi (any amin’ny 15 kilaometatra avy eo Pangi) mba hanaovana izay hisehoany teo anatrehan’i Kibonge Kimpili, filohan’ny antokon’olona hafa iray. Talohan’ny nahatongavan’ilay filoha, io Vavolombelona be zotom-po io dia nanome fampaherezana ara-panahy be dia be ho an’ny anankiray tamin’ireo zanak’olo-mpiraitampo taminy; noho ny fahafantarana fa nadiva ho faty izy, dia nohazavainy tamin’ireo mpanenjika azy fa hiandry an’i Jehovah fotsiny izy mba hamelona azy indray eto amin’ity tany ity izay tsy ho ela dia ho tonga paradisa. Io kristiana nahatoky tanora io dia novonoin’ny lehilahy maromaro niray tetika tamin’ny dadatoany. Tezitra taminy indrindra io noho izy nanampy anankiroa tamin’ireo zanany lahy ho tonga Vavolombelon’i Jehovah. Ireo zanakalahy roa ireo anefa, Malala Ramazani sy Akilimali Walugaba, dia anisan’ireo Vavolombelona fito hafa novonoina.

Inona no niafaran’ireo sisa velona?

Izany fisehoan-javatra nahatsiravina izany àry dia niafara tamin’ny famonoana lehilahy valo izay namela mpitondratena sy kamboty. Ireo mpitondratena sy kamboty ireo, toy ny Vavolombelona hafa teny amin’ny manodidina sy ny olona nankafy ny hafatra nentin’izy ireo, dia niharan’ny fankahalana mitombo. Koa tamin’ny farany izy ireo dia nandositra tany Kindu, tanàna teo akaiky indrindra; nikarakara azy ireo ny Vavolombelona tao amin’ireo kongregasiona telo teo an-toerana. Ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower any Kinshasa koa dia nitondra fanampiana ho an’ireny fianakaviana ory ireny tamin’ny fandefasana ho azy fitafiana sy firakotra ary vola. Izany fanampiana netsehin’ny fitiavana izany dia nankasitrahana aoka izany ary nanome fanambarana tsara dia tsara ho an’ireo mpikambana tsy mpino tao amin’ireny fianakaviana ireny, sy ho an’ny olon-kafa (Jaona 13:34, 35; Jakoba 1:27). Nandray anjara koa ireo manam-pahefana. Nosamborina ny mpamono azy ireo ary nampiharana fandaharana ara-pitsarana.

Miteraka fanontaniana maro izany fanaovan-javatra maharikoriko izany. Inona moa no atao hoe fivavahan’i Kimbilikiti”? Karazan-javatra inoana sy fanao inona no mety hitarika ho amin’ny fanenjehana toy izany? Ary nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no hany antokom-pivavahana ianjadian’ny fankahalana toy izany?

[Sary, pejy 3]

Ny vohitr’i Pangi.

[Sary, pejy 4]

Ilay lalana mitarika ho any amin’ny toerana namonoana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara