Ahoana no fiheveranao ny anaran’i Jehovah?
IO fanontaniana tena mety io napetraka tamin’izay rehetra nanatrika ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah araka ny foto-kevitra hoe “Ny fitomboan’ilay Fanjakana”, tamin’ny famoahana bokikely vaovao iray mitondra ny lohateny hoe Le nom divin qui demeure à jamais. Nahoana no zava-dehibe izany?
Raha vao teo am-piandohan’ny fitantarana ny famoronana teto an-tany, ny anarana hoe Jehovah dia manondro an’ilay hany Andriamanitra marina (Genesisy 2:4; 4:1). Tsy voasakana tsy hampiasa azy io Abrahama, “sakaizan’i Jehovah” (Jakoba 2:23, MN; Genesisy 18:30-33, MN ). Mosesy koa etsy andaniny dia hahafantatra fa tokony hijanona ho anaran’ny Mpamorona “hatramin’ny fotoana tsy voafetra” io anarana io. (Eksodosy 3:15, MN.) Jesosy kosa dia hampiseho ny anaran’Andriamanitra amin’ireo mpianany (Jaona 17:6). Ireo kosa indray dia hitety an’izao tontolo izao mba hanampiana ny mpiara-belona aminy ‘hiantso ny anaran’i Jehovah’mba ‘hovonjena’. — Asan’ny apostoly 2:21.
Misy hafa kosa anefa manala baraka ny anaran’Andriamanitra. Araka izany, rehefa tsy nitandrina ny lalàn’i Jehovah ny Isiraelita, dia nandoto ny anarany (Levitikosy 18:21; 19:12). Tamin’ny fampiharana ny anarana manokan’Andriamanitra tamin’ny ombilahikely volamena izay nivavahan’izy ireo teo am-pototry ny tendrombohitra Sinay, dia nameno fanalam-baraka azy izy ireo (Eksodosy 32:4, 6). Toy izany koa, ireo Jiosy izay, taty aoriana, dia tsy hety hanonona ny anarana manokan’Andriamanitra noho ny finoanoampoana dia hanala baraka azy, tsy misy hafa amin’ireo olona manana hevitra mifono zava-miafina izay hilaza izany ho misy heriny mahagaga.
Noho ny tsy fahalalany, dia hisy olona milaza tena fa kristiana koa handray anjara amin’ny fanafenana ny anaran’Andriamanitra rehefa hitsahatra tsy hampiasa izany sahala amin’ny nataon’ny Jiosy izy ireo ka ho tonga hatramin’ny fanafoanana azy tsy ho ao amin’ny fandikana amin’ny teny grika ny Soratra hebreo. Rehefa mandeha ny fotoana, izany dia hitarika ho amin’ny fahadisoan-kevitra vaovao. Amin’izao andro izao tokoa ny olona dia tsy mahalala ny anaran’Andriamanitra. Amin’izy ireo, dia tsy manana anjara afa-tsy kely ao amin’ny fanompoam-pivavahana kristiana izany raha manan-toerana ao aza.
Aoka isika hanohy hanaja ny anaran’i Jehovah
Raha ny marina, amin’izao andro izao, dia ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no manaraka ny ohatra navelan’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany amin’ny fanampiana olona any amin’ny tany rehetra ‘hiantso ny anaran’i Jehovah’ mba hahavonjy azy. Tsy misy mihitsy fivavahana hafa tena mahaforona ‘olona ankalazana ny anarany’. (Asan’ny apostoly 15:14.) Nety ho efa nandoto ny anaran’Andriamanitra anefa ve ny tenantsika?
Raha sendra ka mandika ny lalàn’i Jehovah isika ary manaraka ny tsy rariny, amin’izay dia hanala baraka ny anarany isika (II Timoty 2:19). Etsy andaniny koa, raha mampiasa ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny fanompoam-pivavahantsika isika, nefa eo amin’ny fampiharana dia manorina indrindra ny fanantenantsika amin’ny fananana ara-nofo na amin’ny zava-tsarobidy hafa karazan’izany, dia tsy ho hafa akory noho ny Isiraelita fahizay izay nampiasa io anarana io nefa, raha ny marina, dia nanompo ombilahikely volamena. Afa-tsy izany koa, tsy teny fampiasa ara-majika akory ny anarana hoe Jehovah. Koa raha apetatsika ao an-tranontsika na eo amin’ny fiarakodiantsika izany (na amin’ny endriky ny litera hebreo efatra na araka ny fanoratra azy ankehitriny) amin’ny fieritreretana fa hiaro antsika izany na hitondra fahasambarana ho antsika, moa ve isika tena ho hafa noho ireo Jiosy ninonino foana izay nihevitra azy io ho marika mifono zava-miafina? — Eksodosy 20:7.
Mifono heviny lehibe tokoa àry ny fomba iheverantsika ny anaran’Andriamanitra. Fahatsiarovana mandrakizay ny Avo Indrindra ny anarana hoe Jehovah (Eksodosy 3:15). Mampiseho ny toetrany sy ny fikasany tsy miova izany (Deoteronomia 32:3-43). Mitahy an’ireo izay matahotra azy sy manome voninahitra ny anarany Jehovah (Malakia 3:16). Tsy isalasalana fa ny fandalinana ny tantara, ny hevitra ary ny fampiasana tsara ny anarana manokan’Andriamanitra avoaka ao amin’ilay bokikely hoe Le nom divin qui demeure à jamais dia mbola hanampy olona an’arivony maro hanome voninahitra ny anaran’ny Mpamorona azy hoe Jehovah. — Apokalypsy 4:11.