FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/5 p. 26-31
  • Mitandrema tena amin’ny Devoly fahavalonareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitandrema tena amin’ny Devoly fahavalonareo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony manosika azy sy ny fikasany
  • Mpamitaka manafina hatramin’ny fisiany
  • Fitaka hafa iray koa: ny fivavahan-diso
  • Mampiasa ny fieboeboan’ny olombelona Satana
  • Ny fandriky ny fitiavan-karena fatratra
  • Manararaotra ny fahalemen’olombelona Satana
  • Miorena mafy
  • Miambena Satria Te Handrapaka Anao i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Iza moa i Satana? Tena Misy ve Izy?
    Mifohaza!—2007
  • Mifahara tsara amin’ny fanangolen’i Satana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/5 p. 26-31

Mitandrema tena amin’ny Devoly fahavalonareo

“Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.” — I PETERA 5:8.

1. Iza no fahavalo iombonan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ahoana no azon’izy ireo isakanana ny drafiny?

NANOLO-TENA tsy misy fepetra ho an’i Jehovah Andriamanitra Avo Indrindra ve ianao mba ho tonga anankiray amin’ireo vavolombelony? Raha izany no izy, dia tokony hisetra fahavalo fetsy iray ianao, dia fahavalo tena Devoly. Na dia ao aza anefa ny fahakingany rehetra, dia afaka misakana ny hafetsen-dratsiny ianao ka hiseho ho tsy hivadika amin’Andriamanitra. Adidinao ihany ny mandray anjara amin’izany fomba izany amin’ny fanamarinana ilay lehibe indrindra amin’ny anarana rehetra, dia ny an’ny Rainao any an-danitra. Eny, afaka mampifaly ny fon’i Jehovah ianao ka manome azy valiny amboniny ho an’ilay mpanaratsy azy lehibe indrindra. Ary koa, raha manao toy izany ianao dia handray ho valisoa, fahasambarana mandrakizay ao amin’ny paradisa. — Ohabolana 27:11; Lioka 23:43, MN; Apokalypsy 2:7.

2. Inona no nolazain’ny apostoly Petera ny amin’ilay fahavalontsika?

2 Mba tsy hivadihana amin’Andriamanitra hatrany anefa dia zava-dehibe ny hitandremanao tena amin’ilay fahavalonao lehibe indrindra. Izao tokoa no nambaran’ny apostoly Petera ny aminy: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.” Tsy hoe tsy manana fomba fiarovan-tena anefa ianao, satria izao no teny nanampin’i Petera: “Tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria (...) Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, (...) rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo (...) hampiorina ary hampitoetra anareo.” (I Petera 5:8-10). Natao indrindra hanatanjahana an’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy voahosotra ireo teny ireo. Mitana ny hasarobidiny rehetra anefa izany ho an’ireo mpanompon’i Jehovah izay manantena ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany voaova ho paradisa.

3. a) Iza no vonona ny hitondra fanampiana ho antsika? b) Fahavalo hafa inona moa no ampiasain’i Satana mba hanatontosana ny fikasan-dratsiny?

3 Mba hiarovantsika tena amin’ny fomba mandaitra amin’ilay fahavalontsika lehibe indrindra, dia mila fanampiana isika. Etsy andaniny koa, dia tokony hahafantatra ireo tetikady ampiasainy isika. Na iza isika na iza, Jehovah, Jesosy Kristy, ireo anjely masina sy ny kongregasiona kristiana dia vonona tokoa hitondra fanampiana ho antsika mba tsy hivadihantsika hatrany. Tokony hoheverintsika koa anefa ny amin’ny fahavalo telo: ny nofontsika tsy tanteraka, ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny sy ny tenan’i Satana Devoly. Marina tokoa fa noho ny hasomparany, Satana Devoly dia vonona foana ny hanao izay hahazoana ny fanampian’ireo roa hafa mba hanatontosana ny fikasan-dratsiny. — Jaona 15:19; I Korintiana 9:27.

4. a) Inona moa ireo anarana efatra omen’ny Baiboly an’ilay fahavalon’Andriamanitra? b) Nahoana moa Satana no antsoina hoe “Devoly”, “menarana” sy “dragona”?

4 Ireo teny ampiasain’ny Soratra masina mba hanondroana ilay fahavalontsika dia mahatonga antsika ho afaka hahazo an-tsaina tsara kokoa ny amin’ireo fomba ampiasainy. Ny Baiboly tokoa dia miantso azy hoe “Satana” no sady miantso azy hoe “Devoly”, “menarana” sy “dragona”. (Apokalypsy 12:4, 9, 10.) Ny dikan’ny anarana hoe Satana dia “mpanohitra” na “fahavalo”. (Joba 1:6; 2:1.) Fa raha ny teny hoe “Devoly”, ny heviny dia hoe “mpanendrikendrika”, “mpiampanga” na “mpanala baraka”. Ilay resahintsika dia lazaina koa hoe “menarana” satria izy io nampiasa biby mikisaka iray karazan’izany mba hamitahana an’i Eva tao amin’ny saha Edena (Genesisy 3:1-7). Farany, dia lazalazaina ho “dragona” izy noho ny fironany hitelina na handany.

Ny antony manosika azy sy ny fikasany

5. Inona moa no toerana notanan’i Satana teo anoloan’i Jehovah?

5 Satana Devoly izay anankiray tamin’ireo zanak’i Jehovah tany an-danitra tamin’ny voalohany, dia nanjary nanohitra an’i Jehovah sy nanendrikendrika azy. Ny zava-kendreny dia ny hampiala ny olombelona amin’Andriamanitra sy ny hitarika azy ireo hiasa ho an’ny fitiavan-tenany manokana. Ahariharin’ny fihetsiny fa nolaviny ny maha-marina ny Mpamorona. Ambonin’izany, dia nilaza izy fa tsy nila velively ny hijanona hiankina amin’i Jehovah sy hiantehitra aminy ny olombelona mba hiainana sambatra hatrany. Araka ny miharihary amin’ny ataony, dia toherin’i Satana ny maha-ara-dalàna ny fanapahan’Andriamanitra sy ny fomba fitondrany. Jehovah koa, tetsy andaniny, dia nanaiky hitondra ny zavaboariny araka ny rariny sy hanao izay hanompoan’ireo azy an-tsitrapo, noho ny fitiavana ny tenany sy ny fahitsiany. Satana kosa dia mampiseho ny fikatsahana amim-pitiavan-tena ny tombontsoa manokana ho ny antony tsara indrindra tokony hanosika. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia porofoiny fa ny zavaboary manan-tsaina rehetra dia tokony ho tia tena sahala aminy, ary rehefa dinihina, dia toy izany tokoa izy ireo. — Joba toko 1 sy faha-2.

6. Rehefa heverina amin’ny fihetsiny, inona avy moa no antony nanosika an’i Satana?

6 Mba hidirana ao amin’ny lalana toy izany, Satana dia tsy maintsy ho namela ny fanirian-daza hitombo tao aminy ka hanjary antony manosika mahery, fahamaimaizana mandany. Izany koa no miharihary amin’ny teny ananaran’ny apostoly Paoly mba tsy hanankina ny raharahan’ny mpiandraikitra amin’ny olona vao niova iray “fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fanamelohan’ny Devoly”. (I Timoty 3:6.) Tsy azo lavina fa tsy maintsy misy fievoeboana be vao ho sahy hifaninana amin’i Jehovah Tsitoha, Avo Indrindra, Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao sady Mpanjaka mandrakizay (Genesisy 17:1; II Samoela 7:28; Salamo 83:18; I Timoty 1:17). Ny antony lehibe manosika ny Devoly dia tena ny fizahozahoana; io kileman-toetra io no nitarika azy hitsiriritra ny fanompoam-pivavahana natolotry ny zavaboary manan-tsaina ho an’i Jehovah. Ny porofo dia ny fahavononany hanome “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao” ho an’i Jesosy Kristy ho takalon’ny fanolorana fankalazana iray monja. — Matio 4:8, 9.

7. Nahoana moa Andriamanitra no tsy nandringana an’i Satana sy Adama ary Eva raha vantany vao nikomy izy ireo?

7 Marina fa nety ho afaka nandringana avy hatrany an’i Satana sy ny olombelona mpivady voalohany Jehovah raha vao avy nanota izy ireo. Nefa noho ireo fanontaniana napetraky ny Devoly sy mba hamindrana fo tamin’ireo taranak’i Adama izay mbola tsy teraka akory, dia navelany Satana haharitra sy hanandrana hanaporofo ny zavatra nantitranteriny tamim-pieboeboana. Tamin’izany koa no nanolorany ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy naniry izany, ny fahafahana hitondra ny tenany tsy hiankina aminy sy ireo fotopoto-pitsipiny ara-drariny, na fara faharatsiny hanandrana izany.

Mpamitaka manafina hatramin’ny fisiany

8. Tamin’ny fomba ahoana no namitahan’i Satana ny olona hatramin’ny momba ny fisian’ny tenany mihitsy?

8 Ampiasain’i Satana daholo ny fomba mety hisy sy azo saintsainina rehetra noho ny fanantenana ny hanakantsakana an’i Jehovah sy hampiala ny olombelona rehetra amin’ilay hany fanompoam-pivavahana ara-dalàna, dia ny an’ny Mpamorona azy ireo. Ny anankiray amin’ireny fomba ireny anefa dia ny fanaovana izay hinoana fa tsy misy izy. Ireo izay voafitaka amin’izay dia lasa rembiny mora foana. Tsy misy mahagaga mihitsy àry raha toa any amin’ny antokom-pivavahana maro ka fandre amin’izao andro izao ny fanizingizinana fa tsy olona tena misy ny Devoly. Araka izany, tamin’ny 1974, ny famotopotorana iray dia nampiharihary fa maherin’ny antsasaky ny Amerikana no tsy tena nino ny fisian’izay antsoin’ny Soratra masina hoe Satana. Na dia eo amin’ireo mpitondra fivavahana koa aza, dia maro be no tsy mihevitra ny Devoly ho persona intsony.

9, 10. Ahoana moa no teny nanaporofoan’ny Soratra masina fa persona ny Devoly?

9 Antitranterin’ny Baiboly mazava tsy misy toy izany anefa fa olona tena misy ny Devoly. Hamarininy, ohatra, fa nisy nampiasa ny menarana mba hamitahana an’i Eva, vehivavy voalohany, sy hampiala azy amin’ny lala-mahitsy. Ny bokin’i Joba dia mampiseho an’i Satana amin’izany fomba izany koa, satria ny ampisehoany azy amintsika dia manohitra eo anatrehan’i Jehovah ny tsy fivadihan’i Joba, mpanompon’Andriamanitra. Afa-tsy izany koa, Matio sy Marka ary Lioka mpanoratra Filazantsara dia mitantara fa nalain’ny Devoly fanahy Jesosy Kristy. Ny hoe teo ny fakam-panahy dia avy amin’ny loharano iray ivelan’i Jesosy, izany dia azo tsoahina tsy avy amin’izay fantatra fotsiny ny amin’ny maha-izy sy ny fahatanterahan’i Kristy, fa avy amin’ny karazan’ny fitsapana fahatelo koa. Ahoana tokoa no nety ho nahafahan’i Jesosy niankohoka sy nanolotra fankalazana teo anoloan’ny fotopototra na ny hevitra ny amin’ny ratsy? Tokony homarihina koa fa Kristy mihitsy dia nilazalaza imbetsaka an’i Satana ho persona, ary indrindra ho “filohan’izao tontolo izao”. — Jaona 12:31, MN; 14:30; 16:11; 8:44; Matio 4:1-10; 12:26; Lioka 10:18.

10 Ireo apostolin’i Jesosy koa dia nampahafantatra ny Devoly ho persona tena misy. Araka izany, dia nasehon’i Paoly fa tsy niafina tamin’ny kristiana marina ny ‘fikasan’i Satana’. Afa-tsy izany koa, dia nampitandrina ny mpamaky azy tamin’ny “fanangolen’ny devoly” izy. (II Korintiana 2:11; Efesiana 6:11.) Tetsy andaniny koa, araka ny efa nasainay nomarihina, Petera dia niangavy an’ireo rahalahiny tao amin’ny finoana mba hiahiahy ny Devoly, fahavalon’izy ireo lehibe indrindra. Farany, Jaona dia nanamarina fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. Indray mandeha koa izy dia nanoratra toy izao: “Ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina.” — I Jaona 5:19; Apokalypsy 2:10; I Petera 5:8.

Fitaka hafa iray koa: ny fivavahan-diso

11. Ahoana moa no nampiasan’i Satana ny fironana avy hatrany manosika ny olombelona hivavaka amin’ny Mpamorona azy?

11 Mba hanajambana ny olona, Satana dia mampiasa, ankoatra ny zavatra hafa, ny fivavahan-diso (II Korintiana 4:4). Nataon’Andriamanitra ao amin’ny olombelona ny filana hitana fifandraisana aminy amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana. Navilin’i Satana hahazoany tombontsoa anefa izany fironana avy hatrany izany tamin’ny fanararaotana ny fitiavan-tenan’olombelona sy tamin’ny famelomana tao amin’izy ireo ny tsy fahalalana ny fivavahana madio. Ambonin’izany, mba hanatanterahana ny fikasany dia “mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava” izy. (II Korintiana 11:14.) Noho izany fitaka izany, dia manaraka fivavahan-diso an’arivony maro ny olona amin’izao andro izao.

12. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fivavahan-diso sy ny fampifangaroana fivavahana?

12 Raha ny marina, ny fototry ny fisian’ny fivavahan-diso rehetra dia Satana, satria izao no nambaran’i Paoly: “Izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra.” Tetsy andaniny koa, dia izao no nolazain’i Jesosy: “Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka [mampihahaka, MN ].” Tsy nanohana mihitsy ny fampifangaroana fivavahana Kristy, araka ny porofoin’ireto teny hafa nataony ireto: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” — I Korintiana 10:20; Jaona 14:6.

13. Ahoana no nampiasan’i Satana ny fahalianan’ny olombelona ta-hahafanta-javatra izay manintona azy ho amin’ireo fanahy?

13 Ampiasain’i Satana koa ny fahalianana tahahafanta-javatra izay manosika ny olombelona ho voasinton’ireo fanahy sy ny toeran’ny maty. Tamin’ny alalan’ny fanao mifanohitra tanteraka amin’ny Soratra masina, toy ny firesahana amin’ny angatra, ny spiritisma, ny famantarana ny ho avy, ny fanandroana sy ny majika mainty, no nitarihany olona tsy tambo isaina ho eo ambany fahefany. Afa-tsy izany koa, dia atrehina amin’izao andro izao ny fiheverana aoka izany ny fahaizana sikidy. Misy aza olona mivavaka amin’ny tenan’ny Devoly mihitsy. — Eksodosy 22:17; Levitikosy 19:26; 20:6; Deoteronomia 18:10-12.

Mampiasa ny fieboeboan’ny olombelona Satana

14, 15. a) Ahoana no nahafahan’i Satana nitarika an’i Eva sy Kaina hiasa ho an’ny fikasany? b) Ohatra hafa inona moa no omen’ny Baiboly antsika mitovitovy amin’izany?

14 Resin’ny fakam-panahy hieboebo Satana. Amin’izany, dia tsy mahagaga loatra ny nanairany tao amin’i Eva ny faniriana tamim-pieboeboana sy fitiavan-tena ho tonga sahala amin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra, ka amin’izany izy dia ho afaka hampiala an’ireo ray aman-drenintsika voalohany amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Tsy isalasalana fa nampiasa fomba sahala amin’izany izy mba hifehezana an’i Kaina. Rehefa voamariny fa sosotra aoka izany izy io noho ny nankasitrahan’Andriamanitra ny rahalahiny, dia mora taminy ny nampitombo ny fisafoahany hatramin’ny fanovana izany ho fialonana nahafaty. — Genesisy 4:3-8; I Jaona 3:11, 12.

15 Tamin’ny fotoana rehetra nisian’ny tantaran’olombelona, dia hain’i Satana ny nampiasa olona nieboebo be tamin’izany fomba izany. Aoka hotononintsika Nimroda sy ilay farao nanapaka tany Egypta tamin’ny andron’ny fialana tany ary Sankeriba mpanjakan’i Asyria (Genesisy 10:8-12; Eksodosy 5:2; Isaia 36:7-10, 16-20). Amin’izao andro izao, dia mbola mitana olona maro be eo ambany fahefany ihany izy amin’ny fampiasana ny fieboeboan’izy ireo, na fieboeboana ara-pirazanana izany, na ara-pirenena, ara-pahaizana, ara-tsosialy na hafa. Izany karazam-pireharehana diso toerana rehetra izany dia miasa ho an’ny fikasan’ny Devoly amin’ny fisakanana ireo voany tsy hihaino ny hafatr’Andriamanitra.

Ny fandriky ny fitiavan-karena fatratra

16. Inona moa no vokatra azon’i Satana tamin’ny fanararaotana ny fitiavan’ny olona harena fatratra?

16 Ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo izay tsy misaraka amin’ny faniriana mihoapampana sy ny fitiavam-bola ary ny fireharehana noho ny fananan-javatra, dia fandrika hafa iray koa ampiasain’i Satana mba hitelemana ny olombelona. Tamin’izany fomba izany no nanapahany teo amin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jesosy izay tia vola hatramin’ny tsy fahalalana onony (Lioka 16:14). Tamin’ny alalan’ny fitiavan-karena fatratra koa no nahafahan’i Satana nampita tamin’i Ananiasy “ny fahasahiana hampiasa fitaka eo anatrehan’ny fanahy masina”. (Asan’ny apostoly 5:1-11, MN.) Ary tsy isalasalana fa nampiasa ny fitiavana fananana sy fahafinaretan’izao tontolo izao koa izy mba hampialana an’i Demasy mbamin’ny kristiana hafa tamin’ny asan’i Jehovah. — II Timoty 4:10.

17. Inona no ohatra malaza mampalahelo mampiseho ny fomba mety hahalavon’ny fandriky ny faniriana mihoampampana?

17 Ny toe-javatra nalaza nampalahelo hita tamin’i Jodasy Isikariota dia manazava ny fomba ampiasain’i Satana mba hisamborana an’ireo voany amin’ny fandriky ny fitiavan-karena fatratra. Io kileman-toetra io tokoa dia tsy vitan’ny hoe nanosika an’i Jodasy ho tonga mpangalatra; izany koa no anisan’ny antony nitarika azy hamadika ny Tompony. Nahariharin’i Jodasy tokoa fa vonona ny hanao toy izany izy rehefa nanohitra izy tamin’ny fahitana an’i Maria nanosotra menaka sarobidy ny tongotr’i Jesosy (Jaona 12:4-6; Matio 26:14-16). Aoka àry isika hitandrina mba tsy hahatonga an’i Satana handentika antsika mihitsy ao anatin’ny fitiavan-karena fatratra!

Manararaotra ny fahalemen’olombelona Satana

18. a) Inona no nataon’Andriamanitra mba hahatonga ny fiainantsika hitondra fahafinaretana ho antsika? b) Ahoana no nanodinan’i Satana ireo fanomezan’Andriamanitra ireo hamelezana ny olombelona?

18 Anisan’ny fahalemena maro hain’i Satana hararaotina ny fironantsika hikatsaka fahafinaretan’ny nofo melohin’Andriamanitra. Nirin’i Jehovah ny hahafahantsika migoka fahafinaretana maro. Rehefa mifaly amin’izany sady tsy mihoatra ny fefy omen’ny sitrapony antsika koa isika, dia miharihary fa mahasoa tokoa izany ary mitondra fahasambarana be dia be ho antsika. Maka fanahy antsika anefa ny Devoly amin’ny fanosehana antsika hanao an’ireny fahafinaretana ireny ho ny antony lehibe indrindra tokony hahavelona antsika na mba hahazo izany amin’ny fomba maloto sy mifanohitra amin’ireo lalàn’Andriamanitra. Tamin’izany no nitarihany Isiraelita 24 000 ho azon’ny fandrik’i Bala-Peora (Nomery 25:1-9). Amin’izao androntsika izao, ny fahafinaretan’ny nofo dia manjary zavatra manesika ny olona eo amin’izao tontolo izao. Mihamibaribary kokoa hatrany ny fitondrantena maloto eo amin’ny gazety sy ny sarimihetsika ary ny televiziona. Raha tiantsika anefa ny hijanona ho kristiana sy hotarihin’ny fanahin’Andriamanitra hatrany, dia tokony hanosika ny fakam-panahy toy izany isika. — I Korintiana 14:20.

19. Fandrik’i Satana inona moa no mora mahavoa ny tanora kristiana indrindra? b) Tokony hahatsapa inona moa ny tanora kristiana?

19 Etsy andaniny koa, indraindray Satana dia manandrana mampaniasia antsika amin’ny fampiasana ny fitiavantsika fahataitairana. Ny tanora kristiana indrindra no mora voa amin’io lafiny io. Maro be amin’izy ireny no milatsaka amim-pirehetana amin’ny fanatanjahan-tena iray, sady ho mpijery no ho mpandray anjara, ka izany dia tena mety hahatonga azy ho “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”. (II Timoty 3:4.) Ny fitiavana fahataitairana koa dia mampirona tanora sasany ho tia fatratra hirahira sy karaza-mozika hafa izay mamporisika ho tia filalaovan-dratsy na herisetra. Tsy isalasalana fa ilaina ny fahamalinana, satria izany rehetra izany dia mety hitarika ny tanora kristiana lavitra dia lavitra ny lalan’ny rariny sy ny fahatsaran-toetra. — Salamo 16:11; II Petera 2:20-22.

20. Ahoana moa no ampiasan’i Satana ny tahotra mahazo antsika?

20 Satana koa dia manandrana manao izay hahatonga antsika hatahotra olona. Mazava ho azy fa miezaka ny rehetra mba hanalavitra ny fanesoesoana sy ny fijaliana. Ny tahotra anefa dia nitarika olona maro hanaiky lembenana tao anatin’ny fotoan-tsarotra (Ohabolana 29:25; Hebreo 2:14, 15). Noho ny fanampian’i Jehovah, enga anie isika tsy hanao izany fahadisoana izany mihitsy!

21. Nahoana moa isika no tsy tokony hanaiky ho resin’ny fahakiviana?

21 Ny hafetsen’ny Devoly hafa iray koa dia ny fanandramana manakivy ireo mpanompon’Andriamanitra mandra-pialany. Izany no miharihary fa zava-nokendreny rehefa nisedra an’i Joba izy ka nahatarika azy haniry ho faty sy halahelo noho ny niterahana azy. Nampiasa izany tetikady izany koa izy tamin’i Mosesy (Joba 3:1-13; 14:13; Nomery 11:10-15). Samy tsy nanaiky ho resin’ny fahakiviana anefa izy ireo. Nanohy nanatanteraka tamim-pahatokiana ny sitrapon’Andriamanitra kosa ireo lehilahy roa ireo. Fa raha ny amintsika, dia tsy misy na inona na inona manery antsika hanaiky ho resin’ireo zava-manahirana antsika, na inona izany na inona, satria afaka manohana antsika Jehovah, ary tsy havelany hangozohozo mihitsy ny marina. — Salamo 55:22.

Miorena mafy

22, 23. Mba hiorenana mafy tsy ho azon’ny ‘fanangolen’i Satana’ sy mba tsy hiasana ho an’ny fikasany, inona moa no tokony hataontsika?

22 Koa satria Satana afaka nampanalavitra an’Andriamanitra ny ankamaroan’olona, inona no hataontsika, dia isika izay Vavolombelon’i Jehovah? Tokony hiseho ho be herim-po isika ka “hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly”, amin’ny hafetsena sy ny fitaka ary ny tetikadiny (Efesiana 6:11). Amin’ny fanaovana toy izany, dia hampahafantatra azy isika araka ny tena maha-izy azy tokoa, dia: mpandainga ratsy sy mieboebo.

23 Tsy ho afaka hahatohitra an’i Satana amin’ny fomban’ny tenantsika ihany anefa isika, satria tsy vitan’ny hoe ambony noho ny antsika ny heriny, fa manana fahalalana sy fanandraman-javatra betsaka noho isika koa izy. Koa raha tiantsika ny hiorina mafy hatrany, dia tokony hanararaotra araka izay farany azo atao ny fanampiana omen’i Jehovah ny mpanompony isika. Amin’izany, dia ho afaka hisakana ny drafitr’io fahavalo mahatahotra io isika.

Tadidinao ve?

◻ Fahavalo hafa iza avy moa no iarahan’ny Devoly mba hanatontosana ny fikasan-dratsiny?

◻ Inona moa no toerana noraisin’i Satana eo anatrehan’i Jehovah?

◻ Ahoana moa no anaporofoan’ny Soratra masina fa persona tena misy tokoa Satana?

◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo fandrika velarin’ny Devoly ho antsika? Ahoana no azontsika hitandreman-tena amin’izany?

[Sary, pejy 29]

Tsy resin’ny tahotra olona ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara