Ny Fanabeazana ny zanaka ‘ao amin’ny toerana karakaina’
Ny fitambaran’olona amin’ny andro ankehitriny dia nanova ho karakaina ny toerana lonaka izay niantoka fahiny ny fitomboan’ny ankizy tsara. Toy izany no hevitry ny profesora Edward Wynne, avy any amin’ny oniversite any Illinois. Teo imasony, dia ny fiheverana tafahoatra ny isam-batan’olona, ny fiheverana izay hahabetsaka ny toe-karena sy ny tsy fahombiazan’ireo fivavahana no tompon’andraikitra amin’izany toe-javatra izany. “Takatra ny antony mahatonga ny ray aman-dreny indraindray hahatsapa fa resy amin’ny ady ataony, hoy ny nosoratan’ny Wall Street Journal. Miraviravy tanana ny sasany, ary mampihemotra ny andro hitaizana zanaka raha tsy miala tsotra izao amin’izany aza.” Noho ny fanantenana ny handrodana izany fironana izany, ny profesora Wynne dia namporisika ny ray aman-dreny hanokan-tena tsara amin’ny fanabeazana ny zanany. Mba hanaovana izany, dia nanipy hevitra tamin’izy ireo izy mba hanaraka fivavahana iray izay mamporisika ny hisian’ny firaisam-pianakaviana ka mitaky ny mpianakavy handray anjara amim-paharisihana amin’izany, hampifandanja tsara ny fitiavana sy ny fifehezana ka hanao sorona ny fanirian’izy ireo laza ara-tsosialy.
Efa nampisongadina ny ilàna izany ny Baiboly, taonjato maro lasa izay. Nataony ho an’ny ray aman-dreny tokoa izao torohevitra izao: “Tezao [ny zanakareo] amin’ny fanomezana azy ireo fanabeazana sy fifehezana ara-tolo-tsain’ny Tompo.” (Efesiana 6:4, Bible en français courant). Mirakitra izao fananarana izao koa ny Tenin’Andriamanitra: “Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, (...) hihainoany sy hianarany.” (Deoteronomia 31:12) Ny fampiharana foana ireo fotopoto-pitsipika ireo dia azo antoka fa hanampy ireo fianakaviana hahatohitra ny fikororosian’ny maro.