FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/5 p. 31-32
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/5 p. 31-32

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Koa satria betsaka ny divay nataon’i Jesosy tamin’ilay fampakaram-bady tany Kana, tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa nisy olona an-jatony maro nanatrika ilay fanasana?

Nanome divay karazany tsara dia tsara ampy tokoa Jesosy mba hampanalana hetaheta antokon’olona azo atao hoe maro. Tsy misy na inona na inona mampiseho anefa fa izay nilaina indrindra no nataony, na hoe lany ny divay rehefa nifarana ny fanasana.

Tantarain’i Jaona (2:6-9) fa Jesosy dia afaka nampiasa “siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon’ny Jiosy”. Nibaiko an’ireo izay niaraka taminy toy izao àry Jesosy: “Fenoy rano ny siny.” Milaza mazava ny fitantarana fa tena nofenoin’izy ireo “hatramin’ny molony” tokoa izany. Heverina fa ny “vata” resahina eo amin’io andinin-teny io dia fantatra ho ny “bata” izay mifanitsy amin’ny 22 litatra. Raha tena izany tokoa no izy, ireo siny enina mitambatra dia tokony hisy eo anelanelan’ny 260 litatra sy 390 litatra. — I Mpanjaka 7:26; Ezra 7:22; Ezekiela 45:14.

Nijanona tao amin’io fety io Jesosy sy ireo mpianany, ka izany dia manome antsika antony tsara tokony hieritreretana fa tany ireo nasaina dia nitondra tena tamim-pahalalana onony. Mety hisy hanatsoaka hevitra avy amin’izany fa tokony hisy olona an-jatony maro tao, raha tsy izany dia tsy ho nihevitra Kristy fa nilaina ny hanova rano betsaka toy izany ho divay. Nefa, tamin’ny toe-javatra hafa izay nizarany sakafo ho an’ny manodidina azy tamin’ny fomba mahagaga, Jesosy dia tsy nianina tamin’ny fanaovana ny kely indrindra nilaina. Ohatra, rehefa nampitombo mofo sy hazandrano madinika izy mba hamahanana lehilahy 4 000, tsy isaina ny zaza amam-behivavy, dia azo natao ny nanangona ambiny “nahafeno sobiky fito”, dia sobiky zozoro ampy habe mba hahazaka olona iray (Matio 15:32-38; Asan’ny apostoly 9:25). Mitovitovy hevitra amin’izany, rehefa vita ny fanasana tany Kana, dia nety ho notehirizina ny divay betsaka mba hampiasaina any aoriana, satria nisy fisotroana izany matetika tamin’ny fisakafoana. Izany fihetsehana izany àry dia ho nanipika fa nalala-tanana i Jesosy, sahala amin’ny Rainy. — Asan’ny apostoly 14:17; jereo Matio 14:14-21.

Mponina maro be tany Kana sy ny manodidina no tsy isalasalana fa tonga tao amin’io fampakaram-bady io. Na dia izany aza, ny habetsahan’ny divay nataon’i Jesosy tamin’io fotoana io dia tsy hoe tsy maintsy manaporofo fa an-jatony maro ny mpanatrika.

◼ Nahoana ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manao zavatra any an-tsekoly mifandray amin’ireo fety, nefa ny mpianatra hafa manao izany na inona na inona fivavahany?

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mamporisika an’ireo zanany hiseho ho tia asa sy fiaraha-miasa any an-tsekoly. Heveriny anefa fa ireo fampiasana mifamatotra amin’ny fety tsy ankalazainy dia tsy mifanaraka amin’ny zavatra inoany lalina.

Ny sekolim-bahoaka dia mivoha ho an’ny ankizy rehetra, na any amin’ny eglizy ny fianakaviany no manaraka fanompoam-pivavahana, na any amin’ny synagoga, na any amin’ny tempoly, na tsy mivavaka mihitsy. Mety hampanaovin-javatra any an-tsekoly mifandray amin’ny fetim-pirenena iray na fety ara-pivavahana iray tandremana eo an-toerana anefa ny mpianatra. Araka izany, any amin’ny tany maro, ny Krisimasy dia ampiasaina ho foto-kevitra amin’ny fianarana mozika na sary mandritra ny volana desambra. Ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana jiosy, hindoa na avy amin’ny finoana hafa iray tsy kristiana dia tsy isalasalana fa tsy mankalaza ny krisimasy any an-tranony. Ny sasany aminy anefa dia mihevitra fa afaka hianatra hiran’ny Noely na hanao sarin’i Dadabe Noely, hazo Noely, ets. Angamba miteny anakampo izy ireo fa manao izany amim-pialanalanana tanteraka, nefa tsy mandray anjara amin’ny fetin’ny Noely.

Ny hafa kosa anefa dia mangataka mba tsy hanao izany fampiasana izany. Ireo mpianatra jiosy dia mety hanao toy izany noho izao baiko nomen’i Jehovah ny Isiraely fahiny izao: “Rehefa tonga any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao hianao, dia aza mianatra hanao araka ny fahavetavetana ataon’ireo firenena ireo.” “Andrao [aza, MN ] mamotopototra ny amin’ny andriamaniny hianao ka manao hoe: Nanao ahoana ny nanompoan’ireny firenena ireny ny andriamaniny? Fa izaho koa mba hanao toy izany. Aza manao toy izany amin’i Jehovah Andriamanitraoa”.

Ho ohatra, dia izao no nolazain’i Jehovah ny amin’ny fanamboarana sampy (ity andininy ity indraindray dia nampiasaina tamin’ny fomba diso tamin’ny fandravahana ny hazo Noely): “Fa ny fanaon’ny firenena dia zava-poana; fa hazo nokapaina tany an-ala ireny, dia asan-tànan’ny mpiasa amin’ny famaky; volafotsy sy volamena no andravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy.” Ny sary toy izany dia tsy tokony hoheverina ho fanaovana zava-kanto fotsiny. Nanao izao baiko hentitra izao tokoa Jehovah: “Aza mianatra ny fanaon’ny jentilisab.”

Matoa mankany an-tsekoly ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah, dia satria izy ireo maniry hahazo fianarana mety. Amin’ny ririnina, ohatra, ny mpampianatra sary iray dia hangataka amin’ny kilasiny mba hanao hosodoko sary iray mampiseho diera sy hazo kesika misy orampanala. Raha fampiasana sahala amin’ny hafa izany, tsy misy fifandraisana mihitsy amin’ny Noely, dia tena azo inoana fa ray aman-dreny kristiana vitsy no hahita hokianina amin’izany. Ny fieritreretan’ny Vavolombelona kosa anefa dia hisakana azy tsy handray anjara amin’ny asa any an-tsekoly izay mifanohitra amin’ny fahalalany ny Baiboly sy ny sitrapon’Andriamanitra. Ny kristiana marina dia hiezaka hampihatra eo amin’ny fiainany izao tenin’i Jesosy izao: “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24). Amin’izany, raha toa ny zavatra ampanaovina any an-tsekoly ka mitarika ny kilasy iray hanao asa mifamatotra amin’ny fety mifanohitra amin’ny Soratra masina, ny tanora Vavolombelona dia tsy hety hanao izany, na dia hahavàka an’ireo tsy mitovy fiheverana aminy aza izany. Noho ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fahafahana ara-pivavahana, ary atosiky ny faniriana ho mpianatra tsara, dia angamba izy ireny hangataka ny hanao fampiasana hafa tsy misy lafiny ara-pivavahana mihitsy. — Jereo I Petera 4:3, 4.

Mpampianatra maro mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa no faly nandray fanazavana hentitra natao ny amin’izany ao amin’ilay bokikely hoe L’école et les Témoins de Jéhovah. Izao no vakina ao, ankoatra ny zavatra hafa, ny amin’ireo fety ara-pivavahana sy fetim-pirenen’izao tontolo izao ankehitriny: “Noho ny fieritreretana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mandray anjara mihitsy amin’ny fankalazana izany, na amin’ny fihirana, na amin’ny fitendrena mozika, na amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampisehoana iray, amin’ny fiarahana manao filaharambe, amin’ny fanaovana sary, amin’ny fanatrehana fanasana, amin’ny fihinanana na amin’ny fisotroana, ets. Tsy hitany kosa anefa izay hanatsiniana ny hankalazan’ny hafa izany, ary tsy manandrana misakana azy ireny izy. Velom-pankasitrahana tokoa izahay noho ireo mpampianatra izay manana fahamoram-panahy manafaka an’ireo zanakay amin’izay rehetra mety ho asa mifamatotra amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa amin’ny lanonana toy izany.” — Pejy faha-20, 21.

◼ Koa satria tsy ara-tsindrimandry ny soratra ao amin’ny boky voalohan’ny Makabeo, nahoana moa indraindray Ny Tilikambo Fiambenana no manonona fisehoan-javatra tantarainy?

Ny bokinay fakàn-teny mitondra ny lohateny hoe Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible dia mirakitra lahatsoratra misy antsipiriany araka ny fiantombohana hoe “Apocryphe”. Hita ao ny porofo manamarina fa ireo boky ‘deoterokanonikan’ny’ eglizy katolika dia tokony hoheverina ho “apocryphes” (tsy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra). Tsy nandray azy ireo mihitsy ao amin’ny boky rehetra amin’ny teny hebreo ao amin’ny Baiboly ny Jiosy. Tetsy andaniny koa, Jérôme, ilay mpandika teny malaza katolika nanao ny Vulgate latina, dia niaiky fa tsy anisan’ny boky rehetra ao amin’ny Baiboly ireo boky ireo. Ireo “apocryphes” dia tsy ara-tsindrimandry sahala amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly. — II Timoty 3:16.

Na dia izany aza, ny bokin’i Makabeo roa tsy ara-tsindrimandry dia mirakitra fanazavana ara-tantara maro mendrika inoana. Tao amin’ny fanontany amin’y teny anglisy, dia mampiseho toy izao ny boky voalohan’ny Makabeo ny Auxiliaire: “Filazana ara-tantara ny ady nataon’ny Jiosy mba hahazoana ny fahaleovantenany tao anatin’ny taonjato faharoa alohan’ny fanisan-taona iraisana, nanomboka tamin’ny niandohan’ny andro nanjakan’i Antiokisy Epifana (175 al. fan. ir.) ka hatramin’ny nahafatesan’i Simona Makabeo (tany amin’ny 134 al. fa. ir.) (...). Velabelariny indrindra ireo zava-bitan’i Matatiasy mpisorona sy Jodasy, Jonatana ary Simona zanany tamin’ny ady nifanaovana tamin’ny Syriana. Noho ireo fanazavana omeny antsika ny amin’io vanim-potoana eo amin’ny Tantara io, dia sarobidy indrindra amin’ireo boky tsy ara-tsindrimandry izy io. Kanefa, araka ny asain’ny Encyclopédie juive (anglisy) marihina, izany dia ‘Tantara nosoratana araka ny fiheveran’ny olombelona’.”

Manampy izao manaraka izao koa ny Auxiliaire ny amin’ny boky faharoan’ny Makabeo: “Na dia alahatra aorian’ny boky voalohan’ny Makabeo aza io fitantarana io dia voasoratra ao anatin’ny vanim-potoana sahala amin’ny azy (180 al. fan. ir. ka hatramin’ny 160 al. fan. ir. eo ho eo), ary izy io dia nosoratan’ny mpanoratra hafa iray. Io dia mampiseho ny bokiny ho toy ny famintinana zavatra nosoratana teo aloha, dia ny an’ilay atao hoe Jasona avy any Kyrena. Lazalazainy ny fanenjehana nihatra tamin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Antiokisy Epifana, ny nandrobana ny tempoly sy ny fitokanana vaovao nanaraka izany.”

Noho izany, dia tena azo atao ny maka teny avy ao amin’ny bokin’ny Makabeo na manonona izany noho ny vidiny ara-tantara kanefa tsy milaza akory izany hoe ireny boky ireny na ny hafa “apocryphes” dia anisan’ny boky ao amin’ny Baiboly na ara-tsindrimandrin’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Deoteronomia 18:9; 12:30, 31; Jeremia 10:2-4.

b Deoteronomia 18:9; 12:30, 31; Jeremia 10:2-4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara